Les combats et les souffrances de Paul – Ny ady sy ny fijalian’i Paoly

  1. Passer de nos combats… au combat du Christ en nous, au combat avec le Christ :
  2. Mandeha hatramin’ny adintsika ka hatramin’ny adin’i Kristy ao amintsika sy amin’ny ady miaraka amin’i Kristy :
  3. Combats et souffrances dans la vie de Paul :
  4. Ady sy fijaliana tao amin’ny fiainan’i Paoly
  1. Comment Paul comprend l’œuvre de Dieu à travers les détresses et les souffrances qui ne sont jamais un but en soi :
  2. Ahoana no ahazoan’i Paoly ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahoriana sy ny fijaliana izay tsy tanjona ao anatiny :
  1. Repères pour le combat :
  2. Famantara ho an’ny tolona :

Les combats et les souffrances de Paul

Ny ady sy ny fijalian’i Paoly

Une lecture des Actes des Apôtres et des lettres de Paul nous met devant une réalité incontournable : le chemin de l’Apôtre passe par la croix, les combats, les détresses. En regardant Paul, mais aussi les autres Apôtres, nous retrouvons cet appel de Jésus : Ny famakiana ny Boky ny Asan’ny Apôstôly sy ireo taratasin’i Paoly dia mametraka antsika eo anoloan’ny zava-misy iray tsy azo ihodivirana ; ny lalan’ny Apôstôly dia mandalo amin’ny hazofijaliana, sy ny ady ary fahoriana. Eo am-pijerena an’i Paoly, nefa ary koa ny Apôstôly hafa, dia mahita ity antson’i Jesoa ity.
« Si quelqu’un veut venir à ma suite, qu’il renonce à lui-même et prenne sa croix, et qu’il me suive. En effet, qui veut sauver sa vie, la perdra ; mais qui perdra sa vie à cause de moi et de l’Evangile, la sauvera. Et quel avantage l’homme a-t-il à gagner le monde entier, s’il le paie de sa vie ? Que pourrait donner l’homme qui ait la valeur de sa vie ? Car, si quelqu’un a honte de moi et de mes paroles au milieu de cette génération adultère et pécheresse, le Fils de l’Homme aussi aura honte de lui, quand il viendra dans la gloire de son Père avec les saints anges. » (Marc 8, 34-38) « 34Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. 35Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. 36Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny ? 37Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny ? 38Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy otronin’ny Anjely masina ? » (Mk 8, 34-38)
« Prendre sa croix », « souffrir pour le Christ »… des expressions qui ont souvent été détournées de leur sens au point d’entraîner des névroses, ou des aliénations, et finalement des rejets. Parmi ceux-ci, les écrits de Nietzsche sont particulièrement percutants, en particuliers dans son livre « La genèse de la morale ». « Mandray ny hazofijaliany », « mijaly ho an’i Kristy »… fiteny izay voahodina tamin’ny heviny ireo matetika ka mitarika amin’ny aretin-tsaina « névrose », na hadalana ary farany amin’ny tsy fandraisana. Anisan’ireo izay nosoratan’i Nietzche dia tena mahery vaika indrindra moa ao anatin’ny bokiny : « La Genèse de la morale » (Ny Jenezin’ny fampianarana momba ny fitondran-tena)
« Prendre sa croix », « souffrir pour le Christ »… des expressions que nous avons du mal à entendre parce qu’en nous « la chair s’oppose à l’appel du Christ » et que, comme beaucoup, nous nous situons en ennemis de la croix. (Ph 3, 18) « Mandray ny hazofijaliany », « mijaly ho an’i Kristy »… fiteny tsy dia tiantsika ho renesina satria ao amintsika, « ny nofo dia manohitra ny antson’i Kristy, ary tahaka ny maro dia mipetraka ho toy ny fahavalon’ny hazofijaliana isika (jereo Fil 3, 18).
L’objet de cette étude est de mieux comprendre cette dimension de la vie du disciple du Christ en suivant pas à pas Saint Paul. Combats, souffrances, détresses, écharde, faiblesse, croix, … tous ces mots renvoient à des réalités très diverses dans la vie de Paul que nous essaierons de distinguer. Nous regarderons surtout comment, dans ces réalités, Paul se laisse prendre, saisir, façonner par le Christ pour entrer dans la joie de la rencontre. Comme nous le verrons, ces réalités ne sont pas des buts en soi, mais des points de passage obligé sur la route de celui qui se laisse prendre par le Christ. Paul n’a pas eu à les rechercher, à les choisir ou à se les donner. Il n’est pas possible de prendre le chemin de l’amour sans avoir à pâtir. Ce qui est cherché, ce n’est pas la souffrance, mais la joie à nulle autre pareille de se laisser habiter, saisir par le Christ, d’aimer. Ny fototr’ity fianarana ity dia ny ahazoana tsaratsara koa ny refin’ny fiainan’ny mpianatry Kristy eo am-panarahana tsikelikely Masindahy Paoly. Ady, fijaliana, fahoriana, tsilo, fahalemena, hazofijaliana… ireo teny rehetra ireo dia mamerina amin’ny zava-misy tena isan-karazany tao amin’ny fiainan’i Paoly izay handramantsika ho avahana. Ho jerentsika indrindra ahoana no naneken’i Paoly handray sy ahazo ary ho volavolain’i Kristy mba hiditra ao anatin’ny fifaliana amin’ny fihaonana ao amin’ireny zava-misy ireny. Araka izay ho hitantsika ireny zava-misy ireny dia tsy tanjona fotsiny, fa teboka lalana tsy maintsy andalova na eo amin’ny lalan’izay manaiky ho raisin’i Kristy. Tsy nila nitady an’ireny i Paoly sy hifidy ireny na hanome ho azy ihany ireny. Tsy azo atao ny mandray ny lalan’ny fitiavana ka tsy hoe hijaly. Izay tadiavina dia tsy ny fijaliana, fa ny fifaliana tsy mana-tsahala eo amin’ny fanekena ny honenana ho raisin’i Kristy.

1. Passer de nos combats… au combat du Christ en nous, au combat avec le Christ :

1. Mandeha hatramin’ny adintsika ka hatramin’ny adin’i Kristy ao amintsika sy amin’ny ady miaraka amin’i Kristy :

Sur le chemin de Damas, Paul doit quitter son combat à lui contre le Christ pour entrer dans le combat du Christ. Tokony nandao ny adiny tamin’i Kristy mba hidirana ao anatin’ny adin’i Kristy i Paoly tao amin’ny lalan’ny Damasy.
« Poursuivant sa route, il approchait de Damas quand, soudain, une lumière venue du ciel l’enveloppa de son éclat. Tombant à terre, il entendit une voix qui lui disait : 3Raha mbola nizotra ny dia izy ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. 4Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe :
–     « Saul, Saul, pourquoi me persécutes-tu ? » –     « Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao ? »
–     « Qui es-tu, Seigneur ? » –     « Iza moa Ianao, Tompo ? »
–     « JE SUIS Jésus, c’est moi que tu persécutes. Mais relève-toi, entre dans la ville, et on te dira ce que tu dois faire. » (Ac 9, 3-6) –     « Izaho no Jesoa Izay enjehinao ; sasapoana ianao mitroatra mahohitra ny fanindronana. Mitsangàna, ka nidira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy hataonao. »
Ce combat, en fait, est le combat fondamental, combat jamais gagné, combat qui marque tous ceux que nous retrouverons dans la vie de Paul, combat qui évoque ceux de Jacob, de Moïse, d’Elie, celui du Christ lui-même au désert, combat du Christ en Paul qui le fait passer de sa lumière à celle du Christ, celle qui vient du ciel, celle qui veut envelopper toute sa vie, toute sa personne. Il lui faut accepter de tomber pour pouvoir être relevé, pour pouvoir passer de la mort à la vie ; il lui faut accepter de ne plus être le chef mais de devoir se laisser guider, accepter que des écailles tombent de ses yeux et que cela ne se fasse pas sans douleurs, qu’il ait toujours à découvrir le Christ ; il lui faut accepter de passer par l’impossibilité à se nourrir, par l’impuissance pour enfin pouvoir recevoir son Esprit et accueillir en lui sa vie jusqu’à pouvoir dire : Arak’izany io ady io no tena zava-dehibe, ady tsy misy fandresena mihitsy, ady maneho ireo rehetra izay ho hitantsika tao anatin’ny fiainan’i Paoly, ady izay mampahatsiahy ireo adin’i Jakôba syizy sy Elia ary ny an’i Kristy tenany tany an’efitra, adin’i Kristy tao amin’i Paoly izay nampandalo azy tamin’ny fahazavany ho amin’ny an’i Kristy ilay tonga avy tany an-danitra, ilay te-hanarona ny fiainany rehetra ny tenany manontolo. Tsy maintsy manaiky hianjera mba ahafahana manarina, mba ahafahana mandalo amin’ny fahafatesana ho an’ny amin’ny fiainana ; tsy maintsy manaiky ho lehibe intsony fa tokony hanaiky ho tarihina, manaiky fa misy sombin-kazo latsaka avy amin’ny maso ary izany dia tsy atao hamparary, fa hampahita an’i Kristy, tsy maintsy handalo amin’ny tsy fahazoana mivelona sy amin’ny tsy fahampian-kery mba ahazoana mandray amin’ny farany ny Fanahiny ary hahazo ao aminy ny fiainany hatramin’ny ahazoana miteny hoe :
« Avec le Christ, je suis un crucifié ; je vis, mais ce n’est plus moi, c’est Christ qui vit en moi. » (Ga 2, 20) « 20ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. » (Gal 2, 20)
C’est dans cette lumière de la rencontre, du choix du Christ qui veut faire de Paul un instrument pour répondre de son nom devant toutes les nations, que nous pouvons regarder ses combats, ses souffrances par lesquelles il va devoir passer et qui lui avaient été annoncées. Ao amin’ity fahazavan’ny fihaonana ity, amin’ny safidin’i Kristy izay te-hanao an’i Paoly ho fitaovana iray mba hamaly amin’ny anarany eo anatrehan’ny firenena rehetra dia ho afaka hijery ny adiny, ny fijaliany sy izay tokony handalovany araka izay efa nambara taminy isika.
« 15Mais le Seigneur lui dit : « Va, car cet homme est un instrument que je me suis choisi pour répondre de mon nom devant les nations païennes, les rois et les Israélites. 16Je lui montrerai moi-même en effet tout ce qu’il lui faudra souffrir pour mon nom. » (Ac 9, 15-16) « 15Fa hoy ny Tompo taminy : « Mandehana, fa io lehilahy io dia tanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny anarako eo anatrehan’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary eo anatrehan’ny Israelita ; 16ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny anarako. » (As 9, 15-16)
C’est dans la lumière du choix de Dieu de se faire connaître à tous les hommes, de se faire connaître en faisant confiance à des hommes pécheurs, y compris à ceux qui l’ont renié (comme Pierre), ou qui l’ont persécuté (comme Paul), et qui aime l’homme jusqu’à accepter qu’il le refuse, que nous pouvons essayer de comprendre les souffrances dans la vie de Paul. Tao anatin’ny safidin’ Andriamanitra hampahalala ny tenany amin’ny olona rehetra, hampahalala ny tenany eo am-panehoana fitokisana ny olombelona mpanota, ao anatin’izany ireo izay nandà azy (tahaka an’i Piera), na ireo izay nanenjika azy (tahaka an’i Paoly), ary ireo izay tia ny olona hatramin’ny fanekena fa ho lavina izy, no ahazoantsika manandrana hahazo ny fijaliana tao anatin’ny fiainan’i Paoly.
C’est dans la lumière de la promesse qu’il lui fait de ne pas seulement lui être apparu une fois, d’être toujours avec lui, que nous pouvons regarder ses souffrances : Ao anatin’ny fahazavan’ny fampanantenana atao azy mba tsy hiseho afa-tsy indray mandeha fotsiny, hiaraka aminy foana no ahazoantsika mijery ny fijaliany.
« Relève-toi, debout sur tes pieds ! Voici pourquoi je te suis apparu : Je t’ai destiné à être serviteur et témoin de la vision où tu viens de me voir ainsi que des visions où je t’apparaîtrai encore. Je te délivre déjà du peuple et des nations païennes vers qui je t’envoie pour leur ouvrir les yeux, les détourner des ténèbres vers la lumière, de l’empire de Satan vers Dieu, afin qu’ils reçoivent le pardon des péchés et une part d’héritage avec les sanctifiés, par la foi en moi. » (Ac 26, 16-18) « 16Mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongontrao. Fa Izaho no niseho taminao, dia ny mba hanendry anao ho mpanompoko sy vavolombelon’ny zavatra efa hitanao sy izay mbola hisehoako aminao koa. 17Nafahako tamin’ny vahoaka Jody ianao, sy tamin’ny hafa firenena izay hanirahako anao izao, 18mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hahatonga azy hiala avy amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefàn’i Satana ho amin’ Andriamanitra ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy. » (As 26, 16-18)
Que nous regardions Paul ou notre vie, nous sommes invités à ne pas tant regarder la souffrance, nos limites, notre péché, que ce que le Christ réalise en nous, par nous, avec nous, comment il vient nous rencontrer et nous envoie. Nous serons aussi appelés à discerner les combats, les souffrances que nous nous donnons, et les combats et souffrances qui sont du Christ. Raha hijery an’i Paoly na ny fiainantsika isika, asaina isika tsy hijery ny fahoriana loatra sy ny fetrantsika ary ny fahotantsika, fa hijery izay hanatanteraka i Kristy ao amintsika, amin’ny alalantsika, miaraka amintsika, nanao ahoana nonahatongavany hihaona amintsika ary haniraka sy miantso antsika Izy. Antsoina koa isika handinika ny adintsika sy ny fijaliana izay omena antsika, ary ny ady sy ny fijaliana izay an’i Kristy.

2. Combats et souffrances dans la vie de Paul :

2. Ady sy fijaliana tao amin’ny fiainan’i Paoly

2.1 Dans une lecture du Livre des Actes des Apôtres :

2.1 Ao amin’ny famakiana ny bokin’ny Asan’ ny Apôstôly

–     Un temps assez long s’était écoulé, quand ces Juifs se concertèrent pour le faire périr. Saul eut alors connaissance de leur complot. Ils allaient jusqu’à garder les portes de la ville, jour et nuit, pour pouvoir le tuer. Mais, une nuit, ses disciples le prirent et le descendirent le long de la muraille dans une corbeille. (Ac 9, 22-25) –     Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jodin’i Damasy ; fantatr’i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan’izy ireo andro aman’alina ny vavahady mba hamonoany azy ; kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobiky, dia nampidininy tamin’ny manda.
–     En arrivant à Jérusalem, il est mal accepté par les chrétiens qui ont peur de lui ; (Ac 9, 26) –     Rehefa tonga tany Jerosalema, tsy dia neken’ny kristianina izay matahotra azy izy. (As 9, 26)
–     Il doit quitter Jérusalem pour fuir les hellénistes qui cherchent à le tuer. (Ac 9, 28) –     Tsy maintsy niala tao Jerosalema handositra ireo Jody miteny grika ireo izay mitady hamono azy izy. (As 9, 28)
–     A Chypre, il connaît l’opposition du magicien Elymas ; (Ac 13, 8) –     Nifanena tamin’ny fanoheran’i Elymas mpamoa angatra izy tao Sipra. (As 13, 8)
–     A Antioche de Pisidie, il est insulté, persécuté, chassé par des Juifs ; (Ac 13, 45 ; 13, 51) –     Nompaina, nohenjehina, noroahin’ny Jody izy tao Antiokia any Pisidia. (As 13, 45 ; 13, 51)
–     Idem à Iconium où on cherche à le lapider ; (Ac 14, 5) –     Torak’izany tao Ikôniôma izay notadiavina ho toraham-bato izy. (As 14, 5)
–     Avec Barnabé, ils sont pris pour des dieux après avoir guéri un infirme, puis, juste après, la même foule lapide Paul, le traîne hors de la ville et le laisse pour mort à Lystres ; (Ac 14, 19) –     Noheverina ho Andriamanitra izy niaraka tamin’i Barnabà rehefa avy nanasitrana malemy iray ary rehefa avy eo ivelany, dia nitora-bato an’i Paoly ireo vahoaka ireo notarihiny tany ivelan’ny tanàna ary navelany ho faty tany. (As 14, 19)
–     Sur le chemin du retour de ce premier voyage, ils affermissent les chrétiens et les alertent en les engageant à persévérer dans la foi, conscients qu’ils allaient connaître la souffrance : « nous pouvons, disaient-ils, passer par beaucoup de détresses pour entrer dans le Royaume de Dieu. » (Ac 14, 22) –     Teny an-dalana miverina tamin’io dia voalohany io, dia manatanjaka ny kristianina sy mandodona azy ireo eo am-pampirisihana azy ireo hikiry ao anatin’ny finoana, mahafantatra tsara fa hahalala ny fijaliana izy ireo. Nilaza izy ireo hoe : « amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. » (As 14, 22)
–     A Antioche, au retour du premier voyage, il se trouve en conflit grave avec des frères qui exigent la circoncision ; (Ac 15, 2) –     Tany Antiokia, tamin’ny fiverenana tamin’ny dia voalohany, dia nifanditra mafy tamin’ireo rahalahy izay nitaky ny famorana izy ; (As 15, 2)
–     Au moment de repartir en mission après l’assemblée de Jérusalem, il entre en conflit grave avec Barnabé sur l’opportunité d’emmener Marc avec eux, jusqu’à se séparer de Barnabé ; (Ac 15, 37-40) –     Tamin’ny fotoana handehanana indray hanao iraka, tao aorian’ny fivoriana tany Jerosalema, dia nifanditra tamin’i Barnabà izy ny amin’ny fomba hitondrana an’i Marka miaraka amin’izy ireo ka niafara tamin’ny fisarahana tamin’i Barnabà. (As 15, 37-40)
–     A Philippe, avec Silas, son compagnon, il est agressé, ses vêtements sont déchirés, il est battus et jeté en prison, pieds et poings liés, après avoir délivré une possédée et fait perdre à ses patrons une source de gains ; (Ac 16, 22-24) –     Tany Filipy, niaraka tamin’i Silasy, dia norahonana izy, norovitina ny fitafiany, nokapohina izy ary natsipy tany am-ponja, nofatorana ny tongotra aman-tanana, rehefa avy natolotra tamin’ny vehivavy nisy demony iray, rehefa avy nampanany vola ny tompony tamin’ny loharanom-bola ; (As 16, 22-24)
–     Il est rapidement menacé à Thessalonique par les Juifs et doit fuir en urgence ; (Ac 17, 5) –     Nalaky voarahon’ny Jody izy tany Tesalônika ary tsy maintsy nandositra haingana ; (As 17, 5)
–     Les Juifs de Thessalonique le poursuivent à Bérée et il doit fuir pour Athènes ; (Ac 17, 13) –     Noenjehin’ny Jodin’i Tesalônika tany Berea izy dia tsy maintsy nandositra nankany Atena ; (As 17, 13)
–     Il connaît la moquerie à Athènes pour avoir parlé de la Résurrection et doit quitter Athènes ; (Ac 17, 32) –     Nahita ny fanesoana tany Atena izy raha niteny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary tsy maintsy niala tao Atena (As 17, 12)
–     Il est injurié par les Juifs à Corinthe et se tourne résolument vers les païens (Ac 18, 6) puis amené par les Juifs au tribunal de Corinthe et comparaît devant Gallion ; (Ac 18, 12) –     nompain’ny Jody tao Kôrinto izy ary mitodika tsy misy indrafo tamin’ny mpanompo-sampy (As 18, 6) dia nentin’ny Jody tany amin’ny tribonalin’ny Kôrinto ary niseho teo anatrehan’i Galiôna ; (As 18, 12)
–     Il doit quitter Ephèse en raison de la révolte fomentée par les marchands de statuettes d’Artémis qui voient leur commerce s’écrouler ; (Ac 19, 28-31) –     Tsy maintsy niala tao Efezy izy noho ny fikomiana nataon’ireo mpivarotra sariolona madinika tany Diana (Artemis) izay nanatrika ny varotra ataony mikororosy fahana ; (As 19, 28-31)
–     Il connaît de nouveau un complot contre lui au moment de partir pour la Syrie et doit modifier son itinéraire ; (Ac 20, 3) –     Fantany indray ny fiokoana taminy teo amin’ny fotoana handehanany tany Syria ary voatery nanova ny lalany izy (As 20, 3)
–     A Milet, il fait un discours d’adieu aux anciens d’Ephèse et décide librement de monter vers Jérusalem où il sait que chaînes et détresses l’attendent ; (Ac 20, 17-38) –     Nanao kabary fanaovam-beloma ireo maintimolalin’ny Efezy izy tao Mileto ary nanapa-kevitra malalaka hiakatra tany Jerosalema izay nahafantarany fa rojo vy sy fahoriana no miandry azy (As 20, 17-18)
–     A Césarée, il redit sa disponibilité pour mourir pour le Christ : « Qu’avez-vous à pleurer et à me briser le cœur ? Je suis prêt, moi, non seulement à être lié mais à mourir à Jérusalem pour le nom du Seigneur Jésus. » (Ac 21, 13) –     Tany Sezarea, dia noteneniny indray ny fahavononany ho faty ho an’i Kristy : « Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko ? Izaho izao dia vonona, tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza mba ho voninahitry na Anaran’i Jesoa Tompo. » (As 21, 13)
–     A Jérusalem, la ville entière entre en émeute contre lui et demande sa mort (Ac 21, 30-36) ; il est arrêté et comparaît ; désormais il sera captif. –     Namaky ady tamin’ny tanàna iray manontolo tany Jerosalema ary nangataka ny fahafatesany (As 21, 30-36) ; nosamborina izy ary niseho indray, hatreo dia azo sambo-belona izy.
–     Il est conduit à Césarée et échappe à un complot (Ac 23, 12) ; il comparaît deux fois à Césarée (Ac 24 à 26), –     Nentina teo amin’i Sezarea izy ary afa-doza tamin’ny fiokoana iray (As 23, 12) ; niseho indroa teo amin’i Sezarea izy (As 24 ka hatraminy 26).
–     Il part pour Rome ; pendant le voyage, il connaît la tempête et fait naufrage ; il met sa confiance à Dieu et y échappe (Ac 27) ; –     Nandeha tany Rôma izy nandritra ny diany dia nifanehatra tamin’ny tafio-drivotra sy faharendrehana an-tsambo izy, napetrany tamin’ Andriamanitra ny fitakisany ary afaka tamin’izany izy. (As 27)
–     Il doit encore échapper au désir des soldats de tuer les prisonniers et à un serpent sur l’île de Malte ; (Ac 27 et 28) –     Mbola ho afaka tamin’ny fanirian’ireo miaramila hamono ireo gadra am-ponja izy ary ilay bibilava iray tao amin’ny Nosin’ny Malta (As 27 sy 28).

2.2 Détresses, combats, souffrances… quelques grands textes :

2.2 Fahoriana, ady, fijaliana… Lahatsoratra lehibe vitsivitsy :

2.2.1 Le discours aux anciens d’Ephèse à Milet (Ac 20, 18-38)

ou le testament de Paul dans lequel il relit ses épreuves et annonce celles de la communauté :

2.2.1 Kabary ho an’ny maintimolalin’i Efezy ao Mileto (As 20, 18-38)

Na ny testamentan’i Paoly ka ao anatin’izany dia vakiany indray ny fitsapana nahazo azy ary manambara ny an’ny fikambanana izy :

« Vous savez quelle a toujours été ma conduite à votre égard depuis le jour de mon arrivée en Asie. J’ai servi le Seigneur en toute humilité, dans les larmes et au milieu des épreuves que m’ont valu les complots des Juifs et je n’ai rien négligé de ce qui pouvait vous être utile ; au contraire, j’ai prêché, je vous ai instruits, en public comme en privé ; mon témoignage appelait et les Juifs et les Grecs à se convertir à Dieu et à croire à Notre Seigneur Jésus. « 18Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia nilazany hoe : « Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Azia izay toetran’ny fitondrantenako taminareo hatrany hatrany ; 19fa nanompo ny Tompo tamim-panetrentena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy. 20Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo am-pahibemaso sy isan-trano. 21Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny hafa firenena ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.
Maintenant, prisonnier de l’Esprit, me voici en route pour Jérusalem ; je ne sais pas quel y sera mon sort, mais en tout cas, l’Esprit Saint me l’atteste de ville en ville, chaînes et détresses m’attendent. Je n’attache d’ailleurs vraiment aucun prix à ma propre vie ; mon but, c’est de mener à bien la course et le service que le Seigneur m’a confié : rendre témoignage à l’Evangile de la grâce de Dieu. 22Ary ankehitriny indro teren’ny Fanahy hankany Jerosalema aho ; nefa tsy fantatra izay hanjo ahy any. 23Izaho ihany no ambaran’ny Fanahy Masina amiko ; isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy. 24Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany ; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rahefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny nitory ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’ Andriamanitra.
Désormais, je le sais bien, voici que vous ne reverrez plus mon visage, vous tous parmi lesquels j’ai passé en proclamant le Règne. Je peux donc l’attester aujourd’hui devant vous : je suis pur du sang de tous. 25Eny iky, ry olona nalehako nitoriako ny Fanjakan’ Andriamanitra, fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo rehetra. 26Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny aminareo aho ; andraikitrareo raha very ianareo,
Je n’ai vraiment rien négligé : au contraire, c’est le plan de Dieu tout entier que je vous ai annoncé. Prenez soin de vous-mêmes et de tout le troupeau dont l’Esprit Saint vous a établis les gardiens, paissez l’Eglise de Dieu qu’il s’est acquise par son propre sang. 27satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’ Andriamanitra rehetra. 28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Fiangonan’ ny Tompo izay novidiny tamin’ny rany.
Je sais bien qu’après mon départ s’introduiront parmi vous des loups féroces qui n’épargneront pas le troupeau ; de vos propres rangs surgiront des hommes aux paroles perverses qui entraîneront les disciples à leur suite. Veillez donc, en vous rappelant que, nuit et jour pendant trois ans, je n’ai pas cessé, dans les larmes, de conseiller chacun d’entre vous. Et maintenant, je vous remets à Dieu et à sa parole de Grâce, qui a la puissance de bâtir l’édifice et d’assurer l’héritage à tous les sanctifiés. 29Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry. 30Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso ! 32Ary, ankiniko amin’ Andriamanitra sy amin’ ny tenim-pahasoavany ianareo, dia Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin’izay efa masina rehetra.
Je n’ai convoité l’argent, l’or ou le vêtement de personne. Les mains que voici, vous le savez vous-mêmes, ont pourvu à mes besoins et à ceux de mes compagnons. Je vous l’ai toujours montré, c’est en peinant de la sorte qu’il faut venir en aide aux faibles et se souvenir de ces mots que le Seigneur Jésus lui-même a prononcés : il y a plus de joie à donner qu’à recevoir. » 33Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian’ olona aho. 34Fantatrareo fa ireto tanako ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain’ izay rehetra niaraka tamiko. 35Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe : Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. »
Après ces paroles, il se mit à genoux avec eux tous et pria. Tout le monde éclata en sanglots et se jetait au cou de Paul pour l’embrasser –leur tristesse venait surtout de la phrase où il avait dit qu’ils ne devaient plus revoir son visage- puis on l’accompagna jusqu’au bateau. (…) 36Nony avy nilaza izany i Paoly, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra. 37Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy, 38fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin’ny nilazany hoe : ‘Tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo.’ Dia nanatitra azy hatreny an-tsambo izy ireo.
A ceux de Césarée avec qui la même scène se reproduit, Paul dit : Ho an’ny olon’i Sezarea taiza rafitra mitovy no miseho dia i Paoly no nanao hoe :
« Qu’avez-vous donc à pleurer et à me briser le cœur ? Je suis prêt, moi, non seulement à être lié mais à mourir à Jérusalem pour le nom du Seigneur Jésus. » (Ac 21, 13) « Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko ? Izaho izao dia vonona, tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza mba ho voninahitry na Anaran’i Jesoa Tompo. » (As 21, 13)

2.2.2 Paul met son orgueil dans faiblesse et dans l’appel de Dieu dont il tire sa force et qui le rejoint dans cette faiblesse (d’après 2 Co 11, 16-12, 10) :

2.2.2 Napetrak’i Paoly tao anaty fahalemena sy tao anatin’ny antson’ Andriamanitra izy nisintonany ny heriny, ny fireharehany ary izay manampy azy ao anatin’ izany fahalemena izany (2 Kôl 11, 16 – 12, 10)

« Je le répète, que l’on ne pense pas que je suis fou –ou bien alors acceptez que je sois fou, que je puisse moi aussi me vanter un peu- (…) Ils sont hébreux ? moi aussi ! de la descendance d’Abraham ? moi aussi ! Ministres du Christ ? Je vais dire une folie – moi bien plus ! Dans les fatigues – bien davantage, dans les prisons – infiniment plus, dans les dangers de mort – bien des fois ! Des Juifs, j’ai reçu cinq fois les trente-neuf coups, trois fois, j’ai été flagellé, une fois , lapidé, trois fois j’ai fait naufrage, j’ai passé un jour et une nuit sur l’abîme, voyages à pied, souvent, dangers des fleuves, dangers des brigands, dangers de mes frères de race, dangers des païens, dangers dans la ville, dangers dans le désert dangers sur mer, dangers des faux-frères ! Fatigues et peines, veilles souvent ; faim et soif, jeûne souvent ; froid et dénuement ; sans compter tout le reste, ma préoccupation quotidienne, le souci de toutes les Eglises. Qui est faible que je ne sois faible, Qui tombe, que cela ne me brûle ? S’il faut s’enorgueillir, je mettrai mon orgueil dans ma faiblesse. » 16Averiko indray : aza misy manao ahy ho adala ! Tsy maninona anefa, raiso toy ny adala ihany aho, raha sitrakareo, mba hahazoako mirehareha kelikely koa. (…) 22Hebrio ve izy ireo ? Izaho koa ; Israelita ve izy ? Izaho koa ; taranak’ i Abrahama ve izy ? Izaho koa ; 23mpandraharahan’ i Kristy ve izy ? Hiteny toy ny olona very saina aho, eny, mihoatra noho izy aho amin’ izany, fa nisasatra mafy kokoa, natao an-tranomaizina matetika, voakapoka manan-tombo lavitra. Imbetsaka aho tambavahaona ; 24indimy aho nokapohin’ny Jody inefapolo latsaka iray avy ; 25intelo nokaravasin’ny Rômanina ; indray maka notorahambato ; intelo vaky sambo ; indray andro sy indray alina, tavela teo anivon-dranomasimbe. 26Tany am-pivahiniana imbetsaka aho ka matetika no nidiran-doza, dia loza tamin’ny ony, loza tamin’ny jiolahy, loza tamin’ny iray firenena amiko, loza tamin’ ny hafa firenena, loza tao an-tanàna, loza tany an’efitra, loza tany amin’ny ranomasina, loza tamin’ny mpisandoka ho mpiray tampo ara-pinoana. 27Niasa mafy sy nikely aina aho niari-tory matetika, nijalin’ny hanoanana aman-ketaheta, nanao fifadian-kanina matetika, niaritra hatsiaka sady tsy nanan-kitafy. 28Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany, eo koa ny fiahiako isan’andro, dia ny fikarakarana ny Fiangonana rehetra. 29Iza no malemy ka tsy malemy koa aho ? Zovy no lavo amin’ny fahotana ka tsy malahelo fatratra koa aho ? 30Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha. »
Paul raconte ensuite d’où vient sa force : du choix de Dieu, de la révélation sur le chemin de Damas. Il parle de l’écharde dans sa chair malgré laquelle il a été appelé et occasion pour lui de découvrir la force qui vient de Dieu, de sa grâce. Rehefa izany dia notantarain’i Paoly hoe avy aiza ny heriny ; avy amin’ny safidin’ Andriamanitra, avy amin’ny fanambarana teny amin’ny lalan’ny Damasy. Niteny momba ny tsilo tao anatin’ny nofony izy na dia hoe voaantso aza izy ary fotoana ho azy hahitana ny hery avy amin’ Andriamanitra sy ny fahasoavany.

2.2.3 Qui pourra nous séparer de l’amour du Christ ? (Rm 8)

2.2.3 Iza no afaka hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? (Rôm 8)

Dans ce texte, Paul médite notamment sur ce qui lui permettra de dépasser les détresses, où trouver son assurance : Ao anatin’ity lahatsoratra ity, dia mandinika indrindra izay hahazoany mihoatra ny fahoriany izy, sy aiza no ahitany ny toky ho azy.
«Il n’y a donc maintenant plus aucune condamnation pour ceux qui sont en Jésus Christ. Car la loi de l’Esprit qui donne la vie en Jésus Christ m’a libéré de la loi du péché et de la mort. Ce qui était impossible à la loi, car la chair la vouait à l’impuissance, Dieu l’a fait : en envoyant son propre Fils dans la condition de notre chair de péché, en sacrifice pour le péché, il a condamné le péché dans la chair, afin que la justice exigée par la loi soit accomplie en nous, qui ne marchons pas sous l’emprise de la chair mais de l’Esprit. En effet, sous l’empire de la chair, on tend à ce qui est charnel, mais sous l’empire de l’Esprit, on tend à ce qui est spirituel : la chair tend à la mort, mais l’Esprit tend à la vie et à la paix. Car le mouvement de la chair est révolte contre Dieu ; elle ne le peut même pas. Sous l’empire de la chair on ne peut plaire à Dieu. « 1Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo ; 2fa ny fanapahan’ilay Fanahy mpanome aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery fa nolemen’ny nofo, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin’ny nofony, 4mba ho tanteraka ny fahamarinan’ ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo fa ara-panahy. 5Fa izay ara-nofo dia mankafý ny zavatry ny nofo ; ary izay ara-panahy dia mankafý ny zava-panahy. 6Ny ironan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny ironan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. 7Satria ny ironan’ny nofo dia mifandray amin’ Andriamanitra fa tsy manaiky ny lalànan’ Andriamanitra izy sady tsy afa-manaiky an’izany akory. 8Koa izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’ Andriamanitra.
Or vous n’êtes pas sous l’emprise de la chair mais de l’Esprit, puisque l’Esprit de Dieu habite en vous. Si quelqu’un n’a pas l’Esprit du Christ, il ne lui appartient pas. Si Christ est en vous, votre corps, il est vrai, est voué à la mort à cause du péché, mais l’Esprit est votre vie à cause de la justice. 9Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’ Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia an’i Kristy; 10fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Et si l’Esprit de Celui qui a ressuscité Jésus d’entre les morts habite en vous, Celui qui a ressuscité Jésus Christ d’entre les morts donnera aussi la vie à vos corps mortels, par son Esprit qui habite en vous. 11Ary raha ny Fanahin’ Ilay nanangana an’i Jesoa ho velona avy any amin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izy nanangana an’i Kristy Jesoa ho velona avy any amin’ny maty koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ilay Fanahiny mitoetra ao anatinareo.
Ainsi donc, frères, nous avons une dette, mais non envers la chair pour devoir vivre de façon charnelle. Car si vous vivez de façon charnelle, vous mourrez ; mais si, par l’Esprit, vous faites mourir votre comportement charnel, vous vivrez. 12Koa amin’izany, ry mpiray tampo ara-pinoana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. 13Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty ; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.
14En effet, tous ceux qu’anime l’Esprit de Dieu sont Fils de Dieu. 15Aussi bien n’avez-vous pas reçu un esprit d’esclaves pour retomber dans la crainte ; vous avez reçu un esprit de fils adoptifs qui nous fait nous écrier : Abba ! Père ! 16L’Esprit en personne se joint à notre esprit pour attester que nous sommes enfants de Dieu. 17Enfants, et donc héritiers, héritiers de Dieu, et cohéritiers du Christ, puisque nous souffrons avec lui pour être aussi glorifiés avec lui. 14Eny, izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’ Andriamanitra. 15Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe : Aba ! Ray ! 16Ary ny tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy ; satria miara-mijaly amin’i Kristy isika, mba hiara- Komem-boninahitra aminy koa.
18J’estime en effet que les souffrances du temps présent sont sans proportion avec la gloire qui doit être révélée en nous. Car la Création attend avec impatience la révélation des fils de Dieu : livrée au pouvoir du néant, non de son propre gré, mais par l’autorité de celui qui l’y a livrée, elle garde l’espérance, car elle aussi sera libérée de l’esclavage de la corruption pour avoir part à la liberté et à la gloire des enfants de Dieu. 18Heveriko manko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. 19Fa indrakindrafana be ihany ny zavaboaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra : 20satria izao zavaboaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny, fa noho ilay mpanompo azy, 21nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalana amin’ny fahandevozam-pahalovana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra.
Nous le savons en effet : la création tout entière gémit maintenant encore dans les douleurs de l’enfantement. Elle n’est pas la seule : nous aussi, qui possédons les prémices de l’Esprit, nous gémissons intérieurement, attendant l’adoption, la délivrance pour notre corps. Car nous avons été sauvés, mais c’est en espérance. Or, voir ce qu’on espère n’est plus espérer : ce que l’on voit, comment l’espérer encore ? Mais espérer ce que nous ne voyons pas, c’est l’attendre avec persévérance. 22Satria fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zavaboaary rehetra izao. 23Ary tsy izy ihany fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatinsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. 24Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany ? 25Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.
De même, l’Esprit vient au secours de notre faiblesse, car nous ne savons pas prier comme il faut ; mais l’Esprit lui-même intercède pour nous en gémissements inexprimables, et Celui qui scrute les cœurs sait quelle est l’intention de l’Esprit ; c’est selon Dieu en effet que l’Esprit intercède pour les saints. 26Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay vavaka tokony hataontsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mivavaka amin’ny fitarainana tsy azo lazaina ; 27Ary ilay Andriamanitra maninteraka ny fo no mahalala izay ironan’ny Fanahy, satria araka ny irin’ Andriamanitra no ivavahany ho an’ny olomasina.
28Nous savons d’autre part que tout concourt au bien de ceux qui aiment Dieu, qui sont appelés selon son dessein. Ceux que d’avance il a connus, il les a aussi prédestinés à être conformes à l’image de son Fils, afin que celui-ci soit le premier-né d’une multitude de frères ; ceux qu’il a prédestinés, il les a aussi appelés ; ceux qu’il a appelés, il les a aussi justifiés ; et ceux qu’il a justifiés, il les a aussi glorifiés. 28Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’ Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany. 29Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa manan-jandry maro Izy. 30Ary izay notendreny no nantsoiny koa ; izay nantsoiny no nohamarininy koa ; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
Que dire de plus, Si Dieu est pour nous, qui sera contre nous ? Lui qui n’a pas épargné son propre Fils mais l’a livré pour nous tous, comment, avec son fils, ne nous donnera-t-il pas tout ? Qui accusera les élus de Dieu, Dieu justifie ! Qui condamnera ? Jésus Christ est mort, bien plus il est ressuscité, lui qui est à la droite de Dieu et qui intercède pour nous ! 31Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany ? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? 32Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy ? 33Iza no hiampanga an’izay voafidin’ Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy 34ka zovy no hanameloka ? Moa i Kristy ve, Ilay efa maty, fa nitsangana ho velona, sy mipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra ary mivavaka ho antsika ?
35Qui nous séparera de l’amour du Christ ? La détresse, l’angoisse, la persécution, la faim, le dénuement, le danger, le glaive ? Selon qu’il est écrit : à cause de toi nous sommes mis à mort tout le long du jour, nous avons été considérés comme des bêtes de boucherie. Mais en tout cela, nous sommes plus que vainqueurs par Celui qui nous a aimés. Oui, j’en ai l’assurance : ni la mort, ni la vie, ni les anges, ni les dominations, ni le présent, ni l’avenir, ni les puissances, ni les forces des hauteurs, ni celles des profondeurs, ni aucune autre créature, rien ne pourra nous séparer de l’amour de Dieu manifesté en Jésus Christ Notre Seigneur. » 35Koa iza ary no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? Fahoriana ve, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa fahantrana, sa loza, sa sabatra ? 36Araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe : ‘Ianao no amonoana anay isan’andro ; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. 37Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. 38Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, na ireo fahefana, 39na ny any ambony, na ny any ambany, na zavaboaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

2.3 Détresse, combats, souffrances… classées par catégories :

2.3 Fahoriana, ady, fijaliana, nokilasiana araka ny sokajiny :

Ces périls sont de diverses sources, d’importance variable. Plusieurs seront d’ordre vital et au delà de ses propres forces jusqu’à désespérer de la vie parce qu’il avait reçu en lui-même son arrêt de mort. (2 Co 1, 8-9) Ireny loza ireny dia avy amin-javatra samihafa, izay miovaova ny maha-zava-dehibe azy. Ny maro dia mihatra aman’aina ary ambonin’ny tena heriny dia tonga hatramin’ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana satria noraisiny tao amin’ny tenany ihany ny fanolorana tena ho faty (2 Kôl 1, 8-9).
Tous ne relèvent pas du péché, mais tous vont amener l’apôtre à lutter non contre les hommes, ni contre les éléments de la nature, mais contre les attaques du démon qui va se servir de ces épreuves pour envoyer des projectiles. (cf Ep 6, 10-20) Tsy avy amin’ny fahotana ny zavatra rehetra, fa mahatonga ny apôstôly hiady tsy amin’ny olona na amin’ny singa eny amin’ny natiora izany rehetra izany fa kosa hiady amin’ny famelezan’ny demony izay nampiasa ireny fizahan-toetra ireny handefasana zana-tsipikan’ilay ratsy (jereo Ef 6, 10-20).

2.3.1 Liées à la résistance à l’appel, au péché :

2.3.1 Mifandray amin’ny faharetana amin’ny fiantsoana, amin’ny fahotana

–     On peut situer dans ce registre l’expérience faite sur le chemin de Damas de se retrouver par terre, incapable d’y voir clair, conduit à un retournement radical. (Ac 9) –     Azo apetraka amin’ity sokajy ity ny traikefa azo teny amin’ny lalan’ ny Damasy mba hiverenana etý an-tany, tsy afaka ahita ny mazava etý, voataona amin’ny fiovana tanteraka (As 9)
–     « Nous savons, certes, que la loi est spirituelle ; mais moi, je suis charnel, vendu comme esclave au péché. Effectivement, je ne comprends rien à ce que je fais ; ce que je veux, je ne le fais pas, mais ce que je hais, je le fais. (…) Je sais qu’en moi, le bien n’habite pas : vouloir le bien est à ma portée, mais non pas l’accomplir. » (Rm 7, 14-25) –     « 14Fantatsika tokoa fa ny Lalàna dia ara-panahy ; izaho kosa dia miaina ara-nofo, namidy ho andevozin’ny fahotana. 15Satria tsy hitako be ihany izay ataoko ; tsy ny tiako no ataoko, fa ny halako no ataoko. (…)18Fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko ; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara. » (Ro 7, 14-25)
–     L’écharde dans la chair : « parce que les révélations que Dieu m’a faites étaient extraordinaires, pour m’éviter tout orgueil, il a été mis une écharde dans ma chair, un ange de Satan chargé de me frapper, pour m’éviter tout orgueil. A ce sujet, par trois fois, j’ai prié le Seigneur de l’écarter de moi. Mais il m’a déclaré : ma grâce te suffit : ma puissance donne toute sa mesure dans la faiblesse. Aussi, mettrai-je mon orgueil bien plutôt dans mes faiblesses, afin que repose sur moi la puissance du Christ. » (2 Co 12, 7-9) –     Ny tsilo ao anatin’ny nofo : « 7Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko, dia irak’i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. 8Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo mba hanalany an’io amiko, 9fa izao no navaliny ahy : « Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. » (2 Kor 12, 7-9)
–     Le désaccord avec Barnabé sur le faite d’emmener ou non Jean-Marc avec eux pour le deuxième voyage ne doit pas être sans lien avec le péché dans le cœur de Paul aussi… –     ny tsy fifankazahoan’i Barnabasy momba ny hitondrana na tsia an’i Joany Marka miaraka amin’izy ireo ho an’ny dia faha-roa dia tsy tokony hanana fifandraisana amin’ny ota ao anatin’ny fon’i Paôly koa…
–     « Après un certain temps, Paul dit à Barnabas : « Retournons donc visiter les frères dans chacune des villes où nous avons annoncé la parole du Seigneur. Nous verrons où ils en sont. » Barnabas voulait emmener aussi avec eux Jean appelé Marc. Mais Paul n’était pas d’avis de reprendre comme compagnon un homme qui les avait quittés en Pamphylie et n’avait donc pas partagé leur travail. Leur désaccord s’aggrava tellement qu’ils partirent chacun de leur côté. Barnabas prit Marc avec lui et s’embarqua pour Chypre, tandis que Paul s’adjoignait Silas et s’en allait, remis par les frères à la grâce du Seigneur. 41Parcourant la Syrie et la Cilicie, Paul affermissait les Églises. » (Ac 15, 36-40) –     « 36Nony afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin’i Barnabà : « Andeha indray isika hamangy ny mpiray tampo ara-pinoana any amin’ny tanàna rehetra efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo, hahitantsika izay toetrany. » 37Ary i Barnabà moa nikasa hitondra an’i Joany, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. 38Fa i Paoly kosa nangataka ny tsy hitondra an’io, satria efa nandao azy ireo tany Pamfilia io fa tsy niara-niasa taminy. 39Dia nifanditra mafy izy roalahy, hany ka tafasaraka terý : i Barnabà moa nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo hankany Sipra izy roalahy ; 40fa i Paoly kosa nifidy an’i Silà, dia lasa rahefa natolotry ny mpiray tampo ara-pinoana hoentin’ny fahasoavan’ny Tompo. 41Namaky an’i Siria sy i Silisia i Paoly ka nankahery fo ny Fiangonana rehetra. (As 15, 36-41)

2.3.2 Liées aux limites physiques, à la maladie, à la vieillesse, aux capacités limitées, à l’exercice de la mission en dehors des questions de persécution ou de conflits :

2.3.2 Mifandray amin’ny fetran’ny herin’ny tena amin’ny aretina, amin’ny fahanterana, amin’ny faha elana voafetra, amin’ny fanaovana ny iraka ivelan’ny resaka fanenjehana sy ny fifandirana :

–     A plusieurs reprises, Paul fait référence à sa difficulté pour parler. On le voit dans les Actes quand un jeune homme Eutyque s’endort pendant que Paul parle et tombe par la fenêtre. On le retrouve ailleurs dans les lettres : « Nul pour l’éloquence soit ! » (2 Co 11, 6) –     Hatrany hatrany dia mampahatsiahy ny tsy fahaizany miteny i Paoly. Hita izany ao amin’ny Asan’ny Apôstôly raha sendra natory ilay zatovolahy ka nianjera tamin’ny varavarankely nandritra ny fotoana nitenenan’i Paoly. Hita rahateo izany ao anatin’ny taratasy : « Tsy misy na iza na iza manana fahaiza-miteny. » (2 Kôl 11, 6)
–     Ailleurs, il évoque le vieillissement « L’homme extérieur va vers sa ruine, l’homme intérieur se renouvelle de jour en jour. » (2 Co 4, 16) ou encore « Oui, moi Paul qui suis un vieillard, moi qui suis maintenant prisonnier à cause de Jésus Christ… » (Phm 9) –     Any an-kafa any, dia mampahatsiahy ny fahanterana izy : « na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. » (2 Kôr 4, 16) ; na koa : « Izaho Paoly moa dia efa antitra sady voagadra noho ny amin’i Kristy Jesoa koa ankehitriny… » (Flm 9)
–     Il évoque aussi une maladie importante : « Vous le savez bien, c’est à l’occasion d’une maladie que je vous ai pour la première fois annoncé la bonne nouvelle ; et, si éprouvant pour vous que fut mon corps, vous n’avez montré ni dédain, ni dégoût. » (Ga 4, 13-14) –     Mampahatsiahy aretina lehibe koa izy : « 13Fony aho vao nitory voalohany ny Vaovao Mahafaly tany aminareo, dia hitanareo ny aretina nihatra tamin’ny tenako, ary tonga fakampanahy ho anareo izany, 14nefa tsy mba naneso na nihataka ianareo tamin’izany… » (Gal 4, 13-14)
–     Plusieurs fois Paul évoque la fatigue liée aux nuits courtes pour la mission ou parce qu’il a fait le choix de travailler pour ne pas dépendre de ceux à qui il annonce la parole (1 Th 2, 9) –     Imbetsaka i Paoly no mampahatsiahy ireo alina fohy ho an’ny iraka atao na satria koa nanao safidy hiasa mba tsy hiankinana amin’ireo izay anambarany ny teny (1 Tes 2, 9)
–     Il évoque la faim, la soif, le froid, les angoisses pour sa vie ou pour les communautés, l’insécurité dans les voyages (voir en particulier au paragraphe 2.2.2., la citation de 1 Corinthiens). –     Mampahatsiahy ny hanoanana izy, ny hetaheta, ny hatsiaka, ny tebiteby ho an’ny fiainany na ho an’ny fikambanana, ny tsy filaminana eny amin’ny dia izay atao (jerena manokana ao amin’ny andininy 2.2.2, ny teny voalaza ao amin’ny 1 Kôrintianina

2.3.3. Liées aux affrontements avec d’autres disciples, aux divisions des communautés, à leur difficulté à croire, aux persécutions par les juifs ou par les païens :

2.3.3 Mifandray amin’ny fifanandrianina amin’ny mpianatra hafa, amin’ny fizarazaran’ny fikambanana, amin’ny olan’ny hino amin’ny fanenjehan’ny Jody na ny mpanompo sampy

Elles sont omniprésentes dans les Actes (cf paragraphe 2.1) et dans les lettres. Elles sont de divers ordres. Paul subit des persécutions diverses, répétées et variées jusqu’à la tentative de meurtre. Ces persécutions n’ont pas toutes la même origine : Hita foana izy ireo amin’ny Asan’ny Apôstôly (jereo ny andininy 2.1) sy ao anatin’ny taratasy. Miseho amin’ny endrika samihafa izy ireo. Niharan’ny fanenjehana samihafa i Paoly, fanenjehana niverimberina sy niovaova hatramin’ny fikasana famonoana ho faty. Tsy mitovy daholo ny fiavian’ireny fanenjehana iray :
–     certaines sont liées à des conflits avec les Juifs qui ne peuvent reconnaître le Christ ; –     ny sasany mifandray tamin’ny fifandirana tamin’ny Jody izay tsy afaka hahalala an’i Kristy ;
–     d’autres sont liées à des conflits avec les païens notamment à propos de la Résurrection ; –     ny hafa dia nifandray amin’ny fifandirana amin’ny mpanompo sampy indrindra momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ;
–     d’autres sont liées à des affrontements à des pouvoirs d’argent : lorsqu’il fait perdre leur source de gains aux maîtres de la femme possédée (Ac 16, 22-24) ou aux vendeurs de statuettes d’Artémis (Ac 19, 28-31); –     ny hafa dia nifandray amin’ny fahefan’ny vola rehefa manary ny fidiram-bolany amin’ny tompon’ilay vehivavy itoeran’ny fanahy izy (As 16, 22-24) na amin’ireo mpivarotra sariolon’i Artemis (As 19, 28-31)
Paul connaît des conflits plus ou moins graves au sein même de l’Eglise : Nahita fifandirana mafonjafonja tao anivon’ny Fiangonana aza i Paoly :
–     avec les chrétiens qui ont peur de lui au départ ; (Ac 9, 26) –     niaraka tamin’ireo kristianina izay natahotra azy teo am-piaingana (As 9, 26) ;
–     avec les frères qui exigent la circoncision ; (Ac 15, 2) –     niaraka tamin’ireo rahalahy izay nitaky ny famorana (As 15, 2) ;
–     au sein de la communauté de Corinthe divisée entre Apollos, Pierre et lui ; (1 Co 1 à 4) –     teo anivon’ny fiangonana Korintianina izay voazara eo amin’ny samy Apôlao sy Piera ary izy (1 Kôr 1 ka hatraminy 4) ;
–     avec un frère de Corinthe qui l’a gravement offensé et à qui il pardonne ; (2 Co 2, 5-11) –     niaraka tamin’ny rahalahy korintianina iray izay nanafintohina azy mafy ary navelany heloka (2 Kôr 2, 5-11) ;
–     avec de faux apôtres ; (2 Co 11, 13-14) –     niaraka tamin’ny apôstôly sandoka (2 Kôr 11, 13-14) ;
–     avec les Galates qui reviennent à la circoncision (Ga) –     niaraka tamin’ny Galatianina izay niverina tamin’ny famorana (Gal) ;
–     avec Pierre lui-même au nom de l’Evangile et du service de la communauté ; (Ga 2, 11-14) –     niaraka tamin’i Piera aza tamin’ny anaran’ny Evanjely sy ny asa fanompoana ao amin’ny fikambanana (Gal 2, 11-14) ;
–     avec son compagnon Barnabé dont il se sépare pour une divergence d’opinion sur le fait d’emmener ou non Marc avec eux pour le deuxième voyage (Ac 15, 37-40) ; –     niaraka tamin’i Barnabà namany izay nisarahany noho ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny resaka ny itondrana na tsia an’i Joany (Marka) miaraka amin’izy ireo ho an’ny dia faha-roa (As 15, 37-40) ;
–     il est touché par des conflits entre disciples du Christ, comme à Philippes, entre Evodie et Syntyche (Ph 4, 2-3) –     tohina tamin’ny fifandirana teo amin’ny samy mpianatr’i Kristy izy, ohatra tany Filipy, niady i Eôdia sy Sintîka (Fil 4, 2-3) ;
–     avec Alexandre, conflit dans lequel il est abandonné par tous, sauf par le Seigneur, et pour lequel il pardonne aussi ; (2 Tm 4, 14-18) –     niaraka tamin’i Aleksandra, fifandirana izay nandaozan’ny rehetra azy, afa-tsy ny Tompo sy namela ny helony tamin’izany koa aza (2 Tim 4, 14-18) ;
–     avec des communautés ne vivant pas de l’Evangile : cas d’inceste, à des procès entre frères, (1Co 5 et 6) –     niaraka tamin’ireo fiangonana tsy miaina ny Evanjely misy fifamoterana, fifanoherana samy mpirahalahy (1 Kôr 5 sy 6)
–     doit combattre contre les pièges de la philosophie (Col 2, 8) –     tokony hiady amin’ny fandriky ny filozofia (Kol 2, 8)

3. Comment Paul comprend l’œuvre de Dieu à travers les détresses et les souffrances qui ne sont jamais un but en soi :

3. Ahoana no ahazoan’i Paoly ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahoriana sy ny fijaliana izay tsy tanjona ao anatiny :

3.1 Le but n’est pas la souffrance mais la joie de connaître le Christ, d’être saisi par lui, d’être associé à lui dans la gloire et pour cela d’être associé à sa croix :

3.1 Ny zava-kendrena dia tsy ny fijaliana fa ny fifaliana amin’ny fahalalana an’i Kristy, voababony, tafakambana aminy ao amin’ny voninahitra ary amin’izany dia tafakambana amin’ny hazofijaliany :

Dans divers passages des Actes, que ce soit le récit de sa conversion, que ce soit son testament à Milet, on note une très forte identification de Paul à la personne du Christ, en particulier au Christ sur la croix (Ac 20). Ao anati’ny andininy samihafa ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apôstôly, na ny tantaran’ny fibebahany izay, na ny fara hafany tany Mileto, dia ahitana fitoviana betsaka an’i Paoly amin’i Kristy, indrindra amin’i Kristy eo amin’ny hazofijaliana (As 20).
C’est pour lui le passage obligé pour entrer dans le Royaume (Ac 14, 22), connaître le Christ, se laisser saisir par lui (Ph 3, 8-21) : Ho azy dia lalana tsy maintsy andalovana izany hidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra (As 14, 22), mahalala an’i Kristy, mety ho voababony (Fil 3, 8-21)
« Mais oui, je considère que tout est perte en regard de ce bien suprême qu’est la connaissance de Jésus Christ mon Seigneur. A cause de lui, j’ai tout perdu et je considère tout cela comme ordures afin de gagner Christ et d’être trouvé en lui, non plus avec une justice à moi, qui vient de la loi, mais avec celle qui vient par la foi au Christ, la justice qui vient de Dieu et s’appuie sur la foi. « 8Eny, mbola ataoko ho faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko ; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko ho fakofako foana ny zavatra rehetra. 9Ka ho hita ao aminy aho tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, dia ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ny fahamarinana vokatry ny finoana niainan’i Kristy, dia ilay fahamarinana avy amin’ Andriamanitra noho ny finoana.
Il s’agit de le connaître, lui, et la puissance de sa résurrection et la communion à ses souffrances, de devenir semblable à lui dans sa mort afin de parvenir, s’il est possible à la résurrection d’entre les morts. 10Irîko ny hahalala an’i Kristy, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany ho velona, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ; ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesana aho, 11mba hahatratra ny zava-kendrena, dia ny fitsanganana ho velona avy any amin’ny maty rahefa ho azo atao izany.
Non que j’ai déjà obtenu tout cela ou que je sois parfait ; mais je m’élance pour tâcher de le saisir, parce que j’ai été saisi moi-même par Jésus Christ. Frères, je n’estime pas l’avoir déjà saisi. Mon seul souci : oubliant le chemin parcouru et tout tendu en avant, je m’élance vers le but, en vue du prix attaché à l’appel d’en haut que Dieu nous adresse en Jésus Christ. Nous tous « les parfaits », comportons-nous donc ainsi, et si en quelque point vous vous comportez autrement, là-dessus aussi Dieu vous éclairera. En attendant, au point où nous sommes arrivés, marchons dans la même direction. 12Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary ; fa miezaka hatrany aho mba hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesoa ahy. 13Eny, ry mpiray tampo ara-pinoana, tsy manao ahy ho efa nahahazona tanteraka aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay efa nodiaviko, sy miezaka mafy ho amin’izay kendreko ; 14mihazakazaka hahatratra ny tanjona aho, mba hahazoako ny amboara izay iantsoan’ Andriamanitra ahy any ambony any, ao amin’i Kristy Jesoa. 15Aoka ary hiray amin’ izany ny hevitsika rehetra efa lavorary ; ary raha mbola misy zavatra sasany iheveranareo hafa noho izany, dia Andriamanitra no hanazava anareo ny amin’ izany. 16Ny efa azontsika anefa dia aoka hizorantsika, toraka ny efa nataontsika hatramin’izao.
Tous ensemble, imitez-moi, frères, et fixez votre regard sur ceux qui se conduisent suivant l’exemple que vous avez en nous. 17Ry mpiray tampo ara-pinoana, makà tahaka ahy ianareo ; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay.
Beaucoup, en effet, je vous le disais souvent et je vous le redis maintenant en pleurant, se conduisent en ennemis de la croix du Christ. 18Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.
Leur fin sera leur perdition : leur dieu, c’est leur ventre, et leur gloire, ils la mettent dans leur honte eux qui n’ont à cœur que les choses de la terre. 19Fahaverezana no hiafaran’ ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.
Car, notre cité à nous, est dans les cieux, d’où nous attendons, comme sauveur, le Seigneur Jésus Christ qui transfigurera notre corps humilié pour le rendre semblable à son corps de gloire, avec la force qui le rend capable aussi de se soumettre toutes choses. » 20Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Ilay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny vatany be voninahitra araka ny herin’ny fahefana nampanekeny Azy ny zavatra rehetra. » (Fil 3, 8-21)
On trouve encore d’autres mentions de cette grâce d’être associé à la Croix du Christ : Mbola ahitana filazana hafa an’ity fahasoavana amin’ny fiombonana amin’ny hazofijalian’i Kristy.
« Moi, je porte en mon corps les marques de Jésus » ; (Ga 6, 17) « Mitondra ny diam-perin’i Jesoa amin’ny vatako aho » (Gal 6, 17)
« Car Dieu vous a fait la grâce, à l’égard du Christ, non seulement de croire en lui mais encore de souffrir pour lui, en livrant le même combat que vous m’avez vu mener et que, vous le savez, je mène encore. » (Ph 1, 29-30) « 29Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa, 30dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. » (Fil 1, 29-30)
De même, c’est une source d’estime par les autres que d’avoir risqué sa vie pour le Christ. (Phi 1, 25-30) une source d’action de grâce pour les autres (1 Th 2, 13-15) Toy izany, loharanon’ny fitiavana amin’ny hafa ny hanao sorona ny fiainany ho an’i Kristy (Fil 1, 25-30), loharanon’ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny hafa (1 Tes 2, 13-15).
Il y a une expression qui, isolée du reste des Ecrits de Paul, ou si l’on en considère que le début, qui peut être tirée à tort vers une recherche de la souffrance pour elle-même (Col 1, 24-29) : Misy fitenenana iray izay raha sarahina amin’ny taratasy sisa nosoratan’i Paoly, na raha tsy raharahaina afa-tsy eo amin’ny fiandohana, dia mety ho diso eo am-pitadiavana ny fijaliana ho azy fotsiny (Kôl 1, 24-29) :
« Je trouve maintenant ma joie dans les souffrances que j’endure pour vous, et ce qui manque aux détresses du Christ, je l’achève dans ma chair en faveur de son corps qui est l’Eglise ; j’en suis devenu le ministre en vertu de la charge que Dieu m’a confiée à votre égard : achever l’annonce de la Parole de Dieu, le mystère tenu caché tout au long des âges et que Dieu a manifesté maintenant à ses saints. Il a voulu leur faire connaître quelles sont les richesses et la gloire de ce mystère parmi vous les païens : Christ au milieu de vous, l’espérance de la gloire ! C’est lui que nous annonçons, avertissant chacun, instruisant chacun en toute sagesse, afin de rendre chacun parfait en Christ. C’est le but de mon labeur, du combat mené avec sa force qui agit puissamment en moi. » (Col 1, 24-29) 24Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fiaretako fijaliana ho anareo, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny Fiangonana ; 25koa voatendry ho mpandraharaha azy aho noho ny namomezan’ Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo mba hitoriako ny tenin’ Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, 26dia ilay tsiambaratelo nafenin’ Andriamanitra hatramin’ny taranaka maro nifandimby taloha, fa nasehony kosa ankehitriny tamin’ny olomasina. 27Ireo olomasina ireo no tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny mahasarobidy sy mahabe voninahitra izany tsiambaratelo anasoavana ny hafa firenena izany dia inty : ao anatinareo i Kristy, antoky ny voninahitra ho anareo. 28Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay araka ny fahendrena mba hahatongavan’ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy ; 29ary izany indrindra no ikelezako aina sy iaidiako mafy, araka ny hery tsy hay tohaina omen’i Kristy sady miasa fatratra ato amiko. (Kol 1, 24-29)

3.2 Ce qui grandit pour nous à travers les détresses.

3.2 Izay mitombo ao amintsika amin’ny alalan’ny fahoriana

Paul ne théorise pas sur la croix. Il fait l’expérience que la suite du Christ, l’amour du Père et des hommes amènent à connaître la croix, que le passage par la croix est le passage obligé pour accéder à la connaissance du Christ, et cette rencontre du Christ est en dernier ressort ce qui grandit pour nous au-delà des souffrances rencontrées. Paul va donner plusieurs facettes de ce que les détresses traversées font grandir pour nous. Tsy mamorona resaka momba ny hazofijaliana i Paoly. Manana traikefa izy fa ny fanarahana an’i Kristy, ny fitiavan’ny Ray sy ny olombelona dia mahatonga fahalalana ny hazofijaliana, ny fandalovana amin’ny hazofijaliana dia fandalovana tsy maintsy atao mba hidirana amin’ny fahalalana an’i Kristy, ary izany fihaonana amin’i Kristy izany dia laharana farany izay mitombo eo amintsika ankoatra ny fijaliana iaretana. Hanolotra endrika maron’ny amin’izay nampitomboan’ny fijaliana nolalovana ao amintsika i Paoly.

3.2.1 Les détresses sont le passage obligé pour entrer dans le Royaume de Dieu

3.2.1 Ny fahoriana dia lalana tsy maintsy andalovana mba idirana ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra

–     « Il nous faut passer par beaucoup de détresses pour entrer dans le Royaume de Dieu. » (Ac 14, 22) –     « amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. » (As 14, 22)
–     « Je sais que ces détresses aboutiront à mon salut. » (Ph 1, 19) –     « Fantatro fa hody ho famonjena ahy io fahoriana io. » (Fil 1, 19)
–     « J’estime que les souffrances du temps présent sont sans proportion avec la gloire qui doit être révélée en nous. » (Rm 8, 18) –     « 18Heveriko manko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.

3.2.2 Les épreuves traversées font grandir l’espérance, la foi, l’amour :

3.2.2 Mampitombo ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana ny fizahana toetra notadiavina

–     « Nous mettons notre orgueil dans nos détresses mêmes, sachant que la détresse produit la persévérance, la persévérance la fidélité éprouvée, la fidélité éprouvée l’espérance ; et l’espérance ne trompe pas, car l’amour de Dieu a été répandu dans nos cœurs par l’Esprit Saint qui nous a été donné. » (Rm 5, 3-5) –     « 3Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny faoriana mahatonga faharetana, 4ny faharetana hahatonga hatsarampanahy voazaha toetra, ny hatsarampanahy voazaha toetra mahatonga fanantenana ; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’ Andriamanitra. » (Ro 5, 3-5)
–     « Nous devons continuellement rendre grâce à Dieu pour vous, frères, et c’est bien juste, car votre foi fait de grands progrès et l’amour que vous avez les uns pour les autres s’accroît en chacun de vous tous, au point que vous êtes notre orgueil parmi les Eglises de Dieu, à cause de votre persévérance et de votre foi dans toutes les persécutions et épreuves que vous supportez. Elles sont le signe du juste jugement de Dieu ; leur but est de vous rendre dignes du royaume de Dieu pour lequel vous souffrez. » (2 Th 1, 3-5) –     « 3Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry mpiray tampo ara-pinoana ; ary rariny izany, satria ny finoanareo mandroso fatratra, ny fifankatiavanareo mitombo hatrany hatrany. 4Tonga reharehanay any amin’ireo Fiangonan’ Andriamanitra ianareo noho ny faharetanareo sy ny tsy fivadihanareo, na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjo anareo aza. 5Porofo izany fa ara-drariny ny fitsaran’ Andriamanitra, ka dia ho hita mendrika ny Fanjakan’ Andriamanitra izay antony iaretanareo fijaliana ianareo. » (2 Tes 1, 3-5)
–     Voir aussi Rm 8, 22-25.. (cf Paragraphe 2.3.3) –     Hita koa izany ao amin’ny Rômanina 8, 22-25… (jereo ny andininy 2.3.3)

3.2.3 D’avoir été consolé dans la détresse nous rend capable de consoler à notre tour :

3.2.3 Ny fampiononana tamin’ny fijaliana dia mahatonga antsika ho afaka hampionana amin’ny anjarantsika

–     « Béni soit le Dieu et Père de Notre Seigneur Jésus Christ, le Père des miséricordes et le Dieu de toute consolation ; il nous console dans toutes nos détresses, pour nous rendre capables de consoler tous ceux qui sont en détresse, par la consolation que nous-mêmes nous recevons de Dieu. » (2 Co 1, 3-5) –     « 3Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindrampo, ary Andriamanitra loharanon’ny fanalana alahelo rehetra ! 4Manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra manko Izy, mba hahazoanay manafaka alahelo ny trapahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy. 5Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa. » (2 kôl 1, 3-5)

3.2.4 De connaître les détresses nous oblige à mettre notre confiance non en nous, mais en Dieu :

3.2.4 Ny fahalalana fahoriana dia manery antsika hametraka ny fitokisantsika tsy amin’ny tenantsika fa amin’ Andriamanitra

–     « Car nous ne voulons pas, frères, vous le laisser ignorer : le péril que nous avons couru en Asie nous a accablé à l’extrême, au-delà de nos forces, au point que nous désespérions même de la vie. Oui, nous avions reçu en nous-mêmes notre arrêt de mort. Ainsi, notre confiance ne pouvait plus se fonder sur nous-mêmes, mais sur Dieu qui ressuscite les morts. C’est lui qui nous a arraché à une telle mort et nous en arrachera ; en lui nous avons mis notre espérance : il nous en arrachera encore. » (2 Co 1, 8-10) –     « 8Tianay ho fantatrareo, ry mpiray tampo ara-pinoana, ny amin’ny fahoriana nanjo anay tany Azia, fa novesarana tsy eran’aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampo izay ho velona intsony ; 9fa toa efa renay ao amin’ny tenanay ny didim-pahafatesana mba tsy hitokianay amin’ny tenanay intsony, fa amin’ Andriamanitra izay manangana ny maty. 10Izy no nanafaka anay tamin’izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa. » (2 Kôl 1, 8-10)

3.2.5 L’écharde dans la chair nous évite tout orgueil et nous conduit à nous appuyer sur la grâce de Dieu :

3.2.5 Ny tsilo ao anatin’ny nofo dia misoroka antsika amin’izay rehetra avonavona ary mitarika antsika hiankina amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra

–     « Par trois fois, j’ai prié le Seigneur de l’écarter de moi. Mais il m’a déclaré : ma grâce te suffit : ma puissance donne toute sa mesure dans la faiblesse. Aussi, mettrai-je mon orgueil bien plutôt dans mes faiblesses, afin que repose sur moi la puissance du Christ. » (2 Co 12, 7-9) (voir paragraphe 2.3.1) –     « 7Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko, dia irak’i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. 8Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo mba hanalany an’io amiko, 9fa izao no navaliny ahy : « Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. » (2 Kôr 12, 7-9) (Jereo andin-tsoratra faha-2.3.1)
Le péché est compris par Paul comme un lieu pour se laisser rencontrer par Dieu, laisser sa grâce agir, accepter qu’il nous ait choisi tels que nous sommes, avec nos limites, accepter qu’il choisisse des êtres limités pour révéler l’infini de son amour. Raisin’i Paoly ho tahaka ny toerana izay mamela amin’ny fihaonana amin’ Andriamanitra ny fahotana, mamela ny fahasoavany hiasa, manaiky fa nifidy antsika araka izay maha isika antsika, miaraka amin’ny fetrantsika, manaiky olombelona voafetra izy mba hanambara ny fitiavany tsy misy farany.

3.2.6 Les détresses rencontrées par l’Apôtre ont une fécondité pastorale :

3.2.6 Ny fahoriana hitan’ny Apôstôly dia nampisy ny tsimoka pastoraly

–     « Je veux que vous le sachiez, frères, ce qui m’est arrivé a plutôt contribué au progrès de l’Evangile. Dans tout le prétoire, en effet, et partout ailleurs, il est maintenant bien connu que je suis en captivité pour Christ, et la plupart des frères, encouragés dans le Seigneur par ma captivité, redoublent d’audace pour annoncer sans peur la Parole. » (Ph 1, 12-14) –     « 12Tiako ho fantatrareo, ry mpiray tampo ara-pinoana, fa efa tonga fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly ny zavatra nanjo ahy, 13satria efa vaky ato an-trano fiambenana sy any ivelany izao, fa noho i Kristy no igadrako ; 14ka nahazo toky noho ny figadràko ny ankabeazan’ny mpiray tampo ao amin’ny Tompo, ary vao mainka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy aman-tahotra. » (Fil 1, 12-14)
–     Détresses comme exemple pour une communauté : « Il vous a fait la grâce, à l’égard du Christ, non seulement de croire en lui mais encore de souffrir pour lui, en livrant le même combat que vous m’avez vu mener et que, vous le savez, je mène encore. » (Ph 1, 29-30) –     Fahoriana ho ohatra ho an’ny Fiangonana : « 29Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa, 30dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. » (Fil 1, 29-30)

3.2.7 Les détresses permettent de ne pas s’annoncer soi-même et de ne pas se tromper sur ce qui est annoncé, un trésor porté dans des vases d’argiles (2 Co 4, 1-15) :

3.2.7 Ny fahoriana dia mamela ny tsy hanambarana ny tena ihany ary ny tsy hamitaha-tena ny amin’izay nambara fa harena iray entina ao anaty vazy tanimanga

« Aussi puisque, par miséricorde, nous détenons ce ministère, nous ne perdons pas courage. » (…) « Non, ce n’est pas nous-mêmes, mais Jésus Christ Seigneur que nous proclamons. Quant à nous-mêmes, nous nous proclamons vos serviteurs à cause de Jésus. Car le Dieu qui a dit : que la lumière brille au milieu des ténèbres, c’est lui-même qui a dit : que la lumière brille au milieu des ténèbres, c’est lui-même qui a brillé dans nos cœurs pour faire resplendir la connaissance de sa gloire qui rayonne sur le visage du Christ. « 1Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindrampo natao taminay ; (…) 5Fa tsy tenanay no torinay, fa i Kristy Jesoa Tompo ; izahay kosa dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa. 6Satria Andriamanitra Izay nandidy hoe : « Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava », no nanazava ny fonay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.
Mais ce trésor, nous le portons dans des vases d’argile, pour que cette incomparable puissance soit de Dieu et non pas de nous. 7Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’ Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Vaovao Mahafaly, fa tsy avy aminay.
Pressés de toute part, nous ne sommes pas écrasés ; dans des impasses, mais nous arrivons à passer ; pourchassés, mais non rejoints ; terrassés, mais non achevés ; sans cesse nous portons dans notre corps l’agonie de Jésus afin que la vie de Jésus soit elle aussi manifestée dans notre corps. 8Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery ; ampahorina, nefa tsy mamoy fo ; 9enjehina, nefa tsy afoy ; azera, nefa tsy toro ; 10entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa.
Toujours, en effet, nous les vivants, nous sommes livrés à la mort à cause de Jésus, afin que la vie de Jésus soit elle aussi manifestée dans notre existence mortelle. 11Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty.
Ainsi, la mort est à l’œuvre en nous, mais la vie en vous. Pourtant, forts de ce même esprit de foi dont il est écrit : j’ai cru, c’est pourquoi j’ai parlé, nous croyons, nous aussi, et c’est pourquoi nous parlons. Car nous le savons, celui qui a ressuscité le Seigneur Jésus, nous ressuscitera nous aussi avec Jésus et il nous placera avec vous près de lui. Et tout ce que nous vivons, c’est pour vous, afin qu’en s’accroissant la grâce fasse surabonder, par une communauté accrue l’action de grâce à la gloire de Dieu. » (2 Co 4, 1-15) 12Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13Hoy ny Soratra Masina hoe : Nino aho, ka niteny. Noho izahay manana io Fanahin’ny finoana io dia mino koa izahay, ka miteny. 14Satria fantatray fa Ilay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona dia hanangana anay ho velona miaraka amin’i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. 15Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’ Andriamanitra. » (2 Kôr 4, 1-15)

3.2.8 Tout peut être occasion d’annonce de l’Evangile et de fondation de l’Eglise :

3.2.8 Ny zavatra rehetra dia mety ho fomba fanambarana ny Evanjely sy fanorenana Fiangonana :

« Vous le savez bien, c’est à l’occasion d’une maladie que je vous ai, pour la première fois annoncé la bonne nouvelle. » (Ga 4, 13) « 13Fony aho vao nitory voalohany ny Vaovao Mahafaly tany aminareo, dia hitanareo ny aretina nihatra tamin’ny tenako, ary tonga fakampanahy ho anareo izany. » (Gal 4, 13)

3.2.9 Les détresses rencontrées sont une école de liberté :

3.2.9 Ny fahitana fahoriana dia sekolin’ny fahafahana

« J’ai appris en tout à me suffire » … « Je peux tout en Celui qui me fortifie ». (Ph 4, 12-13) « Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, ka hianina na aiza na aiza ary na amin’inona na amin’inona. 13Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy. » (Fil 4, 12-13)

3.2.10 Paul à une certitude : tout concourt au bien de ceux qui aiment Dieu, même les détresses.

3.2.10 Manana zavatra azo antoka iray i Paoly : ny zavatra rehetra dia miara-miasa amin’izay rehetra tia an’Andriamanitra na dia ny faoriana aza

cf Rm 8, 28 (voir paragraphe 2.3.3) Jereo Rômanina 8, 28 (Jereo ny andininy 2.3.3)

4. Repères pour le combat :

4. Famantara ho an’ny tolona :

4.1 Laisser le Christ combattre en nous par la force de son Esprit

4.1 Avela i Kristy hiady ao amintsika amin’ny alalan’ny Fanahiny

« L’amour du Christ nous étreint à la pensée qu’un seul est mort pour tous et donc que tous sont morts. Et il est mort pour tous afin que les vivants ne vivent plus pour eux-mêmes, mais pour celui qui est mort et ressuscité pour eux. Aussi, désormais, ne connaissons-nous plus personne à la manière humaine. Si nous avons connu le Christ à la manière humaine, maintenant nous ne le connaissons plus ainsi. « 14Fa terin’ny fitiavan’i Kristy izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia nandalo fahafatesana koa izy rehetra ; 15ary maty ho an’ny olona rehetra i Kristy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Ilay efa maty sy nitsangan-ko velona ho azy ireo. 16Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izao izahay ; ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay, dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny.
Aussi, si quelqu’un est en Christ, il est une nouvelle créature. Le monde ancien est passé, voici qu’une réalité nouvelle est là. 17Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zavaboaary vaovao izy ; ka lasa ny zavatra taloha, fa zavatra vaovao indray no eo.
Tout vient de Dieu qui nous a réconciliés avec lui par le Christ et nous a confié le ministère de la réconciliation. Car de toutes façons, c’était Dieu qui en Christ réconciliait le monde avec lui-même, ne mettant pas leurs fautes au compte des hommes et mettant en nous la parole de réconciliation. 18Ary tsy iza no niavian’izany rehetra izany, fa Andriamanitra izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana ; 19eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona, fa nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
C’est au nom du Christ que nous sommes ambassadeurs, et par nous, c’est Dieu lui-même qui, en fait, vous adresse un appel. 20Koa iraka solotenan’i Kristy ary izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin’ny alalanay ; solotenan’i Kristy izahay no mihanta aminareo hoe :
Au nom du Christ, laissez-vous réconcilier avec Dieu. Mihavàna re amin’ Andriamanitra ianareo !
Celui qui n’avait pas connu le péché, il l’a, pour nous, identifié au péché, afin que, par lui, nous devenions justice de Dieu. 21Fa he ity izy : Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga famamarinan’ Andriamanitra ao aminy isika !
Puisque nous sommes à l’œuvre avec lui, nous vous exhortons à ne pas laisser sans effet la grâce reçue de Dieu. » (2 Co 5, 14-6, 1) 61Ka noho izahay mpiara-miasa aminy ary, dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo. » (2 Kôr 5, 14 – 6, 1)
Les références à ce combat qui n’est pas d’abord le nôtre, mais celui du Christ, sont nombreuses. C’est un point capital, si l’on ne veut pas se tromper de combat. Il ne s’agit pas tant de s’inquiéter de nous-mêmes que de partir de ce que le Christ fait en nous, lui qui peut, par sa puissance qui agit en nous, faire au-delà, infiniment au-delà de ce que nous demandons et concevons. » (Ep 3, 14-21) Maro ny lohahevitra ahitana io ady io mbola tsy antsika aloha, fa mbola an’i Kristy. Zavatra lehibe indrindra izany, raha tsy te ho diso hevitra amin’ny ady. Tsy hoe hitebiteby ny amin’ny tenantsika ihany no andehanana amin’izay ataon’i Kristy antsika, ny amin’ny azony atao sy tiany atao, Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika. » (Ef 3, 20)

4.2 Revenir à l’appel reçu.

4.2 Miverina amin’ny antso voaray

Pour lui-même, comme pour ceux auxquels il s’adresse, devant toute difficulté, Paul repart toujours de l’appel reçu et du projet de Dieu de se faire connaître des hommes, de les sauver. Les références sont nombreuses. Ho azy ihany, tahaka izay ho an’ireo izay itenenany, eo anoloan’ny zava-tsarotra rehetra, dia miainga hatrany amin’ny antso azony i Paoly sy amin’ny fikasan’ Andriamanitra mba ho fantatry ny olona, ny hamonjy ary ireo. Marobe ny filan-kevitra amin’izany.

4.3 Etre averti qu’il n’y a pas d’autre chemin que de passer par les détresses, les combats :

4.3 Nampandrenesina fa tsy misy lalana hafa tsy ny mandalo amin’ny fahoriana, amin’ny ady :

Très régulièrement, Paul rappelle aux chrétiens que les détresses font partie du chemin (2 Tm 1, 6-14 ; 2 Tm 2, 3), qu’il ne faut pas en être surpris mais s’y préparer (1 Th 3, 3-4 ; 1 Th 4, 13 – 5, 11), qu’il ne faut pas les fuir comme ceux qui se comportent en « ennemis de la croix » (Ph 3, 18) qu’il faut annoncer la Parole à temps et à contretemps, supporter la souffrance, faire œuvre d’évangéliste (2 Tm 4, 1-5). Tena vizana i Paoly no mampahatsiahy ny kristianina ao anatin’ny lalana aleha ny fahoriana (2 Tim 1, 6-1 ; 2 Tim 2, 3) ka tsy tokony ho taitra fa miomana amin’izany (1 Tes 3, 3-4 ; 1 Tes 4, 13 – 5, 11) ka tsy tokony handositra azy ireny tahaka izay mihevi-tena ho toy ny fahavalon’ny hazofijaliana (Fil 3, 18) ary tsy maintsy manambara ny Tenin’ Andriamanitra na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, miaritra ny fijaliana, manao asan’ny Evanjelisitra (2 Tim 4, 1-5)

4.4 Se souvenir des souffrances de Jésus Christ :

4.4 Mahatsiaro ny fijalian’i Kristy

« Toi donc mon enfant, fortifie-toi dans la grâce qui est dans le Christ Jésus. Ce que tu as appris de moi en présence de nombreux témoins, confie-le à des hommes fidèles, qui seront eux-mêmes capables de l’enseigner encore à d’autres. Prends ta part de souffrance en bon soldat du Christ Jésus. Personne, en s’engageant dans l’armée, ne s’embarrasse des affaires de la vie civile s’il veut donner satisfaction à celui qui l’a enrôlé. Et de même, dans la lutte sportive, l’athlète ne reçoit la couronne que s’il a lutté selon les règles. C’est au cultivateur qui peine que doit revenir d’abord sa part de fruits. Comprends ce que je dis. Du reste, le Seigneur te fera comprendre tout cela. « 1Koa ny aminao ary, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao ! 2Ary ny fampianarana, izay renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, dia aoka hafindranao amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray. 3Miareta ny anjara fijalianao amin’ny mahamiaramila tsaran’i Kristy Jesoa anao. 4Ny miaramila, raha te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao ; 5ny mpanao fanatanjahan-tena koa tsy mahazo satro-boninahitra raha tsy niady ara-dalàna ; 6ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka rahefa izany vao mandray ny vokatra. 7Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.
Souviens-toi de Jésus Christ ressuscité d’entre les morts, issu de la race de David, selon l’Evangile que j’annonce pour lequel je souffre jusqu’à être enchaîné comme un malfaiteur. Mais la Parole de Dieu n’est pas enchaînée. C’est pourquoi je supporte tout à cause des élus, afin qu’eux aussi obtiennent le salut, qui est dans le Christ Jésus, avec la gloire éternelle. Elle est digne de confiance cette parole : Si nous mourons avec lui, avec lui nous vivrons. Si nous souffrons avec lui, avec lui nous régnerons. Si nous le renions, lui aussi nous reniera. Si nous sommes infidèles, lui demeure fidèle, car il ne peut se renier lui-même. » (2 Tm 2, 1-13) 8Tsarovy fa i Jesoa Kristy, ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangana velona avy any amin’ny maty araka ny Vaovao Mahafaly toriko, 9izay iaretako fijaliana hatramin’ny figadrana toy ny olon-dratsy aza ; ny tenin’ Andriamanitra anefa tsy mba voagadra. 10Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-boafidin’ Andriamanitra, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao : raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa ; 12raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy ; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika ; 13raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny tenany. »

4.5 S’appuyer sur la foi en la résurrection :

4.5 Miankina amin’ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty:

« Nous ne voulons pas, frères, vous laisser dans l’ignorance au sujet des morts, afin que vous ne soyez pas dans la tristesse comme les autres, qui n’ont pas d’espérance. Si en effet, nous croyons que Jésus est mort et qu’il est ressuscité, de même aussi, ceux qui sont mort, Dieu les ramènera par Jésus et avec lui. » (…) « Réconfortez-vous donc les uns les autres par cet enseignement. » (1 Th 4, 13-14 ;18) « 13Ry mpiray tampo ara-pinoana, tianay ny hahafantaranareo amin’ izay efa nodimandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo. 14Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangana ho velona no hitondran’ Andriamanitra an’izay nodimandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa. » (…) « 18Koa izany teny izany ary no aoka hifanalanareo alahelo. » (1 Tes 4, 13-14.18)
« Nous qui sommes du jour, soyons sobres, revêtus de la cuirasse de la foi et de l’amour, avec le casque de l’espérance du salut. Car Dieu ne nous a pas destinés à subir sa colère, mais à posséder le salut par notre Seigneur Jésus Christ, mort pour nous afin que, veillant ou dormant, nous vivions alors unis à lui. C’est pourquoi, réconfortez-vous mutuellement et édifiez-vous l’un l’autre, comme vous le faites déjà.. » (1 Th 5, 8-11) « 8Koa aoka isika an’ny andro kosa hifady hanina, hitafy ny finoana amam-pitiavana ho toy ny akanjo vy hiarovan-tena, ary hanana ny fahazoana antoka fa voavonjy ho toy ny satro-by fiarovan-doha. 9Satria tsy hoe hiharan’ny fahatezerany no nanendren’ Andriamanitra antsika, fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, 10izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika. 11Noho izany ary, mifanalà alahelo ianareo, ary mifampirisiha handroso, araka efa ataonareo rahateo. » (1 Tes 5, 8-11)

4.6 Prier :

4.6 Mivavaka

Là aussi les références sont nombreuses, et il faudrait faire une étude sur la prière de Paul. Amin’izany koa dia maro ny filan-kevitra ary tokony hianatra ny vavak’i Paoly.
Si nous voulons vraiment être au combat de Dieu et non aux nôtres, il n’y a pas d’autre chemin que de commencer par la prière et de tout vivre dans la prière. Raha tena te ho ao amin’ny adin’ Andriamanitra isika fa tsy ho amin’ny antsika, tsy misy lalana hafa afa-tsy ny manomboka amin’ny vavaka ary miaina ny zavatra rehetra ao anatin’ny vavaka.
Dans 2 Co 1, 8-11, Paul évoque un péril de mort au dessus de ses forces et dit sa conviction que c’est la grâce de Dieu qui l’a arraché à une telle mort. Il dit aussi sa conviction que cette grâce a été obtenue par l’intercession d’un grand nombre de personnes. Dans la lettre aux Colossiens (Col 4, 12), il mentionne Epaphras qui ne cesse de mener pour les Colossiens, le combat de la prière afin qu’ils demeurent fermes, parfaits, donnant plein consentement à toute volonté de Dieu. Ao amin’ny 2 Kôr 1, 8-11 i Paoly dia manambara zava-dozan’ny fahafatesana ambonin’ny heriny iray ary milaza izy fa ny faharesen-dahatra ao aminy dia ny fahasoavan’ Andriamanitra no nanala azy tamin’izany fahafatesana izany. Miteny koa ny faharesen-dahatra ao aminy fa izany fahasoavana izany dia azo tamin’ny alalan’ny ranombavakan’ny olona maro an’isa. Ao amin’ny taratasy ho an’ny Kôlôsianina (Kôl 4, 12) dia niteny fa i Epafrà no tsy mijanona mitondra ny adin’ny vavaka mba hiorenany tsara, tonga lafatra, manome feno eo am-panekena amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.
Dans Philippiens 4, 4-7, il en appelle à la prière : Ao amin’ny taratasy ho an’ny Filipianina (4, 4-7) dia miantso izany amin’ny vavaka izy :
« Réjouissez-vous dans le Seigneur en tout temps ; je le répète, réjouissez-vous. Que votre bonté soit reconnue de tous les hommes. Le Seigneur est proche. Ne soyez inquiets de rien, mais, en toute occasion, par la prière et la supplication accompagnées d’action de grâces, faites connaître vos demandes à Dieu. Et la paix de Dieu qui surpasse toute intelligence, gardera vos cœurs et vos pensées en Jésus Christ. » « 4Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo ; eny, averiko indray, mifalia e ! 5Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo : efa akaiky anie ny Tompo e ! 6Aza manahy na inona na inona ianao ; fa ambarao an’ Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. 7Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’ Andriamanitra, dia ilay fiadanana mihoatra ny fahalalana rehetra.
On retrouve cet appel à la prière dans Ephésiens 6, 10-20 (cf paragraphe suivant). Hita indray ao amin’ny Efezianina 6, 10-20 ity antso mba hivavaka ity (jereo andininy manaraka).

4.7 Prendre les armes du Christ :

4.7 Mandray ny fiadian’i Kristy

Pour Paul, la vie de l’apôtre est un combat. Ce combat se mène avec des armes spécifiques : Ho an’i Paoly, ady ny fiainan’ny Apôstôly. Ity ady ity dia miaraka amin’ny fiadiana voatokana :
« Pour finir, armez-vous de force dans le Seigneur, de sa force toute puissante. Revêtez l’armure de Dieu pour être en état de tenir face aux manœuvres du diable. Ce n’est pas à l’homme que nous sommes affrontés, mais aux Autorités, aux Pouvoirs, aux Dominateurs de ce monde de ténèbres, aux esprits du mal qui sont dans les cieux. « 10Farany, ry mpiray tampo ara-pinoana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny tsy hay tohaina. 11Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny demony akory ianareo. 12Fa tsy olombelona nofo aman-dra no iadiantsika, fa ny fanapahana sy fahefana ary hery mifehy izao tontolo maizina izao, dia ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka.
Saisissez donc l’armure de Dieu, afin qu’au jour mauvais, vous puissiez résister et demeurer debout, ayant tout mis en œuvre. 13Koa raiso avokoa ary ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy dia hijoro tsara ianareo rahefa niala nenina.
Debout donc ! à la taille, la vérité pour ceinturon, avec la justice pour cuirasse, et comme chaussures aux pieds, l’élan pour annoncer l’Evangile de la paix. Prenez surtout le bouclier de la foi, il vous permettra d’éteindre tous les projectiles enflammés du Malin. Recevez enfin le casque du Salut et le glaive de l’Esprit, c’est-à-dire la Parole de Dieu. 14Aza miraika, fa ataovy toy ny etra fehikibonareo ny fahamarinana, tafia ny rariny ho akanjo vy hiarovan-tena, 15kiraroy fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly fihavanana ny tongotrareo ; 16fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipik’afo rehetra alefan’ilay Ratsy. 17Raiso koa ho satro-by fiarovan-doha ny fahazoana antoka fa voavonjy, ary ho sabatry ny Fanahy, izany hoe ny tenin’ Andriamanitra.
Que l’Esprit suscite votre prière sous toutes ses formes. » (Ep 6, 10-18) 18Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra amin’izany, dia miambena amin’ny faharetana rehetra sy amin’ny fivavahana ho an’ny olomasina rehetra. » (Ef 6, 10-18)
On trouve ailleurs cette évocation des armes, notamment en 2 Co 6, 1-10 ou il parle des armes offensives et défensives ou encore en 1 Th 5, 8. Hita amy ny fitoerana hafa io fiantsoan’ny fiadiana, indrindra amin’ny taratasy faharoa ho an’ny Kôrintianina (2 Kôr 6, 1-10). Miresaka momba ny rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena. Mbola hita izany amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Tesalônisianina.

4.8 Pour que le Christ puisse combattre en nous, il nous faut nous disposer à laisser agir en nous l’Esprit, apprendre à discerner ce qui vient de l’Esprit et ce qui n’en vient pas, ce qui est selon Dieu et ce qui est selon le monde

4.8 Mba ahazoan’i Kristy miady ao amintsika, tsy maintsy vonona hamela ny Fanahy hiasa ao amintsika isika, mianatra manavaka izay avy amin’ny Fanahy ary izay tsy avy aminy, izay araka an’ Andriamanitra ary izay araka izay avy amin’izao tontolo izao.

Nous ferons par ailleurs une étude sur la manière de Paul de se laisser conduire par l’Esprit Saint. Là, nous nous contenterons de mentionner que pour vivre les détresses et les combats, Paul se laisse guider par l’Esprit. Il se laisse non seulement guider, mais c’est la force sur laquelle il compte. Ho jerentsika rahateo ny fomba netezan’i Paoly ho tarihin’ny Fanahy Masin. Amin’izay dia hianina amin’ny filazana afa-tsy ny hoe fiainana ny fahoriana sy ny ady isika. Nety ho tarihin’ny Fanahy i Paoly. Tsy hoe nety ho tarihina fotsiny, izy, fa teo koa ny hery izay niankinany.
Il s’attache à discerner ce qu’est « marcher sous la loi de la chair » et « marcher sous la loi de l’Esprit », car il ne suffit pas d’être dans la détresse ou au combat pour se dire que ce sont ceux du Christ… Ce discernement, il le fait à partir des fruits : Nifikitra tamin’ny fanavahana ny amin’ny « fandehanana eo ambanin’ny lalàn’ny nofo » sy amin’ny « fandehanana eo ambanin’ny lalàn’ny Fanahy » izy, satria tsy ampy ny maha ao anaty faoriana na ao anaty ady mba hitenenana fa an’i Kristy ireny… Nataony taorian ny vokatra ity fanavahana ity :
« Vous, frères, c’est à la liberté que vous avez été appelés. Seulement, que cette liberté ne donne aucune prise à la chair ! Mais, par l’amour, mettez-vous au service les uns des autres. Car la loi tout entière trouve son accomplissement en cette unique parole : Tu aimeras ton prochain comme toi-même. Mais si vous vous mordez ou vous dévorez les uns les autres, prenez garde : vous allez vous détruire les uns les autres. « 13Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry mpiray tampo ara-pinoana, kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy. 14Fa ny Lalàna manontolo dia ao anatin’ny teny tokana hoe : Tiava ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. 15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
Ecoutez-moi : marchez sous l’impulsion de l’Esprit et vous n’accomplirez plus ce que la chair désire. Car la chair, en ses désirs, s’oppose à l’Esprit et l’esprit à la chair ; entre eux, c’est l’antagonisme ; aussi ne faites-vous pas ce que vous voulez. Mais si vous êtes conduits par l’Esprit, vous n’êtes plus soumis à la loi. 16Izao ary no lazaiko : mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manam-pilàna mifanohitra amin’ny an’ny Fanahy, ary ny Fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo : koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo. 18Raha tarihin’ny Fanahy anefa ianareo, dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.
On les connaît les œuvres de la chair : libertinage, impureté, débauche, idolâtrie, magie, haines, discorde, jalousie, emportements, rivalités, dissensions, factions, envies, beuveries, ripailles et autres choses semblables ; leurs auteurs, je vous en prévient, comme je l’ai déjà dit, n’hériteront pas du royaume de Dieu. 19Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, 21fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny Fanjakan’ Andriamanitra.
Mais voici le fruit de l’Esprit : amour, joie, paix, patience, bonté, bienveillance, foi, douceur, maîtrise de soi ; contre de telles choses, il n’y a pas de loi. Ceux qui sont au Christ ont crucifié la chair avec ses passions et ses désirs. Si nous vivons par l’Esprit, vivons aussi sous l’impulsion de l’Esprit. » (Ga 5, 13-25) 22Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao : fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hazavampo, tsy fivadihana, 23fahalemem-panahy, fahalalana onona : tsy misy izay lalàna manohitra ny toy izany. 24Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namantsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin’ny hazofijaliana. 25Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy 26fa aza te hoderaina foana amin’izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana. » (Gal 5, 13-25)
La T.O.B. commente (note « o », verset 22) : « Aux œuvres de la chair, Paul oppose le fruit de l’Esprit qui est unique : c’est l’amour. Ce qu’il énumère ensuite, ce sont les signes du règne de l’amour : joie et paix ; les manifestations de cet amour : patience, bonté, bienveillance ; les conditions enfin de sa naissance et de son épanouissement : foi, douceur, maîtrise de soi ; La foi est en effet la racine de l’amour ; quant à la douceur, c’est l’attitude des humbles qui se laissent conduire par leur Père céleste ; elle caractérise le Christ (Mt 11, 29) » Ny T.O.B. dia manazava (naoty « o » andininy 22) : « Manohitra ny vokatry ny Fanahy izay tokana, ao amin’ny asan’ny nofo i Paoly : fitiavana izany. Izay tanisainy manaraka, dia ny famantarana ny fanjakan’ny fitiavana : ny fifaliana sy ny fiadanana ; ny fisehoan’ity fitiavana ity : faharetana, hatsaram-panahy, fitandremana ; farany ny fepetran’ny fahaterahany sy ny fivelaran’ny fiainany : finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Rahateo moa ny finoana no fototry ny fitiavana ; raha ny amin’ny ny halemem-panahy indray, ny toetran’ny mpanetry tena dia ny fetezany ho tarihin’ny Ray any an-danitra, mampiseho an’i Kristy izy (Mt 11, 29)
Parce que nous ne marchons pas encore en plénitude sous la loi de l’Esprit, nous connaissons la détresse qui vient de notre propre péché et la tristesse qui en résulte. Là encore, Paul nous invite à discerner et à vivre cette tristesse « selon Dieu » et non « selon ce monde » : Koa satria tsy mbola mandeha amin’ny fahafenoana eo ambanin’ny lalàn’ny Fanahy isika, dia fantatsika ny fahoriana izay amin’ny tena fahotantsika sy ny alahelo vokatr’izany. Eo koa, mbola miangavy antsika i Paoly handini-tena sy hiaina ity alahelo ity « araka an’Andriamanitra » fa tsy « araka izao tontolo izao » :
« La tristesse selon Dieu produit un repentir qui conduit au salut et ne laisse pas place au regret… La tristesse selon ce monde produit la mort. Voyez plutôt ce qu’a produit chez vous la tristesse selon Dieu. Mais oui ! quel empressement ! quelles excuses ! quelle indignation ! quelle crainte ! quel désir ! quel zèle ! quelle punition ! » (2 Co 7, 10-11) 10fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia miasa hahatonga fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana ; fa ny alahelon’ izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana. 11Ary akory izato vokatr’izany alahelonareo araka an’ Andriamanitra izany ! Fa he izato fahazotoana tongany aminareo ! Endrey izany fialan-tsininareo tamiko ! Eny, fahatezerana re izany ! Tahotra re izany ! Faniriana re izany ! Zotompo re izany ! Famaizana re izany ! Fatratra mihitsy ny nampisehoanareo fa nadio ianareo ny amin’izany raharaha izany !

4.9 Un combat à vivre en Eglise :

4.9 Ady iray amin’ny iainana ao amin’ny Fiangonana

Ce combat n’est pas à vivre seul, mais en Eglise, entre frères. Nous sommes invités à ne pas compter sur notre propre force, mais à veiller les uns pour les autres, et à compter en particulier sur ceux qui ont reçu la charge d’être nos supérieurs : Tsy ny iainana irery ity ady ity, fa ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny samy mpirahalahy. Asaina tsy hiankina amin’ny herin’ny tenantsika isika, fa hifampiambina sy hiankina indrindra amin’ireo izay nandray andraikitra sy ho ambonintsika :
« Réconfortez-vous mutuellement et édifiez-vous l’un l’autre, comme vous le faites déjà. Nous vous demandons, frères, d’avoir des égards pour ceux qui parmi vous se donnent de la peine pour vous diriger dans le Seigneur et pour vous reprendre ; ayez pour eux la plus haute estime, avec amour, en raison de leur travail. Vivez en paix entre vous. Nous vous y exhortons, frères, reprenez ceux qui vivent de manière désordonnée, donnez du courage à ceux qui en ont peu ; soutenez les faibles, soyez patients envers tous. Prenez garde que personne ne rende le mal pour le mal, mais recherchez toujours le bien, entre vous et à l’égard de tous. Soyez toujours dans la joie, priez sans cesse, rendez grâce en toute circonstance, car c’est la volonté de Dieu à votre égard dans le Christ Jésus. N’éteignez pas l’Esprit Saint. » (1 Th 5, 11-19) « 11Noho izany ary, mifanalà alahelo ianareo, ary mifampirisiha handroso, araka efa ataonareo rahateo. 12Mangataka anareo koa izahay, ry mpiray tampo ara-pinoana, mba hanaja izay miasa ao aminareo sy mifehy anareo ao amin’ny Tompo, ary izay mananatra anareo. 13Noho ny asan’izy ireo, manàna fitiavana azy lehibe koa, ary mihavàna tsara aminy ianareo. 14Mangataka aminareo koa izahay, ry mpiray tampo ara-pinoana : anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin’ny olon-drehetra. 15Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva. 16Mifalia mandrakariva ; 17mivavaha lalandava ; 18ary misaora an’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapony, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra. 19Aza mamono ny Fanahy Masina. » (1 Tes 5, 11-19)
On voit Paul lui-même trouver sa force dans le lien avec ses frères au terme de son voyage plein de difficultés pour Rome quand il arrive aux « Trois Tavernes » : Mahazo hery indray amin’ny fifandraisan’amin’ny mpiray tampo amiko ara-pinoana i Paoly raha vita ny diany feno fahasarotana ho an’i Rôma sy tonga ao amin’ny Antranotelombahiny :
« Depuis cette ville les frères, qui avaient appris notre arrivée, sont venus à notre rencontre jusqu’au Forum d’Appius et aux Trois-Tavernes ; quand il les a vus, Paul a rendu grâce à Dieu : il avait repris confiance. » (Ac 28, 15)

« Vao nandre anay tongan y tao an-tanàna, dia tamy nitsena anay hatrany an-tsenan’i Apios y Antranotelombahiny. Nony nahita azy ireo i Paoly, dia nisaotra an’ Andriamanitra sady nahazo toky erý. » (As 28, 15)

 

Ce contenu a été publié dans malagasy. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Laisser un commentaire