Joany frantsay malagasy

Jean chapitre 1

Joany toko voalohany

Prologue (Jn 1, 1-18)

Fitarihan-teny (Jn 1, 1-18)

1Au commencement était le Verbe, et le Verbe était tourné vers Dieu, et le Verbe était Dieu. 1Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia nitodika tany amin’Andriamanitra hatrany, ary Andriamanitra ny Teny.
2Il était au commencement tourné vers Dieu. 2Tany amin’Andriamanitra hatrany no nitodihany tamin’ny voalohany.
3Tout fut par lui, et rien de ce qui fut, ne fut sans lui. 3Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ka raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra.
4En lui était la vie et la vie était la lumière des hommes, 4Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona.
5et la lumière brille dans les ténèbres, et les ténèbres ne l’ont point comprise. 5Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nahasakana azy ny maizina.
6Il y eut un homme, envoyé de Dieu : son nom était Jean. 6Nisy lehilahy anankiray nirahin’ Andriamanitra, i Joany no anarany ;
7Il vint en témoin, pour rendre témoignage à la lumière, afin que tous croient par lui. 7tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny.
8Il n’était pas la lumière, mais il devait rendre témoignage à la lumière. 8Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny Fahazavana fotsiny izy.
9Le Verbe était la vraie lumière qui, en venant dans le monde, illumine tout homme. 9Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao.
10Il était dans le monde, et le monde fut par lui, et le monde ne l’a pas reconnu. 10Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao.
11Il est venu dans son propre bien et les siens ne l’ont pas accueilli. 11Tonga tao amin’ny taniny Izy, fa tsy noraisin’ny mpiray firenena aminy.
12Mais à ceux qui l’ont reçu, à ceux qui croient en son nom, il a donné le pouvoir de devenir enfants de Dieu. 12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany
13Ceux-là ne sont pas nés du sang, ni d’un vouloir de chair, ni d’un vouloir d’homme, mais de Dieu. 13ka tsy mba nateraky ny ra, na ny nofo, na ny sitrapon’ny olona ireo, fa naterak’Andriamanitra.
14Et le Verbe s’est fait chair et il a habité parmi nous et nous avons vu sa gloire, cette gloire que, Fils unique plein de grâce et de vérité, il tient du Père. 14Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatý amintsika ; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
15Jean lui rend témoignage et proclame :

–     « Voici celui dont j’ai dit : ‘après moi vient un homme qui m’a devancé, parce que, avant moi, il était.’ »

15Nanambara Azy i Joany, ka niantso nanao hoe :

–     « Izy ilay nolazaiko hoe : ‘Ilay tamy aoriako, dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.’ »

16De sa plénitude en effet, tous, nous avons reçu, et grâce sur grâce. 16Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana ;
17Si la Loi fut donnée par Moïse, la grâce et la vérité sont venues par Jésus Christ. 17satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’iizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
18Personne n’a jamais vu Dieu; Dieu Fils unique, qui est dans le sein du Père, nous l’a dévoilé. 18Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanaka lahitokana Izay Andriamanitra sady ao anatin’ny Ray, no hany nanambara Azy.

Le témoignage de Jean (Jn 1, 19-28)

Ny fijoroan’i Joany Batista ho vavolombelona (Jn 1, 19-28)

19Et voici quel fut le témoignage de Jean lorsque, de Jérusalem, les Juifs envoyèrent vers lui des prêtres et des lévites pour lui poser la question :

–     « Qui es-tu ? »

19Ary izao no nijoroan’i Joany ho vavolombelona fony naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe :

–     « Iza moa ianao ? »

20Il fit une déclaration sans restriction, il déclara

–     « Je ne suis pas le Christ. »

20Tsy nandà ny hamaly izy fa nilaza mazava hoe :

–     « Tsy i Kristy aho. »

21Et ils lui demandèrent

–     « Qui es-tu ? Es-tu Elie ? »

Il répondit

–     « Je ne le suis pas. »

–     « Es-tu le Prophète ? »

Il répondit :

–     « Non. »

21Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe :

–     « Iza àry ? I Elià ve ianao ? »

Fa hoy izy hoe :

–     « Tsy izy aho. »

–     « Ilay Mpaminany ve ianao ? »

Fa hoy ny navaliny :

–     « Tsia. »

22Ils lui dirent alors

–     « Qui es-tu ? que nous apportions une réponse à ceux qui nous ont envoyés ! Que dis-tu de toi-même ? »

22Ka hoy izy ireo taminy :

–     « Iza àry ianao, mba hitondranay valin-teny amin’izay naniraka anay ? Ataonao ho iza ny tenanao ? »

23Il affirma :

–     « Je suis la voix de celui qui crie dans le désert : « Aplanissez le chemin du Seigneur », comme l’a dit le prophète Ésaïe. »

23Dia hoy izy :

–     « Izaho no feon’olona miantso mafy any an’efitra hoe : ‘Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Isaia mpaminany.’ »

24Or ceux qui avaient été envoyés étaient des Pharisiens. 24Ary farisianina ireo iraka ireo.
25Ils continuèrent à l’interroger en disant

–     « Si tu n’es ni le Christ, ni Elie, ni le Prophète, pourquoi baptises-tu ? »

25Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe :

–     « Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy, na i Elià, na ilay Mpaminany ? »

26Jean leur répondit

–     « Moi, je baptise dans l’eau. Au milieu de vous se tient celui que vous ne connaissez pas.

26Ka novalian’i Joany hoe :

–     « Izaho manao batemy amin’ny rano ; fa eo aminareo misy olona anankiray tsy fantatrareo,

      27Il vient après moi et je ne suis même pas digne de dénouer la lanière de sa sandale.       27dia Ilay tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany aza aho. »
28Cela se passait à Béthanie, au-delà du Jourdain, où Jean baptisait. 28Tany Betania an-dafin’i Jôrdàna, izay nanaovan’i Joany batemy, no niseho izany zavatra izany.

Voici l’Agneau de Dieu (Jn 1, 29-34)

Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra (Jn 1, 29-34)

29Le lendemain, Jean Baptiste voyait Jésus venir vers lui et il dit :

–     « Voici l’Agneau de Dieu, qui enlève le péché du monde ;

29Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany ka nanao hoe :

–     « Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, indro Ilay manala ny fahotan’ izao tontolo izao.

      30c’est de Lui que j’ai dit : ‘derrière moi vient un homme qui a sa place devant moi, car avant moi il était.’       30Izy no ilay nantsoiko hoe : ‘Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.’
      31Je ne le connaissais pas ; mais, si je suis venu baptiser dans l’eau, c’est pour qu’il soit manifesté au peuple d’Israël. »       31Ary izaho tsy nahalala Azy ; fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano. »
32Alors Jean rendit ce témoignage :

–     « J’ai vu l’Esprit descendre du ciel comme une colombe et demeurer sur lui.

32Ary nilaza marina i Joany nanao hoe :

–     « Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny.

      33Je ne le connaissais pas, mais celui qui m’a envoyé baptiser dans l’eau m’a dit : ‘L’homme sur qui tu verras l’Esprit descendre et demeurer, c’est celui-là qui baptise dans l’Esprit Saint.’       33Ary izaho tsy nahalala Azy, fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano no nilaza tamiko hoe : ‘Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina.’
      34Oui, j’ai vu, et je rends ce témoignage : ‘C’est Lui le Fils de Dieu’ ».       34Ary nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak’Andriamanitra’. »

Appel d’André, Simon et Philippe (Jn 1,35-44)

Antson’i Andrea sy i Simôna Piera ary i Filipo (Jn 1, 35-44)

35Le lendemain, Jean se trouvait de nouveau au même endroit avec deux de ses disciples. 35Nony ampitso’izay indray, dia mbola teo koa i Joany sy ny mpianany roa lahy ;
36Fixant son regard sur Jésus qui marchait, il dit :

–     « Voici l’agneau de Dieu. »

36ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo :

–     « Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. »

37Les deux disciples, l’entendant parler ainsi, suivirent Jésus. 37Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa.
38Jésus se retourna et, voyant qu’ils s’étaient mis à le suivre, il leur dit :

–     « Que cherchez-vous ? »

Ils répondirent :

–     « Rabbi-ce qui signifie Maître, où demeures-tu ? »

38Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe :

–     « Inona no tadiavinareo ? »

Ary hoy izy ireo taminy :

–     « Rabbý, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza ianao no mitoetra ? »

39Il leur dit :

–     « Venez et vous verrez. »

Ils allèrent donc, ils virent où il demeurait et ils demeurèrent auprès de lui ce jour-là ; c’était environ la dixième heure.

39Dia hoy Izy taminy :

–     « Avia fa ho hitanareo. »

Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny ; ary tokony tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.

40André, le frère de Simon-Pierre, était l’un de ces deux qui avaient écouté Jean et suivi Jésus. 40I Andre, rahalahin’i Simôna Piera, no anankiray tamin’izy roa lahy izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa.
41Il va trouver, avant tout autre, son propre frère Simon et lui dit :

–     « Nous avons trouvé le Messie ! »

– ce qui signifie le Christ.

41Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny, ka nilazany hoe :

–     « Efa hitanay ny Mesia »

(izany hoe i Kristy raha adika).

42Il l’amena à Jésus. Fixant son regard sur lui, Jésus dit :

–     « Tu es Simon, le fils de Jean ; tu seras appelé Céphas »

ce qui veut dire Pierre.

42Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe :

–     « Ianao no Simôna, zanak’i Joany ; hatao hoe Sefasy ianao »

Izany hoe, Piera.

43Le lendemain, Jésus résolut de gagner la Galilée. Il trouve Philippe et lui dit :

–     « Suis-moi. »

43Nony ampitso, niroso nankany Galilea i Jesoa, ary nihaona tamin’i Filipo Izy ka nanao taminy hoe :

–     « Manaraha Ahy. »

44Or, Philippe était de Bethsaïda, la ville d’André et de Pierre. 44Avy ao Betsaïda, tanàna niavian’i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo.

Nathanaël (Jn 1,45-51)

Antson’i Natanaela (Jn 1, 45-51)

45Philippe rencontre Nathanël et lui dit :

–     « Celui dont parlent la loi de Moïse et les prophètes, nous l’avons trouvé : c’est Jésus, fils de Joseph, de Nazareth. »

45I Filipo kosa nihaona tamin’i Natanaely ka nanao taminy hoe :

–     « Efa nihaonanay Ilay voalazan’iizy tao amin’ny Lalàna sy nambaran’ny mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta. »

46Nathanaël répliqua :

–     « De Nazareth ! Peut-il sortir quelque chose de bon ? »

Philippe répond :

–     « Viens, et tu verras. »

46Ka hoy i Natanaely taminy :

–     « Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta ? »

Dia hoy i Filipo taminy :

–     « Andao ianao hizaha. »

47Lorsque Jésus voit Nathanaël venir à lui, il déclare :

–     « Voici un véritable fils d’Israël, un homme qui ne sait pas mentir. »

47Nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa, dia nilaza azy hoe :

–     « Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka ».

48Nathanaël lui demande :

–     « Comment me connais-tu ? »

Jésus lui répond :

–     « Avant que Philippe te parle, quand tu étais sous le figuier, je t’ai vu. »

48Ka hoy i Natanaely taminy :

–     « Ahoana no nahalalanao ahy ? »

Ary hoy ny navalin’i Jesoa :

–     « Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao ».

49Nathanaël lui dit :

–     « Rabbi, c’est toi le Fils de Dieu ! c’est toi le roi d’Israël ! »

49Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe :

–     « Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely ! »

50Jésus reprend :

–     « Je te dis que je t’ai vu sous le figuier, et c’est pour cela que tu crois ! Tu verras des choses plus grandes encore. »

50Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Mino ianao, satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao ; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao ».

51Et il ajoute :

–     « Amen, amen, je vous le dis : vous verrez les cieux ouverts, avec les anges de Dieu qui montent et descendent au-dessus du Fils de l’homme. »

51Dia hoy koa Izy :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo. »

Jean chapitre 2

Joany toko faha-2

Les noces de Cana (Jn 2, 1-12)

Ny fampakaram-bady tany Kanà (Jn 2, 1-12)

1Or, le troisième jour, il y eut une noce à Cana de Galilée et la mère de Jésus était là. 1Ary tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny renin’i Jesoa.
2Jésus lui aussi fut invité à la noce ainsi que ses disciples. 2I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady.
3Comme le vin manquait, la mère de Jésus lui dit :

–     « Ils n’ont pas de vin. »

3Nony inona, Lany ny divay ka hoy ny renin’i Jesoa taminy :

–     « Tsy manan-divay izy ireo. »

4Mais Jésus lui répondit :

–     « Que me veux-tu, femme ? Mon heure n’est pas encore venue. »

4Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy ? Tsy efa tonga ve ny fotoako ? »

5Sa mère dit aux serviteurs :

–     « Quoi qu’il vous dise, faites-le. »

5Dia hoy ny reniny tamin’ny mpanompo :

–     « Ataovy izay rehetra holazainy aminareo. »

6Il y avait là six jarres de pierre destinées aux purifications des Juifs ; elles contenaient chacune de deux à trois mesures. 6Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano zato litatra eo ho eo ny siny tsirairay avy ;
7Jésus dit aux serviteurs :

–     « Remplissez d’eau ces jarres ; »

et ils les emplirent jusqu’au bord.

7ka hoy i Jesoa tamin’ny mpanompo :

–     « Fenoy rano ireo siny ireo ; »

dia nofenoiny hatramin’ny molony.

8Jésus leur dit :

–     « Maintenant puisez et portez-en au maître du repas. »

Ils lui en portèrent,

8Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana. »

Dia nentin’ireo mpanompo.

9et il goûta l’eau devenue vin-il ne savait pas d’où il venait, à la différence des serviteurs qui avaient puisé l’eau, aussi il s’adresse au marié 9Vao nanandrana ny rano voaovao ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra
10et lui dit :

–     « Tout le monde offre d’abord le bon vin et, lorsque les convives sont gris, le moins bon ; mais toi, tu as gardé le bon vin jusqu’à maintenant ! »

10ka nanao taminy hoe :

–     « Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rahefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra ; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny. »

11Tel fut, à Cana de Galilée, le commencement des signes de Jésus. Il manifesta sa gloire, et ses disciples crurent en lui. 11Izany zavatra tany Kanà any Galilea izany no santatr’ireo famantarana nataon’i Jesoa ; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
12Après quoi, il descendit à Capharnaüm avec sa mère, ses frères et ses disciples ; mais ils n’y restèrent que peu de jours. 12Ary rahefa afaka izany, dia nidina nankany kafarnahoma Izy sy ny reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany, nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.

La purification du temple (Jn 2, 13-22)

Ny fanadiovana ny tempoly (Jn 2, 13-22)

13La Pâque des Juifs était proche et Jésus monta à Jérusalem. 13Ary akaiky ny Paka fankalazan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
14Il trouva dans le Temple les marchands de boeufs, de brebis et de colombes ainsi que les changeurs qui s’y étaient installés. 14Hitany tao an-kianjan’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
15Alors, s’étant fait un fouet avec des cordes, il les chassa tous du Temple, et les brebis et les bœufs ; il dispersa la monnaie des changeurs, renversa leurs tables ; 15ka nanao karavasy tamin’ny tady Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly ; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra ;
16et il dit aux marchands de colombes :

–     « Ôtez tout cela d’ici et ne faites pas de la maison de mon Père une maison de trafic. »

16ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala :

–     « Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko. »

17Ses disciples se souvinrent qu’il est écrit :

‘Le zèle de ta maison me dévorera.’

17Dia tsaroan’ny mpianany fa izao no efa voalazan’ny Soratra Masina :

‘Ny fitiavako ny tranonao dia toy ny afo mandoro Ahy’

18Mais les Juifs prirent la parole et lui dirent :

–     « Quel signe nous montreras-tu, pour agir de la sorte ? »

18Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe :

–     « Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao ? »

19Jésus leur répondit :

–     « Détruisez ce temple et, en trois jours, je le relèverai. »

19Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe :

–     « Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray ao anatin’ny telo andro. »

20Alors les Juifs lui dirent :

–     « Il a fallu quarante-six ans pour construire ce Temple et toi, tu le relèverais en trois jours ? »

20Ka hoy ny Jody hoe :

–     « Enina amby ny efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity, ka Ianao ve dia hanangana azy indray ao anatin’ny telo andro ? »

21Mais lui parlait du temple de son corps. 21Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy.
22Aussi, lorsque Jésus se releva d’entre les morts, ses disciples se souvinrent qu’il avait parlé ainsi, et ils crurent à l’Écriture ainsi qu’à la parole qu’il avait dite. 22Ary nony tafatsangana avy any amin’ny maty Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.

Séjour à Jérusalem (Jn 2, 23-25)

Ny nitoerana tany Jerosalema (Jn 2, 23-25)

23Tandis que Jésus séjournait à Jérusalem, durant la fête de la Pâque, beaucoup crurent en son nom à la vue des signes qu’il opérait. 23Raha mbola tany Jerosalema i Jesoa tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny anarany, fa nahita ny famantarana nataony ;
24Mais Jésus, lui, ne croyait pas en eux, car il les connaissait tous, 24nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy,
25et il n’avait nul besoin qu’on lui rendît témoignage au sujet de l’homme : il savait, quant à lui, ce qu’il y a dans l’homme. 25sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.

Jean chapitre 3

Joany toko faha-3

Nicodème (Jn 3, 1-21)

Nikôdema (Jn 3, 1-21)

1Il y avait un pharisien nommé Nicodème ; c’était un notable parmi les Juifs. 1Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema, isan’ny lehibe tamin’ny Jody.
2Il vint trouver Jésus pendant la nuit. Il lui dit :

–     « Rabbi, nous le savons bien, c’est de la part de Dieu que tu es venu nous instruire, car aucun homme ne peut accomplir les signes que tu accomplis si Dieu n’est pas avec lui. »

2Nankao amin’i Jesoa izy nony alina, ka nanao taminy hoe :

–     « Raby, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy. »

3Jésus lui répondit :

–     « Amen, je te le dis : personne, à moins de renaître, ne peut voir le Règne de Dieu. »

3Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra. »

4Nicodème lui répliqua :

–     « Comment est-il possible de naître quand on est déjà vieux ? Est-ce qu’on peut rentrer dans le sein de sa mère pour naître une seconde fois ? »

4Ary hoy i Nikôdema taminy :

–     « Ataon’ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy ? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray ? »

5Jésus répondit :

–     « Amen, amen, je te le dis : personne, à moins de naître de l’eau et de l’Esprit, ne peut entrer dans le Royaume de Dieu.

5Fa hoy i Jesoa :

–     « Lazaiko marina dia marina aminao : fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

      6Ce qui est né de la chair n’est que chair ; ce qui est né de l’Esprit est Esprit.       6Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy.
      7Ne sois pas étonné si je t’ai dit qu’il vous faut renaître.       7Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe : ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’
      8Le vent souffle où il veut : tu entends le bruit qu’il fait, mais tu ne sais pas d’où il vient ni où il va. Il en est ainsi de tout homme qui est né du souffle de l’Esprit. »       8Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany ; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
9Nicodème reprit :

–     « Comment cela peut-il se faire ?

9Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe :

–     « Atao ahoana no hahatonga izany ? »

10Jésus lui répondit :

–     « Toi, tu es chargé d’instruire Israël, et tu ne connais pas ces choses-là ?

10Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va ?

      11Amen, je te le dis : nous parlons de ce que nous savons, nous témoignons de ce que nous avons vu, et vous n’acceptez pas notre témoignage       11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay.
      12Si vous ne croyez pas lorsque je vous parle des choses de la terre, comment croirez-vous quand je vous parlerai des choses du ciel ?       12Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra ?
      13Car nul n’est monté au ciel sinon celui qui est descendu du ciel, le Fils de l’Homme.       13Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra.
      14De même que le serpent de bronze fut élevé par Moïse dans le désert, ainsi faut-il que le Fils de l’Homme soit élevé,       14Tahaka ny nanandratan’iizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
      15afin que tout homme qui croit obtienne par lui la vie éternelle.       15mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
–     16Dieu a tant aimé le monde qu’il a donné son Fils unique : ainsi, tout homme qui croit en lui ne périra pas, mais il obtiendra la vie éternelle.       16Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao : nomeny ny Zanaka tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
      17Car Dieu a envoyé son Fils dans le monde, non pas pour juger le monde, mais pour que, par lui, le monde soit sauvé.       17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.
      18Celui qui croit en lui échappe au jugement , celui qui ne veut pas croire est déjà jugé, parce qu’il n’a pas cru au nom du Fils unique de Dieu.       18Izay mino Azy dia tsy tsaraina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
      19Et le jugement, le voici : quand la lumière est venue dans le monde, les hommes ont préféré les ténèbres à la lumière, parce que leurs œuvres étaient mauvaises.       19Ary izao no fitsarana : tonga amin’izao tontolo izao fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany.
      20En effet, tout homme qui fait le mal déteste la lumière : il ne vient pas à la lumière, de peur que ses œuvres ne lui soient reprochées ;       Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany ;
      21mais celui qui agit selon la vérité vient à la lumière, afin que ses œuvres soient reconnues comme des œuvres de Dieu. »       21fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra. »

Jean Baptiste : qu’il croisse et que je diminue… (Jn 3, 22-36)

Joany Batista : « Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena (Jn 3, 22-36)

22Après cela, Jésus vint avec ses disciples au pays de Judée et il y séjourna avec eux, et il baptisait. 22I Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona.
23Jean aussi baptisait, à Aenon, près de Salim, car les eaux y abondaient, et les gens se présentaient et se faisaient baptiser. 23I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy;
24Jean, en effet, n’avait pas encore été jeté en prison. 24fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany.
25Il s’éleva alors une discussion entre les disciples de Jean et un Juif à propos de la purification ; 25Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadioavana ny mpianatr’i Joany,
26ils vinrent trouver Jean et lui dirent :

–     « Rabbi, celui qui était avec toi de l’autre côté du Jourdain, celui à qui tu as rendu témoignage, le voilà qui baptise et tous viennent à lui ! »

26ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe :

–     « Raby, ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra. »

27Jean répondit :

–     « Un homme ne peut rien recevoir si cela ne lui a été donné du ciel.

27Dia namaly i Joany ka nanao hoe :

–     « Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.

      28Vous-mêmes, vous m’êtes témoin que j’ai dit : ‘Je ne suis pas le Christ, mais je suis envoyé devant lui’.       28Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe : ‘Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy.’
      29Qui a l’épouse est l’époux ; mais l’ami de l’époux qui se tient là et qui l’entend, est ravi de joie à la voix de l’époux. Telle est ma joie, et elle est complète.       29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra, fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra ; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko.
      30Il faut que lui grandisse et que moi je décroisse.       30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
      31Celui qui vient d’en-haut est au-dessus de tout. Celui qui est de la terre est terrestre et il parle de façon terrestre. Celui qui vient du ciel       31Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra ; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny ety an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra ;
      32rend témoignage de ce qu’il a vu et entendu, et personne n’accepte son témoignage.       32ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambarany.
      33Mais celui qui accepte son témoignage certifie par là que Dieu dit la vérité.       33Izay nandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
      34En effet, celui que Dieu a envoyé dit les paroles de Dieu, car Dieu lui donne l’Esprit sans compter.       34Satria, izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
      35Le Père aime le Fils et à tout remis dans sa main.       35Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.
      36Celui qui croit au Fils a la vie éternelle ; celui qui refuse de croire en lui ne verra pas la vie, mais la colère de Dieu demeure sur lui.       Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana fa itoeran’ ny hatezeran’Andriamanitra.

Jean chapitre 4

Joany toko faha-4

La samaritaine (Jn 4, 1-42)

Ny samaritanina (Jn 4, 1-42)

1Quand Jésus apprit que les Pharisiens avaient entendu dire qu’il faisait plus de disciples et en baptisait plus que Jean, 1Nony fantatry ny Tompo fa ren’ny farisianina hoe maro-maro kokoa ny mpianatr’i Jesoa sy ny olona ataony batemy noho ny an’i joany
2à vrai dire, Jésus lui-même ne baptisait pas, mais ses disciples, 2na dia tsy Izy aza fa ny mpianany no nanao batemy ny olona, –
3il quitta la Judée et regagna la Galilée. 3dia niala tany Jodea Izy ka nankany Galilea indray.
4Or il lui fallait traverser la Samarie. 4Ary tsy maintsy hamaky an’i Samaria Izy.
5C’est ainsi qu’il parvint dans une ville de Samarie appelée Sychar, non loin de la terre donnée par Jacob à son fils Joseph, 5I Jesoa tonga tany amin’ny tanànan’i Samaria anankiray atao hoe Sikara akaikin’ny saha nomen’i Jakôba an’i Jôsefa zanany ;
6là même où se trouve le puits de Jacob. Fatigué du chemin, Jésus était assis tout simplement au bord du puits. C’était environ la sixième heure. 6teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny ora fahenina.
7Arrive une femme de Samarie pour puiser de l’eau. Jésus lui dit :

–     « Donne-moi à boire. »

7Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy i Jesoa taminy :

–     « Mba omeo kely Aho hosotroiko ! »

8Ses disciples, en effet, étaient allés à la ville pour acheter de quoi manger. 8fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany.
9Mais cette femme, cette Samaritaine, lui dit :

–     « Comment ? Toi, un Juif, tu me demandes à boire à moi, une femme samaritaine ! »

Les Juifs, en effet, ne veulent rien avoir de commun avec les Samaritains.

9Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy :

–     « Nahoana Ianao no Jody ka mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritanina ? »

Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina.

10Jésus lui répondit :

–     « Si tu connaissais le don de Dieu et qui est celui qui te dit : ‘Donne-moi à boire’, c’est toi qui aurais demandé et il t’aurait donné de l’eau vive. »

10Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Raha fantatrao manko ny fanomezan’Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe : ‘mba omeo kely Aho hosotroiko’, dia ianao indray aza no ho nangataka taminy, ka homeny rano velona ».

11La femme lui dit :

–     « Seigneur, tu n’as pas même un seau et le puits est profond ; d’où la tiens-tu donc, cette eau vive ?

11Hoy ravehivavy taminy :

–     « Ianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina : ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany ?

      12Serais-tu plus grand, toi, que notre père Jacob qui nous a donné le puits et qui, lui-même, y a bu ainsi que ses fils et ses bêtes ? »       12Ianao angaha lehibe noho i Jakôba razantsika, izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto na ny tenany, na ny zanany mbamin’ny bibiny ? »
13Jésus lui répondit :

–     « Quiconque boit de cette eau-ci aura encore soif ;

13Dia hoy i Jesoa namaly azy :

–     « Izay rehetra misotro amin’ity rano ity mbola hangetaheta ihany ;

      14mais celui qui boira de l’eau que je lui donnerai n’aura plus jamais soif ; au contraire, l’eau que je lui donnerai deviendra en lui une source jaillissant en vie éternelle. »       14fa izay hisotro amin’ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay, satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay ».
15La femme lui dit :

–     « Seigneur, donne-moi cette eau pour que je n’aie plus soif et que je n’aie plus à venir puiser ici. »

15Ka hoy ravehivavy taminy :

–     « Omeo amin’izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa. »

16Jésus lui dit :

–     « Va, appelle ton mari et reviens ici. »

16Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa aty ».

17La femme lui répondit :

–     « Je n’ai pas de mari. »

17Ary hoy ravehivavy :

–     « Tsy manam-bady aho »

18Jésus lui dit :

–     « Tu dis bien : Je n’ai pas de mari ; tu en as eu cinq et l’homme que tu as maintenant n’est pas ton mari. En cela tu as dit vrai. »

18Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Marina ny filazanao hoe : ‘tsy manam-bady aho’, fa efa nanambady indimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, ka marina ny voalazanao. »

–     « 19Seigneur, lui dit la femme, je vois que tu es un prophète. 19Dia hoy ravehivavy taminy :]

–     « Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao.

      20Nos pères ont adoré sur cette montagne et vous, vous affirmez qu’à Jérusalem se trouve le lieu où il faut adorer. »       20Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana ».
21Jésus lui dit :

–     « Crois-moi, femme, l’heure vient où ce n’est ni sur cette montagne ni à Jérusalem que vous adorerez le Père.

21Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Ravehivavy, minoa Ahy fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray.

      22Vous adorez ce que vous ne connaissez pas ; nous adorons ce que nous connaissons, car le salut vient des Juifs.       22Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena.
      23Mais l’heure vient, elle est là, où les vrais adorateurs adoreront le Père en esprit et en vérité ; tels sont, en effet, les adorateurs que cherche le Père.       23Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray.
      24Dieu est esprit et c’est pourquoi ceux qui l’adorent doivent adorer en esprit et en vérité. »       24Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana. »
25La femme lui dit :

–     « Je sais qu’un Messie doit venir-celui qu’on appelle Christ. Lorsqu’il viendra, il nous annoncera toutes choses. »

25Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe :

–     « Fantatro fa ho avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy) ; fa rehefa tonga Izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra. »

26Jésus lui dit :

–     « Je le suis, moi qui te parle. »

26Hoy i Jesoa taminy :

–     « Izaho izay miresaka aminao izao no Izy ».

27Sur quoi les disciples arrivèrent. Ils s’étonnaient que Jésus parlât avec une femme ; cependant personne ne lui dit « Que cherches-tu ? » ou Pourquoi lui parles-tu ? 27Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany ; nefa tsy nisy nanao hoe : « Inona no tadiavanao ? », na : « Ahoana no iresahanao aminy ? »
28La femme alors, abandonnant sa cruche, s’en fut à la ville et dit aux gens : 28Ravehivavy kosa tamin’izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin’ny olona hoe :
–     « 29Venez donc voir un homme qui m’a dit tout ce que j’ai fait. Ne serait-il pas le Christ ? » –     « 29Andeha ianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra ; ka izao angaha no Kristy ? »
30Ils sortirent de la ville et allèrent vers lui. 30Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an’i Jesoa.
31Entre-temps, les disciples le pressaient :

–     « Rabbi, mange donc. »

31Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa Azy ny mpianany nanao hoe :

–     « Hano, Raby ô ».

32Mais il leur dit :

–     « J’ai à manger une nourriture que vous ne connaissez pas. »

32Fa hoy Izy taminy :

–     « Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo ».

33Sur quoi les disciples se dirent entre eux :

–     « Quelqu’un lui aurait-il donné à manger ? »

33Dia nifampilaza ny mpianany hoe :

–     « Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha ? »

34Jésus leur dit :

–     « Ma nourriture, c’est de faire la volonté de celui qui m’a envoyé et d’accomplir son œuvre.

34Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo :

–     « Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy, sy ny manatanteraka ny asany.

      35Ne dites-vous pas vous-mêmes : Encore quatre mois et viendra la moisson ? Mais moi je vous dis : levez les yeux et regardez ; déjà les champs sont blancs pour la moisson !       35Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana ny taom-pijinjana ? Kanefa lazaiko aminareo : Atopazo ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja.
      36Déjà le moissonneur reçoit son salaire et amasse du fruit pour la vie éternelle, si bien que celui qui sème et celui qui moissonne se réjouissent ensemble.       36Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
      37Car en ceci le proverbe est vrai, qui dit : L’un sème, l’autre moissonne.       37Fa amin’ity, marina ilay ohabolana hoe : Hafa no mamafy, hafa no mijinja.
      38Je vous ai envoyés moissonner ce qui ne vous a coûté aucune peine ; d’autres ont peiné et vous avez pénétré dans ce qui leur a coûté tant de peine. »       38Nirahiko hijinja amin’izay tsy niasanareo ianareo ; fa olon-kafa no niasa, ka ianareo no nanohy ny asany. »
39Beaucoup de Samaritains de cette ville avaient cru en lui à cause de la parole de la femme qui attestait :

–     « Il m’a dit tout ce que j’ai fait. »

39Maro ny Samaritanina tamin’izany tanàna izany no nino Azy, [noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe :

–     « Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra ».

40Aussi, lorsqu’ils furent arrivés près de lui, les Samaritains le prièrent de demeurer parmi eux. Et il y demeura deux jours. 40Fa nony tonga teo aminy ny Samaritanina, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro Izy.
41Bien plus nombreux encore furent ceux qui crurent à cause de sa parole à lui ; 41Ka vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony,
42et ils disaient à la femme :

–     « Ce n’est plus seulement à cause de tes dires que nous croyons ; nous l’avons entendu nous-mêmes et nous savons qu’il est vraiment le Sauveur du monde. »

42sy nanao tamin-dravehivavy hoe :

–     « Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy ny olona. »

Jésus en Galilée (Jn 4, 43-45)

I Jesoa tany Galilea (Jn 4, 43-45)

43Après ces deux jours, Jésus partit de là, pour se rendre en Galilée ; 43Nony afaka ny indroa andro, dia niala tao amin’ny Samaritanina i Jesoa ka nankany Galilea.
44car il avait déclaré lui-même qu’un prophète n’est pas honoré dans sa propre patrie. 44Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe Azy.
45Lorsqu’il arriva en Galilée, il fut bien reçu des Galiléens, qui avaient vu tout ce qu’il avait fait à Jérusalem pendant la fête; car eux aussi étaient allés à la fête. 45Ary nony tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin’ny fety.

Guérison à Cana du fils d’un fonctionnaire royal (Jn 4, 46-54)

Famantarana faharoa : Fanaitranana ny zanaky ny manamboninahitra (Jn 4, 46-54)

46Il retourna donc à Cana en Galilée, où il avait changé l’eau en vin. Il y avait à Capernaüm un officier du roi, dont le fils était malade. 46Dia nankany Kanà tanànan’i Galilea indray i Jesoa, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnahoma ;
47Ayant appris que Jésus était venu de Judée en Galilée, il alla vers lui, et le pria de descendre et de guérir son fils, qui était près de mourir. 47ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty.
48Jésus lui dit :

–     « Si vous ne voyez des miracles et des prodiges, vous ne croyez point. »

48Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Raha tsy mahita famantarana sy zava-mahagaga ianareo, dia tsy mba mety mino. »

49L’officier du roi lui dit :

–     « Seigneur, descends avant que mon enfant meure. »

49Ka hoy ilay manamboninahitra taminy :

–     « Andeha re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako. »

50Jésus lui dit :

–     « Va, ton fils vit. »

Et cet homme crut à la parole que Jésus lui avait dite, et il s’en alla.

50Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Modia, fa velona ny zanakao ».

Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody.

51Comme déjà il descendait, ses serviteurs venant à sa rencontre, lui apportèrent cette nouvelle :

–     « Ton enfant vit. »

51Nony nandeha izy, dia notsenain’ny ankiziny, ka nilazany hoe :

–     « Velona ny zanakao ! »

52Il leur demanda à quelle heure il s’était trouvé mieux ; et ils lui dirent :

–     « Hier, à la septième heure, la fièvre l’a quitté. »

52Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy :

–     « Omaly tamin’ny iray tolakandro no nialan’ny tazo taminy. »

53Le père reconnut que c’était à cette heure-là que Jésus lui avait dit : Ton fils vit. Et il crut, lui et toute sa maison. 53Dia fantatry ny rainy fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe : ‘Velona ny zanakao » ; ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra.
54Jésus fit encore ce second miracle lorsqu’il fut venu de Judée en Galilée. 54Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesoa, dia fony Izy tonga tao Galilea avy tany Jodea.

Jean chapitre 5

Joany toko faha-5

Guérison d’un infirme à la piscine de Bethseda (Jn 5, 1-18)

Ny nanasitranana malemy takaikin’ny dobon’i Betsedà (Jn 5, 1-18)

1Après cela et à l’occasion d’une fête juive, Jésus monta à Jérusalem. 1Taorian’izany, nisy andro fety tamin’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
2Or il existe à Jérusalem, près de la porte des Brebis, une piscine qui s’appelle en hébreu Bethzatha. Elle possède cinq portiques, 2Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betsedà amin’ny teny hebrio, izay misy tranoheva dimy.
3sous lesquels gisaient une foule de malades, aveugles, boiteux, impotents. (qui attendaient l’agitation de l’eau, 3Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan’ny rano.
4car à certains moments l’ange du Seigneur descendait dans la piscine; l’eau s’agitait et le premier qui y entrait après que l’eau avait bouillonné était guéri quelle que fût sa maladie.) 4Fa nidina tao anatin’ny dobo ny Anjelin’Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin’ny dobo rahefa nihetsiketsika ny rany, dia sitrana, na inona na inona aretiny.
5Il y avait là un homme infirme depuis trente-huit ans. 5Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin’ny valo ambin’ny telopolo taona teo.
6Jésus le vit couché et, apprenant qu’il était dans cet état depuis longtemps déjà, lui dit :

–     « Veux-tu guérir ? »

6Nony nahita azy nivalandotra teo i Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy Izy taminy :

–     « Te ho sitrana ve ianao ? »

7L’infirme lui répondit :

–     « Seigneur, je n’ai personne pour me plonger dans la piscine au moment où l’eau commence à s’agiter ; et, le temps d’y aller, un autre descend avant moi. »

7Ary hoy ny navalin’ny marary :

–     « Tompoko, tsy mba manana olona aho handroboka ahy amin’ny dobo rahefa mihetsiketsika ny rano ; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafidina alohako. »

8Jésus lui dit :

–     « Lève-toi, prends ton grabat et marche. »

8Hoy i Jesoa taminy :

–     « Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana. »

9Et aussitôt l’homme fut guéri; il prit son grabat, il marchait. Or ce jour-là était un jour de sabbat. 9Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy ; ka nentiny ny fandriany, dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin’izay.
10Aussi les Juifs dirent à celui qui venait d’être guéri :

–     « C’est le sabbat, il ne t’est pas permis de porter ton grabat. »

10Ka hoy ny manampahefana jody tamin-dralehilahy vao sitrana :

–     « Sabata ny andro, ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao ianao. »

11Mais il leur répliqua :

–     « Celui qui m’a rendu la santé, c’est lui qui m’a dit : « Prends ton grabat et marche. » »

11Fa hoy ny navaliny azy :

–     « Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe : ‘Ento ny fandrianao ka mandehana.’ »

12Ils l’interrogèrent :

–     « Qui est cet homme qui t’a dit : « Prends ton grabat et marche » ? »

12Dia hoy ireo nanontany azy :

–     « Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe : ‘Ento ny fandrianao ka mandehana izany ?’ »

13Mais celui qui avait été guéri ne savait pas qui c’était, car Jésus s’était éloigné de la foule qui se trouvait en ce lieu. 13Tsy nahalala azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, i Jesoa niala teo.
14Plus tard, Jésus le retrouve dans le temple et lui dit :

–     « Te voilà bien portant : ne pèche plus de peur qu’il ne t’arrive pire encore ! »

14Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-kianjan’ny Tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy :

–     « Indro efa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no manjo anao. »

15L’homme alla raconter aux Juifs que c’était Jésus qui l’avait guéri. 15Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody fa i Jesoa no nahasitrana azy.
16Dès lors, les Juifs s’en prirent à Jésus qui avait fait cela un jour de sabbat. 16Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.
17Mais Jésus leur répondit :

–     « Mon Père, jusqu’à présent, est à œuvre et moi aussi je suis à œuvre. »

17Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. »

18Dès lors, les Juifs n’en cherchaient que davantage à le faire périr, car non seulement il violait le sabbat, mais encore il appelait Dieu son propre Père, se faisant ainsi l’égal de Dieu. 18Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa Rainy Andriamanitra, ka nanao ny Tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.

Discours sur l’œuvre du Fils (Jn 5, 19-47)

Toriteny momba ny asan’ny Zanaka (Jn 5, 19-47)

19Jésus reprit la parole et leur dit :

–     « En vérité, en vérité, je vous le dis, le Fils ne peut rien faire de lui-même, mais seulement ce qu’il voit faire au Père : car ce que fait le Père, le Fils le fait pareillement.

19Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’ny manampahefana Jody :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo : Tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray ; ary izay rehetra ataon’ny Ray dia ataon’ny Zanaka koa.

      20C’est que le Père aime le Fils et lui montre tout ce qu’il fait; il lui montrera des œuvres plus grandes encore, de sorte que vous serez dans l’étonnement.       20Fa tia ny Zanaka ny Ray, ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy, mba ho gaga ianareo.
      21Comme le Père, en effet, relève les morts et les fait vivre, le Fils lui aussi fait vivre qui il veut.       21Fa toy ny ananganan’ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman’ny Zanaka izay tiany hovelomina aina koa.
      22Le Père ne juge personne, il a remis tout jugement au Fils,       22Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra,
      23afin que tous honorent le Fils comme ils honorent le Père. Celui qui n’honore pas le Fils, n’honore pas non plus le Père qui l’a envoyé.       23mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajàny ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.
      24En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui écoute ma parole et croit en Celui qui m’a envoyé, a la vie éternelle; il ne vient pas en jugement, mais il est passé de la mort à la vie.       Lazaiko marina dia marina aminareo : Izay mihaino ny teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.
      25En vérité, en vérité, je vous le dis, l’heure vient-et maintenant elle est là-où les morts entendront la voix du Fils de Dieu et ceux qui l’auront entendue vivront.       25Lazaiko marina dia marina aminareo : efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona.
      26Car, comme le Père possède la vie en lui-même, ainsi a-t-il donné au Fils de posséder la vie en lui-même ;       26Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany fahefana ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa.
      27il lui a donné le pouvoir d’exercer le jugement parce qu’il est le Fils de l’homme.       27Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona.
      28Que tout ceci ne vous étonne plus ! L’heure vient où tous ceux qui gisent dans les tombeaux entendront sa voix,       28Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any ampasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra,
      29et ceux qui auront fait le bien en sortiront pour la résurrection qui mène à la vie; ceux qui auront pratiqué le mal, pour la résurrection qui mène au jugement.       29dia hivoaka ireo : ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana.
      30Moi, je ne puis rien faire de moi-même : je juge selon ce que j’entends et mon jugement est juste parce que je ne cherche pas ma propre volonté, mais la volonté de celui qui m’a envoyé.       30Raha Izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona ; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsaràko, satria tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy.
      31Si je me rendais témoignage à moi-même, mon témoignage ne serait pas recevable ;       31Raha izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambarako ;
      32c’est un autre qui me rend témoignage, et je sais que le témoignage qu’il me rend est conforme à la vérité.       32fa misy hafa izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarany Ahy.
      33Vous avez envoyé une délégation auprès de Jean, et il a rendu témoignage à la vérité.       33Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy.
      34Pour moi, ce n’est pas que j’aie à recevoir le témoignage d’un homme, mais je parle ainsi afin que vous soyez sauvés.       34Tsy dia ny fanambarana avy amin’ olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
      35Jean fut la lampe qu’on allume et qui brille : et vous avez bien voulu vous réjouir pour un moment à sa lumière.       35I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
      36Or je possède un témoignage qui est plus grand que celui de Jean : ce sont les œuvres que le Père m’a données à accomplir ; je les fais et ce sont elles qui portent à mon sujet témoignage que le Père m’a envoyé.       36Fa manana fanambarana manoatra an’i Joany Aho, satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray Aho.
      37Le Père qui m’a envoyé a lui-même porté témoignage à mon sujet. Mais jamais vous n’avez ni écouté sa voix ni vu ce qui le manifestait,       37Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny,
      38et sa parole ne demeure pas en vous, puisque vous ne croyez pas à celui qu’il a envoyé.       38sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino ilay nirahiny.
      39Vous scrutez les Ecritures parce que vous pensez acquérir par elles la vie éternelle : ce sont elles qui rendent témoignage à mon sujet.       39Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy ;
      40Et vous ne voulez pas venir à moi pour avoir la vie éternelle.       40nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana.
      41La gloire, je ne la tiens pas des hommes.       41Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona ;
      42Mais je vous connais, vous n’avez pas en vous l’amour de Dieu.       42fa fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo.
      43Je suis venu au nom de mon Père, et vous refusez de me recevoir. Qu’un autre vienne en son propre nom, celui-là vous le recevrez !       43Avy Aho amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy noraisinareo ; raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy !
      44Comment pourriez-vous croire, vous qui tenez votre gloire les uns des autres et qui ne cherchez pas la gloire qui vient de Dieu seul ?       44Hataonareo ahoana kosa moa no fino ? Koa aminareo samy ianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona !
      45Ne pensez pas que ce soit moi qui vous accuserai devant le Père : votre accusateur, c’est Moïse en qui vous avez mis vos espoirs.       45Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray ; ao no hiampanga anareo, dia iizy, izay itokianareo.
      46En effet, si vous croyiez en Moïse, vous croiriez en moi, car c’est à mon sujet qu’il a écrit.       46Fa raha mba nino an’iizy ianareo, dia hino Ahy koa ; satria nanoratra nanambara Ahy izy.
      47Si vous ne croyez pas ce qu’il a écrit, comment croiriez-vous ce que je dis ?       47Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko ? »

Jean chapitre 6

Joany toko faha-6

Multiplication des pains (Jn 6, 1-15)

Ny nampitomboan’ny mofo (Jn 6, 1-15)

1Jésus était passé de l’autre côté du lac de Tibériade (Jn appelé aussi Mer de Galilée). 1I Jesoa dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady,
2Une grande foule le suivait, parce qu’elle avait vu les signes qu’il accomplissait en guérissant les malades. 2ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary.
3Jésus gagna la montagne, et là, il s’assit avec ses disciples. 3Dia niakatra tany an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany.
4C’était un peu avant la Pâque, qui est la grande fête des Juifs. 4Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody.
5Jésus leva les yeux et vit qu’une foule nombreuse venait à lui. Il dit à Philippe :

–     « Où pourrions-nous acheter du pain pour qu’ils aient à manger ? »

5Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo

–     « Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo ? »

6Il disait cela pour le mettre à l’épreuve, car lui-même savait bien ce qu’il allait faire. 6Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany.
7Philippe lui répondit :

–     « Le salaire de deux cents journées ne suffirait pas pour que chacun ait un petit morceau de pain. »

7Dia hoy i Filipo taminy :

–     « Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory. »

8Un de ses disciples, André, le frère de Simon-Pierre, lui dit : 9Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i André, rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe :
–     « 9Il y a là un jeune garçon qui a cinq pains d’orge et deux poissons, mais qu’est-ce que cela pour tant de monde ! » –     « Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao : fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao ? »
10Jésus dit :

–     « Faites-les asseoir. »

Il y avait beaucoup d’herbe à cet endroit. Ils s’assirent donc, au nombre d’environ cinq mille hommes.

10Dia hoy i Jesoa :

–     « Asaovy mipetraka ny olona. »

Ary nisy ahitra be teo, ka nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy.

11Alors Jésus prit les pains, et, après avoir rendu grâce, les leur distribua ; il leur donna aussi du poisson, autant qu’ils en voulaient. 11Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaraniny fo.
12Quand ils eurent mangé à leur faim, il dit à ses disciples :

–     « Rassemblez les morceaux qui restent, pour que rien ne soit perdu ».

12Rahefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany :

–     « Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very. »

13Ils les ramassèrent, et ils remplirent douze paniers avec les morceaux qui restaient des cinq pains d’orge avant le repas. 13Dia nangoniny ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana.
14A la vue du signe que Jésus avait accompli, les gens disaient :

–     « C’est vraiment lui le grand Prophète, celui qui vient dans le monde. »

14Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe :

–     « Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao. »

15Mais Jésus savait qu’ils étaient sur le point de venir le prendre de force et de faire de lui leur roi ; alors de nouveau il se retira, tout seul dans la montagne. 15Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

Jésus vient à la rencontre des disciples sur la mer (Jn 6, 16-21)

I Jesoa nitety farihy manatona ny mpianany (Jn 6, 16-21)

16Le soir venu, les disciples de Jésus descendirent au bord du lac. 16Nony hariva ny andro, dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa.
17Ils s’embarquèrent pour gagner Capharnaüm, sur l’autre rive. Déjà, il faisait nuit, et Jésus ne les avait pas encore rejoints. 17ka niondrana tamin’ny sambo kely ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaoma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa,
18Un grand vent se mit à souffler, et le lac devint houleux. 18ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra.
19Les disciples avaient ramé pendant cinq mille mètres environ, lorsqu’ils virent Jésus qui marchait sur la mer et se rapprochait de la barque. Alors ils furent pris de peur, 19Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely ka natahotra.
20Mais Jésus leur dit :

–     « C’est moi, ne craignez pas ! »

20Fa hoy Izy taminy :

–     « Izaho ihany fa aza matahotra. »

21Ils voulurent le prendre dans la barque, mais aussitôt la barque toucha terre au lieu où ils allaient. 21Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

Discours du pain de vie (Jn 6, 22-71)

Toriteny tamin’ny mofon’aina (Jn 6, 22-71)

22Le lendemain, la foule restée sur l’autre rive du lac se rendit compte qu’il n’y avait eu là qu’une seule barque, et que Jésus n’y était pas monté avec ses disciples, qui étaient partis sans lui. 22Dia tsaroan’ny vahoaka nijanona teny an-dafin’ny ranomasina fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray no teo, ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha ;
23Cependant, d’autres barques, venant de Tibériade, étaient arrivées près de l’endroit où l’on avait mangé le pain après que le Seigneur eut rendu grâce. 23nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra Izy.
24Lorsqu’enfin la foule se rendit compte que Jésus n’était pas, ni ses disciples non plus, elle prit les barques et se dirigea vers Capharnaüm à la recherche de Jésus. 24Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaoma hitady an’i Jesoa.
25L’ayant trouvé sur l’autre rive, les gens lui dirent :

–     « Rabbi, quand es-tu arrivé ici ? »

25Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe :

–     « Raby, oviana no tonga teo Ianao ? »

26Jésus leur répondit :

–     « Amen, amen, je vous le dis : vous me cherchez, non parce que vous avez vu des signes, mais parce que vous avez mangé du pain et que vous avez été rassasiés.

26Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo : Ianareo no mitady Ahy, dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.

      27Ne travaillez pas pour la nourriture qui se perd, mais pour la nourriture qui se garde jusque dans la vie éternelle, celle que vous donnera le Fils de l’Homme, lui que Dieu, le Père, a marqué de son empreinte. »       27Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo ; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase. »
28Ils lui dirent alors :

–     « Que faut-il faire pour travailler aux œuvres de Dieu ? »

28Ary hoy izy ireo taminy :

–     « Inona ary no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra ? »

29Jésus leur répondit :

–     « L’œuvre de Dieu, c’est que vous croyiez en celui qu’il a envoyé. »

29Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe :

–     « Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny. »

30La foule dit à Jésus :

–     « Quel signe vas-tu accomplir pour que nous puissions le voir, et te croire ? Quelle œuvre vas-tu faire ?

30Hoy ny vahoaka tao Kafarnaoma tamin’i Jesoa :

–     « Inona ary no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao ? Inona no asa ataonao?

      31Au désert, nos pères ont mangé la manne ; comme dit l’Ecriture : ‘Il leur a donné à manger le pain venu du ciel’. »       31Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe : ‘Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny’. »
32Jésus leur dit :

–     « Amen, amen, je vous le dis : ce n’est pas Moïse qui vous a donné le pain venu du ciel ; c’est mon Père qui vous donne le vrai pain venu du ciel.

32Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy iizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa ;

      33Le pain de Dieu, c’est celui qui descend du ciel et qui donne la vie au monde. »       33satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra. »
34Ils lui dirent alors :

–     « Seigneur, donne-nous toujours de ce pain-là. »

34Ary hoy izy ireo taminy :

–     « Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. »

35Jésus leur répondit :

–     « Moi, je suis le pain de la vie. Celui qui vient à moi n’aura plus jamais faim ; celui qui croit en moi n’aura plus jamais soif. »

35Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.

      36Mais je vous l’ai dit : vous avez vu, et pourtant vous ne croyez pas.       36Fa efa voalazako taminareo, fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino.
      37Tous ceux que le Père me donne viendront à moi ; et celui qui vient à moi, je ne vais pas le jeter dehors.       37Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,
      38Car je ne suis pas descendu pour faire ma volonté, mais pour faire la volonté de celui qui m’a envoyé.       38Satria Izaho no nidina avy an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.
      39Or la volonté de Celui qui m’a envoyé, c’est que je ne perde aucun de ceux qu’il m’a donnés,       39Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro.
      40car la volonté de mon Père, c’est que tout homme qui voit le Fils et croit en lui obtienne la vie éternelle ; et moi, je le ressusciterai au dernier jour.       40Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
      41Dès lors, les Juifs se mirent à murmurer à son sujet parce qu’il avait dit : ‘Je suis le pain qui descend du ciel.’ 41Dia nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody noho Izy nanao hoe : ‘Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra.’
42Et ils ajoutaient :

–     « N’est-ce pas Jésus, le fils de Joseph ? Ne connaissons-nous pas son père et sa mère ? Comment peut-il déclarer maintenant : Je suis descendu du ciel ? »

42Hoy izy ireo :

–     « Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa ve ity ? Fantatsika ny rainy aman-dreniny, ka ahoana ary no anaovany hoe : ‘nidina avy any an-danitra aho ?’ »

43Jésus reprit la parole et leur dit :

–     « Cessez de murmurer entre vous !

43Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Aza mimonomonona ianareo.

      44Personne ne peut venir à moi, si le Père qui m’a envoyé ne l’attire vers moi, et moi, je le ressusciterai au dernier jour.       44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy tamin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary izaho hanangana azy amin’ny farandro.
      45Il est écrit dans les prophètes : ‘Ils seront instruits par Dieu lui-même. Tout homme qui écoute les enseignements du Père vient à moi.       45Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe : Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.
      46Certes, personne n’a jamais vu le Père, sinon celui qui vient de Dieu : celui-là seul a vu le Père.       46Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory : fa ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
      47Amen, amen, je vous le dis : celui qui croit en moi a la vie éternelle.       47Lazaiko marina dia marina aminareo : Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
      48Moi, je suis le pain de la vie.       48Izaho no mofon’aina.
      49Au désert, vos pères ont mangé la manne, et ils sont morts.       49Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany ;
      50Mais ce pain-là, qui descend du ciel, celui qui en mange ne mourra pas.       50Tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy.
      51Je suis le pain vivant, qui est descendu du ciel : si quelqu’un mange de ce pain, il vivra éternellement. Le pain que je donnerai, c’est ma chair, donnée pour que le monde ait la vie. »       51Izaho no mofo velona, izay nidina avy any an-danitra : raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao. »
52Les Juifs discutaient entre eux :

–     « Comment cet homme peut-il nous donner sa chair à manger ? »

52Nifanditra ny Jody nanao hoe :

–     « Hataon’Ilay io ahoana ary no fanome – antsika ny Nofony hohanina ? »

53Jésus leur dit :

–     « Amen, amen, je vous le dis : si vous ne mangez pas la chair du Fils de l’Homme, et si vous ne buvez pas son sang, vous n’aurez pas la vie en vous.

53Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.

      54Celui qui mange ma chair et boit mon sang a la vie éternelle ; et moi, je le ressusciterai au dernier jour.       54Izay mihinana ny Nofoko, sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
      55En effet, ma chair est la vraie nourriture et mon sang est la vraie boisson.       55Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
      56Celui qui mange ma chair et boit mon sang demeure en moi, et moi je demeure en lui.       56Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.
      57De même que le Père, qui est vivant, m’a envoyé, et que moi je vis par le Père, de même aussi celui qui me mangera vivra par moi.       57Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray ; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
      58Tel est le pain qui descend du ciel : il n’est pas comme celui que vos pères ont mangé. Eux, ils sont morts ; celui qui mange ce pain vivra éternellement. »       58Izany ary no mofo nidina avy any an-danitra : tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana efa maty ihany ; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay. »
59Voilà ce que Jésus a dit, dans son enseignement à la synagogue de Cafarnaüm. 59Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.
60Beaucoup de ses disciples, qui l’avaient entendu, s’écrièrent :

–     « Ce qu’il dit là est intolérable, on ne peut pas continuer à l’écouter ! »

60Betsaka tamin’ny mpianany, nony nandre izany, no nanao hoe :

–     « Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany ? »

61Jésus connaissait par lui-même ces récriminations des disciples. Il leur dit :

–     « Cela vous heurte ?

61Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony, fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy :

–     « Manafintohina anareo va izany ?

      62Et quand vous verrez le Fils de l’Homme monter là où il était auparavant ?       62Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.
      63C’est l’Esprit qui fait vivre, la chair n’est capable de rien. Les paroles que je vous ai dites sont esprit et elles sont vie.       63Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory ; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.
      64Mais il y en a parmi vous qui ne croient pas. »

Jésus savait en effet depuis le commencement qui étaient ceux qui ne croyaient pas, et celui qui le livrerait.

      64Nefa misy tsy mino aminareo. »

Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy,

65Il ajouta :

–     « Voilà pourquoi je vous ai dit que personne ne peut venir à moi si cela ne lui est pas donné par le Père. »

65ary hoy Izy :

–     « Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany. »

66A partir de ce moment-là, beaucoup de ses disciples s’en allèrent et cessèrent de marcher avec lui. 66Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy instony.
67Alors Jésus dit aux Douze :

–     « Voulez-vous partir, vous aussi ? »

67Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy :

–     « Ianareo koa va mba te-hiala ? »

68Simon-Pierre lui répondit :

–     « Seigneur, vers qui pourrions-nous aller ? Tu as les paroles de la vie éternelle.

68Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe :

–     « Tompo ô, hankany amin’iza ary izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay ;

      69Quant à nous, nous croyons et nous savons que tu es le Saint, le Saint de Dieu. »       69ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra. »
70Jésus leur répondit :

–     « N’est-ce pas moi qui vous ai choisis, vous les Douze ? et cependant l’un de vous est un diable ! »

70I Jesoa namaly azy ireo hoe :

–     « Moa tsy Izaho no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy ? Nefa demony ny iray aminareo. »

71Il désignait ainsi Judas, fils de Simon l’Iscariote ; car c’était lui qui allait le livrer, lui, l’un des Douze.” 71Ny nolazainy dia i Jodasy zanak’i Simôna Iskariôta ; satria izy io, na dia anisan’ny roa ambin’ny folo lahy aza, no ilay efa hanolotra an’i Jesoa.

Jean chapitre 7

Joany toko faha-7

Montée de Jésus à Jérusalem pour la fête des Tentes (Jn 7, 1-13)

Fiakaran’i Jesoa ho any Jerosalema mba hankalaza ny fetin’ny trano lay (Jn 7, 1-13)

1Dans la suite, Jésus continua à parcourir la Galilée; il préférait en effet ne point parcourir la Judée où les Juifs cherchaient à le faire périr. 1Taorian’izany dia nitety an’i Galilea i Jesoa fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody.
2Cependant la fête juive des Tentes était proche. 2Nony efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay,
3Ses frères lui dirent :

–     « Passe d’ici en Judée afin que tes disciples, eux aussi, puissent voir les œuvres que tu fais.

3dia hoy ny rahalahiny taminy :

–     « Mialà eto Ianao ka mankanesa any Jodea, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa ataonao ;

      4On n’agit pas en cachette quand on veut s’affirmer. Puisque tu accomplis de telles œuvres, manifeste-toi au monde ! »       4fa tsy misy mitady ny tenany ho fantatr’olona ka manao zavatra amin’ny takona. Raha manao izany zavatra izany Ianao dia misehoa amin’izao tontolo izao. »
5En effet, ses frères eux-mêmes ne croyaient pas en lui. 5Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
6Jésus leur dit alors :

–     « Mon temps n’est pas encore venu ; votre temps à vous est toujours favorable.

6Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Tsy mbola tonga ny fotoako, fa ny fotoanareo no eo mandrakariva.

      7Le monde ne peut pas vous haïr, tandis que moi, il me hait parce que je témoigne que ses œuvres sont mauvaises.       7Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany, noho Izaho milaza fa ratsy ny asany.
      8Montez donc à cette fête. Pour ma part, je n’y monterai pas, car mon temps n’est pas encore accompli. »       8Mandehana miakatra mamonjy ny fety ianareo ; fa izaho tsy mbola miakatra mamonjy izany, satria tsy mbola tonga ny fotoako.
9Après avoir ainsi parlé, il demeura en Galilée. 9Rahefa nilaza izany Izy, dia nijanona tao Galilea.
10Mais lorsque ses frères furent partis pour la fête, il se mit en route, lui aussi, sans se faire voir et presque secrètement. 10Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.
11Au cours de la fête, les Juifs le cherchaient et on disait

–     « Où est-il donc ? »

11Koa nitady an’i Jesoa ny manampahefana Jody tamin’ny andro fety nanao hoe :

–     « Aiza Izy ? »

12Dans la foule, on discutait beaucoup à son propos ; les uns disaient :

–     « C’est un homme de bien »

d’autres :

–     « Au contraire, il séduit la foule. »

12Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka ; ny sasany nanao hoe :

–     « Tsara fanahy Izy »

ny sasany kosa nanao hoe :

–     « Tsia, fa manoloky ny vahoaka Izy. »

13Toutefois, personne n’osait parler ouvertement de lui, par crainte des Juifs. 13Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy ampahibemaso noho ny fahatahorany ny manampahefana Jody.

Jésus enseigne dans le Temple (Jn 7, 14-24)

Mampianatra ao anatin’ny Tempoly i Jesoa (Jn 7, 14-24)

14Alors qu’on était déjà au milieu de la fête, Jésus monta au Temple et il se mit à enseigner. 14Nony mby teo an-tenatenan’ny fety, niakatra tao an-kianjon’ny Tempoly i Jesoa, ka nampianatra.
15Les Juifs en étaient surpris et ils disaient :

–     « Comment est-il si savant, lui qui n’a pas étudié ? »

15Dia gaga ny manampahefana Jody ka nanao hoe :

–     « Ahoana re no ahaizany taratasy nefa tsy nianatra Izy tsinona ? »

16Jésus leur répondit :

–     « Mon enseignement ne vient pas de moi, mais de Celui qui m’a envoyé.

16Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Ilay naniraka Ahy.

      17Si quelqu’un veut faire la volonté de Dieu, il saura si cet enseignement vient de Dieu ou si je parle de moi-même.       17Ka raha misy te hanao ny sitrapon’ Andriamanitra dia hahalala na avy amin’ Andriamanitra ny fampianarako, na miteny ho Ahy Aho.
      18Qui parle de lui-même cherche sa propre gloire; seul celui qui cherche la gloire de celui qui l’a envoyé est véridique et il n’y a pas en lui d’imposture.       18Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany ; fa izay mitady ny voninahitr’ Ilay naniraka azy no marina, ary tsy misy fitaka ao aminy.
      19N’est-ce pas Moïse qui vous a donné la Loi ? Or aucun de vous n’agit selon la Loi : pourquoi cherchez-vous à me faire mourir ?       19Moa tsy nomen’iizy ny Lalàna ve ianareo ? Nefa tsy misy aminareo mahatanteraka ny Lalàna. Nahoana no mitady hahafaty Ahy ianareo ? »
20La foule lui répondit :

–     « Tu es possédé d’un démon ! Qui cherche à te faire mourir ? »

20Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe :

–     « Azon’ny demony Ianao ; iza no mitady hahafaty Anao eo ? »

21Jésus reprit la parole et leur dit :

–     « Je n’ai fait qu’une seule œuvre et tous vous êtes étonnés.

21Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Asa iray no nataoko, dia gaga ianareo rehetra.

      22Moïse vous a donné la circoncision-encore qu’elle vienne des patriarches et non pas de Moïse-et vous la pratiquez le jour du sabbat.       22Nefa ny famorana nomen’iizy anareo (na tsy iizy, fa ny razana no niaviany), dia ataonareo na amin’ny Sabata aza.
      23Si donc un homme reçoit la circoncision un jour de sabbat sans que la loi de Moïse soit violée, pourquoi vous irriter contre moi parce que j’ai guéri complètement un homme un jour de sabbat ?       23Ka raha forana ny olona na dia amin’ny sabata aza mba tsy hofoanana ny Lalànan’iizy, nahoana no dia tezitra amiko ianareo raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin’ny sabata ny tenany manontolo ?
      24Cessez de juger selon l’apparence, mais jugez selon ce qui est juste ! »       24Aza dia mitsara araka ny ivelany, fa mbà mitsara araka ny marina !”

Discussions du peuple sur l’origine du Christ (Jn 7, 25-30)

Firesahan’ny olona momba ny avy taiza i Jesoa (Jn 7, 25-30)

25Des gens de Jérusalem disaient :

–     « N’est-ce pas là celui qu’ils cherchent à faire mourir ?

25Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe :

–     « Moa tsy Izy io Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina ?

      26Le voici qui parle ouvertement et ils ne lui disent rien ! Nos autorités auraient-elles vraiment reconnu qu’il est bien le Christ ?       26Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory ? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no Kristy ?
      27Cependant celui-ci, nous savons d’où il est, tandis que, lorsque viendra le Christ, nul ne saura d’où il est. »       27Ny fiavian’Izy io anefa fantatsika ; fa ny fiavian’i Kristy kosa tsy misy hahalala rahefa tonga Izy. »
28Alors Jésus, qui enseignait dans le Temple, proclama :

–     « Vous me connaissez ! Vous savez d’où je suis ! Et pourtant, je ne suis pas venu de moi-même. Celui qui m’a envoyé est véridique, lui que vous ne connaissez pas.

28Dia niantso ary i Jesoa teo am-pampianarana tao an-kianjan’ny Tempoly ka nanao hoe :

–     « Fantatrareo tokoa ve Aho, ary fantatrareo tokoa ve ny fiaviako ? Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy saingy tsy fantatrareo.

      29Moi, je le connais parce que je viens d’auprès de lui et qu’il m’a envoyé. »       29Izaho no mahalala Azy, satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy. »
30Ils cherchèrent alors à l’arrêter, mais personne ne mit la main sur lui parce que son heure n’était pas encore venue. 30Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, ka nefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Jésus annonce son départ prochain (Jn 7, 31-36)

Nanambara ny handehanany tsy ho ela i Jesoa (Jn 7, 31-36)

31Dans la foule bien des gens crurent en lui, et ils disaient :

–     « Lorsque le Christ viendra, opérera-t-il plus de signes que celui-ci n’en a fait ? »

31Ary maro tamin’ny vahoaka no nino an’i Jesoa ka nanao hoe :

–     « Rahefa tonga i Kristy, moa hanao famantarana betsaka kokoa noho ny ataon’ity lehilahy ity ve ? »

32Ce qui se chuchotait dans la foule à son sujet parvint aux oreilles des Pharisiens ; les grands prêtres et les Pharisiens envoyèrent alors des gardes pour l’arrêter. 32Re ny farisianina ny vahoaka nitakoritsika toy izany ny amin’i Jesoa, ka naniraka miaramila hisambotra Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny farisianina.
33Jésus dit :

–     « Je suis encore avec vous pour un peu de temps et je vais vers Celui qui m’a envoyé.

33Fa hoy i Jesoa hoe :

–     « Kely foana sisa no itoerako aminareo dia hankany amin’Ilay naniraka Ahy Aho.

      34Vous me chercherez et vous ne me trouverez pas ; car là où je suis, vous ne pouvez venir. »       34Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako. »
35Les Juifs dès lors se disaient entre eux :

–     « Où faut-il donc qu’il aille pour que nous ne le trouvions plus ? Va-t-il rejoindre ceux qui sont dispersés parmi les Grecs ? Va-t-il enseigner aux Grecs ?

35Dia nifampilaza hoe ny Jody :

–     « Aiza ary no halehany no tsy ho hitantsika Izy ? Ho any amin’ny Jody miely any amin’ny Grika va re Izy, ka hampianatra ny Grika ?

      36Que signifie cette parole qu’il a dite : « Vous me chercherez et vous ne me trouverez pas », et « là où je suis, vous, vous ne pouvez venir » ? »       Ahoana no hevitr’ity teniny hoe : ‘Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako ? »

La promesse de l’eau vive (Jn 7, 37-39)

Ny fampanantenana ny ranovelona (Jn 7, 37-39)

37Le dernier jour de la fête, qui est aussi le plus solennel, Jésus, debout, se mit à proclamer :

–     « Si quelqu’un a soif, qu’il vienne à moi et que boive

37Tamin’ny andro lehibe famarana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe :

–     « Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

      38celui qui croit en moi. Comme l’a dit l’Écriture : « De son sein couleront des fleuves d’eau vive. » »       38Fa ‘hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao anatin’izay mino Ahy’, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
39Il désignait ainsi l’Esprit que devaient recevoir ceux qui croiraient en lui : en effet, il n’y avait pas encore d’Esprit parce que Jésus n’avait pas encore été glorifié.       39Ny Fanahy horaisin’izay hino Azy no nambarany tamin’izany ; fa tsy mbola nomena ny Fanahy, satria tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny i Jesoa.

Nouvelles discussions sur l’origine du Christ (Jn 7, 40-53)

Adihevitra indray momba ny nipoiran’i Kristy (Jn 7, 40-53)

40Parmi les gens de la foule qui avaient écouté ses paroles, les uns disaient :

–     « Vraiment, voici le Prophète ! »

40Nony nandre ireo teny ireo ny vahoaka, ny sasany nanao hoe :

–     « Ity tokoa no ilay Mpaminany » ;

41D’autres disaient :

–     « Le Christ, c’est lui. »

Mais d’autres encore disaient :

–     « Le Christ pourrait-il venir de la Galilée ?

41ny sasany manao hoe :

–     « Ity no ilay Mesia » ;

fa hoy kosa ny sasany :

–     « Fa angaha avy any Galilea no iavian’ny Mesia ?

      42L’Écriture ne dit-elle pas qu’il sera de la lignée de David et qu’il viendra de Bethléem, la petite cité dont David était originaire ? »       42Tsy voalazan’ny Soratra Masina ve fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida no hiavian’ny Mesia ? »
43C’est ainsi que la foule se divisa à son sujet. 43Koa nisaratsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.
44Quelques-uns d’entre eux voulurent l’arrêter, mais personne ne mit la main sur lui. 44Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy ; saingy tsy nisy sahy nitàna Azy.
45Les gardes revinrent donc vers les grands prêtres et les Pharisiens qui leur dirent :

–     « Pourquoi ne l’avez-vous pas amené ? »

45Dia niverina tany amin’ny lohandoha-mpisorona sy ny farisianina ny miaramila, ka nilazan’ireo hoe :

–     « Ahoana no tsy nitondranareo Azy ? »

46Les gardes répondirent :

–     « Jamais homme n’a parlé comme cet homme. »

46Fa hoy ny navalin’ny miaramila :

–     « Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny. »

47Les Pharisiens leur dirent :

–     « Auriez-vous donc été abusés, vous aussi ?

47Dia hoy ny farisianina tamin’ireo :

–     « Ianareo koa angaha voasolokiny ?

      48Parmi les notables ou parmi les Pharisiens, en est-il un seul qui ait cru en lui ?       48Jereo ange raha mba misy loholona na farisianina iray akory nino Azy ?
      49Il y a tout juste cette masse qui ne connaît pas la Loi, des gens maudits. »       49Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voazona ireny. »
50Mais l’un d’entre les Pharisiens, ce Nicodème qui naguère était allé trouver Jésus, dit : 50Dia i Nikôdema, ilay nanatona an’i Jesoa teo aloha sady anisan’ny farisianina, no nanao taminy hoe :
–     « 51Notre Loi condamnerait-elle un homme sans l’avoir entendu et sans savoir ce qu’il fait ? » –     « 51Moa ny Lalànantsika ve manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony ? »
52Ils répliquèrent :

–     « Serais-tu de Galilée, toi aussi ? Cherche bien et tu verras que de Galilée il ne sort pas de prophète. »

52Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe :

–     « Ianao koa ve avy any Galilea ? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea. »

53Ils s’en allèrent chacun chez soi. 53Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy ireo.

Jean chapitre 8

Joany toko faha-8

La femme adultère (Jn 8, 1-11)

Ilay vehivavy azo nanitsakitsa-bady (Jn 8, 1-11)

1Et Jésus gagna le mont des Oliviers. 1I Jesoa nankany an-tendrombohitra Analanôliva,
2Dès le point du jour, il revint au temple et, comme tout le peuple venait à lui, il s’assit et se mit à enseigner. 2fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy.
3Les scribes et les pharisiens lui amenèrent alors une femme qu’on avait surprise en adultère et ils la placèrent au milieu du groupe. 3Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ; ka narosony teo afovoany.
–     « 4Maître, lui dirent-ils, cette femme a été prise en flagrant délit d’adultère. 4Dia hoy izy tamin’i Jesoa :

–     « Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity.

      5Dans la Loi, Moïse nous a prescrit de lapider ces femmes-là. Et toi, qu’en dis-tu ? »       5Ary iizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao ? »
6Ils parlaient ainsi dans l’intention de lui tendre un piège, pour avoir de quoi l’accuser. Mais Jésus, se baissant, se mit à tracer du doigt des traits sur le sol. 6Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.
7Comme ils continuaient à lui poser des questions, Jésus se redressa et leur dit :

–     « Que celui d’entre vous qui n’a jamais péché lui jette la première pierre. »

7Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe :

–     « Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany ! »

8Et, s’inclinant à nouveau, il se remit à tracer des traits sur le sol. 8Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany.
9Après avoir entendu ces paroles, ils se retirèrent l’un après l’autre, à commencer par les plus âgés, et Jésus resta seul. Comme cette femme était toujours là, au milieu du cercle, 9Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana ; ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoan’ny olona.
10Jésus se redressa et lui dit :

–     « Femme, où sont-ils donc ? Personne ne t’a condamnée ? »

10Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe :

–     « Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo ? Moa tsy nisy nanameloka anao ve ? »

11Elle répondit :

–     « Personne, Seigneur »

Et Jésus lui dit :

–     « Moi non plus, je ne te condamne pas : va, et désormais ne pèche plus. »

–     « 11Tsy nisy, Tompoko »

Hoy izy :

–     « Izaho koa tsy hanameloka anao »

Hoy i Jesoa,

–     « Mandehana, ka aza manota intsony ».

Je suis la lumière du monde (Jn 8, 12)

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao (Jn 8, 12)

12Jésus, à nouveau, leur adressa la parole :

–     « Je suis la lumière du monde. Celui qui vient à ma suite ne marchera pas dans les ténèbres; il aura la lumière qui conduit à la vie. »

12Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe :

–     « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao : izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana. »

Discussion du témoignage de Jésus sur lui-même (Jn 8, 13-20)

Adihevitra momba ny fanambaran’i Jesoa ny amin’ny tenany (Jn 8, 13-20)

13Les Pharisiens lui dirent alors :

–     « Tu te rends témoignage à toi-même ! Ton témoignage n’est pas recevable ! »

13Dia hoy ny farisianina tamin’i Jesoa :

–     « Mijoro ho vavolombelon’ny tenanao Ianao, ka tsy marina ny fanambaranao. »

14Jésus leur répondit :

–     « Il est vrai que je me rends témoignage à moi-même, et pourtant mon témoignage est recevable, parce que je sais d’où je viens et où je vais; tandis que vous, vous ne savez ni d’où je viens ni où je vais.

14Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Na mijoro ho vavolombelon’ny tenako aza Aho, dia marina ny fijoroako ho vavolombelona, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako ;

      15Vous jugez de façon purement humaine. Moi, je ne juge personne ;       15ianareo mitsara araka ny nofo, fa izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza.
      16et s’il m’arrive de juger, mon jugement est conforme à la vérité parce que je ne suis pas seul : il y a aussi Celui qui m’a envoyé.       16Ary raha mitsara Aho, dia marina ni fitsaràko; satria tsy Izaho irery no mitsara, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy ;
      17Dans votre propre Loi il est d’ailleurs écrit que le témoignage de deux hommes est recevable.       17ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaran’ny olona roa.
      18Je me rends témoignage à moi-même, et le Père qui m’a envoyé me rend témoignage lui aussi.       18Izaho dia mijoro ho vavolombelona manambara ny tenako ; ary ny Ray izay naniraka Ahy koa dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy.
19Ils lui dirent alors :

–     « Ton Père, où est-il ? »

Jésus répondit :

–     « Vous ne me connaissez pas et vous ne connaissez pas mon Père ; si vous m’aviez connu, vous auriez aussi connu mon Père. »

19Dia hoy ry zareo taminy :

–     « Aiza ny Rainao ? »

Fa i Jesoa namaly hoe :

–     « Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko ; fa raha mahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa. »

20Il prononça ces paroles au lieu dit du Trésor, alors qu’il enseignait dans le Temple. Personne ne mit la main sur lui, parce que son heure n’était pas encore venue. 20Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao an-kianjan’ny Tempoly Izy ; nefa tsy nisy nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Quand vous aurez élevé le Fils de l’homme… (Jn 8, 21-30)

Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona… (Jn 8, 21-30)

21Jésus leur disait encore :

–     « Je m’en vais ; vous me chercherez, mais vous mourrez dans votre péché. Là où je vais, vous ne pouvez aller. »

21Hoy indray i Jesoa tamin’izy ireo :

–     « Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.

22Les Juifs dirent alors :

–     « Aurait-il l’intention de se tuer puisqu’il dit : Là où je vais vous ne pouvez aller ? »

22Dia hoy ny Jody :

–     « Hamono tena angaha Izy no manao hoe : izay alehako tsy azonareo aleha ? »

23Jésus leur répondit :

–     « Vous êtes d’en bas ; moi, je suis d’en-haut ; vous êtes de ce monde, moi je ne suis pas de ce monde.

23Fa hoy Izy tamin’izy ireo :

–     « Ianareo avy etý an-tany, Izaho avy any an-danitra ; ianareo olon’izao tontolo izao ; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao.

      24C’est pourquoi je vous ai dit que vous mourrez dans vos péchés. Si, en effet, vous ne croyez pas que Je Suis, vous mourrez dans vos péchés. »       24Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo ; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo. »
25Ils dirent alors :

–     « Toi, qui es-tu ? »

Jésus leur répondit :

–     « Ce que je ne cesse de vous dire depuis le commencement.

25Dia hoy ry zareo taminy :

–     « Iza moa Ianao ? »

Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy :

–     « Izay lazaiko aminareo indrindra.

      26En ce qui vous concerne, j’ai beaucoup à dire et à juger ; mais celui qui m’a envoyé est véridique, et ce que j’ai entendu auprès de lui, c’est cela que je déclare au monde. »       26Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho ; fa marina Ilay naniraka Ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao. »
27Ils ne comprirent pas qu’il leur avait parlé du Père. 27Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy.
28Jésus leur dit alors :

–     « Lorsque vous aurez élevé le Fils de l’homme, vous connaîtrez que Je suis et que je ne fais rien de moi-même : je dis ce que le Père m’a enseigné.

28Ka hoy i Jesoa taminy

–     « Rahefa voasandratrareo ny Zanak’ Olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko.

      29Celui qui m’a envoyé est avec moi : il ne m’a pas laissé seul, parce que je fais toujours ce qui lui plaît. »       29Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva. »
30Alors qu’il parlait ainsi, beaucoup crurent en lui. 30Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.

Jésus et Abraham (Jn 8, 31-50)

I Jesoa sy i Abrahama (Jn 8, 31-50)

31Jésus donc dit aux Juifs qui avaient cru en lui

–     « Si vous demeurez dans ma parole, vous êtes vraiment mes disciples,

31Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy :

–     « Raha mitoetra ao anatin’ny teniko ianareo dia ho mpianatro marina,

      32vous connaîtrez la vérité et la vérité fera de vous des hommes libres. »       32sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo. »
33Ils lui répliquèrent :

–     « Nous sommes la descendance d’Abraham et jamais personne ne nous a réduits en esclavage : comment peux-tu prétendre que nous allons devenir des hommes libres ? »

33Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy :

–     « Taranak’i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin’olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe : ‘ho olona afaka ianareo’ ? »

34Jésus leur répondit :

–     « En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui commet le péché est esclave du péché.

34Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevozin’ny ota.

      35L’esclave ne demeure pas toujours dans la maison; le fils, lui, y demeure pour toujours.       35Ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva, fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.
      36Dès lors, si c’est le Fils qui vous affranchit, vous serez réellement des hommes libres.       36Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia afaka tokoa ianareo.
      37Vous êtes la descendance d’Abraham, je le sais ; mais parce que ma parole ne pénètre pas en vous, vous cherchez à me faire mourir.       37Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko.
      38Moi, je dis ce que j’ai vu auprès de mon Père, tandis que vous, vous faites ce que vous avez entendu auprès de votre père ! »       38Izaho milaza izay hitako eo amin’ny Raiko, ary ianareo kosa manao izay renareo ao amin’ny rainareo.
39Ils ripostèrent :

–     « Notre père, c’est Abraham. »

Jésus leur dit :

–     « Si vous êtes enfants d’Abraham, faites donc les œuvres d’Abraham.

39Namaly ireo ka nanao taminy hoe :

–     « I Abrahama no rainay. »

Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Raha zanak’i Abrahama ianareo, dia ho nanao ny asan’i Abrahama.

      40Or, vous cherchez maintenant à me faire mourir, moi qui vous ai dit la vérité que j’ai entendue auprès de Dieu ; cela Abraham ne l’a pas fait.       40Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny, dia Izaho Izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’ Andriamanitra : tsy asan’i Abrahama izany.
      41Mais vous, vous faites les œuvres de votre père. »

Ils lui répliquèrent :

–     « Nous ne sommes pas nés de la prostitution ! Nous n’avons qu’un seul père, Dieu ! »

      41Ny asan’ny rainareo no ataonareo ! »

Dia hoy ireo taminy :

–     « Tsy mba teraka tamin’ny fijangajangana izahay ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra. »

42Jésus leur dit :

–     « Si Dieu était votre père, vous m’auriez aimé, car c’est de Dieu que je suis sorti et que je viens ; je ne suis pas venu de mon propre chef, c’est Lui qui m’a envoyé.

42Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo :

–     « Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria Andriamanitra no niaviako, ary Izy no nahatongavako atý ; fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.

      43Pourquoi ne comprenez-vous pas mon langage ? Parce que vous n’êtes pas capables d’écouter ma parole.       43Ahoana ary no tsy fantatrareo ny fiteniko ? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
      44Votre père, c’est le diable, et vous avez la volonté de réaliser les désirs de votre père. Dès le commencement il s’est attaché à faire mourir l’homme ; il ne s’est pas tenu dans la vérité parce qu’il n’y a pas en lui de vérité. Lorsqu’il profère le mensonge, il puise dans son propre bien parce qu’il est menteur et père du mensonge.       44Ianareo dia voatariky ny demony rainareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazaina, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy ;
      45Quant à moi, c’est parce que je dis la vérité que vous ne me croyez pas.       45fa Izaho kosa, satria milaza ny marina Aho, dia tsy mino Ahy ianareo.
      46Qui de vous me convaincra de péché ? Si je dis la vérité, pourquoi ne me croyez-vous pas ?       46Iza moa aminareo no mahazo milaza marina fa nanota Aho ? Raha ny marina no lazaiko, nahoana no tsy mino Ahy ianareo ?
      47Celui qui est de Dieu écoute les paroles de Dieu ; et c’est parce que vous n’êtes pas de Dieu que vous ne m’écoutez pas. »       47Izay voatarik’Andriamanitra no mihaino ny tenin’Andriamanitra, ka izany indrindra no tsy ihainoanareo, satria tsy voatarik’Andriamanitra ianareo. »
48Les Juifs lui répondirent :

–     « N’avons-nous pas raison de dire que tu es un Samaritain et un possédé ? »

48Dia namaly ny Jody ka nanao taminy hoe :

–     « Moa tsy marina ny filazanay fa Samaritanina Ianao sady manana demony ? »

49Jésus leur répliqua :

–     « Non, je ne suis pas un possédé ; mais j’honore mon Père, tandis que vous, vous me déshonorez !

49Ary hoy ny navalin’i Jesoa :

–     « Tsy manana demony Aho, fa ao ny mitady voninahitra ny Raiko, ary ianareo kosa tsy manaja Ahy.

      50Je n’ai d’ailleurs pas à chercher ma propre gloire : il y a Quelqu’un qui y pourvoit et qui juge.       50Izaho tsy mitady voninahitra ho Ahy, fa ao ny mitady izany sy hitsara.

Si vous demeurez dans ma parole, vous ne connaîtrez pas la mort (Jn 8,51-59)

Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy (Jn 8, 51-59)

–     « 51Amen, amen, je vous le dis : si quelqu’un reste fidèle à ma parole, il ne verra pas la mort. » –     « 51Lazaiko marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy. »
52Les Juifs lui dirent :

–     « Nous voyons bien maintenant que tu es un possédé. Abraham est mort, les prophètes aussi, et toi, tu dis : ‘Si quelqu’un reste fidèle à ma parole, jamais il ne connaîtra la mort.’

52Dia hoy ny Jody :

–     « Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao ; i Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa Ianao kosa manao hoe : ‘Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy.’

      53Es-tu plus grand que notre père Abraham ? Il est mort, et les prophètes aussi. Qui donc prétends-tu être ? »       53Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty ? Ny mpaminany koa efa maty ; manao Anao ho iza re Ianao e ? »
54Jésus répondit :

–     « Si je me glorifie moi-même, ma gloire n’est rien ; c’est mon Père qui me glorifie, lui que vous appelez votre Dieu

54Dia hoy i Jesoa :

–     « Raha manome voninahitra Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro ; fa ny Raiko, izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra Ahy.

      55alors que vous ne le connaissez pas. Mais moi, je le connais, et, si je dis que je ne le connais pas, je serai un menteur, comme vous. Mais je le connais, et je reste fidèle à sa parole.       55Tsy fantatrareo anefa Izy ; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa : fa fantatro Izy ary mitandrina ny teniny Aho.
      56Abraham votre père a tressailli d’allégresse dans l’espoir de voir mon jour. Il l’a vu, et il a été dans la joie. »       56Nientankafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko ; ary nahita izy ka faly. »
57Les Juifs lui dirent alors :

–     « Toi qui n’a pas cinquante ans, tu as vu Abraham ! »

57Dia hoy ny Jody taminy :

–     « Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama ? »

58Jésus leur répondit :

–     « Amen, amen, je vous le dis : avant qu’Abraham ait existé, moi JE SUIS. »

58Hoy i Jesoa taminy :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo, fony mbola tsy ary i Abrahama, dia efa Izaho Aho. »

59Alors, ils ramassèrent des pierres pour les lui jeter. Mais Jésus, en se cachant, sortit du Temple. 59Tamin’izay dia naka vato izy ireo hitorahana Azy ; fa niery i Jesoa ka nivoaka ny tempoly.

Jean chapitre 9 :

Joany toko faha-9

L’aveugle de naissance (Jn 9, 1-41)

Ilay jamba hatrany am-bohoka (Jn 9, 1-41)

1En passant, Jésus vit un homme aveugle de naissance. 1Ary nony nandalo i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,
2Ses disciples lui posèrent cette question :

–     « Rabbi, qui a péché pour qu’il soit né aveugle, lui ou ses parents ? »

2ka hoy ny mpianany nanontany Azy :

–     « Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io, sa ny ray aman-dreniny no teraka jamba izy ? »

3Jésus répondit :

–     « Ni lui, ni ses parents. Mais c’est pour que les œuvres de Dieu se manifestent en lui !

3I Jesoa namaly hoe :

–     « Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny, fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony.

      4Tant qu’il fait jour, il nous faut travailler aux œuvres de celui qui m’a envoyé : la nuit vient où personne ne peut travailler ;       4Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho raha mbola antoandro : fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana,
      5aussi longtemps que je suis dans le monde, je suis la lumière du monde. »       5raha mbola amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao ».
6Ayant ainsi parlé, Jésus cracha à terre, fit de la boue avec la salive et l’appliqua sur les yeux de l’aveugle ; 6Nony voalazany izany, dia nandrora tamin’ny tany Izy ka nanao feta tamin’ny rorany, nahosony ny mason’ilay jamba,
7et il lui dit :

–     « Va te laver à la piscine de Siloé »

– ce qui signifie Envoyé. L’aveugle y alla, il se lava et, à son retour, il voyait. »

7dia hoy Izy taminy :

–     « Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Silôe »

(izany hoe, Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.

8Les gens du voisinage et ceux qui auparavant avaient l’habitude de le voir – car c’était un mendiant – disaient :

–     « N’est-ce pas celui qui était assis à mendier ? »

8Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe :

–     « Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka ? »

9Les uns disaient :

–     « C’est bien lui ! »

D’autres disaient :

–     « Mais non, c’est quelqu’un qui lui ressemble. »

Mais l’aveugle affirmait :

–     « C’est bien moi. »

9Dia hoy ny sasany :

–     « Izy io ! »

Fa hoy kosa ny sasany :

–     « Tsia, fa olona mitovy aminy ».

Ary hoy kosa izy :

–     « Izaho no izy ».

10Ils lui dirent donc :

–     « Et alors, tes yeux, comment se sont-ils ouverts ? »

10Ka hoy izy ireo taminy :

–     « Nanao ahoana no nahiratan’ny masonao ? »

11Il répondit :

–     « L’homme qu’on appelle Jésus a fait de la boue, m’en a frotté les yeux et m’a dit : ‘Va à Siloé et lave-toi.’ Alors moi, j’y suis allé, je me suis lavé et j’ai retrouvé la vue. »

11Dia hoy izy :

–     « Ilay lehilahy atao hoe i Jesoa no nanao feta, nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe : ‘Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Silôe’, dia lasa aho nanasa, ka nahiratra ».

12Ils lui dirent :

–     « Où est-il, celui-là ? »

Il répondit :

–     « Je n’en sais rien. »

12Ary hoy izy ireo taminy :

–     « Aiza izany lehilahy izany ? »

Novaliany hoe :

–     « Asa ».

13On conduisit chez les Pharisiens celui qui avait été aveugle. 13Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,
14Or c’était un jour de sabbat que Jésus avait fait de la boue et lui avait ouvert les yeux. 14fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta sy nampahiratany ny masony.
15A leur tour, les Pharisiens lui demandèrent comment il avait recouvré la vue. Il leur répondit :

–     « Il m’a appliqué de la boue sur les yeux, je me suis lavé, je vois. »

15Nanontany azy indray ary ny Farisianina izay nahiratany, ka hoy ny navaliny azy :

–     « Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho ».

16Parmi les Pharisiens, les uns disaient :

–     « Cet individu n’observe pas le sabbat, il n’est donc pas de Dieu. »

Mais d’autres disaient :

–     « Comment un homme pécheur aurait-il le pouvoir d’opérer de tels signes ? »

Et c’était la division entre eux.

16Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe :

–     « Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany, fa tsy mitandrina ny sabata Izy. »

Fa ny sasany kosa nanao hoe :

–     « Hataon’ny mpanota ahoana no fahavita fahagagana toy izany ? »

Koa nisara-kevitra izy ireo.

17Alors, ils s’adressèrent à nouveau à l’aveugle :

–     « Et toi, que dis-tu de celui qui t’a ouvert les yeux ? »

Il répondit :

–     « C’est un prophète. »

17Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba :

–     « Mba ahoana kosa no filazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy ? »

Ka hoy ralehilahy :

–     « Mpaminany Izy ».

18Mais tant qu’ils n’eurent pas convoqué ses parents, les Juifs refusèrent de croire qu’il avait été aveugle et qu’il avait recouvré la vue. 18Dia tsy nety nino ny Jody fa jamba sy vao nahiratra izy, ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin’ity nahiratra,
19Ils posèrent cette question aux parents :

–     « Cet homme est-il bien votre fils dont vous prétendez qu’il est né aveugle ? Alors comment voit-il maintenant ? »

19sy nanontaniany hoe :

–     « Ity va no zanakareo izay lazainareo hoe teraka jamba ? Ka nanao ahoana ary no nahiratany izao. »

20Les parents leur répondirent :

–     « Nous sommes certains que c’est bien notre fils et qu’il est né aveugle.

20Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe :

–     « Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba ;

      21Comment maintenant il voit, nous l’ignorons. Qui lui a ouvert les yeux ? Nous l’ignorons. Interrogez-le, il est assez grand, qu’il s’explique lui-même à son sujet ! »       21fa tsy fantatray izay nahiratany izao, ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony, ka izy no anontanio fa efa lehibe izy : izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany ».
22Ses parents parlèrent ainsi parce qu’ils avaient peur des Juifs. Ceux-ci étaient déjà convenus d’exclure de la synagogue quiconque confesserait que Jésus est le Christ. 22Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin’ny sinagôga izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,
23Voilà pourquoi les parents dirent : « Il est assez grand, interrogez-le. » 23ka izany no nanaovan’ny ray aman-dreniny hoe : « Izy no anontanio fa efa lehibe izy ».
24Une seconde fois, les Pharisiens appelèrent l’homme qui avait été aveugle, et ils lui dirent :

–     « Rends gloire à Dieu ! Nous savons, nous, que cet homme est un pécheur. »

24Dia nantsoin’ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe :

–     « Andriamanitra no omeo voninahitra ; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota. »

25Il leur répondit :

–     « Je ne sais si c’est un pécheur ; je ne sais qu’une chose : j’étais aveugle et maintenant je vois. »

25Ka hoy ny navaliny azy :

–     « Tsy fantatro na mpanota izy na tsia, fa izao ihany no fantatro : jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny ».

26Ils lui dirent :

–     « Que t’a-t-il fait ? Comment t’a-t-il ouvert les yeux ? »

26Dia hoy izy ireo taminy :

–     « Inona no nataony taminao ? Nanao ahoana sy ahoana avy no nampahiratany ny masonao ? »

27Il leur répondit :

–     « Je vous l’ai déjà raconté, mais vous n’avez pas écouté ! Pourquoi voulez-vous l’entendre encore une fois ? N’auriez-vous pas le désir de devenir ses disciples vous aussi ? »

27Ka hoy ny navaliny azy ireo :

–     « Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory ; ka ahoana indray no itiavanareo handre ? Te-ho tonga mpianany koa va ianareo ? »

28Les Pharisiens se mirent alors à l’injurier et ils disaient :

–     « C’est toi qui es son disciple ! Nous, nous sommes disciples de Moïse.

28Dia notevatevain’izy sy nataony hoe :

–     « Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr’iizy.

      29Nous savons que Dieu a parlé à Moïse tandis que celui-là, nous ne savons pas d’où il est ! »       Iizy fantatray fa nitenenan’ Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay niaviany. »
30L’homme leur répondit :

–     « C’est bien là, en effet, l’étonnant : que vous ne sachiez pas d’où il est, alors qu’il m’a ouvert les yeux !

30Namaly ralehilahy ka nanao hoe :

–     « Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izy niaviany, nefa izy no nampahiratra ny masoko.

      31Dieu, nous le savons, n’exauce pas les pécheurs ; mais si un homme est pieux et fait sa volonté, Dieu l’exauce.       31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota ; fa izay manompo Azy sy manao ny sitra-pony no henoiny.
      32Jamais on n’a entendu dire que quelqu’un ait ouvert les yeux d’un aveugle de naissance.       32Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba ;
      33Si cet homme n’était pas de Dieu, il ne pourrait rien faire. »       33ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory. »
34Ils ripostèrent :

–     « Tu n’es que péché depuis ta naissance et tu viens nous faire la leçon ! »

et ils le jetèrent dehors.

34Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe :

–     « Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve no mampianatra anay ! »

Sady noroahiny izy.

35Jésus apprit qu’ils l’avaient chassé. Il vint alors le trouver et lui dit :

–     « Crois-tu, toi, au Fils de l’homme ? »

35Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy, ka nony hitany dia nilazany hoe :

–     « Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? »

36Et lui de répondre :

–     « Qui est-il, Seigneur, pour que je croie en lui ? »

36Namaly izy ka nanao hoe :

–     « Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy ? »

37Jésus lui dit :

–     « Eh bien ! Tu l’as vu, c’est celui qui te parle. »

37Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy. »

38L’homme dit :

–     « Je crois, Seigneur »

et il se prosterna devant lui.

38Ka hoy izy :

–     « Mino aho, Tompoko » ;

Sady niankohoka nitsaoka Azy izy.

39Et Jésus dit alors :

–     « C’est pour un jugement que je suis venu dans le monde, pour que ceux qui ne voyaient pas voient, et que ceux qui voyaient deviennent aveugles. »

39Dia hoy i Jesoa :

–     « Fanavahana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra, ary ho tonga jamba izay mahiratra. »

40Les Pharisiens qui étaient avec lui entendirent ces paroles et lui dirent :

–     « Est-ce que, par hasard, nous serions des aveugles, nous aussi ? »

40Ren’ny Farisianina sasany teo izany, ka hoy izy ireo taminy :

–     « Ary izahay ve mba jamba koa ? »

41Jésus leur répondit :

–     « Si vous étiez des aveugles, vous n’auriez pas de péché. Mais à présent vous dites nous voyons : votre péché demeure. »

41Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka ; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe : ‘Mahiratra izahay’, dia tsy afaka ny helokareo ».

Jean chapitre 10 :

Joany toko faha-10

Je suis le Bon Pasteur (Jn 10, 1-21)

« Izaho no Mpiandry ondry tsara » (Jn 10, 1-21)

1Jésus parlait ainsi aux pharisiens :

–     « Amen, amen, je vous le dis : celui qui entre dans la bergerie sans passer par la porte, mais qui escalade par un autre endroit, celui-là est un voleur, un bandit.

1Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny farisianina hoe :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;

      2Celui qui entre par la porte, c’est lui le pasteur, le berger des brebis.       2fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
      3Le portier lui ouvre, et les brebis écoutent sa voix. Ses brebis à lui, il les appelle, chacune par son nom, et il les fait sortir.       3Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
      4Quand il a conduit dehors toutes ses brebis, il marche à leur tête et elles le suivent car elles connaissent sa voix.       4Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony :
      5Jamais elles ne suivront un inconnu, elles s’enfuiront loin de lui, car elles ne reconnaissent pas la voix des inconnus. »       5Ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony ».
6Jésus employa cette parabole en s’adressant aux pharisiens, mais ils ne comprirent pas ce qu’il voulait leur dire. 6Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.
7C’est pourquoi Jésus reprit la parole :

–     « Amen, amen, je vous le dis : je suis la porte des brebis.

7Koa hoy indray i Jesoa taminy :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry.

      8Ceux qui sont intervenus avant moi avant moi sont tous des voleurs et des bandits ; mais les brebis ne les ont pas écoutés.       8Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.
      9Moi, je suis la porte. Si quelqu’un entre en passant par moi, il sera sauvé ; il pourra aller et venir, et il trouvera un pâturage.       9Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
      10Le voleur ne vient que pour voler, égorger et détruire. Moi je suis venu pour que les hommes aient la vie, pour qu’ils l’aient en abondance.       10Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
      11Je suis le bon berger : le bon berger se dessaisit de sa vie pour ses brebis.       11Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny ;
      12Le mercenaire, qui n’est pas vraiment un berger et à qui les brebis n’appartiennent pas, voit-il venir le loup, il abandonne les brebis et prend la fuite ; et le loup s’en empare et les disperse.       12fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
      13C’est qu’il est mercenaire et que peu lui importent les brebis.       13satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry.
      14Je suis le bon berger, je connais mes brebis et mes brebis me connaissent,       14Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy
      15comme mon Père me connaît et que je connais mon Père ; et je me dessaisis de ma vie pour les brebis.       15tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
      16J’ai d’autres brebis qui ne sont pas de cet enclos et celles-là aussi, il faut que je les mène ; elles écouteront ma voix et il y aura un seul troupeau et un seul berger.       16Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko ; dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
      17Le Père m’aime parce que je me dessaisis de ma vie pour la reprendre ensuite.       17Izao no itiavan’ny Ray Ahy : satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
      18Personne ne me l’enlève mais je m’en dessaisis de moi-même ; j’ai le pouvoir de m’en dessaisir et j’ai le pouvoir de la reprendre : tel est le commandement que j’ai reçu de mon Père. »       18Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy ; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray : izany ny didy azoko tamin’ny Raiko. »
19Ces paroles provoquèrent à nouveau la division parmi les Juifs. 19Dia nifanditra indray ny Jody nony nandre ireo teny ireo.
20Beaucoup d’entre eux disaient :

–     « Il est possédé, il déraisonne, pourquoi l’écoutez-vous ? »

20Ny maro tamin’ireo moa nanao hoe :

–     « Manana demony Izy sady very saina, ka nahoana no mihaino Azy ianareo ? »

21Mais d’autres disaient :

–     « Ce ne sont pas là propos de possédé; un démon pourrait-il ouvrir les yeux d’un aveugle ? »

21Fa ny sasany kosa nanao hoe :

–     « Tsy mba tenin’olona manana demony izany ; ary demony koa ve hahay mampahiratra ny mason’ny jamba ? »

Jésus se présente comme le vrai Fils de Dieu (Jn 10, 22-39)

I Jesoa nilaza tena ho Zanak’ Andriamanitra (Jn 10, 22-39)

22On célébrait alors à Jérusalem l’anniversaire de la dédicace du Temple. C’était l’hiver. 22Tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro,
23Jésus allait et venait sous la colonnade de Salomon. 23ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna.
24Les Juifs se groupèrent autour de lui ; ils lui disaient :

–     « Combien de temps vas-tu nous laisser dans le doute ? Si tu es le Messie, dis-le nous ouvertement ! »

24Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe :

–     « Ambara-pahoviana no hampisala-salanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazão tsotra aminay. »

25Jésus leur répondit :

–     « Je vous l’ai dit, et vous ne croyez pas. Les œuvres que je fais au nom de mon Père, voilà ce qui me rend témoignage.

25Dia hoy i Jesoa namaly :

–     « Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo ; manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko ;

      26Mais vous ne croyez pas, parce que vous n’êtes pas de mes brebis. 26Fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko.
      27Mes brebis écoutent ma voix ; moi, je les connais, et elles me suivent.       27Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
      28Je leur donne la vie éternelle : jamais elles ne périront, personne ne les arracheras de ma main.       28omeko ny fiainana mandradizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo antanako.
      29Mon Père, qui me les a données, est plus grand que tout, et personne ne peut rien arracher de la main du Père.       29Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray.
      30Le Père et moi, nous sommes UN. »       30Izaho sy ny Ray dia iray ihany. »
31Les Juifs, à nouveau, ramassèrent des pierres pour le lapider. 31Dia naka vato hitorahana Azy indray ny Jody ;
32Mais Jésus reprit :

–     « Je vous ai fait voir tant œuvres belles qui venaient du Père. Pour laquelle de ces œuvres voulez-vous me lapider ? »

32fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo :

–     « Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy ? »

33Les Juifs lui répondirent :

–     « Ce n’est pas pour une belle œuvre que nous voulons te lapider, mais pour un blasphème, parce que toi qui es un homme tu te fais Dieu. »

33Dia hoy ny Jody namaly Azy :

–     « Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’ Andriamanitra ; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. »

34Jésus leur répondit :

–     « N’a-t-il pas été écrit dans votre Loi : ‘J’ai dit : vous êtes des dieux ?’

34Ary i Jesoa namaly azy hoe :

–     « Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànanareo : ‘Hoy Aho : Andriamanitra ianareo ?’

      35Il arrive donc à la Loi d’appeler dieux ceux auxquels la parole de Dieu fut adressée. Or nul ne peut abolir l’Écriture.       35Ka raha ireny nanambarana ny tenin’ Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe Andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,
      36A celui que le Père a consacré et envoyé dans le monde, vous dites : « Tu blasphèmes », parce que j’ai affirmé que je suis le Fils de Dieu.       36ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etý ambonin’ny tani hoe : miteny ratsy an’ Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe : Zanak’ Andriamanitra Aho ?
      37Si je ne fais pas les œuvres de mon Père, ne me croyez pas !       37Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo ;
      38Mais si je les fais, quand bien même vous ne me croiriez pas, croyez en ces œuvres, afin que vous connaissiez et que vous sachiez bien que le Père est en moi comme je suis dans le Père. »       38fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, doa ho fatatrareo fa ny Ray ato anatiko, ary Izaho ao anatin’ny Ray. »
39Alors, une fois de plus, ils cherchèrent à l’arrêter, mais il échappa de leurs mains. 39Tamin’izay dia nitady hisambotra an’i Jesoa indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy.

Jésus se retire au delà du Jourdain (Jn 10, 40-42)

Nihataka tany an-dafin’ny ony Jôrdany I Jesoa (Jn 10, 40-42)

40Jésus s’en retourna au-delà du Jourdain, à l’endroit où Jean avait commencé à baptiser, et il y demeura. 40Dia lasa i Jesoa nankany an-dafin’i Jôrdany, amin’ilay toerana nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany.
41Beaucoup vinrent à lui et ils disaient :

–     « Jean, certes, n’a opéré aucun signe, mais tout ce qu’il a dit de cet homme était vrai. »

41Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe :

–     « Tsy nanao famantarana i Joany ; nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy. »

42Et là, ils furent nombreux à croire en lui. 42Koa maro no nino Azy teo.

Jean chapitre 11

Joany toko faha-11

Lazare (Jn 11,1-54)

Lazaro (Jn 11, 1-54)

1Il y avait un homme malade ; c’était Lazare de Béthanie, le village de Marie et de sa sœur Marthe. 1Nisy lehilahy anankiray narary, dia i Lazara avy any Betania, tanànan’i Maria sy i Marta rahavaviny.
2Il s’agit de cette même Marie qui avait oint le Seigneur d’une huile parfumée et lui avait essuyé les pieds avec ses cheveux ; c’était son frère Lazare qui était malade. 2I Maria dia ilay vehivavy nanosotra ilomanitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany ; ary i Lazara anadahiny no narary.
3Les sœurs envoyèrent dire à Jésus :

–     « Seigneur, celui que tu aimes est malade. »

3Dia naniraka tany amin’i Jesoa ireto anabaviny hilaza hoe :

–     « Tompo, marary ilay tianao. »

4Dès qu’il l’apprit, Jésus dit :

–     « Cette maladie n’aboutira pas à la mort, elle servira à la gloire de Dieu : c’est par elle que le Fils de Dieu doit être glorifié. »

4Nony ren’i Jesoa izany dia hoy Izy

–     « Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr’Andriamanitra sy hahazoan’ ny Zanak’Andriamanitra voninahitra. »

5Or Jésus aimait Marthe et sa sœur et Lazare. 5Ary tian’i Jesoa i Marta sy i Maria rahavaviny ary i Lazara.
6Cependant, alors qu’il savait Lazare malade, il demeura deux jours encore à l’endroit où il se trouvait. 6Nefa nony reny hoe marary i Lazara, dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.
7Après quoi seulement, il dit aux disciples :

–     « Retournons en Judée. »

7Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany :

–     « Andeha isika ho any Jodea indray. »

8Les disciples lui dirent :

–     « Rabbi, tout récemment encore les Juifs cherchaient à te lapider ; et tu veux retourner là-bas ? »

8Ka hoy ny mpianany taminy :

–     « Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato anao ny Jiozy ka dia hankany indray ve Ianao ? »

9Jésus répondit :

–     « N’y a-t-il pas douze heures de jour ? Si quelqu’un marche de jour, il ne trébuche pas parce qu’il voit la lumière de ce monde ;

9Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Tsy roa ambin’ny folo ora ve ny indray andro ? Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao ;

      10mais si quelqu’un marche de nuit, il trébuche parce que la lumière n’est pas en lui. »       10fa ny mandeha alina no tafintohina, satria tsy manam-pahazavana. »
11Après avoir prononcé ces paroles, il ajouta :

–     « Notre ami Lazare s’est endormi, mais je vais aller le réveiller. »

11Nony voalazany izany dia nampiany hoe :

–     « Matory i Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy Aho. »

12Les disciples lui dirent donc :

–     « Seigneur, s’il s’est endormi, il sera sauvé. »

12Ka hoy ny mpianany :

–     « Raha matory izy, Tompoko, dia ho sitrana. »

13En fait, Jésus avait voulu parler de la mort de Lazare, alors qu’ils se figuraient, eux, qu’il parlait de l’assoupissement du sommeil. 13Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin’izy ireo.
14Jésus leur dit alors ouvertement :

–     « Lazare est mort,

14Izay i Jesoa nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe :

–     « Maty i Lazara,

      15et je suis heureux pour vous de n’avoir pas été là, afin que vous croyiez. Mais allons à lui ! »       15ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao, mba hinoanareo ; koa andeha isika hankany aminy. »
16Alors Thomas, celui que l’on appelle Didyme, dit aux autres disciples :

–     « Allons, nous aussi, et nous mourrons avec lui. »

16Dia hoy i Tomà izay atao hoe Ikambana tamin’ny mpianatra namany :

–     « Andeha koa isika mba hiara-maty aminy. »

17A son arrivée, Jésus trouva Lazare au tombeau ; il y était depuis quatre jours déjà. 17Nony tonga tany Betania i Jesoa, dia nahita fa efa nilevina efatra andro i Lazara.
18Comme Béthanie est distante de Jérusalem d’environ quinze stades, 18Ary ity Betania ity dia tao akaikin’i Jerosalema tokony ho telo kilaometatra,
19beaucoup de Juifs étaient venus chez Marthe et Marie pour les consoler au sujet de leur frère. 19ka maro tamin’ny Jiozy no tonga tao amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.
20Lorsque Marthe apprit que Jésus arrivait, elle alla au-devant de lui, tandis que Marie était assise dans la maison. 20Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano.
21Marthe dit à Jésus :

–     « Seigneur, si tu avais été ici, mon frère ne serait pas mort.

21Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa :

–     « Raha taty Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko.

      22Mais maintenant encore, je sais que tout ce que tu demanderas à Dieu, Dieu te le donnera. »       22Ary na dia izao aza dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’ Andriamanitra, dia homen’ Andriamanitra Anao. »
23Jésus lui dit :

« Ton frère ressuscitera. »

23Hoy i Jesoa taminy :

–     « Hitsangana ny anadahinao ».

24Elle répondit :

–     « Je sais qu’il ressuscitera lors de la résurrection, au dernier jour. »

24Fa hoy i Marta taminy :

–     « Fantatro fa hitsangana velona izy amin’ny farandro fitsanganana ny maty. »

25Jésus lui dit :

–     « Je suis la résurrection et la vie : celui qui croit en moi, même s’il meurt, vivra ;

25Hoy i Jesoa taminy :

–     « Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ;

      26et quiconque vit et croit en moi ne mourra jamais. Crois-tu cela ? »       26ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty na oviana na oviana. Mino izany ve ianao ? »
27Elle répondit :

–     « Oui, Seigneur, je crois que tu es le Christ, le Fils de Dieu, celui qui vient dans le monde. »

–     « 27Eny, Tompoko »

Hoy izy taminy,

–     « mino aho fa Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao. »

28Là-dessus, elle partit appeler sa sœur Marie et lui dit tout bas :

–     « Le Maître est là et il t’appelle. »

28Ary rahefa nilaza izany izy, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe :

–     « Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy. »

29A ces mots, Marie se leva immédiatement et alla vers lui. 29Vao nandre izany kosa i Maria, dia nitsangana niaraka tamin’izay, ka nankao aminy.
30Jésus, en effet, n’était pas encore entré dans le village ; il se trouvait toujours à l’endroit où Marthe l’avait rencontré. 30Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna i Jesoa, fa mbola teo amin’izay nitsenan’i Marta Azy ihany.
31Les Juifs étaient avec Marie dans la maison et ils cherchaient à la consoler. Ils la virent se lever soudain pour sortir, ils la suivirent : ils se figuraient qu’elle se rendait au tombeau pour s’y lamenter. 31Nony hitan’ny Jody izay tao amin’i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy fa nitsangana haingana izy ka nivoaka, dia nanaraka azy izy ireo, fa nihevitra hoe : lasa hitomany any amin’ny fasana izy.
32Lorsque Marie parvint à l’endroit où se trouvait Jésus, dès qu’elle le vit, elle tomba à ses pieds et lui dit :

–     « Seigneur, si tu avais été ici, mon frère ne serait pas mort. »

32I Maria kosa, nony tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy, dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe :

–     « Raha tatý Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. »

33Lorsqu’il les vit se lamenter, elle et les Juifs qui l’accompagnaient, Jésus frémit intérieurement et il se troubla. 33Nony hitan’i Jesoa fa nitomany i Maria sy ireto Jody niaraka taminy, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra.
34Il dit :

–     « Où l’avez-vous déposé ? »

Ils répondirent :

–     « Seigneur, viens voir. »

–     « 34Aiza no nandevenanareo azy ? »

Hoy Izy. Dia hoy ireo taminy :

–     « Andeha Ianao hizaha, Tompoko. »

35Alors Jésus pleura ; 35Ary nitomany i Jesoa.
36et les Juifs disaient :

–     « Voyez comme il l’aimait ! »

36Dia hoy ny Jody :

–     « Akory ity haben’ny fitiavany an’i Lazara ! »

37Mais quelques-uns d’entre eux dirent :

–     « Celui qui a ouvert les yeux de l’aveugle n’a pas été capable d’empêcher Lazare de mourir. »

37Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo :

–     « Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny ? »

38Alors, à nouveau, Jésus frémit intérieurement et il s’en fut au tombeau ; c’était une grotte dont une pierre recouvrait l’entrée. 38Dia niontana indray ny fon’i Jesoa, ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana, izay zohy norakofana vato.
39Jésus dit alors :

–     « Enlevez cette pierre. »

Marthe, la sœur du défunt, lui dit :

–     « Seigneur, il doit déjà sentir… Il y a en effet quatre jours… »

–     « 39Esory ny vato »

Hoy Izy. Ka hoy i Marta, anabavin’ny maty taminy :

–     « Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay. »

40Mais Jésus lui répondit :

–     « Ne t’ai-je pas dit que, si tu crois, tu verras la gloire de Dieu ? »

40Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra ? »

41On ôta donc la pierre. Alors, Jésus leva les yeux et dit :

–     « Père, je te rends grâce de ce que tu m’as exaucé.

41Dia nesorina ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe :

–     « Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao.

42Certes, je savais bien que tu m’exauces toujours, mais j’ai parlé à cause de cette foule qui m’entoure, afin qu’ils croient que tu m’as envoyé. »       42Raha izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao ; fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy. »
43Ayant ainsi parlé, il cria d’une voix forte :

–     « Lazare, sors ! »

43Rahefa nilaza izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe :

–     « Mivoha tao, ry Lazara ! »

44Et celui qui avait été mort sortit, les pieds et les mains attachés par des bandes, et le visage enveloppé d’un linge. Jésus dit aux gens :

–     « Déliez-le et laissez-le aller ! »

44Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona :

–     « Vahao izy ka avelao handeha ! »

Les juifs décident de tuer Jésus (Jn 11, 45-54)

Nanapakevitra ny hamono an’i Jesoa ireo loholona jody (Jn 11, 45-54)

45Beaucoup de ces Juifs qui étaient venus auprès de Marie et qui avaient vu ce que Jésus avait fait, crurent en lui. 45Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.
46Mais d’autres s’en allèrent trouver les Pharisiens et leur racontèrent ce que Jésus avait fait. 46Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia lasa nankany amin’ny farisianina, ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa.
47Les grands prêtres et les Pharisiens réunirent alors un conseil et dirent :

–     « Que faisons-nous ? Cet homme opère beaucoup de signes.

47Dia namory ny mpanolotsaina ny mpisorombe sy ny farisianina, ka nanao hoe :

–     « Inona ity ataontsika, fa manao famantarana maro iny Lehilahy iny ?

      48Si nous le laissons continuer ainsi, tous croiront en lui, les Romains interviendront et ils détruiront et notre saint Lieu et notre nation. »       48Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika. »
49L’un d’entre eux, Caïphe, qui était Grand Prêtre en cette année-là, dit :

–     « Vous n’y comprenez rien

49Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaiafa, izay mpisorombe tamin’izany taona izany :

–     « Tsy mahalala na inona na inona ianareo,

      50et vous ne percevez même pas que c’est votre avantage qu’un seul homme meure pour le peuple et que la nation ne périsse pas tout entière. »       50na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo. »
51Ce n’est pas de lui-même qu’il prononça ces paroles, mais, comme il était Grand Prêtre en cette année-là, il fit cette prophétie qu’il fallait que Jésus meure pour la nation 51Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy mpisorombe tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa,
52et non seulement pour elle, mais pour réunir dans l’unité les enfants de Dieu qui sont dispersés. 52ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa ho antokony iray.
53C’est ce jour-là donc qu’ils décidèrent de le faire périr. 53Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo.
54De son côté, Jésus s’abstint désormais d’aller et de venir ouvertement parmi les Juifs : il se retira dans la région proche du désert, dans une ville nommée Ephraïm, où il séjourna avec ses disciples. 54Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraîma, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany.

Comme la Pâque approchait (Jn 11, 55-57)

Ny Paka efa akaiky (Jn 11, 55-57)

55Cependant la Pâque des Juifs était proche. A la veille de cette Pâque, beaucoup de gens montèrent de la campagne à Jérusalem pour se purifier. 55Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay, ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka, mba handio tena.
56Ils cherchaient Jésus et, dans le temple où ils se tenaient, ils se disaient entre eux :

–     « Qu’en pensez-vous ? Jamais il ne viendra à la fête ! »

56Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao an-kianjan’ny Tempoly hoe :

–     « Ahoana ny hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy ? »

57Les grands prêtres et les Pharisiens avaient donné des ordres : quiconque saurait où il était devait le dénoncer afin qu’on se saisisse de lui. 57Ny lohandoha-mpisorona sy ny farisianina tamin’izany efa nandidy fa izay mahita ny itoerany dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.

Jean chapitre 12

Joany toko faha-12

L’onction de Béthanie (Jn 12, 1-11)

Ny Nanosoroan’i Maria ilomanitra tany Betania (Jn 12, 1-11)

1Six jours avant la Pâque, Jésus vint à Béthanie où habitait Lazare, celui qu’il avait ressuscité d’entre les morts. 1Nony enina andro sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa tao amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangany avy tany amin’ny maty.
2On donna un repas en l’honneur de Jésus. Marthe faisait le service, Lazare était avec Jésus parmi les convives. 2Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy.
3Or Marie avait pris une livre d’un parfum très pur et de très grande valeur ; elle versa le parfum sur les pieds de Jésus, qu’elle essuya avec ses cheveux ; la maison fut remplie par l’odeur du parfum. 3Ary i Maria kosa naka ilomanitra sarobidy lanjana ampahatelon-kilao natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny fofon’ilay ilomanitra.
4Judas Iscariote, l’un des disciples, celui qui allait le livrer, dit alors : 4Tamin’izay hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hanolotra Azy hoe :
–     « 5Pourquoi n’a-t-on pas vendu ce parfum pour trois cents pièces d’argent, que l’on aurait donné aux pauvres ? –     « 5Tsy naleo re namidy denàry telonjato iny ilomanitra iny ka nomena ny mahantra ? »
6Il parla ainsi non parce qu’il se préoccupait des pauvres, mais parce que c’était un voleur : comme il tenait la bourse commune, il prenait pour lui ce que l’on y mettait. 6Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny.
7Jésus lui dit :

–     « Laisse-la ! Il fallait qu’elle garde ce parfum pour le jour de mon ensevelissement.

7Ka hoy i Jesoa taminy :

–     « Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana ahy.

      8Des pauvres, vous en aurez toujours avec vous, mais moi, vous ne m’aurez pas toujours. »       8Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava. »
9Or, une grande foule de Juifs apprit que Jésus était là, et ils arrivèrent, non seulement à cause de Jésus, mais aussi pour voir ce Lazare qu’il avait ressuscité d’entre les morts. 9Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao, tsy noho i Jesoa ihany, fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany avy any amin’ny maty koa.
10Les chefs des prêtres décidèrent alors de faire mourir aussi Lazare, 10Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny mpisorombe hovonoina,
11parce que beaucoup de juifs, à cause de lui, s’en allaient et croyaient en Jésus. 11satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.

Entrée triomphale à Jérusalem (Jn 12, 12-19)

Ny niakaran’i Jesoa tany Jerosalema (Jn 12, 12-19)

12Le lendemain, la grande foule venue à la fête apprit que Jésus arrivait à Jérusalem ; 12Nony ampitso, dia ren’ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema ;
13ils prirent des branches de palmiers et sortirent à sa rencontre. Ils criaient

–     « Hosanna ! Béni soit au nom du Seigneur celui qui vient, le roi d’Israël. »

13ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe :

–     « Hôzana, hotahîna amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy, dia ilay Mpanjakan’i Israely. »

14Trouvant un ânon, Jésus s’assit dessus selon qu’il est écrit : 14Ary i Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe :
15Ne crains pas, fille de Sion : voici ton roi qui vient, il est monté sur le petit d’une ânesse.’ 15Aza matahotra, ry mponina ao Siôna, indro avy ny Mpanjakanareo mitaingina zana-boriky.’
16Au premier moment, ses disciples ne comprirent pas ce qui arrivait, mais lorsque Jésus eut été glorifié, ils se souvinrent que cela avait été écrit à son sujet et que c’était cela même qu’on avait fait pour lui. 16Tamin’izay dia tsy mbola fantatry ny mpianany ny hevitr’izany, fa nony efa voasandratra tamin’ny voninahiny i Jesoa vao tsaroany fa sady voalazan’ny Soratra Masina ny aminy izany no nataon’izy ireo taminy koa.
17Cependant la foule de ceux qui étaient avec lui lorsqu’il avait appelé Lazare hors du tombeau et qu’il l’avait relevé d’entre les morts, lui rendait témoignage. 17Koa nanambara Azy ny vahoaka izay nanatrika ny fiantsoany an’i Lazara hivoaka tamin’ny fasana sy ny nananganany azy avy any amin’ny maty,
18C’était bien, en effet, parce qu’elle avait appris qu’il avait opéré ce signe qu’elle se portait à sa rencontre. 18ka ny nandrenesan’ny vahoaka be ny nanaovany an’izany famantarana izany indrindra no niaviany hitsena Azy.
19Les Pharisiens se dirent alors les uns aux autres :

–     « Vous le voyez, vous n’arriverez à rien : voilà que le monde se met à sa suite ! »

19Dia vaky ny farisianina nifampilaza hoe :

–     « Hitanareo fa tsy mahomby ianareo : indro fa mirohotra manaraka Azy avokoa izao tontolo izao. »

Jésus annonce sa glorification par sa mort (Jn 12, 20-36)

Manambara ny voninahiny amin’ny fahafatesany i Jesoa (Jn 12, 20-36)

20Il y avait quelques Grecs qui étaient montés pour adorer à l’occasion de la fête. 20Ary nisy Grika sasany anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety,
21Ils s’adressèrent à Philippe qui était de Bethsaïda de Galilée et ils lui firent cette demande :

–     « Seigneur, nous voudrions voir Jésus. »

21nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe :

–     « Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay. »

22Philippe alla le dire à André et ensemble ils le dirent à Jésus. 22Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andrea ka dia i Andrea sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.
23Jésus leur répondit en ces termes :

–     « Elle est venue, l’heure où le Fils de l’homme doit être glorifié.

23Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe :

–     « Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona.

      24En vérité, en vérité, je vous le dis, si le grain de blé qui tombe en terre ne meurt pas, il reste seul; si au contraire il meurt, il porte du fruit en abondance.       24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
      25Celui qui aime sa vie la perd ; celui qui s’en détache la garde pour la vie éternelle.       25Izay tia ny ainy no hahavery azy ; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
      26Si quelqu’un veut me servir, qu’il me suive ; et là où je suis, sera mon serviteur. Si quelqu’un me sert, mon Père l’honorera.       26Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.
      27Maintenant mon âme est troublée, et que dirai-je ? Père, sauve-moi de cette heure ? Mais c’est précisément pour cette heure que je suis venu.       27Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no ho lazaiko ? Hoe : Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa ho amin’izao ora izao indrindra no nahatongavako.
      28Père, glorifie ton nom. »

Alors, une voix vint du ciel :

–     « Je l’ai glorifié et je le glorifierai encore. »

      28Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao. »

Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe :

–     « Efa nomeko voninahitra izy, ary mbola homeko voninahitra indray. »

29La foule qui se trouvait là et qui avait entendu disait que c’était le tonnerre ; d’autres disaient qu’un ange lui avait parlé. 29Nony nahare izany ny vahoaka, izay teo, dia nanao hoe :

–     « Kotrobaratra izany ; »

fa hoy kosa ny sasany hoe :

–     « Anjely niteny taminy izay. »

30Jésus reprit la parole :

–     « Ce n’est pas pour moi que cette voix a retenti, mais bien pour vous.

30Dia hoy i Jesoa hoe :

–     « Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.

      31C’est maintenant le jugement de ce monde, maintenant le prince de ce monde va être jeté dehors.       31Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao ; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.
      32Pour moi, quand j’aurai été élevé de terre, j’attirerai à moi tous les hommes. »       32Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy. »
33Il signifiait par là de quelle mort il allait mourir. 33Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.
34La foule lui répondit :

–     « Nous avons appris par la Loi que le Christ doit rester à jamais. Comment peux-tu dire qu’il faut que le Fils de l’homme soit élevé ? Qui est-il, ce Fils de l’homme ? »

34Ka hoy ny vahoaka namaly Azy :

–     « Efa renay tamin’ny Lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia, ka ahoana no lazainao hoe : ‘Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona ? Iza moa izany Zanak’ olona izany ? »

35Jésus leur répondit :

–     « La lumière est encore parmi vous pour un peu de temps. Marchez pendant que vous avez la lumière, pour que les ténèbres ne s’emparent pas de vous : car celui qui marche dans les ténèbres ne sait où il va.

35Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eo aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.

      36Pendant que vous avez la lumière croyez en la lumière, pour devenir des fils de lumière. »

Après leur avoir ainsi parlé, Jésus se retira et se cacha d’eux.

      36Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana ianareo. »

Nony voalazani’i Jesoa izany, dia lasa Izy niery azy ireo.

Conclusion : l’incrédulité des Juifs (Jn 12, 37-50)

Fehinteny : ny tsy finoan’ny Jody (Jn 12, 37-50)

37Quoiqu’il eût opéré devant eux tant de signes, ils ne croyaient pas en lui, 37Na dia betsaka aza ny famantarana nataon’i Jesoa teo imason’izy ireo, dia tsy nino Azy izy,
38de sorte que s’accomplît la parole que le prophète Ésaïe avait dite : ‘Seigneur, qui a cru ce qu’on nous avait entendu dire ?’ et ‘à qui le bras du Seigneur a-t-il été révélé ?’ 38mba hahatanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany manao hoe : ‘Tompo ô, iza moa no nino izay teny nampilazaina anay’, ary ‘zovy no nampisehoana ny herin’ny Tompo’ ?
39Le même Ésaïe a indiqué la raison pour laquelle ils ne pouvaient croire : 39Ny tsy nahazoan’izy ireo nino, dia satria hoy indray i Izaia hoe :
–     « 40Il a aveuglé leurs yeux et il a endurci leur coeur, pour qu’ils ne voient pas de leurs yeux, que leur coeur ne comprenne pas, qu’ils ne se convertissent pas, et je les aurais guéris ! –     « 40Efa nohajambain’Andriamanitra ny mason’ireo, ary nohamafisiny ny fony, hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hibebaka izy mba hositraniko. »
41Cela, Ésaïe le dit parce qu’il a vu sa gloire et qu’il a parlé de lui. 41I Izaia no nilaza izany dia satria nahita sahady ny voninahitr’i Jesoa Izy sy niteny momba Azy.
42Cependant, parmi les dirigeants eux-mêmes, beaucoup avaient cru en lui ; mais, à cause des Pharisiens, ils n’osaient le confesser, de crainte d’être exclus de la synagogue : 42Kanefa na eo aza izany, dia maro ihany na hatramin’ny loholona aza no nino Azy, saingy tsy nampiseho ny finoany izy ireo noho ny Farisianina, fandrao dia roahiny amin’ny sinagôga,
43c’est qu’ils préféraient la gloire qui vient des hommes à la gloire qui vient de Dieu. 43satria naleony ny voninahitra avy amin’ny olona toy izay ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.
44Jésus affirmait avec force :

–     « Celui qui croit en moi, ce n’est pas en moi qu’il croit, mais en celui qui m’a envoyé,

44Ary niantso i Jesoa nanao hoe :

–     « Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa izay naniraka Ahy;

      45Et Celui qui me voit, voit celui qui m’a envoyé.       45Ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy.
      46Moi, qui suis la lumière, je suis venu dans le monde pour que celui qui croit en moi ne demeure pas dans les ténèbres.       46Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
      47Si quelqu’un entend mes paroles et n’y reste pas fidèle, moi, je ne le jugerai pas, car je ne suis pas venu juger le monde, mais le sauver.       47Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy Aho ; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy.
      48Celui qui me rejette et n’accueille pas mes paroles aura un juge pour le condamner. La parole que j’ai prononcée, elle, le condamnera au dernier jour.       48Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy : dia teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,
      49Car ce que j’ai dit ne vient pas de moi : le Père lui-même, qui m’a envoyé, m’a donné son commandement sur ce que je dois dire et déclarer ;       49satria tsy niteny ho Ahy Aho, fa ny Ray izay naniraka Ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko.
      50Et je sais que son commandement est vie éternelle. Donc, ce que je déclare, je le déclare comme le Père me l’a dit.       50Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko ary, dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.

Jean chapitre 13

Joany toko faha-13

Lavement des pieds (Jn 13,1-15)

Ny fanasana tongotra (Jn 13, 1-15)

1Avant la fête de la Pâque, Jésus sachant que son heure était venue, l’heure de passer de ce monde au Père, lui, qui avait aimé les siens qui sont dans le monde, les aima jusqu’à l’extrême. 1Talohan’ny fankalazana ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy.
2Au cours d’un repas, alors que déjà le diable avait jeté au cœur de Judas Iscariote, fils de Simon, la pensée de le livrer, 2Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna moa efa nomen’ny demony hevitra hamadika Azy,
3sachant que le Père a remis toutes choses entre ses mains, qu’il est sorti de Dieu et qu’il va vers Dieu, 3i Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no iverenany,
4Jésus se lève de table, dépose son vêtement et prend un linge dont il se ceint. 4dia nitsangana teo am-pihinanana Izy : napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany ;
5Il verse ensuite de l’eau dans un bassin et commence à laver les pieds des disciples et à les essuyer avec le linge dont il était ceint. 5raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany.
6Il arrive ainsi à Simon-Pierre qui lui dit :

–     « Toi, Seigneur, me laver les pieds ! »

6Ary nanatona an’i Simôna Piera Izy ; fa hoy i Piera Taminy :

–     « Adre ! Ianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro ? »

7Jésus lui répond :

–     « Ce que je fais, tu ne peux le savoir à présent, mais par la suite tu comprendras. »

7Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana ».

8Pierre lui dit :

–     « Me laver les pieds à moi ! Jamais ! »

Jésus lui répondit :

–     « Si je ne te lave pas, tu ne peux pas avoir part avec moi. »

8Fa hoy i Piera Taminy :

–     « Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao ».

Ka hoy i Jesoa namaly azy :

–     « Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko ».

9Simon-Pierre lui dit :

–     « Alors, Seigneur, non pas seulement les pieds, mais aussi les mains et la tête ! »

9Dia hoy i Simôna Piera Taminy :

–     « Tsy ny tongotro ihany ary, Tompoko, fa ny tanako sy ny lohako koa. »

10Jésus lui dit :

–     « Celui qui s’est baigné n’a nul besoin d’être lavé, car il est entièrement pur : et vous, vous êtes purs, mais non pas tous. »

10Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra. »

11Il savait en effet qui allait le livrer ; et c’est pourquoi il dit : « Vous n’êtes pas tous purs. » 11Izy no nanao hoe : ‘Tsy ianareo rehetra no madio’, dia satria fantany ilay hamadika Azy.
12Lorsqu’il eut achevé de leur laver les pieds, Jésus prit son vêtement, se remit à table et leur dit :

–     « Comprenez-vous ce que j’ai fait pour vous ?

12Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nandray ny lamba Izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe :

–     « Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo ?

      13Vous m’appelez le Maître et le Seigneur et vous dites bien, car je le suis.       13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo ; fa izany tokoa Aho.
      14Dès lors, si je vous ai lavé les pieds, moi, le Seigneur et le Maître, vous devez vous aussi vous laver les pieds les uns aux autres ;       14Ka raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra ;
      15car c’est un exemple que je vous ai donné : ce que j’ai fait pour vous, faites-le vous aussi.       15satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.

Le serviteur n’est pas plus grand que son maître (Jn 13, 16-20)

Ny mpanompo dia tsy ambony noho ny tompony (Jn 13, 16-20)

      16En vérité, en vérité, je vous le dis : le serviteur n’est pas plus grand que son maître, le messager n’est pas plus grand que celui qui l’envoie.       16Lazaiko marina dia marina aminareo : ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony ; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.
      17Si vous savez cela, heureux êtes-vous, pourvu que vous le mettiez en pratique       17Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
      18Je ne parle pas pour vous tous. Moi, je sais quels sont ceux que j’ai choisis, mais il faut que s’accomplisse la parole de l’Ecriture : ‘Celui qui partageait mon pain a voulu me faire tomber.’       Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko) ; fa mba ho tanteraka ny Sorona Masina manao hoe : ‘Izay miara-mihinana mofo amiko no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
      19Je vous dis ces choses dès maintenant, avant qu’elles n’arrivent ; ainsi, lorsqu’elles arriveront, vous croirez que moi, JE SUIS.       Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy.
      20Amen, amen, je vous le dis : recevoir celui que j’enverrai, c’est me recevoir moi-même ; et me recevoir, c’est recevoir celui qui m’envoie. »       Lazaiko marina dia marina aminareo : Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy ; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy. »

Annonce de la trahison de Judas (Jn 13, 21-30)

Ny nanambaràna ny famadian’i Jodasy (Jn 13, 21-30)

21Ayant ainsi parlé, Jésus fut troublé intérieurement et il déclara solennellement :

–     « En vérité, en vérité, je vous le dis, l’un de vous va me livrer. »

21Rahefa nilaza izany i Jesoa, dia nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava Izy nanao hoe :

–     « Lazaiko marina dia marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo. »

22Les disciples se regardaient les uns les autres, se demandant de qui il parlait. 22Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy.
23Un des disciples, celui-là même que Jésus aimait, se trouvait à côté de lui. 23Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa, no teo anilany niankina tamin’ny tratrany,
24Simon-Pierre lui fit signe :

–     « Demande de qui il parle. »

24ka nanatsika azy i Piera mba hamototra amin’i Jesoa hoe :

–     « Iza ilay lazainao izay ? »

25Se penchant alors vers la poitrine de Jésus, le disciple lui dit :

–     « Seigneur, qui est-ce ? »

25Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy :

–     « Iza moa izany, Tompoko ? »

26Jésus répondit :

–     « C’est celui à qui je donnerai la bouchée que je vais tremper. »

Sur ce, Jésus prit la bouchée qu’il avait trempée et il la donna à Judas Iscariote, fils de Simon.

26Ary hoy i Jesoa hoe :

–     « Ilay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin’ny ro no izy. »

Dia natsobony ny mofo ka natolony an’i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna.

27C’est à ce moment, alors qu’il lui avait offert cette bouchée, que Satan entra en Judas. Jésus lui dit alors :

–     « Ce que tu as à faire, fais le vite ».

27Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nidiran’ny demony, ka hoy i Jesoa taminy :

–     « Ataovy haingana izay ataonao. »

28Aucun de ceux qui se trouvaient là ne comprit pourquoi il avait dit cela. 28Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana ;
29Comme Judas tenait la bourse, quelques uns pensèrent que Jésus lui avait dit d’acheter ce qui était nécessaire pour la fête, ou encore de donner quelque chose aux pauvres. 29fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy : Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra.
30Quant à Judas, ayant pris la bouchée, il sortit immédiatement : il faisait nuit. 30Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nivoaka ny trano avy hatrany. Efa alina ny andro tamin’izay.

Le Fils de l’homme va être glorifié (Jn 13, 31-33)

Ny fanaovam-beloma (Jn 13, 31-33)

31Quand Juda fut sorti, Jésus déclara :

–     « Maintenant, le Fils de l’Homme est glorifié, et Dieu est glorifié en lui.

31Nony efa nivoaka ny trano fihinanana i Jodasy, dia hoy i Jesoa :

–     « Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.

      32Si Dieu est glorifié en lui, Dieu en retour lui donnera sa propre gloire ; et la lui donnera bientôt.       32Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy faingana.
      33Mes petits enfants, je ne suis plus avec vous que pour peu de temps. Vous me chercherez et comme j’ai dit aux Juifs, Là où je vais vous ne pouvez venir, à vous aussi maintenant je le dis.       33Anaka, kely fotoana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe : Izay alehako tsy azonareo aleha, no lazaiko aminareo koa ankehitriny.

Le commandement nouveau de l’amour (Jn 13, 34-35)

Ny didy vaovao ny fitiavana (Jn 13, 34-35)

      34Je vous donne un commandement nouveau : c’est de vous aimer les uns les autres. Comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.       34Didy vaovao no omeko anareo, dia izao : Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
      35Ce qui montrera à tous les hommes que vous êtes mes disciples, c’est l’amour que vous aurez les uns pour les autres.       35Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. »

Annonce du reniement de Pierre (Jn 13, 36-38)

Ny fanambaran’ny fandavan’i Piera (Jn 13, 36-38)

36Simon-Pierre lui dit :

–     « Seigneur, où vas-tu ? »

Jésus lui répondit :

–     « Là où je vais, tu ne peux me suivre maintenant, mais tu me suivras plus tard. »

36Hoy i Simôna Piera taminy :

–     « Ho aiza Ianao, Tompoko ? »

Dia hoy i Jesoa :

–     « Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao.

37Pierre lui répondit :

–     « Seigneur, pourquoi ne puis-je te suivre tout de suite ? Je me dessaisirai de ma vie pour toi ! »

37Ary hoy i Piera taminy :

–     « Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny ? Hafoiko ho anao hatramin’ny aiko aza. »

38Jésus répondit :

–     « Te dessaisir de ta vie pour moi ! En vérité, en vérité, je te le dis, trois fois tu m’auras renié avant qu’un coq ne se mette à chanter. »

38Fa hoy i Jesoa :

–     « Hafoinao ho Ahy hoe ny ainao ? Lazaiko marina dia marina aminao : Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao. »

Jean chapitre 14

Joany toko faha-14

Je suis le chemin, la vérité et la vie (Jn 14, 1-6)

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana (Jn 14, 1-6)

      1Ne soyez donc pas bouleversés : vous croyez en Dieu, croyez aussi en moi.       1Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
      2Dans la maison de mon Père beaucoup pourront trouver leur demeure, sinon, est-ce que je vous aurais dit : ‘Je pars vous préparer une place ?’       2Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho : ‘fa handeha Aho hanamboatra toerana ho anareo,
      3Quand je serai allé vous la préparer, je reviendrai vous prendre avec moi ; et là où je suis, vous serez vous aussi.       3ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
      4Pour aller où je m’en vais, vous savez le chemin. »       4Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako. »
5Thomas lui dit :

–     « Seigneur, nous ne savons même pas où tu vas, comment pourrions-nous savoir le chemin ? »

5Dia hoy i Tôma taminy :

–     « Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no hahafantaranay ny lalana ? »

6Jésus lui dit :

–     « Moi, je suis le Chemin, la Vérité et la Vie ; personne ne va vers le Père sans passer par moi.

6Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Seigneur, montre-nous le Père (Jn 14, 7-11)

Asehoy anay ny Ray, Tompoko (Jn 14, 7-11)

      7Si vous me connaissiez, vous connaîtriez aussi mon Père. Dès à présent, vous le connaissez et vous l’avez vu. »       7Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa ; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy ».
8Philippe lui dit :

–     « Seigneur, montre-nous le Père ; cela nous suffit. »

8Dia hoy i Filipo taminy :

–     « Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany ».

9Jésus lui répond :

–     « Il y a si longtemps que je suis avec vous, et tu ne me connais pas, Philippe ! Celui qui m’a vu a vu le Père. Comment peux-tu dire : ‘Montre-nous le Père’ ? »

9Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo ? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa ; ka ahoana no anaovanao hoe : asehoy anay ny Ray ?

      10Tu ne crois donc pas que je suis dans le Père et que le Père est en moi ! Les paroles que je vous dis, je ne les dis pas de moi-même ; mais c’est le Père qui demeure en moi, et qui accomplit ses propres œuvres.       10Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko ; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
      11Croyez ce que je vous dis : je suis dans le Père, et le Père est en moi ; si vous ne croyez pas ma parole, croyez au moins à cause des œuvres.       11Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko ; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.

Demandez en mon nom (Jn 14, 12-14)

angatao amin’ny Ray amin’ny Anarako (Jn 14, 12-14)

      12Amen, amen, je vous le dis, celui qui croit en moi accomplira les mêmes œuvres que moi. Il en accomplira même de plus grandes, puisque je pars vers le Père.       12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy satria mankany amin’ny Ray aho
      13Tout ce que vous demanderez en invoquant mon nom, je le ferai, pour que le Père soit glorifié dans le Fils.       13ka izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
      14Si vous me demandez quelque chose en invoquant mon nom, moi je le ferai. »       14Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany. »

je prierai le Père, et il vous donnera un autre Défenseur (Jn 14, 15-31)

Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jn 14, 15-31)

      15Si vous m’aimez, vous resterez fidèles à mes commandements.       15Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.
      16Moi, je prierai le Père, et il vous donnera un autre Défenseur qui sera pour toujours avec vous       16Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay,
      17C’est lui l’Esprit de vérité, celui que le monde est incapable d’accueillir parce qu’il ne le voit pas et qu’il ne le connaît pas. Vous, vous le connaissez, car il demeure auprès de vous et il est en vous.       17dia ny Fanahy fahamarinana izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra eo anilanareo sy ho ao anatinareo Izy.
      18Je ne vous laisserai pas orphelins, je viens à vous.       18Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatý aminareo Aho.
      19Encore un peu, et le monde ne me verra plus ; vous, vous me verrez vivant et vous vivrez vous aussi.       19Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao ; fa, ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo.
      20En ce jour-là, vous connaîtrez que je suis en mon Père et que vous êtes en moi et moi en vous.       20Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao anatin’ny Raiko, ianareo ato anatiko, ary Izaho ao anatinareo.
      21Celui qui a reçu mes commandements et y reste fidèle, c’est celui-là qui m’aime ; et celui qui m’aime sera aimé de mon Père ; moi aussi je l’aimerai, et je me manifesterai à lui. »       21Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy ; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny tenako aminy Aho. »
22Jude lui demanda :

« Seigneur, pour quelle raison vas-tu te manifester à nous, et non pas au monde ? »

Ary i Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe :

–     « Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa ? »

23Jésus lui répondit :

« Si quelqu’un m’aime, il restera fidèle à ma parole ; mon Père l’aimera, nous viendrons chez lui, nous irons demeurer auprès de lui.

23Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe :

–     « Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankeo aminy izahay ka honina ao aminy.

      24Celui qui ne m’aime pas ne restera pas fidèle à mes paroles. Or la parole que vous entendez n’est pas de moi : elle est du Père, qui m’a envoyé.       24Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko ; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy.
      25Je vous ai dit cela pendant que je demeure encore avec vous ;       25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.
      26Mais le Défenseur, l’Esprit Saint que le Père enverra en mon nom, lui, vous enseignera tout, et il vous fera souvenir de tout ce que je vous ai dit.       26Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
      27C’est la paix que je vous laisse, c’est ma paix que je vous donne ; ce n’est pas à la manière du monde que je vous la donne. Ne soyez donc bouleversés et effrayés.       27Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
      28Vous avez entendu ce que je vous ai dit : ‘Je m’en vais et je reviens vers vous’. Si vous m’aimiez, vous seriez dans la joie puisque je pars vers le Père, car le Père est plus grand que moi.       28Efa renareo fa izao no voalazako taminareo : ‘Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray.
      29Je vous ai dit ces choses maintenant, avant qu’elles n’arrivent ; ainsi, lorsqu’elles arriveront, vous croirez.       29Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia mba hinoanareo rahefa tonga izany.
      30Désormais, je ne parlerai plus beaucoup avec vous, car le prince du monde va venir. Certes, il n’y a rien en moi qui puisse lui donner prise,       30Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny filohan’izao tontolo izao ; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,
      31mais il faut que le monde sache que j’aime mon Père, et que je fais tout ce que mon Père m’a commandé. Levez-vous, partons d’ici ! »       31fa mba ho fantratr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.

Jean chapitre 15

Joany toko faha-15

Je suis la vraie vigne, et mon Père est le vigneron (Jn 15, 1-8)

Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly (Jn 15, 1-8)

      1Je suis la vraie vigne, et mon Père est le vigneron.       1Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.
      2Tout sarment qui est en moi, mais qui ne porte pas de fruit, mon Père l’enlève ; tout sarment qui donne du fruit, il le nettoie, pour qu’il en donne davantage.       2Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
      3Mais vous, déjà vous voici nets et purifiés grâce à la parole que je vous ai dite : ‘Demeurez en moi, comme moi en vous.’       3Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. Mitomoera ao amiko, ary izaho hitoetra ao aminareo.
      4De même que le sarment ne peut pas porter du fruit par lui-même s’il ne demeure pas sur la vigne, de même vous non plus, si vous ne demeurez pas en moi.       4Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
      5Moi, je suis la vigne, et vous, les sarments. Celui qui demeure en moi, et en qui je demeure, celui-là donne beaucoup de fruit, car, en dehors de moi, vous ne pouvez rien faire.       5Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako dia mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
      6Si quelqu’un ne demeure pas en moi, il est comme un sarment qu’on a jeté dehors, et qui se dessèche. Les sarments secs, on les ramasse, on les jette au feu, et ils brûlent.       6Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina, ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
      7Si vous demeurez en moi, et que mes paroles demeurent en vous, demandez tout ce que vous voudrez, et vous l’obtiendrez.       7Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
      8Ce qui fait la gloire de mon Père, c’est que vous donniez beaucoup de fruit : ainsi, vous serez pour moi des disciples.       8Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.

Demeurez dans mon amour (Jn 15, 9-27)

Mitomoera amin’ny fitiavako ianareo (Jn 15, 9-27)

      9Comme le Père m’a aimé, moi aussi je vous ai aimés. Demeurez dans mon amour.       9Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
      10Si vous êtes fidèles à mes commandements, vous demeurerez dans mon amour, comme moi, j’ai gardé fidèlement les commandements de mon Père et je demeure dans son amour.       10Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
      11Je vous ai dit cela pour que ma joie soit en vous, et que vous soyez comblés de ma joie.       11Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
      12Mon commandement, le voici : « Aimez-vous les uns les autres comme je vous ai aimés.       12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
      13Il n’y a pas de plus grand amour que de donner sa vie pour ses amis.       13Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
      14Vous êtes mes amis si vous faites ce que je vous commande.       14Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
      15Je ne vous appelle plus serviteurs, car le serviteur ignore ce que veut faire son maître ; maintenant, je vous appelle mes amis, car tout ce que j’ai appris de mon Père, je vous l’ai fait connaître.       15 Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
      16Ce n’est pas vous qui m’avez choisi, c’est moi qui vous ai choisis et établis afin que vous partiez, que vous donniez du fruit et que votre fruit demeure. Alors tout ce que vous demanderez au Père en mon nom, il vous l’accordera.       16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
      17Ce que je vous commande, c’est de vous aimer les uns les autres.       17Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.
      18Si le monde a de la haine contre vous, sachez qu’il en a eu d’abord contre moi.       18Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo.
      19Si vous appartenez au monde, le monde vous aimerait, car vous seriez à lui.       19Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy ;
      20Mais vous n’appartenez pas au monde, puisque je vous ai choisis en vous prenant dans le monde ; voilà pourquoi le monde a de la haine contre vous.       20fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.
      21Rappelez-vous la parole que je vous ai dite : ‘Le serviteur n’est pas plus grand que son maître’ ; si l’on m’a persécuté, on vous persécutera aussi. Si l’on a observé ma parole, on observera aussi la vôtre.       21Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe : ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo ; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
      22Les gens vous traiteront ainsi à cause de moi, parce qu’ils ne connaissent pas celui qui m’a envoyé.       22Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.
      23Celui qui me hait, hait aussi mon Père.       23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
      24Si je n’avais pas fait au milieu d’eux ces œuvres que nul autre n’a faites, ils n’auraient pas de péché ; mais à présent qu’ils les ont vues, ils continuent à nous haïr, et moi et mon Père ;       24Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy ; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.
      25mais c’est pour que s’accomplisse la parole qui est écrite dans leur Loi : Ils m’ont haï sans raison.       25Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàny hoe : ‘Nankahala Ahy tsy amin’antony izy ireo.
      26Quand viendra le Défenseur, que je vous enverrai d’auprès du Père, lui, l’Esprit de vérité qui procède du Père, il rendra témoignage en ma faveur ;       26Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, na ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy.
      27Et vous aussi, vous rendrez témoignage, vous qui êtes avec moi depuis le commencement.       27Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo.

Jean chapitre 16

Joany toko faha-16

On vous excluera des synagogues (Jn 16, 1-4)

Fa horoahiny amin’ny sinagôga ianareo (Jn 16, 1-4)

      1Je vous ai dit tout cela pour que vous ne risquiez pas de tomber.       1Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo.
      2On vous exclura de la synagogue. Et même, l’heure vient où tous ceux qui vous tueront s’imagineront offrir ainsi un sacrifice à Dieu.       2Fa horoahiny amin’ny sinagôga ianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
      3Ils le feront parce qu’ils ne connaissent ni le Père ni moi       3Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy misy fantany na ny Ray na Izaho.
      4Mais voici pourquoi je vous dis tout cela : quand cette heure sera venue, vous vous souviendrez que je vous l’avais dit. Je ne vous l’ai pas dit dès le commencement parce que j’étais avec vous.       4Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany.

Si je ne m’en vais pas, le Défenseur ne viendra pas à vous (Jn 16, 5-12)

Raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo (Jn 16, 5-12)

      5Je m’en vais maintenant auprès de celui qui m’a envoyé, et aucun d’entre vous ne me demande : ‘Où vas-tu ?’       5Fa ankehitriny handeha Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe : ‘Ho aiza Ianao ?’
      6Mais, parce que je vous ai parlé ainsi, votre cœur est plein de tristesse.       6Fa noho Izaho nilaza izany taminareo dia feno alahelo ny fonareo.
      7Pourtant, je vous dis la vérité : C’est votre intérêt que je m’en aille, car, si je ne m’en vais pas, le Défenseur ne viendra pas à vous ; mais si je pars, je vous l’enverrai.       7Milaza ny marina aminareo anefa Aho fa mahasoa anareo ny handehanako ; satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo ; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho aty aminareo.
      8Quand il viendra, il dénoncera l’erreur du monde sur le péché, sur le bon droit, et sur la condamnation.       8Ary rahefa tonga Izy, dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana :
      9Il montrera où est le péché car on ne croit pas en moi.       9ny amin’ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ireo ;
      10Il montrera où est le bon droit, car je m’en vais auprès du Père et vous ne me verrez plus.       10 ny amin’ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony ;
      11Il montrera où est la condamnation, car le Prince de ce monde est déjà condamné.       11ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny filohan’izao tontolo izao.
      12J’aurais encore bien des choses à vous dire, mais pour l’instant vous n’avez pas la force de les porter.       12Mbola mana-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny ;

L’Esprit vous guidera vers la vérité toute entière (Jn 16, 13-15)

Ny Fanahy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra (Jn 16, 13-15)

      13Quand il viendra, lui, l’Esprit de vérité, il vous guidera vers la vérité toute entière. En effet, ce qu’il dira ne viendra pas de lui-même : il redira tout ce qu’il aura entendu, et ce qui va venir, il vous le fera connaître.       13fa rahefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho avy no hambarany aminareo.
      14Il me glorifiera, car il reprendra ce qui vient de moi pour vous le faire connaître.       14Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo.
      15Tout ce qui appartient au Père est à moi ; voilà pourquoi je vous ai dit : il reprend ce qui vient de moi pour vous le faire connaître.       15Ahy Izay rehetra ananan’ny Raiko ; ka izany no nanaovako hoe : Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo.

Votre peine se changera en joie (Jn 16, 16-22)

Hody hafaliana ny alahelonareo (Jn 16, 16-22)

      16Encore un peu et vous ne m’aurez plus sous les yeux, et puis encore un peu et vous me verrez. »       16Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo ; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho. »
17Certains de ses disciples se dirent alors entre eux :

–     « Qu’a-t-il voulu nous dire : Encore un peu et vous ne m’aurez plus sous les yeux, et puis encore un peu et vous me verrez ; ou encore : Je vais au Père ?

17Tamin’izay ny mpianany sasany dia nifampilaza hoe :

–     « Ahoana no ilazany amintsika hoe : Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahitra Ahy intsony ianareo ; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho ? »

      18Que signifie donc ce un peu, disaient-ils, nous ne comprenons pas ce qu’il veut dire ! » 18Dia hoy izy ireo :

–     « Inona izany lazainy hoe : Rahefa afaka kelikely ? Tsy fantatsika izay lazainy. »

19Sachant qu’ils désiraient l’interroger, Jésus leur dit :

–     « Vous cherchez entre vous le sens de ma parole : Encore un peu et vous ne m’aurez plus sous les yeux, et puis encore un peu et vous me verrez.

Ary fantatr’i Jesoa fa te hanontany Azy izy ireo, ka hoy Izy taminy :

–     « Ianareo mifanontany ny amin’ny teniko hoe : Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahitra Ahy intsony ianareo ; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo.

      20Amen, amen, je vous le dis : vous allez pleurer et vous lamenter, tandis que le monde se réjouira. Vous serez dans la peine, mais votre peine se changera en joie.       20Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao ; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.
      21La femme qui enfante est dans la peine parce que son heure est arrivée. Mais, quand l’enfant est né, elle ne se souvient plus de son angoisse, dans la joie qu’elle éprouve du fait qu’un être humain est né dans le monde.       21Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany ; nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.
      22Vous aussi, maintenant, vous êtes dans la peine, mais je vous reverrai, et votre cœur se réjouira ; et votre joie, personne ne vous l’enlèvera.       22Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.

Demandez au Père en mon nom (Jn 16, 23-28)

Angataho amin’ny Ray amin’ny Anarako (Jn 16, 23-28)

      23En ce jour-là, vous n’aurez plus à m’interroger. Amen, amen, je vous le dis : si vous demandez quelque chose à mon Père en invoquant mon nom, il vous le donnera.       23Amin’izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hagantahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny Anarako.
      24Jusqu’ici vous n’avez rien demandé en invoquant mon nom ; demandez, et vous recevrez : ainsi vous serez comblés de joie.       24Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo ; mangataha ary dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
      25J’ai employé des paraboles pour vous parler de tout cela. L’heure vient où, sans employer de paraboles, je vous annoncerai ouvertement tout ce qui concerne le Père.       25Fanoharana no nilazako izany taminareo ; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.
      26Ce jour-là, vous demanderez en invoquant mon nom ; or, je ne vous dis pas que c’est moi qui prierai le Père pour vous,       26Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo, ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho,
      27Car le Père lui-même vous aime, parce que vraiment vous m’aimez, et vous croyez que je suis venu d’auprès de Dieu.       27satria ny Ray tia anareo koa, noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho.
      28Je suis sorti du Père, et je suis venu dans le monde ; maintenant, je quitte le monde, et je pars vers le Père. »       28Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho ; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho. »

J’ai vaincu le monde (Jn 16, 29-33)

Efa nandresy an’izao tontolo izao Aho (Jn 16, 29-33)

29Ses disciples lui dirent :

–     « Voici que tu parles ouvertement, sans employer de paraboles.

29Ny mpianany nanao taminy hoe :

–     « Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.

      30Maintenant nous savons que tu sais toutes choses, et qu’il n’y a pas besoin de t’interroger : voilà pourquoi nous croyons que tu es venu de Dieu. »       30Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona : izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao. »
31Jésus leur répondit :

–     « C’est maintenant que vous croyez !

32I Jesoa namaly azy hoe :

–     « Mino ange ianareo ankehitriny ?

      32 L’heure vient, et même elle est venue, où vous serez dispersés chacun de son côté, et vous me laisserez seul ; pourtant, je ne suis pas seul, puisque mon Père est avec moi.       33Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery ; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.
      33Je vous ai dit tout cela pour que vous trouviez en moi la paix. Dans le monde, vous trouverez la détresse, mais ayez confiance : moi, je suis vainqueur du monde. »       33Izaho no nilaza izany taminareo, dia ny mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho. »

Jean chapitre 17

Joany toko faha-17

La vie éternelle c’est qu’ils te connaissent (Jn 17, 1-11)

Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao (Jn 17, 1-11)

1A l’heure où Jésus passait de ce monde à son Père, il leva les yeux au ciel et pria ainsi :

–     « Père, l’heure est venue. Glorifie ton Fils, afin que le Fils te glorifie.

1Tamin’izany, andro izany, i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe :

–     « Raiko ô, tonga ny fotoana : omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,

      2Ainsi, comme tu lui as donné autorité sur tout être vivant, il donnera la vie éternelle à tous ceux que tu lui as donnés.       2fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
      3Or, la vie éternelle, c’est de te connaître, toi, le seul Dieu, le vrai Dieu, et de connaître celui que tu as envoyé, Jésus Christ.       3Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
      4Moi, je t’ai glorifié sur la terre en accomplissant l’œuvre que tu m’avais confiée.       4Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
      5Toi, Père, glorifie-moi maintenant auprès de toi : donne-moi la gloire que j’avais auprès de toi avant le commencement du monde.       5Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô, ny manome voninahitra Ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
      6J’ai fait connaître ton nom aux hommes que tu as pris dans le monde pour me les donner. Ils étaient à toi, tu me les as donnés, et ils ont gardé fidèlement ta parole.       6Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy eo amin’izao tontolo izao Aho ; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
      7Maintenant, ils ont reconnu que tout ce que tu m’as donné vient de toi,       7Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy ;
      8car je leur ai donné les paroles que tu m’avais données : ils les ont reçues, ils ont vraiment reconnu que je suis venu d’auprès de toi, et ils ont cru que cétait toi qui m’avais envoyé.       8satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny ; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
      9Je prie pour eux ; ce n’est pas pour le monde que je prie, mais pour ceux que tu m’as donnés : ils sont à toi       9Mangataka ho azy ireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo
      10et tout ce qui est à moi est à toi, comme tout ce qui est à toi est à moi, et je trouve ma gloire en eux.       10(Jn fa anao izay ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra), ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.

Garde mes disciples dans la fidélité à ton nom (Jn 17, 11-16)

Tahirizo amin’ny Anaranao ireo izay nomenao Ahy  (Jn 17, 11-16)

      11Désormais, je ne suis plus dans le monde ; eux, ils sont dans le monde, et moi, je viens vers toi. Père saint, garde mes disciples dans la fidélité à ton nom que tu m’as donné en partage, pour qu’ils soient un, comme nous-mêmes.       11Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho ; izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao. Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka antsika izy.
      12Quand j’étais avec eux, je les gardais dans la fidélité à ton nom que tu m’as donné. J’ai veillé sur eux, et aucun ne s’est perdu, sauf celui qui s’en va à sa perte de sorte que l’Ecriture soit accomplie.       12Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Sorotra Masina.
      13Et maintenant que je viens à toi, je parle ainsi, en ce monde, pour qu’ils aient en eux ma joie, et qu’ils en soient comblés.       13Ankehitriny, mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.
      14Je leur ai fait don de ta parole, et le monde les a pris en haine parce qu’ils ne sont pas du monde, de même que moi je ne suis pas du monde.       14Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.
      15Je ne demande pas que tu les retires du monde, mais que tu les gardes du Mauvais.       15Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy.
      16Ils ne sont pas du monde, comme moi je ne suis pas du monde.       16Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa.

Consacre-les par ta vérité (Jn 17, 17-20)

Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo (Jn 17, 17-20)

      17Consacre-les par ta vérité : ta parole est vérité.       17Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana.
      18De même que tu m’as envoyé dans le monde, moi aussi, je les ai envoyés dans le monde, moi aussi, je les ai envoyés dans le monde.       18Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa.
      19Et pour eux je me consacre moi-même, afin qu’ils soient, eux aussi, consacrés par la vérité.       19Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.
      20Je ne prie pas seulement pour ceux qui sont là, mais encore pour ceux qui accueilleront leur parole et croiront en moi :       20Ray masina ô, tsy ho azy ireto ihany no angatahako fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa :

Que tous soient Un (Jn 17, 21-23)

Mba ho iray izy rehetra (Jn 17, 21-23)

      21Que tous ils soient Un, comme toi, Père, tu es en moi, et moi en toi. Qu’ils soient un en nous, eux aussi, pour que le monde croie que tu m’as envoyé.       21mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.
      22Et moi, je leur ai donné la gloire que tu m’as donnée, pour qu’ils soient un comme nous sommes un :       22Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny maha-iray Antsika :
      23moi en eux, et toi en moi. Que leur unité soit parfaite ; ainsi, le monde saura que tu m’as envoyé, et que tu les as aimés comme tu m’as aimé.       23Izaho moa ao aminy Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.

Que là où je suis, eux aussi soient avec moi (Jn 17, 24-26)

Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy (Jn 17, 24-26)

      24Père, ceux que tu m’as donnés, je veux que là où je suis, eux aussi soient avec moi, et qu’ils contemplent ma gloire, celle que tu m’as donnée parce que tu m’as aimé avant même la création du monde.       24Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.
      25Père juste, le monde ne t’a pas connu, mais moi je t’ai connu, et ils ont reconnu, eux aussi, que tu m’as envoyé.       25Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
      26Je leur ai fait connaître ton nom, et je le ferai connaître encore : pour qu’ils aient en eux l’amour dont tu m’as aimé, et que moi aussi, je sois en eux. »       26Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho. »

Jean chapitre 18

Joany toko faha-18

Arrestation de Jésus (Jn 18, 1-12)

Ny nisamborana an’i Jesoa (Jn 18, 1-12)

1Ayant ainsi parlé, Jésus s’en alla, avec ses disciples, au-delà du torrent du Cédron ; il y avait là un jardin où il entra avec ses disciples. 1Rahefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy sy ny mpianany nankany an-dafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany.
2Or Judas, qui le livrait, connaissait l’endroit, car Jésus s’y était maintes fois réuni avec ses disciples. 2Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika.
3Il prit la tête de la cohorte et des gardes fournis par les grands prêtres et les Pharisiens, il gagna le jardin avec torches, lampes et armes. 3Ka nony voarain’i Jodasy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny mpisorombe sy ny farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo ary fiadiana.
4Jésus, sachant tout ce qui allait lui arriver, s’avança et leur dit :

–     « Qui cherchez-vous ? »

4I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjó Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe :

–     « Iza no tadiavinareo ? »

5Ils lui répondirent :

–     « Jésus le Nazôréen. »

Il leur dit :

–     « C’est moi. »

Or, parmi eux, se tenait Judas qui le livrait.

5Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy :

–     « I Jesoa avy any Nazareta. »

Ka hoy i Jesoa taminy :

–     « Izaho no Izy. »

Eo koa izany i Jodasy ilay nanolotra Azy.

6Dès que Jésus leur eut dit c’est moi, ils eurent un mouvement de recul et tombèrent. 6Vao nilazan’i Jesoa hoe Izaho no Izy, dia nianotra izy ireo, ka nankarapoka tamin’ny tany.
7A nouveau, Jésus leur demanda :

–     « Qui cherchez-vous ? »

Ils répondirent :

–     « Jésus le Nazôréen. »

7Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe :

–     « Iza no tadiavinareo ?

Dia hoy izy ireo :

–     « I Jesoa avy any Nazareta. »

8Jésus leur répondit :

–     « Je vous l’ai dit, c’est moi. Si donc c’est moi que vous cherchez, laissez aller ceux-ci. »

8Ka novalian’i Jesoa hoe :

–     « Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy ; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto. »

9C’est ainsi que devait s’accomplir la parole que Jésus avait dite : « Je n’ai perdu aucun de ceux que tu m’as donnés. » 9Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe : « Tsy nisy very izay nomenao Ahy, na dia iray aza.
10Alors Simon-Pierre, qui portait un glaive, dégaina et frappa le serviteur du grand prêtre, auquel il trancha l’oreille droite ; le nom de ce serviteur était Malchus. 10Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon’ny mpisorombe, ka afaka tery ny sofiny ankavanana : i Malkosy no anaran’ilay mpanompo.
11Mais Jésus dit à Pierre :

–     « Remets ton glaive au fourreau ! La coupe que le Père m’a donnée, ne la boirai-je pas ? »

11Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera :

–     « Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao ; tsy hiaretako ve ny anjara fijaliana nomen’ny Ray ahy ? »

12La cohorte avec son commandant et les gardes des Juifs saisirent donc Jésus, et ils le ligotèrent. 12Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa, ka namatotra Azy.

Jésus chez Hanne puis Caïphe et reniement de Pierre (Jn 18, 13-27)

I Jesoa teo anatrean’i Hana sy i Kaifa. Ny fandavan’i Piera (Jn 18, 13-27)

13Ils le conduisirent tout d’abord chez Hanne. Celui-ci était le beau-père de Caïphe, qui était le Grand Prêtre cette année-là ; 13Tany amin’i Hana aloha no nitondrany azy, fa io no rafozan’i Kaifa izay mpisorombe tamin’izany taona izany ;
14c’est ce même Caïphe qui avait suggéré aux Juifs : il est avantageux qu’un seul homme meure pour le peuple. 14ary i Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray.
15Simon-Pierre et un autre disciple avaient suivi Jésus. Comme ce disciple était connu du Grand Prêtre, il entra avec Jésus dans le palais du Grand Prêtre. 15Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa ; ary fantatry ny mpisorombe ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao amin’ny tokotanin’ny mpisorombe.
16Pierre se tenait à l’extérieur, près de la porte ; l’autre disciple, celui qui était connu du Grand Prêtre, sortit, s’adressa à la femme qui gardait la porte et fit entrer Pierre. 16Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ny mpianatra izay fantantry ny mpisorombe, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.
17La servante qui gardait la porte lui dit :

–     « N’es-tu pas, toi aussi, un des disciples de cet homme ? »

Pierre répondit :

–     « Je n’en suis pas ! »

17Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Piera :

–     « Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa ve ianao ? »

Ary hoy izy :

–     « Tsia. »

18Les serviteurs et les gardes avaient fait un feu de braise car il faisait froid et ils se chauffaient ; Pierre se tenait avec eux et se chauffait aussi. 18Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera.
19Le Grand Prêtre se mit à interroger Jésus sur ses disciples et sur son enseignement. 19Ary ny mpisorombe nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany,
20Jésus lui répondit :

–     « J’ai parlé ouvertement au monde, j’ai toujours enseigné dans les synagogues et dans le temple où tous les Juifs se rassemblent, et je n’ai rien dit en secret.

20ka hoy i Jesoa namaly azy :

–     « Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy ny tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona ;

      21Pourquoi est-ce moi que tu interroges ? Ce que j’ai dit, demande-le à ceux qui m’ont écouté : ils savent bien ce que j’ai dit. »       21ka ahoana no anontanianao Ahy ? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko. »
22A ces mots, un des gardes qui se trouvait là gifla Jésus en disant :

–     « C’est ainsi que tu réponds au Grand Prêtre ? »

22Nony nilaza izany i Jesoa, dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe :

–     « Izany ve no famalinao ny mpisorombe ? »

23Jésus lui répondit :

–     « Si j’ai mal parlé, montre en quoi ; si j’ai bien parlé, pourquoi me frappes-tu ? »

23I Jesoa namaly azy hoe :

–     « Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy ; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao ? »

24Là-dessus, Hanne envoya Jésus ligoté à Caïphe, le Grand Prêtre. 24Dia nasain’i Hana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa mpisorombe Izy.
25Cependant Simon-Pierre était là qui se chauffait. On lui dit :

–     « N’es-tu pas, toi aussi, l’un de ses disciples ? »

Pierre nia en disant :

–     « Je n’en suis pas ! »

25Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo ihany, ka nisy nanao taminy hoe :

–     « Moa tsy isan’ny mpianany koa ve ianao ? »

Fa nandà izy nanao hoe :

–     « Tsia. »

26Un des serviteurs du Grand Prêtre, parent de celui auquel Pierre avait tranché l’oreille, lui dit :

–     « Ne t’ai-je pas vu dans le jardin avec lui ? »

26Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny mpisorombe, izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina :

–     « Tsy ianao ve ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha ? »

27A nouveau Pierre le nia, et au même moment un coq chanta. 27Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.

Devant Pilate (Jn 18, 28-40)

I Jesoa teo anatrehan’i Pilato (Jn 18, 28-40)

28Cependant on avait emmené Jésus de chez Caïphe à la résidence du gouverneur. C’était le point du jour. Ceux qui l’avaient amené n’entrèrent pas dans la résidence pour ne pas se souiller et pouvoir manger la Pâque. 28Dia nentin-dry zareo niala tao amin’i Kaifa i Jesoa, ho any an-tranon’ny governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka.
29Pilate vint donc les trouver à l’extérieur et dit :

–     « Quelle accusation portez-vous contre cet homme ? »

29Koa i Pilato no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe :

–     « Inona no iampanganareo io Lehilahy io ? »

30Ils répondirent :

–     « Si cet individu n’avait pas fait le mal, te l’aurions-nous livré ? »

30Dia hoy ny navalin’izy ireo azy :

–     « Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy ho natolotray anao. »

31Pilate leur dit alors :

–     « Prenez-le et jugez-le vous-mêmes suivant votre loi. »

Les Juifs lui dirent :

–     « Il ne nous est pas permis de mettre quelqu’un à mort ! »

31Ka hoy i Pilato taminy :

–     « Ento Izy, ka tsarao araka ny lalànareo ».

Fa hoy ny Jody namaly azy :

–     « Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay. »

32C’est ainsi que devait s’accomplir la parole par laquelle Jésus avait signifié de quelle mort il devait mourir. 32Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjo Azy.
33Pilate rentra donc dans la résidence. Il appela Jésus et lui dit :

–     « Es-tu le roi des Juifs ? »

33Dia niditra tao an-trano i Pilato, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe :

–     « Moa Mpanjakan’ny Jody ve Ianao ? »

34Jésus lui répondit :

–     « Dis-tu cela de toi-même ou d’autres te l’ont-ils dit de moi ? »

34I Jesoa namaly hoe :

–     « Anao samirery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao ? »

35Pilate lui répondit :

–     « Est-ce que je suis Juif, moi ? Ta propre nation, les grands prêtres t’ont livré à moi ! Qu’as-tu fait ? »

35Dia namaly i Pilato nanao hoe :

–     « F’izaho angaha Jody ? Ny firenenao sy ny lohandoha-mpisorona no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao ? »

36Jésus répondit :

–     « Ma royauté n’est pas de ce monde. Si ma royauté était de ce monde, les miens auraient combattu pour que je ne sois pas livré aux Juifs. Mais ma royauté, maintenant, n’est pas d’ici. »

36I Jesoa namaly hoe :

–     « Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakàko, fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakàko, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho ; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakàko. »

37Pilate lui dit alors :

–     « Tu es donc roi ? »

Jésus lui répondit :

–     « C’est toi qui dis que je suis roi. Je suis né et je suis venu dans le monde pour rendre témoignage à la vérité. Quiconque est de la vérité écoute ma voix. »

37Dia hoy i Pilato taminy :

–     « Koa Mpanjaka izany Ianao ? »

Ary novalian’i Jesoa hoe :

–     « Efa voalazanao. Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatý an-tany mba hijoro ho vavolombelona hanambara ny marina, ka izay rehetra voatariky ny marina, dia mihaino ny feoko. »

38Pilate lui dit :

–     « Qu’est-ce que la vérité ? »

Sur ce mot, il alla de nouveau trouver les Juifs au-dehors et leur dit :

–     « Pour ma part, je ne trouve contre lui aucun chef d’accusation.

38Dia hoy i Pilato taminy :

–     « Inona ny marina ? »

Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe :

–     « Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza ;

      39Mais comme il est d’usage chez vous que je vous relâche quelqu’un au moment de la Pâque, voulez-vous donc que je vous relâche le roi des Juifs ? »       39fa araka ny fanao amin’ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho ; koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody ? »
40Alors ils se mirent à crier :

–     « Pas celui-là, mais Barabbas ! »

Or ce Barabbas était un brigand.

40Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe :

–     « Tsy Izy, fa i Barabasy ».

Kanefa jiolahy i Barabasy.

Jean chapitre 19

Joany toko faha-19

Flagellation, et couronnement d’épines (Jn 19, 1-7)

Fikapohana sy fisehoana tsilo (Jn 19, 1-7)

1Alors Pilate emmena Jésus et le fit fouetter. 1Tamin’izany, nalain’i Pilato i Jesoa ka nasainy nokapohina.
2Les soldats, qui avaient tressé une couronne avec des épines, la lui mirent sur la tête et ils jetèrent sur lui un manteau de pourpre. 2Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba jaky Izy.
3Ils s’approchaient de lui et disaient :

–     « Salut, le roi des Juifs ! »

et ils se mirent à lui donner des coups.

3Rahefa izany, dia nanatona Azy izy ireo, ka sady namely tehamaina azy no nanao hoe :

–     « Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody. »

4Pilate retourna à l’extérieur et dit aux Juifs :

–     « Voyez, je vais vous l’amener dehors : vous devez savoir que je ne trouve aucun chef d’accusation contre lui. »

4Dia nivoaka indray i Pilato ka nanao tamin’ny Jody hoe :

–     « Indro Izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza. »

5Jésus vint alors à l’extérieur ; il portait la couronne d’épines et le manteau de pourpre. Pilate leur dit :

–     « Voici l’homme ! »

5Tamin’izay nivoaka i Jesoa misatroka fehiloha tsilo sy mitafy lamba jaky, ka hoy i Pilato tamin’ny Jody :

–     « Indro ny lehilahy ! »

6Mais dès que les grands prêtres et leurs gens le virent, ils se mirent à crier :

–     « Crucifie-le ! Crucifie-le ! »

Pilate leur dit :

–     « Prenez-le vous-mêmes et crucifiez-le ; quant à moi, je ne trouve pas de chef d’accusation contre lui. »

6Nony nahita azy ny lohandoha-mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe :

–     « Fantsiho, fantsiho amin’ny Hazofijaliana izy. »

Fa hoy i Pilato tamin’izy ireo :

–     « Ento àry Izy ka fantsihonareo, fa izaho tsy mba mahita izay helony. »

7Les Juifs lui répliquèrent :

–     « Nous avons une loi, et selon cette loi il doit mourir parce qu’il s’est fait Fils de Dieu ! »

7Dia hoy ny Jody namaly azy :

–     « Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra. »

Condamnation à mort (Jn 19, 8-15)

Ny nanamelohana ho faty (Jn 19, 8-15)

8Lorsque Pilate entendit ce propos, il fut de plus en plus effrayé. 8Nandre izany i Pilato dia vao mainka natahotra.
9Il regagna la résidence et dit à Jésus :

–     « D’où es-tu, toi ? »

Mais Jésus ne lui fit aucune réponse.

9Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe :

–     « Avy aiza moa Ianao ? »

Fa tsy namaly azy i Jesoa.

10Pilate lui dit alors :

–     « C’est à moi que tu refuses de parler ! Ne sais-tu pas que j’ai le pouvoir de te relâcher comme j’ai le pouvoir de te faire crucifier ? »

10Ka hoy i Pilato taminy :

–     « Izaho indray ve no tsy itenenanao ? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho, no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa ? »

11Mais Jésus lui répondit :

–     « Tu n’aurais sur moi aucun pouvoir s’il ne t’avait été donné d’en haut ; et c’est bien pourquoi celui qui m’a livré à toi porte un plus grand péché. »

11Dia hoy i Jesoa hoe :

–     « Tsy hanam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany ; koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao. »

12Dès lors, Pilate cherchait à le relâcher, mais les Juifs se mirent à crier et ils disaient :

–     « Si tu le relâchais, tu ne te conduirais pas comme l’ami de César ! Car quiconque se fait roi, se déclare contre César. »

12Hatramin’izay dia nitady handefa an’i Jesoa i Pilato. Fa nantsoin’ny Jody hoe :

–     « Raha mandefa io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra i Sezara. »

13Dès qu’il entendit ces paroles, Pilate fit sortir Jésus et le fit asseoir sur l’estrade, à la place qu’on appelle Lithostrôtos-en hébreu Gabbatha. 13Nony nandre izany teny izany i Pilato dia nitondra an’i Jesoa nankeo alatrano, ka nampipetraka Azy teo amin’ny toerana avoavo, dia ilay toerana atao hoe Lampivato, na Gabatà amin’ny teny hebreo.
14C’était le jour de la Préparation de la Pâque, vers la sixième heure. Pilate dit aux Juifs :

–     « Voici votre roi ! »

14Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay, ary tokony ho tamin’ny mitataovovonana ; dia izao no nolazain’i Pilato tamin’ny Jody :

–     « Indro ny Mpanjakanareo. »

15Mais ils se mirent à crier :

–     « A mort ! A mort ! Crucifie-le ! »

Pilate reprit :

–     « Me faut-il crucifier votre roi ? »

Les grands prêtres répondirent :

–     « Nous n’avons pas d’autre roi que César. »

15Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe :

–     « Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy. »

Ka hoy i Pilato taminy :

–     « Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo ? »

Fa hoy ny lohandoha-mpisorona hoe :

–     « Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara. »

Crucifixion de Jésus (Jn 19, 16-22)

Ny namantsihana an’i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana (Jn 19, 16-22)

16C’est alors qu’il le leur livra pour être crucifié. Ils se saisirent donc de Jésus. 16Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa, ka noraisin’izy ireo, dia nentiny.
17Portant lui-même sa croix, Jésus sortit et gagna le lieu dit du Crâne, qu’en hébreu on nomme Golgotha. 17Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliana, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvarý Izy, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio.
18C’est là qu’ils le crucifièrent ainsi que deux autres, un de chaque côté et, au milieu, Jésus. 18Teo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa, fa i Jesoa teo afovoany.
19Pilate avait rédigé un écriteau qu’il fit placer sur la croix : il portait cette inscription : « Jésus le Nazôréen, le roi des Juifs. » 19Ary nanao soratra i Pilato napetany teo an-dohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vakiny : « I Jesoa avy any Nazareta Mpanjakan’ny Jody ».
20Cet écriteau, bien des Juifs le lurent, car l’endroit où Jésus avait été crucifié était proche de la ville, et le texte était écrit en hébreu, en latin et en grec. 20Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa ; sady vita tamin’ny teny hebreo sy grika ary latinina ny soratra.
21Les grands prêtres des Juifs dirent à Pilate :

–     « N’écris pas le roi des Juifs, mais bien cet individu a prétendu qu’il était le roi des Juifs. »

21Ka hoy ny lohandoha-mpisoron’ny Jody tamin’i Pilato :

–     « Aza atao hoe Mpanjakan’ny Jody, fa hoe Izy nilaza hoe : Mpanjakan’ny Jody Aho ».

22Pilate répondit :

–     « Ce que j’ai écrit, je l’ai écrit. »

22Fa hoy i Pilato hoe :

–     « Izay voasoratro dia voasoratro. »

Le partage des vêtements de Jésus (Jn 19, 23-24)

Ny nizaràna ny akanjon’i Jesoa (Jn 19, 23-24)

23Lorsque les soldats eurent achevé de crucifier Jésus, ils prirent ses vêtements et en firent quatre parts, une pour chacun. Restait la tunique : elle était sans couture, tissée d’une seule pièce depuis le haut. 23Rahefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana i Jesoa, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy ; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany,
24Les soldats se dirent entre eux :

–     « Ne la déchirons pas, tirons plutôt au sort à qui elle ira »

en sorte que soit accomplie l’Ecriture : Ils se sont partagé mes vêtements, et ma tunique, ils l’ont tirée au sort. Voilà donc ce que firent les soldats.

24ka nifampilaza izy ireo hoe :

–     « Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hataontsika antsapaka, dia ho lasan’izay hahazo ny loka. »

koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe : Nozarainy ny fitafiako, ary nataony antsapaka ny akanjoko. Dia izany no nataon’ny miaramila.

Jésus et sa mère (Jn 19, 25-27)

I Jesoa sy ny reniny (Jn 19, 25-27)

25Près de la croix de Jésus se tenaient debout sa mère, la sœur de sa mère, Marie, femme de Clopas et Marie de Magdala. 25Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleofasy, ary i Maria avy any Magdalà.
26Voyant ainsi sa mère et près d’elle le disciple qu’il aimait, Jésus dit à sa mère :

–     « Femme, voici ton fils. »

26Nony hitan’i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny :

–     « Ravehivavy, indro ny zanakao ».

27Il dit ensuite au disciple :

–     « Voici ta mère. »

Et depuis cette heure-là, le disciple la prit chez lui.

27Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra :

–     « Indro ny reninao. »

Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.

La mort de Jésus (Jn 19, 28-37)

Ny nahafatesan’i Jesoa (Jn 19, 28-37)

28Après quoi, sachant que dès lors tout était achevé, pour que l’Ecriture soit accomplie jusqu’au bout, Jésus dit :

–     « J’ai soif » ;

28Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina :

–     « Mangetaheta Aho »

29il y avait là une cruche remplie de vinaigre, on fixa une éponge imbibée de ce vinaigre au bout d’une branche d’hysope et on l’approcha de sa bouche. 29Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra, sy notohizina tamin’ny zaran-defona, dia natohoka teo am-bavany.
30Dès qu’il eut pris le vinaigre, Jésus dit :

–     « Tout est achevé »

et, inclinant la tête, il remit l’esprit.

30Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe :

–     « Tanteraka ny zavatra rehetra. »

Dia nanondrika ny lohany Izy ka nampita ny Fanahy.

31Cependant, comme c’était le jour de la Préparation, les Juifs, de crainte que les corps ne restent en croix durant le sabbat-ce sabbat était un jour particulièrement solennel, demandèrent à Pilate de leur faire briser les jambes et de les faire enlever. 31Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilato ny Jody mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihanona amin’ny Hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany).
32Les soldats vinrent donc, ils brisèrent les jambes du premier, puis du second de ceux qui avaient été crucifiés avec lui. 32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa ;
33Arrivés à Jésus, ils constatèrent qu’il était déjà mort et ils ne lui brisèrent pas les jambes. 33fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
34Mais un des soldats, d’un coup de lance, le frappa au côté, et aussitôt il en sortit du sang et de l’eau. 34Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
35Celui qui a vu a rendu témoignage, et son témoignage est conforme à la vérité, et d’ailleurs celui-là sait qu’il dit ce qui est vrai afin que vous aussi vous croyiez. 35Ary ilay nahita no mijoro ho vavolombelona manambara izany ; azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona sady fantatr’i Jesoa fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
36En effet, tout cela est arrivé pour que s’accomplisse l’Ecriture : Pas un de ses os ne sera brisé ; 36Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe : ‘Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza.’
37il y a aussi un autre passage de l’Ecriture qui dit : Ils verront celui qu’ils ont transpercé. 37Ary hoy indray koa ny Soratra Masina : ‘Hijery Ilay nolefoniny izy’.

Jésus mis au tombeau (Jn 19, 38-42)

Ny nandevenana (Jn 19, 38-42)

38Après ces événements, Joseph d’Arimathée, qui était un disciple de Jésus mais s’en cachait par crainte des Juifs, demanda à Pilate l’autorisation d’enlever le corps de Jésus. Pilate acquiesça, et Joseph vint enlever le corps. 38Rahefa afaka izany, i Jôsefa avy any Harimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody, dia nangataka tamin’i Pilato mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilato izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa.
39Nicodème vint aussi, lui qui naguère était allé trouver Jésus au cours de la nuit. Il apportait un mélange de myrrhe et d’aloès d’environ cent livres. 39Ary tonga koa i Nikôdema, ilay nanatona an’i Jesoa nony alina teo aloha, nitondra miora sy aloesy nampifangaroina, tokony ho telopolo kilao.
40Ils prirent donc le corps de Jésus et l’entourèrent de bandelettes, avec des aromates, suivant la manière d’ensevelir des Juifs. 40Koa nalainy ny fatin’i Jesoa dia nasiany zava-manitra sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana.
41A l’endroit où Jésus avait été crucifié il y avait un jardin, et dans ce jardin un tombeau tout neuf où jamais personne n’avait été déposé. 41Nisy saha anankiray kosa tao amin’ilay toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha.
42En raison de la Préparation des Juifs, et comme ce tombeau était proche, c’est là qu’ils déposèrent Jésus. 42Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky eo ny fasana.

Jean chapitre 20

Joany toko faha-20

Marie-Madeleine, Pierre et Jean et le tombeau vide (Jn 20, 1-10)

Maria Magdalena, Piera sy Joany ary ny fasana hita foana (Jn 20, 1-10)

1Le premier jour de la semaine, à l’aube, alors qu’il faisait encore sombre, Marie de Magdala se rend au tombeau et voit que la pierre a été enlevée du tombeau. 1Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Maria Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.
2Elle court, rejoint Simon-Pierre et l’autre disciple, celui que Jésus aimait, et elle leur dit :

–     « On a enlevé du tombeau le Seigneur, et nous ne savons pas où on l’a mis. »

2Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe :

–     « Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy. »

3Alors Pierre sortit, ainsi que l’autre disciple, et ils allèrent au tombeau. 3Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana,
4Ils couraient tous les deux ensemble, mais l’autre disciple courut plus vite que Pierre et arriva le premier au tombeau. 4ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana.
5Il se penche et voit les bandelettes qui étaient posées là. Toutefois il n’entra pas. 5Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.
6Arrive, à son tour, Simon-Pierre qui le suivait ; il entre dans le tombeau et considèreles bandelettes posées là 6Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo,
7et le linge qui avait couvert la tête ; celui-ci n’avait pas été déposé avec les bandelettes, mais il était roulé à part, à un autre endroit. 7sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery.
8C’est alors que l’autre disciple, celui qui était arrivé le premier, entra à son tour dans le tombeau ; il vit et il crut. 8Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino.
9En effet, ils n’avaient pas encore compris l’Ecriture selon laquelle Jésus devait se relever d’entre les morts. 9Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa.
10Après quoi, les disciples s’en retournèrent chez eux. 10Dia lasa ny mpianatra nody tany aminy.

L’apparition à Marie (Jn 20, 11-18)

Ny nisehoany tamin’i Maria (Jn 20, 11-18)

11Marie était restée dehors, près du tombeau, et elle pleurait. Tout en pleurant elle se penche vers le tombeau 11Fa i Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia nondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy.
12et elle voit deux anges vêtus de blanc, assis à l’endroit même où le corps de Jésus avait été déposé, l’un à la tête et l’autre aux pieds. 12Ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.
13Ils lui dirent :

–     « Femme, pourquoi pleures-tu ? »

Elle leur répondit :

–     « On a enlevé mon Seigneur, et je ne sais où on l’a mis. »

13Dia hoy izy ireo taminy :

–     « Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao ? »

Ka hoy izy namaly ireo :

–     « Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. »

14Tout en parlant elle se retourne et elle voit Jésus qui se tenait là, mais elle ne savait pas que c’était lui. 14Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.
15Jésus lui dit :

–     « Femme, pourquoi pleures-tu ? qui cherches-tu ? »

Mais elle, croyant qu’elle avait affaire au gardien du jardin, lui dit :

–     « Seigneur, si c’est toi qui l’as enlevé, dis-moi où tu l’as mis et j’irai le prendre. »

15Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Ravehivavy nahoana no mitomany ianao ? Iza no tadiavinao ? »

Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy :

–     « Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy. »

16Jésus lui dit :

–     « Marie. »

Elle se retourna et lui dit en hébreu :

–     « Rabbouni »

ce qui signifie maître.

Dia hoy i Jesoa taminy :

–     « Ry Maria ! »

Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe :

–     « Raboný ! »

(izany hoe Mpampianatra).

17Jésus lui dit :

–     « Ne me retiens pas ! car je ne suis pas encore monté vers mon Père. Pour toi, va trouver mes frères et dis-leur que je monte vers mon Père qui est votre Père, vers mon Dieu qui est votre Dieu. »

17Hoy i Jesoa taminy :

–     « Aoka ianao tsy hitazona Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho ; fa mandehana mankany amin’ny Rahalahiko, ka lazao aminy hoe : ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo. »

18Marie de Magdala vint donc annoncer aux disciples :

–     « J’ai vu le Seigneur, et voilà ce qu’il m’a dit.

18Dia lasa i Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe :

–     « Efa nahita ny Tompo aho. Ary nolazainy koa ireo hafatra nampitain’i Jesoa taminy. »

L’apparition aux disciples (Jn 20, 19-23)

Ny nisehoany tamin’ny mpianany (Jn 20, 19-23)

19C’était après la mort de Jésus, le soir du premier jour de la semaine. Les disciples avaient verrouillé les portes du lieu où ils se trouvaient, car ils avaient peur des Juifs. Jésus vint, et il était là au milieu d’eux. Il leur dit :

–     « La paix soit avec vous ! »

19Ny harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe :

–     « Ho aminareo anie ny fiadanana ! »

20Après cette parole, il leur montra ses mains et son côté. Les disciples furent remplis de joie en voyant le Seigneur. 20Nony efa nilaza izy, dia nasehony azy ireo ny Tanany sy ny Tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
21Jésus leur dit de nouveau :

–     « La paix soit avec vous ! De même que le Père m’a envoyé, moi aussi, je vous envoie. »

21Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo :

–     « Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa. »

22Ayant ainsi parlé, il répandit sur eux son souffle et il leur dit :

–     « Recevez l’Esprit Saint.

22Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe :

–     « Raiso ny Fanahy Masina :

      23Tout homme à qui vous remettrez ses péchés, ils lui seront remis ; tout homme à qui vous maintiendrez ses péchés, ils lui seront maintenus. »       23ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana. »

Apparition de Jésus aux disciples avec Thomas (Jn 20, 24-29)

Ny nisehoany tamin’ny mpianany niaraka tamin’i Tômà (Jn 20, 24-29)

24Or l’un des Douze, Thomas, dont le nom signifie « Jumeau », n’était pas avec eux, quand Jésus était venu. 24Fa i Tômà, ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa tsy mba tamin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’ i Jesoa.
25Les autres disciples lui disaient :

–     « Nous avons vu le Seigneur ! »

Mais il leur déclara :

–     « Si je ne vois pas dans ses mains la marque des clous, si je ne mets pas mon doigt à l’endroit des clous, si je ne mets pas la main dans son côté, non, je ne croirai pas ».

25Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy :

–     « Efa nahita ny Tompo ! »

Fa hoy izy tamin’ireo :

–     « Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako dia tsy hino aho. »

26Huit jours plus tard, les disciples se trouvaient de nouveau dans la maison, et Thomas était avec eux. Jésus vient alors que les portes étaient verrouillées, et il était là au milieu d’eux. Il dit :

–     « La Paix soit avec vous ! »

26Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany izy ka nanao hoe :

–     « Ho aminareo anie ny fiadanana ! »

27Puis il dit à Thomas :

–     « Avance ton doigt ici, et vois mes mains ; avance ta main, et mets-la dans mon côté : cesse d’être incrédule, sois croyant ».

27Ary hoy Izy tamin’i Tômà :

–     « Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehafo eto amin’ny tratrako ; dia minoa, fa aza malain-kino ! »

28Thomas lui dit alors :

–     « Mon Seigneur et mon Dieu ! »

28Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe :

–     « Tompoko sy Andriamanitro ! »

29Jésus lui dit :

–     « Parce que tu m’as vu, tu crois. Heureux ceux qui croient sans avoir vu. »

29Fa hoy i Jesoa taminy :

–     « Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy ; sambatra izay tsy nahita ka nino. »

1ère conclusion Evangile de Jean (Jn 20, 30-31)

Fehinteny vohalohany (Jn 20, 30-31)

30Il y a encore beaucoup de signes que Jésus a faits en présence des disciples et qui ne sont pas mis par écrit dans ce livre. 30Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany, no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
31Mais ceux-là y ont été mis afin que vous croyiez que Jésus est le Messie, le Fils de Dieu, et afin que, par votre foi, vous ayez la vie en son nom. 31Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

Jean chapitre 21

Joany toko faha-21

Apparition de Jésus au bord du lac – Pierre, m’aimes-tu ? (Jn 21, 1-23)

Ny nisehoan’i Jesoa tany amoron’ny farihin’i Tiberiada (Jn 21, 1-23)

1Jésus se manifesta encore aux disciples sur le bord du lac de Tibériade, et voici comment. 1I Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany :
2Il y avait là Simon-Pierre, avec Thomas, dont le nom signifie « Jumeau », Nathanaël, de Cana en Galilée, les fils de Zébédée, et deux autres disciples. 2Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa.
3Simon-Pierre leur dit :

–     « Je m’en vais à la pêche. »

Ils lui répondent :

–     « Nous allons avec toi. »

Ils partirent et montèrent dans la barque ; or, ils passèrent la nuit sans rien prendre.

3Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo :

–     « Handeha hanarato aho. »

Fa hoy ireo taminy :

–     « Handeha hiaraka aminao koa izahay ».

Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona tamin’iny alina iny.

4Au lever du jour, Jésus était là, sur le rivage, mais les disciples ne savaient pas que c’était lui. 4Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa ; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.
5Il leur dit :

–     « Les enfants, auriez-vous un peu de poisson ? »

Ils lui répondent :

–     « Non »

5Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo :

–     « Manan-kanina va ianareo, anaka ? »

Dia hoy ny navaliny Azy :

–     « Tsia »

6Il leur dit :

–     « Jetez le filet à droite de la barque, et vous trouverez. »

Ils jetèrent donc le filet, et cette fois ils n’arrivaient pas à le ramener, tellement il y avait du poisson.

6Hoy Izy tamin’izy ireo :

–     « Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely ary ny haratonareo, fa hahazo ianareo ».

Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.

7Alors, le disciple que Jésus aimait dit à Pierre :

–     « C’est le Seigneur ! »

Quand Simon-Pierre l’entendit déclarer que c’était le Seigneur, il passa un vêtement, car il n’avait rien sur lui et il se jeta à l’eau.

7Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera :

–     « Ny Tompo io ».

Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy.

8Les autres disciples arrivent en barque, tirant le filet plein de poissons ; la terre n’était qu’à une centaine de mètres. 8Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano.
9En débarquant sur le rivage, ils voient un feu de braise avec du poisson posé dessus, et du pain. 9Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.
10Jésus leur dit :

–     « Apportez donc de ce poisson que vous venez de prendre. »

10Ary hoy i Jesoa taminy :

–     « Itondray ny hazandrano vao azonoreo. »

11Simon-Pierre monta dans la barque et amena jusqu’à terre le filet plein de gros poissons : il y en avait cent-cinquante-trois. Et malgré cette quantité, le filet ne s’était pas déchiré. 11Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy.
12Jésus dit alors :

–     « Venez déjeuner. »

Aucun des disciples n’osait lui demander : « qui es-tu ? » Ils savaient bien que c’était le Seigneur.

12Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo :

–     « Avia hisakafo ».

Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe : « Iza moa ianao ? » Satria fantany ihany fa ny Tompo io.

13Jésus s’approche, prend le pain et le leur donne, ainsi que le poisson. 13Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo ; ary toy izany koa ny hazandrano.
14Ce fut la troisième fois que Jésus ressuscité d’entre les morts se manifestait à ses disciples. 14Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.
15Quand ils eurent déjeuné, Jésus dit à Simon-Pierre :

–     « Simon, fils de Jean, m’aimes-tu plus que ceux-ci ?

Il lui répond :

–     « Oui, Seigneur, je t’aime, tu le sais. »

Jésus lui dit :

–     « Sois le berger de mes agneaux ».

15Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera :

–     « Ry Simôna zanak’i Joany moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao ? »

Ka hoy ny navaliny azy :

–     « Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao. »

Dia hoy Izy taminy :

–     « Fahano ny zanak’ondriko. »

16Il lui dit une deuxième fois :

–     « Simon, fils de Jean, m’aimes-tu ? »

Il lui répond :

–     « Oui, Seigneur, je t’aime, te le sais. »

Jésus lui dit :

–           « Sois le pasteur de mes brebis. »

16Ary hoy indray Izy taminy fanindroany :

–     « Ry Simôna, zanak’i Joany, moa tianao va Aho?

Ka hoy ny navaliny Azy :

–     « Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao ».

Dia hoy indray Izy taminy :

–     « Fahano ny zanak’ondriko ».

17Il lui dit, pour la troisième fois :

–     « Simon, fils de Jean, est-ce que tu m’aimes ? »

Pierre fut peiné parce que, pour la troisième fois, il lui demandait : « Est-ce que tu m’aimes ? » et il lui répondit :

–     « Seigneur, tu sais tout, tu sais bien que je t’aime. »

Jésus lui dit :

–     « Sois le berger de mes brebis.

17Ary hoy indray Izy taminy fanintelony :

–     « Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho ? »

Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony : « Moa tia Ahy va ianao ? » ka hoy izy taminy :

–     « Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao ».

Dia hoy Izy taminy :

–     « Fahano ary ny reniondriko.

–     18« Amen, amen, je te le dis : quand tu étais jeune, tu mettais ta ceinture toi-même pour aller là où tu voulais ; quand tu seras vieux, tu étendras les mains, et c’est un autre qui te mettra ta ceinture, pour t’emmener là où tu ne voudrais pas aller. »       18Lazaiko marina dia marina aminao : fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha ; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao. »
19Jésus disait cela pour signifier par quel genre de mort Pierre rendrait gloire à Dieu.

Puis il lui dit encore :

–     « Suis-moi. »

19Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra.

Ary rehefa nilaza izany Izy dia nanao taminy hoe :

–     « Manaraha Ahy ».

20Pierre s’étant retourné vit derrière lui le disciple que Jésus aimait, celui qui, au cours du repas, s’était penché vers sa poitrine et qui avait dit : « Seigneur, qui est celui qui va te livrer ? » 20Nony nitodika i Piera dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe : ‘Tompoko, iza no hanolotra Anao ?’
21Quand il le vit, Pierre dit à Jésus

–     « Et lui, Seigneur, que lui arrivera-t-il ? »

21Ary nony nahita azy i Piera, dia nanao tamin’i Jesoa hoe :

–     « Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’ity ? »

22Jésus lui répondit :

–     « Si je veux qu’il demeure jusqu’à ce que je vienne, que t’importe ? Toi, suis-moi. »

22Dia hoy i Jesoa taminy

–     « Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany ? Fa manaraha Ahy ianao. »

C’est à partir de cette parole qu’on a répété parmi les frères que ce disciple ne mourrait pas. En réalité, Jésus ne lui avait pas dit qu’il ne mourrait pas, mais bien : « Si je veux qu’il demeure jusqu’à ce que je vienne, que t’importe ? » 23Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany ; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe ‘tsy ho faty izy’, fa hoe : ‘Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany ? »

Deuxième conclusion (Jn 21, 24-25)

Fehinteny faharoa (Jn 21, 24-25)

24C’est ce disciple qui témoigne de ces choses et qui les a écrites, et nous savons que son témoignage est conforme à la vérité. 24Izy no ilay mpianatra mijoro ho vavolombelona manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona.
25Il y a encore beaucoup de signes que Jésus a faits en présence des disciples et qui ne sont pas mis par écrit dans ce livre. Mais ceux-là y ont été mis afin que vous croyiez que Jésus est le Messie, le Fils de Dieu, et afin que, par votre foi, vous ayez la vie en son nom.

25Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany, no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

 

Ce contenu a été publié dans malagasy. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Laisser un commentaire