Lamessa frantsay / malagasy miaraka amin’ny vavaka eokaristika faha 2

Ouverture

Fanombohan’ny faombam-Pivavahana

Au nom du Père,

et du Fils,

et du Saint Esprit

Amin’ny Anaran’ny Ray,

sy ny Zanaka,

sy ny Fanahy Masina

Amen Amen
Le Seigneur soit avec vous Homba antsika mianakavy anie ny Tompo
Ou Na
La grâce de Jésus Notre Seigneur

L’amour de Dieu le Père

Et la communion de l’Esprit Saint

Soient toujours avec vous

Homba antsika mianakavy anie

Ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika

Sy ny fitiavan’Andriamanitra Ray

Ary ny firaisana amin’ny Fahahy Masina

Et avec votre esprit Ho tanteraka tokoa anie izany

Rite Pénitentiel

Fifonana

Préparons-nous à la célébration de l’Eucharistie

en reconnaissant que nous sommes pécheurs

Aoka isika mianakavy hiaiky ny fahotantsika,

hahafahantsika miara-mankalaza

sy manatanteraka izao Sorona masina izao

Je confesse à Dieu

Miampanga tena amin’Andriamanitra

Je confesse à Dieu tout puissant,

 

Je reconnais devant mes frères

Que j’ai péché

En pensée, en parole,

Par action et par omission ;

 

Oui, j’ai vraiment péché

 

C’est pourquoi je supplie la Vierge Marie,

 

Les anges et tous les saints,

Et vous aussi, mes frères,

De prier pour moi le Seigneur notre Dieu

Miampanga tena amin’Andriamanitra mahefa

ny zavatra rehetra aho

Ary koa amintsika mianakavy,

Fa nanota tokoa aho

Tamin’ny hevitro, tamin’ny teniko,

Sy tamin’ny nataoko,

ary tamin’ny adidy tsy vitako

Fahotako izany, fahotako, fahotako lehibe.

Koa mihanta amin’ny Masina Maria Virjiny mandrakizay aho,

Amin’ny anjely sy ny Olomasina rehetra

Ary koa amintsika mianakavy

Mba hivavaka ho ahy

amin’ny Tompo Andriamanitsika

Que Dieu Tout Puissant

Nous fasse miséricorde,

Qu’il nous pardonne nos péchés

Et nous conduise à la vie éternelle.

Amen

Hamindra fo amintsika anie

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra

ary hamela ny fahotantsika ka hitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay

Amen.


Seigneur prends pitié

Seigneur prends pitié

Tompo ô, mamindra fo aminay

Seigneur prends pitié

O Christ prends pitié

Seigneur prends pitié

Tompo ô, mamindra fo aminay

Kristy ô, mamindra fo aminay

Tompo ô, mamindra fo aminay

Gloire à Dieu

Voninahitra

Gloire à Dieu,

Au plus haut des cieux

Et paix sur la terre aux hommes qu’il aime

 

Nous te louons, nous te bénissons,

Nous t’adorons,

Nous te glorifions,

Nous te rendons grâce,

Pour ton immense gloire.

Seigneur Dieu, Roi du ciel,

Dieu le Père Tout Puissant

Seigneur, Fils unique, Jésus Christ,

Seigneur Dieu,

Agneau de Dieu, le Fils du Père,

Toi qui enlèves le péché du monde,

Prends pitié de nous,

Toi qui enlèves le péché du monde,

Reçois notre prière,

Toi qui es assis à la droite du Père,

Prends pitié de nous.

Car toi seul es saint,

Toi seul es Seigneur,

Toi seul es le Très-Haut : Jésus Christ,

Avec le Saint Esprit,

Dans la gloire de Dieu le Père

Amen

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra,

Amin’ny avo indrindra

Ary fiadanana anie ho any olona ety ambonin’

ny tany fa nanehoany ny hatsaram-pony.

Midera Anao izahay, mankalaza Anao izahay

Mitsaoka Anao izahay

Mihoby ny hasinao izahay,

Misaotra Anao izahay

Noho ny haben’ny voninahitrao,

Ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan’ny lanitra,

Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra.

Ry Jesoa Kristy, Tompo, Zanaka Lahitokana,

Ry Tompo Andriamanitra,

Zanak’ondrin’ Andriamanitra, Zanaky ny Ray

Manala ny fahotan’izao tontolo izao Ianao,

Ka mamindra fo aminay

Manala ny fahotan’izao tontolo izao Ianao,

Ka raiso ny fifonanay,

Mipetraka eo ankavanan’ny Ray Ianao,

Ka mamindra fo aminay.

Fa Ianao irery no masina,

Ianao irery no Tompo,

Ianao irery no avo indrindra, ry Jesoa Kristy,

Miaraka amin’ny Fanahy Masina

Ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray

Amen

Oraison

Fangatahana

Prions le Seigneur Aoka isika hivavaka
(…) (…)

Liturgie de la Parole

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Première lecture

Vakiteny voalohany

Psaume

Salamo

Deuxième lecture

Vakiteny faharoa

Proclamation de l’Evangile

Fihobiana ny Evanjely

·       Le Seigneur soit avec vous ·       Homba antsika mianakavy anie ny Tompo
·       Et avec votre esprit ·       Ho tanteraka tokoa anie izany
·       Evangile de Jésus Christ selon Saint… ·       Evanjely Masina nosoratan’Masindahy…
·       Gloire à toi Seigneur ·       Voninahitra anie ho Anao, ry Tompo
(…) (…)
·       Acclamons la Parole de Dieu ·       Izany ary ny Tenin’ny Tompo
·       Louange à toi Seigneur Jésus ·       Dera anie ho Anao, ry Kristy

Homélie

Toriteny

Credo

Fiekem-pinoana

Je crois en Dieu

Le Père Tout Puissant,

Créateur du ciel et de la terre,

 

De l’univers visible et invisible

Izaho mino an’Andriamanitra tokana

Ray mahefa ny zavatra rehetra,

Nanao ny lanitra sy ny tany

Ary ny zavatra rehetra

Na ny hita na ny tsy hita

Je crois en un seul Seigneur, Jésus Christ,

Le Fils unique de Dieu,

Né du Père avant tous les siècles :

Il est Dieu, né de Dieu,

Lumière, né de la lumière,

Vrai Dieu

Engendré du vrai Dieu.

Engendré, non pas créé,

De même nature que le Père,

Et par lui, tout a été fait.

Pour nous les hommes, et pour notre salut

Il descendit du ciel.

Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana

Zanaka lahitokan’Andriamanitra,

Teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra;

Andriamanitra avy amin’Andriamanitra,

Fahazavana avy amin’ny fahazavana,

Andriamanitra marina

avy amin’Andriamanitra marina,

Nateraka Izy fa tsy natao,

Iray fomba amin’ny Ray,

Ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.

Isika olombelona sy ny famonjena antsika

No nidinany avy any an-danitra.

Par l’Esprit Saint,

il a pris chair de la vierge Marie

Et s’est fait homme.

Crucifié pour nous

sous Ponce Pilate,

Il souffrit sa passion

Et fut mis au tombeau

Il ressuscité le troisième jour

Conformément aux Ecritures

Et il monta au ciel ;

Il est assis à la droite du Père

Il reviendra dans la gloire

Pour juger les vivants et les morts

Et son règne n’aura pas de fin.

Ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy

Noho ny herin’ny Fanahy Masina,

Ka tonga olombelona ;

Nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana

Ho antsika indray koa

Tamin’ny andron’i Pôntsy Pilaty,

Nijaly ary nalevina;

Nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo

Araka ny voalazan’ny Soratra Masina,

Niakatra any an-danitra,

Dia mipetraka eo ankavanan’ny Ray,

Mbola ho avy amim-boninahitra indray

Hitsara ny velona sy ny maty,

Ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

Je crois en l’Esprit Saint,

Qui est Seigneur et qui donne la vie ;

Il procède du Père et du Fils

Avec le Père et le Fils,

Il reçoit même adoration et même gloire

Il a parlé par les prophètes.

Izaho mino ny Fanahy Masina

Tompo loharanon’aina

Avy amin’ny Ray sy ny Zanaka;

Tsaohina sy omem-boninahitra

Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka,

Ary niteny tamin’ny vavan’ny Mpaminany

Je crois en l’Eglise

Une sainte, catholique et apostolique.

Je reconnais un seul baptême

Pour le pardon des péchés.

J’attends la résurrection des morts

Et la vie du monde à venir.

Amen

Izaho mino ny Eglizy,

Iray masina katôlika apôstôlika.

Izaho Mankato ny Batemy tokana

Ho famelana ny fahotana.

Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty

Sy ny fiainan-ko avy.

Amen

Prière Universelle

Ranombavaky ny mpino

Eucharistie

Eokaristia

Prière sur les offrandes

Fanomanana ny tolotra

Tu es béni,

Dieu de l’univers,

toi qui nous donnes ce pain

fruit de la terre et du travail de l’homme ;

nous te le présentons :

il deviendra le pain de la vie

Ankalaizana Ianao,

ry Tompo Andriamanitry ny tany aman-danitra,

fa avy aminao mazava fo

sy malalatanana no nahazoanay izao mofo

atolotray Anao izao;

vokatry ny tany izao,

vokatry ny asan-tananay olombelona,

ary dia ho tonga mofon’aina mahavelona anay.

Béni soit Dieu, maintenant et toujours ! Hankalazaina mandrakizay anie Andriamanitra!
Comme cette eau se mêle au vin

Pour le sacrement de l’Alliance,

Puissions-nous être unis à la divinité

De Celui qui a pris notre humanité.

Enga anie ho tahaka ity rano sy divay afangaro ity no hiraisanay amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, Ilay nanaiky hiombona anjara amin’ny maha-olombelona anay.
Tu es béni,

Dieu de l’univers,

toi qui nous donnes ce vin

fruit de la vigne et du travail de l’homme ;

nous te le présentons :

il deviendra le vin du Royaume éternel.

Ankalaizana Ianao,

ry Tompo Andriamanitry ny tany aman-danitra,

fa avy aminao mazava fo

sy malalatanana no nahazoanay izao divay

atolotray Anao izao;

vokatry ny voaloboka izao,

vokatry ny asan-tananay olombelona,

ary dia ho tonga fisotro masina ho anay.

Béni soit Dieu, maintenant et toujours ! Hankalazaina mandrakizay anie Andriamanitra!
Humbles et pauvres,

Nous te supplions, Seigneur,

Accueille-nous :

Que notre sacrifice, en ce jour,

Trouve grâce devant toi.

Mietry tena sy torotoro fanahy izahay,

ka raiso, ry Tompo Andriamanitra,

ary ho tontosa soa aman-tsara eto imasonao anie

ny Sorona atolotray izao,

ka ho sitraky ny Fonao.

Lave-moi de mes fautes, Seigneur,

Purifie-moi de mon péché.

Sasao aho, ry Tompo, ho afaka heloka tanteraka, ary diovy ho afaka amin’ny fahotako.

Oraison

Vavaka Fanolorana

Prions ensemble,

Au moment d’offrir

Le sacrifice de toute l’Eglise.

Aoka hivavaka isika mianakavy, mba hankasitrahan’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra ity Sorona atolotro sy atolotrareo ity.
Pour la gloire de Dieu et le salut du monde ! Horaisin’ny Tompo anie ny Sorona atolotry ny tananao, hanomezana dera sy voninahitra ny Anarany ary koa hanasoavany antsika sy ny Egliziny masina manontolo.
(…) (…)

Prière eucharistique n° 2

Vavaka fisaorana faha-2

·       Le Seigneur soit avec vous ·       Homba antsika mianakavy anie ny Tompo
·       Et avec votre esprit ·       Ho tanteraka tokoa anie Izany
·       Élevons notre cœur ·       Asandrato ary ny fo
·       Nous le tournons vers le Seigneur ·       Efa any amin’ny Tompo ny fonay
·       Rendons grâce au Seigneur notre Dieu ·       Isaory ary ankasitraho ny Tompo Andriamanitsika
·       Cela est juste est bon ·       Mendrika sy rariny izany
Vraiment, Père très saint,

Il est juste et bon de te rendre grâce,

Toujours et en tout lieu,

Par ton Fils bien-aimé Jésus Christ :

 

Car il est ta Parole vivante,

Par qui tu as créé toute chose ;

C’est lui que tu nous as envoyé

Comme Rédempteur et Sauveur,

Dieu fait homme, conçu de l’Esprit Saint,

Né de la Vierge Marie.

 

Pour accomplir jusqu’au bout ta volonté

Et rassembler du milieu des hommes

Un peuple saint qui t’appartienne,

Il étendit les mains à l’heure de sa passion,

Afin que soit brisée la mort,

Et que la résurrection soit manifestée.

 

C’est pourquoi,

Avec les anges et tous les saints

Nous proclamons ta gloire

En chantant (disant) d’une seule voix

Mendrika sy rariny tokoa

Ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao

Lalandava hatraiza hatraiza, ry Ray Masina,

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Zanakao malalanao,

Ilay Teny nanaovanao

ny zavatra rehetra,

Nirahinao amonjy

sy hanavotra anay,

naka nofo noho ny herin’ny Fanahy Masina,

ary naterak’ilay Virjiny.

 

Mba hanatanterahany ny sitraponao

sy hanangonany vahoaka masina ho Anao

no naninjirany ny tanany hiampatra

fony Izy nijaly,

mba handrava ny fahafatesana

sy hampiharihary ny fitsanganan-ko velona.

 

Izany no iarahanay amin’ny anjely

sy ny Olomasina rehetra,

mankalaza ny voninahitrao,

manao hoe :

Saint le Seigneur

Masina

Saint, saint, saint,

Le Seigneur, Dieu de l’univers,

Le ciel et la terre sont remplis de ta gloire.

Hosanna au plus haut des cieux !

Béni soit celui qui vient,

Au nom du Seigneur.

Hosanna au plus haut des cieux.

Masina, Masina, Masina,

ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra.

Feno ny voninahitrao ny tany amandanitra.

Hozana any amin’ny avo indrindra!

Hosoavina anie Ilay avy,

amin’ny Anaran’ny Tompo.

Hosana any amin’ny avo indrindra!

Consécration

Toi qui es vraiment saint,

Toi qui es la source de toute sainteté,

Seigneur, nous te prions :

 

Sanctifie ces offrandes

En répandant sur elles ton esprit ;

Qu’elles deviennent pour nous

Le corps et le sang +

De Jésus le Christ, notre Seigneur.

Eny, masina tokoa Ianao,

ry Tompo, loharanon’ny fahamasinana rehetra.

Koa mihanta aminao izahay:

 

arotsahy ny Fanahinao

ho toy ny andon’ny lanitra

hanamasina ireto fanomezana ireto,

ho zary Vatana sy Ran’i +

Jesoa Kristy Tomponay.

Au moment d’être livré

Et d’entrer librement dans sa passion,

Il prit le pain

Il rendit grâce

Il le rompit et le donna à ses disciples

en disant

Fa tamin’Izy efa hatolotra hijaly,

ka nanaiky an-tsitrapo,

dia nandray mofo,

ary nisaotra,

nizarazara sy nanome azy ny mpianany,

nanao hoe :

PRENEZ

ET MANGEZ EN TOUS,

CECI EST MON CORPS

LIVRE POUR VOUS

SAMIA MANDRAY

SY MIHINANA AMIN’ITY IANAREO,

FA VATAKO ITY

HATOLOTRA HO ANAREO.

De même, à la fin du repas,

Il prit la coupe ;

De nouveau, il rendit grâce

Et la donna à ses disciples en disant :

Toy izany koa, nony avy nisakafo,

dia nandray ny kalisy Izy,

nisaotra indray,

ary nanome azy ny mpianany, nanao hoe :

PRENEZ

ET BUVEZ EN TOUS

CAR CECI EST LA COUPE DE MON SANG

LE SANG DE L’ALLIANCE

NOUVELLE ET ETERNELLE

VERSE POUR VOUS

ET POUR LA MULTITUDE

EN REMISSION DES PECHES.

FAITES CECI EN MEMOIRE DE MOI

SAMIA MANDRAY

SY MISOTRO AMIN’ITY IANAREO,

FA KALISY MISY NY RAKO ITY,

RA IORENAN’NY FANEKEM-PIHAVANANA

VAOVAO SADY MANDRAKIZAY

HALATSAKA HO ANAREO

SY HO AN’NY BE SY NY MARO

HO FAMELANA NY FAHOTANA.

ATAOVY IZAO

HO FAHATSIAROVANA AHY

Il est grand le mystère de la foi Lalina sy mahagaga ny ataon’Andriamanitra ho antsika !
Nous rappelons ta mort, Seigneur Jésus,

Nous célébrons, ta résurrection,

Nous attendons ta venue dans la gloire

Manambara ny nahafatesanao izahay, ry Tompo,

mankalaza ny nitsangananao

miandry ny fiavianao amim-boninahitra!

Faisant ici mémoire

De la mort et de la résurrection de ton Fils,

Nous t’offrons Seigneur,

Le pain de la vie

et la coupe du salut

Et nous te rendons grâce

Car tu nous as choisis

Pour servir en ta présence.

Eny, mahatsiaro

Ny Zanakao maty sy nitsangan-ko velona izahay,

ka atolotray Anao, ry Tompo,

ny mofo antoky ny fiainana

sy ny kalisy antoky ny famonjena;

ary velom-pisaorana izahay, fa nekenao

ho mendrika hijoro eto anoloanao

sy hanao fanompoam-pivavahana aminao.

Humblement, nous te demandons

Qu’en ayant part au corps

Et au sang du Christ

Nous soyons rassemblés par l’Esprit Saint

En un seul corps

Ary mitalaho an-tanan-droa izahay

mba hatambatry ny Fanahy Masina ho iray,

fa miombona anjara amin’ny Vatana

sy ny Ran’i Kristy.

Souviens-toi, Seigneur,

De ton Eglise répandue à travers le monde :

Fais la grandir dans ta charité

Avec le Pape

Benoit XVI

Notre évêque …

Et tous ceux qui ont la charge de ton peuple.

Tsarovy ry Tompo,

ny Eglizinao miely patrana eran-tany,

ataovy izay hahalavorary azy amin’ny fitiavana,

miaraka amin’ny Rainay ny Papa

Benoit fahaenina ambin’ny folo,

sy ny evekanay (…)

ary ny mpanao raharaha masina rehetra.

[Souviens-toi Seigneur de N… (celui ou celle)

Que tu as appelé(e) auprès de toi (aujourd’hui)

Puisqu’il (elle) a été baptisé(e)

Dans la mort de ton Fils,

Accorde-lui de participer à sa résurrection.]

[Mba tsarovy R… mpanomponao

izay (vao) nantsoinao hiala amin’ity fiainana ity

mba ho any aminao.

Niharan’ny fahafatesana sahala

amin’ny Zanakao izy,

ka enga anie hitsangan-ko velona toa Azy koa.]

Souviens-toi aussi de nos frères

Qui se sont endormis

Dans l’espérance de la résurrection,

Et de tous les hommes qui ont quitté cette vie :

Reçois-les dans la lumière auprès de toi.

Tsarovy koa ireo havanay

efa nody mandry

nanantena hitsangan-ko velona,

sy ireo rehetra nialoha lalana anay :

mba raiso izy hahita ny fahazavan’ny tavanao.

Sur nous tous enfin,

Nous implorons ta bonté :

Permets qu’avec la Vierge Marie,

La bienheureuse Mère de Dieu,

Avec les apôtres

Et les saints de tous les temps

Qui ont vécu dans ton amitié,

Nous ayons part à la vie éternelle,

Et que nous chantions ta louange

Par Jésus Christ, ton Fils bien-aimé

Mba amindrao fo izahay rehetra

ho mendrika hiombona anjara

amin’ny fiainana mandrakizay,

miaraka amin’i Masina Maria Virjiny

Renin’Andriamanitra

sy ny Apôstôly sambatra

ary ny Olomasina rehetra

izay nahita sitraka taminao tety an-tany ;

ary hiara-kidera sy hankalaza Anao anie izahay,

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao.

Par lui…

Amin’ny alalany…

Par lui,

Avec lui,

Et en lui,

A toi, Dieu le Père tout puissant,

Dans l’unité du Saint Esprit,

Tout honneur et toute gloire

Pour les siècles des siècles.

Amen

Amin’ny alalany

sy miaraka aminy

ary ao aminy,

ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra,

dia Anao avokoa, ao amin’ny Fanahy Masina,

ny haja amam-boninahitra,

amin’ny taona rehetra mandrakizay.

Amen


Communion

Kômonio

Notre Père

Rainay

Comme nous l’avons appris du Sauveur

Et selon son commandement,

Nous osons dire :

Manaraka ny didy nomen’ny Mpamonjy isika,

ary nampianarin’Andriamanitra,

ka sahy manao hoe :

Notre Père, qui es aux cieux,

Que ton nom soit sanctifié,

Que ton règne vienne,

Que ta volonté soit faite

Sur la terre, comme au ciel,

Donne-nous aujourd’hui notre pain de ce jour,

Pardonne-nous nos offenses,

Comme nous pardonnons aussi

A ceux qui nous ont offensés.

Et ne nous soumets pas à la tentation

Mais délivre-nous du mal.

Rainay any an-danitra,

Hohamasinina anie ny Anaranao

Ho tonga anie ny fanjakanao

Ho tanteraka anie ny sitraponao

Ety an-tany tahaka ny any an-danitra

Omeo anay anio ny haninay isan’andro

Avelao ny fahotanay

Tahaka ny amelanay

Izay nanao ratsy taminay

Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay

Fa manafaha anay amin’ny ratsy

Délivre-nous de tout mal,

Seigneur,

Et donne la paix à notre temps ;

Par ta miséricorde,

Libère-nous du péché,

Rassure-nous

Devant les épreuves

Dans cette vie

Où nous espérons le bonheur que tu promets

Et l’avènement de Jésus Christ notre Sauveur.

Eny, manafaha anay amin’ny ratsy rehetra,

Ry Tompo,

Ary mba fenoy ny fiadananao ny andro iainanay:

Enga anie homban’ny indrafonao izahay,

Ka sady ho afaka mandrakariva amin’ny fahotana

no hilamina tsy ho azon-tebiteby

na toy inona na toy inona,

eto ampiandrasana

ny hasambarana nampanantenainao

sy ny fiavian’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay.

Car c’est à toi qu’appartiennent le règne,

La puissance

Et la gloire pour les siècles des siècles.

Fa anao ny fanjakana

sy ny hery

ary ny voninahitra mandrakizay.

Seigneur Jésus Christ,

Tu as dit à tes apôtres :

« Je vous laisse la paix

Je vous donne ma paix » ;

Ne regarde pas nos péchés,

Mais la foi de ton Eglise ;

Pour que ta volonté s’accomplisse

Donne-lui toujours cette paix

Et conduis-la ver l’unité parfaite

Toi qui règnes pour les siècles des siècles.

Ry Jesoa Kristy Tompo,

Ianao nilaza tamin’ny Apôstôlinao hoe:

« Fiadanana no avelako ho anareo,

ny fiadanako no omeko anareo » ;

Aza ny fahotanay no jerena,

Fa ny finoan’ny Eglizinao;

Ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy

Sy hampiray azy araka ny sitraponao.

Fa Ianao velona sy manjaka

amin’ny taona rehetra mandrakizay.

Amen Amen
Que la paix du Seigneur

soit toujours avec vous

Homba antsika manakavy mandrakariva anie

ny fiadanan’ny Tompo

Et avec votre esprit Ho tanteraka tokoa anie izany
Frères, dans la charité du Christ,

donnez-vous la paix

Aoka haneho am-pahibemaso isika

fa mihavana ao amin’ny fiadanan’i Kristy

Que le corps et le sang du Christ

Réunis dans cette coupe,

Nourrissent en nous la vie éternelle.

Ny Vatana aman-dRani Kristy Tomponay anie

ho antoky ny fiainana mandrakizay

ho anay mandray azy

Agneau de Dieu,

Qui enlève le péché du monde,

Prends pitié de nous.

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra

izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,

mamindra fo aminay

Agneau de Dieu,

Qui enlève le péché du monde,

Prends pitié de nous.

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra

izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,

mamindra fo aminay

Agneau de Dieu,

Qui enlève le péché du monde,

Donne-nous la paix.

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra

izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,

omeo ny fiadananao izahay

Heureux

les invités au repas du Seigneur !

Voici l’agneau de Dieu

Qui enlève le péché du monde

Sambatra izay voaanston’ny Zanak’ondry

amin’ny fanasany.

Inty ny Zanak’ondrin’Andriamanitra,

inty Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao.

Seigneur,

Je ne suis pas digne de te recevoir,

Mais dis seulement une parole

Et je serai guéri.

Tompo ô, tsy mendrika hidiranao ato amiko aho, fa manonôna teny iray ihany, dia ho sitrana ny fanahiko.
Que le corps et le sang du Christ

me gardent pour la vie éternelle

Ny vatana si ny ran’i Kristy

anie hitahy ahy ho velona mandrakizay

Oraison après la communion

Vavaka aorian’ny kômonio

Prions le Seigneur Aoka isika hivavaka
(…) (…)

Envoi

Famaranana

Le Seigneur soit avec vous Homba antsika mianakavy anie ny Tompo
Et avec votre esprit Ho tanteraka tokoa anie izany
Que Dieu Tout Puissant vous bénisse

Le Père, le Fils et le Saint Esprit

Hitso-drano antsika anie Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra

Ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina

Amen Amen
Allez dans la paix du Christ Hitantana ny diantsika anie i Jesoa Kristy

Hisaorana anie Andriamanitra

 

Ce contenu a été publié dans malagasy. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Laisser un commentaire