Mba hisy mpaminany hijoro ka hiteny momba ny aretin’ny alikaola

On peut trouver ce livre sous forme de montage power Point
Misy fampisehoana Power Point

Complète / Boky rehetra : ny_aretinan_ny_alikaola_bruno_cadart_v_2003

Résumée / Fohy : ny_aretinan_ny_alikaola_bruno_cadart_v_2003_fohy

Version français / malagasy

Mompera Bruno Cadart, Dokotera mpitsabo ary pretra Fianarantsoa

Teny Fanolorana: Mgr Fulgence Rabemahafaly

Pejy faha-5

Teny Fanolorana

“Mahaiza miaina am-piadanana, sy manatanteraka tsara ny raharahanareo”, hoy i Paoly Apostoly ao amin’ny taratasy nosoratany (1Tes. 4,11a). Ity fahaiza-miaina sy fahafahana miasa am-pilaminana ity anefa dia rava mora foana, mivadika ho hetraketraka sy herisetra ary fahapotehan’ny fianakaviana aza, noho ny alikaola, na ny toaka.

Manitona ny saina ary mahaliana te-hamaky ity boky aroson’i Mompera Bruno Cadart antsika ity, ka ankasitrahana sy isaorana azy manokana. Maro manko ireo karazam-boky mahasoa mbola miseho ankehitriny, fa tsy saron’ny fifandraisana malaky atolotry ny teknolojia eo amin’ny fifandraisana. Matetika ny boky voasoratra milamina dia nodinihina lalina, tsy mamitaka fa mikendry fahasoavana sy fiadanana ho antsika olombelona.

Mampisokatra ny saina ary mampandinika sy mampieritreritra tokoa ireto seha-piainana maro voatanisan’i Mompera Bruno ato ireto, ary ampitàny tolokevitra samihafa. Hita fa manana traikefa teo amin’ny fiainam-piarahamonina izy, ary resy lahatra tsy hikendry afa-tsy ny fanavotana ireo namana latsaka lalina sy resy ary lavon’ny toaka sy ny zava-maha-domelina. Hita misongadina fa sady dokotera izy no pretra.

Pejy faha-6

Indro ary atolotra anao ity boky ity, hovakivakina sy hotsakotsakoina, fa ny hamamoana dia azo ialàna ary ny fahasalamana dia azo kajina. Misaotra Mompera Bruno, ary mankasitraka antsika mamaky ity boky ity sy maniraka antsika ho apôstôly mpanavotra ireo namana maro resy na mila ho resin’ny toaka. Mitso-drano sy mitondra antsika rehetra am-bavaka.

Ity mpanomponareo : + Mgr Rabemahafaly Fulgence.

Archevêque de Fianarantsoa et Président de la Conférence épiscopale de Madagascar.

Pejy faha-7

Ny mpanoratra

Mompera Bruno Cadart, pretra sy Dokotera, ilay nahazo ny Prix national de gériatrie sy ny médaille d’argent de la faculté de Paris tamin’ny bokiny : « En fin de vie » na « Eo amin’ny fiafaran’ny fiainana » (Thèse de Médecine) ary nanoratra koa ny boky : « Réflexions sur mourir dans la dignité » na « Eritreritra momba ny fahafatesana ao anatin’ny fahamendrehana » (Maîtrise de théologie) [Ireo boky ireo dia azo raisina maimaimpoana ao amin’ny fichier Word].

Pretra tao amin’ny diosezin’i Créteil akaikin’i Paris (Frantsa) tao amin’ny paroasy ho an’ny vahoaka madinika (1990-1999), rehefa avy eo dia tao amin’ny Fikambanan’ny Pretra diosezanin’ny Prado tany Frantsa (1999-2005).

Rehefa izany dia tany Bresil tao amin’ny paroasy any ambanivohitra ary ho an’ny Prado any Bresil (2005-2009) nandritra ny 4 taona, ary farany nalefa amin’ny maha « fidei donum » ho an’ny Diosezin’i Fianarantsoa (hatramin’ny volana Marsa 2010), miasa tapak’andro amin’ny maha-pretra mpanampy ao amin’ny distrikan’i Befeta, tapak’andro amin’ny maha tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanan’ny Pretra diosezanin’ny Prado atý Madagasikara.

Maro ny olona nanampy ahy nanatontosa ity boky ity. Misaotra manokana an’i Ramatoa Razanoa Andrianasolo izay nandika tamin’ny teny Malagasy ary Masera Catherine Monique s.c. ary Monseigneur Fulgence Rabemahafaly izay nanoratra ny Teny Fanolorana. Misaotra ny fikambanana “Aide à l’Eglise en Détresse” izay mamatsy arabola ny famoahana ny boky ary ny masera Saint Paul no nanao ny fanontana azy.

Pejy faha-8

Ary misaotra ny rehetra izay nanampy ahy ka enga anie ity boky ity hitarika mpaminany betsaka hanova ny toetsain’ny fiaraha-monina sy ny Eglizy momba ny aretina azo avy amin’ny alikaola ary hamonjy olona maro.

Pejy faha-9

1. Tsapan’ny foko ny fijalian’ny marary sy ny namany

Efa 30 taona no tsy mpisotro alikaola aho

Ny fahatongavantsaiko voalohany, teo anatrehan’ny fahorian’ny mararin’ny zava-pisotro-maha mamo, dia niseho tao amin’ny fiofanana isan-karazany, tany amin’ny hopitaly teo am-pahitana ny mararin’ny voka-dratsin’ny alikaola, ao anatin’ny fijaliana tena mafy matetika.

Rehefa avy eo dia voatohina aho tamin’ny fahitako mpiara-miasa seminarista mararin’ny alikaola sy ireo nafana fo amin’ny fikambanan’ny tsy mpisotro alikaola.

Telopolo taona izay tamin’ny 1982, niaraka tamin’izy ireo no nahatonga ahy ho mpiady sy mpikambana tao amin’ny fikambanana « Vie Libre » na « Fiainana Afaka ».

Amin’ny maha-pretra any amin’ny paroasy manodidina ny renivohitr’i Paris sy amin’ny maha « Assistant’ny Tompon’andraikitra ny Fikambanan’ny Pretran’ny Prado any Frantsa ahy, dia lasa nanohana olona maro be mararin’ny alikaola sy ny fianakavian’izy ireo aho.

Nandritra ny 4 taona, tany amin’ny paroasy ambanivohitra tany Bresil, dia tafiditra tamin’ny fampandrosoana ny « Pastoral da Sobriedade », Pastoraln’ny fahaiza mionona na Pastorale de la Sobriété. Nanorina azy tamin’ny alalan’ny Kaonferansy nasionalin’ny Evekan’i Bresil (C.N.B.B, Conferência Nacional dos Bispos do Brasil).

Pejy faha-10

Aty Madagasikara

Eo am-pahitana ahy, mifady alikaola, dia nisy pretra roa nangataka ahy mba hiresaka momba ny aretina azo avy amin’ny alikaola ary nanorina « ny Ekipan’ny pretran’i Fianarantsoa tsy misotro alikaola », dia ny « Equipe des prêtres de Fianarantsoa zéro alcool », izay manandrana mivory isam-bolana hatramin’ny volana Septembra 2010 ary manohana pretra efatra izany ankehitriny.

Vao tonga tany ambanivohitra aho dia onena tamin’ny isan’ny olona mararin’ny alikaola sy ny herisetra miaraka amin’ity toe-javatra ity.

Tamin’ny volana Avrily 2011, talohan’ny lamesan’ny Paka, dia nisy antso hanome sakramentan’ny marary tany amin-dry Adeline, 35 taona, manan-janaka fito, ny farany mbola amam-bolana, tratran’ny coma éthylique lalina, ary maty 4 andro taorian’izay. Nisy olona 7 matin’ny hamamoana tampina tao amin’ny kaominin’Isaka irery fotsiny tamin’io volana Avrily 2011 io.

Nanaraka, ireo olona fito maty ao anatin’iray volana, niaraka tamin’ny fampaherezan’i Mompera Wilson André Rakotonirina, pretra tale tao amin’ny distrikan’i Befeta, nandritra ny toriteny azo amin’ny alikaola aho, ary mamerina ny fomba tsara ny valan-dresaka atao anio hariva eo am-pilazana ny fitiavan’i Kristy ny mararin’ny alikaola sy ny fianakaviana ary miantso azy ireo ho tonga mpaminany, hifoha, hanampy ireo izay maniry hoharenina. Maro ny katekista no nangataka fanampiana taorian’ireny toriteny ireny.

Pejy faha-11

Eo ampandrenesana ahy, miresaka momba io lohahevitra io, i Mompera Christophe Razafimahatradraibe, tompon’ andraikitry ny faritaninay dia miteny fa teo am-pandalovana tao Ambohimahasoa indray andro tsena dia naha isa olona 200 mamo. Nanandrana nanohana ny Fanorenana ny Fikambanan’ny mpifady alikaola iray izy fa tsy nisy olona liana tamin’izany.

Ny iandohan’io boky io

Ny mpanabe ao amin’ny seminera iraisan’ny diosezy any Vohitsoa ho an’ny diosezy sivy aty atsimon’i Madagasikara dia nangataka ahy hizara momba ny aretina azo avy amin’ny alikaola. Avy amin’izany ny fanomanana ny fampitohizana (montage) ary io boky io.

Io fampitohizana novakina io, nahitsy, namboarina ary nohatevenin’ny manampahaizana iray dia Dokotera Béatrice Badin de Montjoye izay ho hitanareo amin’ny manaraka eto. Psychiatre tompon’andraikitra amin’ny fizahana momba ny olona mararin’ny alikaola ao amin’ny hopitalin’i Cochin any Paris i Dokotera Béatrice Badin de Montjoye. Hisaorana anie izy.

Ho hita ato ny filan-kevitra izay aseho ato na momba ny « Wikipedia » na amin’ireo boky navoakan’ny O.M.S. (Organisation Mondiale de la Santé).

Natao ho an’ny seminarista ity nefa namboarina indray ho an’ny olona hafa atý Madagasikara na any amin’ny toeran-kafa. Anjaran’ny tsirairay ny mamaky azy miainga amin’ny zava-misy ao aminy raha iriny izany ary mampita azy amin’ny manodidina azy.

Antenaiko fa hiteraka fampieritreretana, fahatsiarovan-tena, fandraisana, fifampizarana eo amin’ny samy ianareo na amin’ny mpanao ny fampitohizana izany.

Pejy faha-12
Pejy faha-13

2. Ny aretina azo avy amin’ny zava-pisotro-mahamamo

Famaritana ny atao hoe « Alikaolisma » :

Ny alikaolisma dia fiankinan-doha amin’ny alikaola ao anatin’ny zava-pisotro misy alikaola, marimarina kokoa dia ny tsy fisian’ny toe-tsaina mahay mionona : « misotro kely aho ».

Mila misotro ny olona miankinan-doha amin’ny alikaola ary tsy afaka mijanona intsony.

Ny fiankinan-doha amin’ny alikaola raha itarina dia ny fiankinan-doha amin’ny « éthanol » (CH3-CH2OH) ao anatin’ny zava-pisotro misy alikaola na inona na inona izany : na divay, na labiera, na toaka, sns…

Fa vera na toaka gasy kely iray vera, na divay iray, na 1/4 labiera, dia manome fatra mitovy amin’ny alikaola !

Rehefa miteny hoe alikaola, dia miresaka labiera, divay, toaka, sns… Mampiseho loza mitovy daholo ny rehetra.

Pejy faha-14

Ny endrika mahery sy ny endrika raikitra eo amin’ny aretina alikaolisma

Ny endrika mahery eo amin’ny aretin’ny alikaola dia miseho amin’ny fihinanana arakaraka izany, mafy na tsia ary afaka mandeha hatrany amin’ny hamamoana sy ny tsy fahatsiarovan-tena ary ho amin’ny fahafatesana.

Ny endrika raikitra eo amin’ny aretin’ny alikaola dia miseho amin’ny fihinanana miverimberina (isan’andro, amin’ny fomba ankapobeny) sy fahazarana ambonin’ny fetran’ny fisian’ny poizina (roa na telo vera mitovy isan’andro).

Misy mararin’ny alikaola izay miankin-doha amin’ny alikaola ary tsy mamo mihitsy ka tsy marary.

Ahoana no ahafantarana fa efa miankin-doha ny olona iray ?

Ny ahafantarana hoe miankin-doha ny olona iray, fomba tsara dia ny manao fitsapana 10 andro mifady alikaola rehetra mandritra ny 10 andro.

Raha miverina tsy mijanona ny faniriana te-hisotro ary miteraka « famantarana fialana » (jereo ery lavitra) amin’izay, fantatra fa miankin-doha ilay olona… ary fidina malaky ny fifadiana.

Fiaraha-monina iray marary

Hatramin’izao dia te-hanamafy aho fa ny aretin’ny alikaola dia tsy aretin’ny olona iray fa an’ny fiaraha-monina tsy tonga saina amin’io.

Manosika hisotro ny fiaraha-monina, mandoka izay heverina fa vokatra tsaran’ny alikaola nefa manala baraka ireo mamo na hiankin-doha, tsy mieritretitra fa izy no manosika azy ireo hisotro ary tsy nampitandrina ara-potoana ireo tandindomin-doza.

Pejy faha-15

Raha miteny izany aho dia tsy manohitra ny fahafinaretan’ny fisotroana alikaola tsara roa na telo vera indray mandeha tsindraindray aho ho an’ireo izay afaka mahalala onona amin’ny fihinanana izany.

Ny ambaratonga isan-karazany amin’ny fisotroana alikaola

  • Fisotroana tsotra : antsoina koa hoe « Fisotroana alikaola ka malefaka ny loza », mety ho tsindraindray na matetika izy, kanefa hatao ara-drariny
  • latsaky ny roa vera isan’andro ho an’ny vehivavy,
  • telo ho an’ny lehilahy ;
  • tsy mihoatra ny 4 vera na oviana na oviana amin’ny fotoana miavaka.
  • Fisotroana mitera-doza : Mety hitarika faharavana maharitra ela ka ao anatin’izany ny fiankinan-doha. Tsy mamo ilay olona fa misotro be loatra izy mihoatra ny 2 hatramin’ny 3 vera isan’andro na habetsaka tafahoatra amin’io fotoana miavaka io.
  • Ny Fisotroana manimba : Izay asehon’ny fihinanana alikaola miverimberina ambonin’ny tokony ho izy ary tsy misy fiankinan-doha. Tokony tsy ampifanarahana amin’ny tsy tanteraka ny teny hoe : « miverimberina ». Ampy ny mamo indray mandeha ho an’ny famonoana tena na hamono olona ka hiditra amin’ity karazana fisotroana manimba ity.
Pejy faha-16
  • Ny Fisotroana miaraka amin’ny fiankinan-doha, miaraka amin’ny fahaverezan’ny fifehezan-tena eo amin’ny fihinanana ataon’ny olona, afaka miteraka fileferana tsy voamarika loatra miaraka amin’ny famantarana ny fisarahana na kely na zava-dehibe loatra.
Pejy faha-17

3. Antony diso mba hisotroana alikaola

Ny tebiteby sy ny ahiahy mahatonga andevon’ny alikaola

Misy loza mahatonga ho mararin’ny alikaola raha mitebiteby na miahiahy ny olona.

Ny fanoitra ara-piaraha-monina afaka koa mampiasa fandresen-dahatra mihaja tahaka ny fipetrahana irery na fananana fihetsem-po mipetraka irery, ny tsy fisian’asa, ny herisetra ara-panambadiana.

Amin’io toe-javatra io, ny maha pretra, eveka koa dia fanoitra, misy loza avy amin’ny fipetrahana irery sy ny toetra sady tena sosialy ananan’ny ministera, noho ny fotoana hisotroana izay matetika.

Fisehoan-javatra diso manosika ny olona hisotro alikaola

Izay manosika ny olona koa dia ny fampisehoana diso ampahibemaso izay fahitany ny alikaola ho toy ny famantarana ifandraisana tsara, fahafinaretana, tanjaka.

Inoana koa ny fahafahana mampitombo ny fananahana.

Ny sasany dia manantena ny alikaola fa hanafana azy rehefa mangatsiaka ny andro. Nefa rehefa tena mangatsiaka ny andro mba hihazonana 37° ny taova mampiaina, dia mikatona ny lalan-drà ivelany, izany no ahatsapana ny rantsana ngoly. Ny fisotroana alikaola dia miteraka fitaran’ny lalan-drà mikoriana manerana ny tena indray ny rà, izany no ahatsapana hafanana. Ary dia manafaingana ny hatsiaka manerana ny tena izany ary miteraka fidinan’ny hafanana ary farany dia maty.

Pejy faha-18

Ohatra hafa eo amin’ny finoana diso :

Tao amin’ny adihevitra tao amin’ny seminerin’i Vohitsoa, dia nisy seminarista iray nangataka resadresaka manokana. Nanantena aho fa hiresaka momba ny alikaola, na olona any aminy na amin’ny manodidina azy ary nangataka toro-hevitra momba ny hatsembohan’ny tanana sy ny tongotra izy… Tsoriko fa tena saikatra be aho ary tsy nahita ny fifandraisan’ny izany tamin’ny lohahevitra ny harivan’iny. Rehefa avy eo dia niteny izy fa « manana namana, izay mijalin’ny hatsembohana be loatra ary niteny io namany io fa ny alikaola no nampijanona ny hatsembohany. » Araka izany, ary tena marina fa ity olona ity angamba ilay tonga niteny tamiko nefa tsy afaka niteny hoe « izaho » dia efa miankin-doha amin’ny alikaola ary rehefa mitady, fa tsy afaka nisotro hatramin’ny 6 ora ka hatramin’ny 12 ora, dia misy famantarana ny fitadiavana ary tsy inona fa hatsembohana. Araka izany dia mandray alikaola izay mamaha ivelany ny olana. Araka izany dia ny aretin’ny alikaola no fototr’ity ary ny fitsaboana izany dia mifototra amin’ny famahana ny fiankinan-doha sy ny fijanonana misotro.

Afaka mandray tsirairay ireo toetra heverina fa tsara ao amin’ny alikaola ianareo, ary ho hitanareo fa tsy maharitra ireny.

Lazaina koa amin’ny fomba tena diso fa mitsabo ny divay.

Masindahy Paoly Vatatenany izao dia nanafatra an’i Timoty hoe : « Aza misotro afa-tsy rano. Mandraisa divay kely fotsiny noho ny vavoninao ary ny harerahanao matetika » (1 Tim 5, 23). Raha fantatry ny olona ny fanimban’ny alikaola ny vavony…

Marina fa any rehetra any dia manafaingana malalaka ny ady amin’ny hamamoana (Rom 14, 22 ; Eph 5, 18 ; 1 Tim 3, 8 ; Tite 2, 3), fa rehefa avy atosika misotro.

Pejy faha-19

Tsy mitsabo ny divay ary tsy ilaina amin’ ny fahasalamana.

Tsy manome hery ny divay,

tsy miaro manohitra ny mikrôba, mifanohitra amin’izany,

poizina io !

Matetika mieritreritra toy izao ny olona :

–     « Misotro vera vitsivitsy dia hahatonga ahy tena mahatsikaiky »

–     « Ho tena tony aho raha misotro vera iray »

–     « Alefa é ! iray vera fotsiny, mendrika izany tsara aho aorian’ny asa… »

Tena apetraka mazava fa ny fiankinan-doha amin’ny alikaola dia tena arahin’ny tebiteby avo lenta sy fikorontanan-tsaina izay mbola manamafy hatrany ny fisotroana.

  • Mitebiteby aho… noho izany misotro aho… (ary marina fa eo noho eo dia manala ahiahy ny alikaola)
  • Ary noho misotro aho dia mampitebiteby ahy izany…
  • Noho izany mbola misotro aho…

Amin’io fomba fijery io, dia tena zava-dehibe ny manampy ny mararin’ny alikaola mba hanana fitokisana ny tenany

fa tsy mandrahona azy, ny mampitaintaina azy, ny tsy manome lanja azy amin’ny

  • « olona tsy mahay na inona na inona ianao ! »,

ary, raha misy fiverenany :

  • « he ! tsy mihazona ny fampanantenana nataonao ianao ».
Pejy faha-20

Eo amin’ny fotoana mampisy fiverenana misotro iny indrindra no mbola tena mila fanampian’ny manodidina mba tsy hamoy fo ilay olona.

Matetika tonga tezitra izay misotro.

Nanaraka ny toriteny momba ny aretin’ny alikaola, dia nisy katekista sy ny vadiny tany Isaka tonga nangataka fanampiana satria samy misotro izy roa :

–     « Misotro ny olona satria misy fifamaliana ara-panambadiana… »

–     « Ary rehefa inona ? »…

–     « Rehefa misotro… »

–     « Araka izany dia misotro ianareo satria nifamaly ve ? »

–     « Eny Mompera… »

Nahita azy ireo iray taona taoriana. Tsy misotro intsony ary tsy misy fifamaliana ara-panambadiana intsony. Nijanona ny asan’ny katekista izy noho ny alikaola ary miasa indray.

Faly dia faly izy ireo.

Pejy faha-21

4. Vokatry ny alikaola eo amin’ny fahasalamana

Raha vao voatelina ny « Ethanol », tonga dia tsentsefin’ny fantson’ny lalan-kanina ary tsy mila fombafomba fandevonan-kanina.

Ao anatin’ny fotoana fohy dia miteraka ny fitomboan’ny fisian’ny alikaola ao anaty rà, sy fahamamoana be.

Marihina fa amin’ny fatran’ny alikaola mitovy, dia ho ambony ny fatran’ny alikaola ao anatin’ny ràn’ny vehivavy iray.

Raha azo atao ny mampihena ny eritreritry ny hamamoana eo am-pisakafoanana, ohatra, ny fetran’ny alikaola hatelina iny ny fahasimbana aterany dia mitovy ihany.

Ny hamamoana na ny toe-tena anatin’ny hamamoana dia voafaritry ny :

  • fiadanan’ny tohi-tsaimbatana na réflexes,
  • fihenan’ny fahamalinana na vigilance,
  • toetra falifaly na mifanohitra amin’izany, toetra malaheloelo,
  • fanombanana ratsy ny zava-misy izay mety hitarika amin’ny fihetsika loza be na mamoafady,
  • fikorontanan’ny fijoroana ary koa ny fahasimban’ny lalan-drà.

Ireo vokatry ny alikaola rehetra ireo dia mampandroso ny fahatongavan’ny loza sy ny heloka.

Pejy faha-22

Mety hitarika tsy fahatsiarovan-tena etilika ny hamamoana, toe-javatra mety hitarika amin’ny fahafatesana.

Marihina fa fatran’ alikaola tena kely dia efa miteraka vokatra ary mampitombo malaky ny mety hisian’ny loza indrindra any an-dalana.

Mba ho tonga mpamon’olona dia tsy mila hoe tena mamo, vera iray dia ampy.

Ao anatin’ny fotoana fohy ny fisotroana alikaola dia mety hiteraka :

  • Aretina na mavaivay (fanaintainan’ny vavony izay miseho amin’ny famaivain’ny vavony),
  • Maloiloy (te handoa), fandoavana.
  • Mavaivay be noho ny alikaola ny aty (fahapotehan’ny selan’ny aty mety hahatonga fahafatesana).
  • Fambara fofona ao-ambava vokatry ny aretina.

Vokatry ny aretin’ny alikaola mitohy eo amin’ny taova isan-karazany

Eo amin’ny saina
  • Aretin’ny retsika izany no mahatonga ratra tena matetika ary izay mahatonga fikorontanan’ny fijoroana.
  • Fahapotehan’ny hozatra fijerena ary noho izany fahavoazan’ny fijerena izany).
  • Aretin’an-doha vokatry ny aretin’aty (tsy manadio rà intsony ny aty, sahirana ilay olona ary mety ho tonga amin’ny tsy fahatsiarovan-tena sy fahafatesana).
  • Faharavan’ny atidoha miaraka amin’
Pejy faha-23
  • ny fahapotehan’ny fitadidiana : tsikelikely, tsy mahatsiaro zava-miseho taloha na avy hatrany intsony ny marary. Tsy mitazona na inona na inona intsony izy na dia misy olona vao avy namangy azy aza,
  • ny fitsarana (manjary adala izy),
  • ny fahafahana mifanerasera amin’ny olona.
  • Azon’ny fahitan-javatra foronin’ny saina vokatry ny alikaola (manana fahitana hafahafa ny marary, mahita zavatra na mandre feo izay tsy misy.
Vokatra eo amin’ny aty :
  • Cirrhose miaraka amin’ny fahasimban’ny selan’ny aty izany miaraka amin’ny fiforonana mikorontan’ny aty izay mihalehibe fa tsy afaka manao ny asany intsony.
  • Miseho amin’ny endrika tazo vony izany. Hoditra mavomavo, rehefa avy eo, satria tsy voadion’ny aty intsony ny rà, dia tonga eo amin’ny aretin’an-doha vokatry ny aty izay mety hitarika amin’ny tsy fahatsiarovan-tena ary amin’ny fahafatesana.
  • Tsy afaka handevona ny sakafo mahavelona intsony ny marary ary ho tratran’ny alofisaka miaraka amin’ny kibo lehibe vokatry ny fitomboan’ny haben’ny aty ary matetika avy amin’ny fivontosana rano izay mameno ny kibo.
  • Hiteraka fandoavan-drà sy fahafatesana koa izany.
Vokatra eo amin’ny sarak’aty :
  • Aretin’ny sarak’aty mafy (ny fahapotehan’ny selan’ny sarak’aty dia mety hahafaty)
  • Na aretin’ny sarak’aty mitohy, miaraka amin’ny aretin’ny fandevonan-kanina sy mandretso anaty (diabeta).
Pejy faha-24
Vokatra eo amin’ny fiasan’ny fo
  • Tosidrà avo miaraka amin’ny fihombon’ny tosi-drà avo : loza amin’ny lalan-drà, tsy fahampiana ao amin’ny voa, fahalemena, fahafatesana, sns…
  • Aretin’ny fo
  • Tsy fahampiana amin’ny lalan-drà.
  • Aretin’ny godro (miaraka amin’ny fatahorana tsy fahampiana eo amin’ny voa sy fihomboana hafa)
Vokatra eo amin’ny fitaovam-pananahana
  • Eo amin’ny lehilahy :
  • fahalasanan’ny faniriana,
  • firaisana,
  • fahosana tembo lasa aloha,
  • fahalemen’ny filahiana.
  • Eo amin’ny vehivavy :
  • tsy fisian’ny tsirim-panentana,
  • fanaintainana eo amin’ny firaisana (marary rehefa manao firaisana ara-nofo)
  • tsy tonga fotoana, tsy fisian’ny fadim-bolana
  • Ary tsy adino ny fikorontanan’ny firaisana dia ny manamora ny fitondran-tena amin’ny mahalahy na mahavavy amin’ny loza mety hitranga na nahavoafady (fandalovana eo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy izay tsy nananana tsy misy alikaolan’ny faharomotana teo amin’ny mahalahy na mahavavy, fihetraketrahana amin’ny mahalahy na mahavavy).
Pejy faha-25

Ny fisotroana mitohy mampitombo ny retsika homa-miadana :

Homa-miadana iray amin’ny eo amin’ny folo (1/10), dia azo avy amin’ny alikaola. Ambonin’ireny dia homa-miadan’ :

  • ny aty,
  • ny sarak’aty,
  • ny lalan-kanina avy any ambony : vava, lela, molotra, tenda, lalan-kanina, vavony.

Eo amin’ny vehivavy, dia miteraka homa-miadan’ny nono izy.

Loharanon’aretina maro sy fijaliana be dia be ny alikaola

Ambonin’ity fitanisana ity, dia tsy maintsy jerena aloha ny fanaintainana lehibe ara-batana, ara-tsaina sy ara-moraly, ho an’ilay olona sy ny manodidina azy, miaraka amin’ireto aretina voalaza tetsy ambony ary mety hitangorona ao amin’ny marary iray aza izany.

Mbola hafa indray koa, mifanohitra amin’ny finoana mafy orina atý Madagasikara, ary izay tany Frantsa koa taloha, ny alikaola no mamparary fa tsy ny hoe ny fisotroana

Izaho amin’ny fiombonan’ny « pretran’ny diosezin’i Fianarantsoa zero alikaola » matetika be, dia maka ho an’ny tenany manokana, ny tsirairay :

« Azonao antoka ve fa ny tsy fisotroana mihitsy tsy hampalemy ahy, tsy hahamora azon’aretina ahy ? Miteny amiko tsy an-kijanona ny fianakaviana sy ny pretra hafa fa ratsy ny tsy misotro mihitsy… »

Pejy faha-26

Maika ny asa na fampahafantarana mba handevonana ity finoana ity !

Alikaola sy toetry ny bevohoka ary fampinonoana

Miampita any amin’ny zazakely ny alikaola avy any amin’ny reny amin’ny alalan’ny tadim-poatra ary rehefa avy eo amin’ny nono rehefa minono izy.

Ny tena loza be miaraka amin’ny alikaola dia ny vokatry ny alikaola amin’ny zaza ao an-kibo (E.F.A. dia Effets Fœtaux de l’Alcoolisation) izay mampiseho ny fikorontanana teo amin’ny fianarana asa na ny toetra nandritra ny fahazazana ka ny fahatongavan’izay dia miaraka amin’ny fandraisan’ ny reny indray mandeha na kisendrasendra alikaola (na inona antony na inona antony) nandritra ny fitondranavohoka.

Tsisy Alikaola mandritra ny fitondrana vohoka ary fampinonoana !

Alikaola sy sigara

  • 85 % hatramin’ny 90 % n’ny mpandray alikaola dia mpifoka sigara.
  • Ny fisotroana dia manome faniriana hifoka sigara.
Pejy faha-27
  • Alikaola + sigara = Loza be ho an’ny homamiadana rehetra eo amin’ny lalan-kanina (lela, tenda kely, lanilany, lalan-kanina, vavony, sns…).
  • Ankehitriny dia amporisihana ny olona sady hiady amin’ny sigara no hiady amin’ny alikaola.
Pejy faha-28

Pejy faha-29

5. Fambaran’aretina eo amin’ny fialana amin’ny alikaola

Inona ny fambaran’aretina eo amin’ny fialana amin’ny alikaola ?

Ny fambaran’aretina eo amin’ny fialana amin’ny alikaola dia miseho enina ora ka hatramin’ny roa ambin’ny folo ora aoriana ny fanendrena alikaola farany eo amin’ny olona iray miankin-doha amin’ny alikaola.

Izany dia midika hoe fa rehefa tsy afaka nisotro hatramin’ny 6 ka hatramin’ny 12 ora ny olona miankin-doha amin’ny alikaola, dia hisy fambara betsaka ho tonga eo aminy satria mitady izy.

Rehefa misy olona iray tapa-kevitra ho tonga mpifady alikaola rehetra dia tena ho sarotra zakaina ireo fambara ireo, fa kosa, hizotra an-tsitrapo amin’ny fahafoanan’ny fiankinan-doha ara-batana izany eo amin’ny tranga tsotra.

Fa kosa, mety hijanona fiankinan-doha ara-tsaina izay mety ho mafy ary matetika mifarana amin’ny teritery ara-piaraha-monina eo amin’ny manodidina sy ny « namana » izay iarahan’ilay olona misotro izy.

« Namana… » izany hoe « namana diso », satria entin’izy ireo ny olona ho any amin’ny fahafatesana.

Mitarika amin’ny fiverenana amin’ny alikaola tena matetika izany na fidorohana indray.

Pejy faha-30

Ny famantarana eo amin’ny fambaran’ny fialana amin’ny alikaola :

Ireto no voasoratra amin’ny fomba miankina na tsia :

  • Maloiloy
  • Aretin’andoha
  • Fisamboaravoara
  • Fangovitana (Fihetsiketsehan-kozatra)
  • Fanaintainan’ny retsika sy ny tonon-taolana (crampe)
  • Fitempon’ny fo malaky noho ny ara-dalàna
  • Fiakaran’ny tosi-drà
  • Hatsembohana
  • Tazo
  • Fambara mampiahiahy sy tsy mampitony saina
  • Fikorontanan’ny fifantohana amin-javatra iray.

Mety ho miafinafina na tena mafy sy manelingelina ary manakana ny marary hanjary mpifady.

Eo amin’ny endriny mafy, dia misy fiseho mifanintona miaraka na tsia amin’ny fahitana zavatra.

Ny endriny tena mafy amin’ny fahasarotan’ny aretina dia ny rediredy (delirium tremens) izay mety hahafaty raha tsy misy fitsaboana.

Pejy faha-31

6. Ny fitsaboana

Ny fitsaboana dia ny safidy fifadiana, tsy hisotro intsony mihitsy, mba hampijanona ny fandroson’ny fiankinan-doha ka hiverina amin’ny fiainana « ara-dalàna ».

An-tsitrapo, ny olona miankin-doha amin’ny alikaola dia tsy handa raha tsy tena tara ho amin’ny fitsaboana voafaritra. Matetika dia tsy manao ity fiangaviana ity raha tsy amin’ny fanerena (ny vady ohatra). Satria tena sarotra ho azy ny hiresaka momba ny olany ary satria ny olona miankin-doha amin’ny olona dia matetika maneho ny fandavany ny fiankinan-doha mahazo azy. Matetika izy dia manandrana miala amin’izany irery fa tsy tafavoaka, manahy ny tenany, satria tsy misy olona mihitsy tena nanazava taminy ny atao hoe « aretina vokatry ny alikaola », ary ny fisehon’ny fiankinan-doha noho izany dia mamoy fo samirery eo izy, ary dia mihiboka ao amin’ny fandavana ao. Araka izany, satria tsy afaka miteny momba ny olany dia ao mijanona mijaly irery ao izy.

Tsy maintsy miresaka miaraka amin’ny olona momba ny aretin’ny alikaola fa tsy miandry hanao izany ho azy ary tsy miandry koa ny hanaiky izay nolazaina taminy, angamba tsy hamaly na inona na inona izy. Eo am-piresahana ny olana amin’ilay olona, eo am-pandresena lahatra azy, eo am-panomezana toky hanana fitokisana amin’ny tenany, eo am-piraisana lalana aminy dia afaka mandray amin’izany hitarika azy tena malaky amin’ny fisainana amin’ny fitsaboana.

Ny tena zava-dehibe,

mba hamerana ny mety ho lozan’ny Delirium Tremens, sy ny androbe miaraka amin’ny fialana, rehefa mijanona misotro nefa efa tena mpisotro alikaola gaigy lahy, dia arahina maso amin’ny fotoana fialana :

Pejy faha-32
  • Ny misotro rano betsaka
  • Ny tsy mijanona mitakoko ao anatin’ny haizina ao amin’ny efitra iray ary mandrakariva mamela misy fahazavana
  • Manomboka manatara kely ny fisotroana alikaola rehefa mahatsapa fitadiavana ary manelanelana bebe hatrany ny fandraisana alikaola sady mampihena ny fatrany mandra-pahatonga amin’ny fifadiana tanteraka.

Koa satria efa raiki-tapisaka ny aretina, dia tsy fahasitranana no resaka fa kosa fiverenam-pahasalamana.

Raha fiankinan-doha nampidirina, dia matetika saro-pady ny fialana, manosika ny olona amin’ny lozan’ny fiverenana.

Mora ny fialana raha voa ara-piaraha-monina sy ara-panafody ilay olona miankin-doha amin’ny alikaola.

Atao tsy misy fidirana hopitaly ny fialana amin’ny ankapobeny ary miditra hopitaly ho an’izay misy loza fihomboan’aretina.

Misy fikambanana maro afaka manampy ny mararin’ny alikaola, mpifady na tsia

Ny tena fantatra dia ny « Alikaolika tsy mitonona anarana » (Alcooliques Anonymes), ny « Alcool Assistance » (Croix d’Or, taloha), ny Vokovoko Manga (Croix Bleue), ny « Fiainana Afaka » (Vie Libre). Alikaola Fihainoana Fifaliana sy Fahasalamana (Alcool écoute, Vie et santé), ny Lalam-baovao (Le Nouveau Chemin).

Pejy faha-33

Ny lalana tokana dia ny fifadiana alikaola tanteraka

Maro ny manome soso-kevitra tsy ny fifadiana fa ny fitandremana amin’ny fisotroana alikaola.

Hitako fa tsy fahatongavan-tsaina ny famporisihana ny mararin’ny alikaola hitady fisotroana am-pieritreretana

Tena mora ara-tsaina aza ny miteny « tsia mihitsy » toy izay mifanaraka amin’ny hoe : « kely kely androany… »

Angamba vistivitsy no afaka amin’izany, fa ny ankamaroany tsy amin’izany.

Etsy andaniny efa tena sarotra ny miteny « tsia » amin’ny vera voalohany. Ary satria mampihena ny fampiatoana ny alikaola sy mampitombo ny fitohizan’ny fahafinaretana dia vao mainka sarotra ny miteny « tsia » ho an’ny faharoa…

Ary ahoana no hitenenana momba ny mahasarotra ny miteny « tsia » ho an’ny fahatelo… ?

Araka izany dia tonga malaky any amin’ny tsy misy fetrany.

Ny lalana tokana dia ny fifadiana alikaola tanteraka.

Tsy misy fitsaboana ara-panafody mahagaga

Tsy misy fitsaboana ara-panafody fahagagana tao anatin’ny fitsaboana amin’ny fialana amin’ny alikaola, ny tanjon’ny fitsaboana ara medikaly dia ny hisoroka ny « Delirium Tremens ».

Ny fitsaboana… dia ny fanapahan-kevitra hampijanona tanteraka sy tokoa tokoa ny fisotroana, ny fifadiana tanteraka.

Pejy faha-34

Sarotra ny ahatongavana amin’io fanapahan-kevitra io ary ambonin’izany ny manodidina tsy mino ny lalan’ny fanasitranana fa mbola manosika hisotro.

Ny asan’ny manodidina raha ampiana, hisy fiantraikany ka tsy handetika ilay olona fa tsy hanampy azy dia tena zava-dehibe marina.

Zavatra maika…

ny asa fampahafantarana avy amin’ny fiaraha-monina manomboka amin’ny Eglizy, mba hanova ny fijery momba ny alikaola sy ny olona marary.

Ahoana no ahafantarana raha miankin-doha aho ?

Misy ny fitsapana folo andro izay ahazoana mahalala raha miankin-doha amin’ny alikaola ny olona (na dia hoe tsy mamo aza).

Mora foana… mbola sahy hanao izany… manapa-kevitra tsy hisotro alikaola na indray mitete mihitsy aza mandritra ny 10 andro, ary, raha hita ny iray amin’ireo famantarana amin’ny fambaran’ny fialana raha mieritreritra foana fa te-hisotro, dia efa tena miankin-doha amin’ny alikaola izany.

Ny ahalalana raha efa mpisotro tandindomin-doza, ny fanontaniana manaraka dia ahazoana mametraka ny toeran’ny tena :

Pejy faha-35

Ny fanontaniana audit

Pejy faha-36

7. Sandany, isan’ny olona maty, fiverimberin’ny aretina vokatry ny alikaola

Fahanginana fotoana kely…

  • Andramo jerena ny olona izay fantatrao fa tratran’ity aretina ity…
  • Jereo ny vokatra aterak’izany aminy, ho an’ireo ifotoran’ny toetrany, ho an’ny fiaraha-monina, ho an’ny toeran’ny Eglizy raha toa ka olon’ny Eglizy izy…
  • Ianao ihany angamba… Na dia hoe tsy mahatonga saina anao…
  • Iza ao amin’ny fianakavianao ? Eo amin’ny manodidina anao ?
  • Ao amin’ny pretra sy ny katekista ary ny mpampianatry ny diosezinao ?

Dia miteny irery ianao fa tena nohambanianao ny zava-misy vokatry ny fandavana, ny fahanginana manodidina zava-misy maro, ny loza marobe, ary ny tsy fieritreretana amin’ny haavon’ny alikaola mitera-doza.

Ny sandany ara-piaraha-monina sy ara-toekarena :

Mihoampanpana ny sandan’ny fidorohana alikaola noho ny vokany ara-pahasalamana ary koa ny tsy fisian’ny asa avy amin’izany na avy amin’ny famonoana olona miaraka amin’izany.

Pejy faha-37

Isan’ny olona maty vokatry ny alikaola

  • Isan-taona dia mahatratra 1 800 000 no maty eran-tany tamin’ny 2004 (izany hoe manodidina ny 3 % ny fahafatesan’ny olona), 45 000 any Frantsa, firy aty Madagasikara ?
  • Isan-taona dia misy zaza teraka 5 000 hatramin’ny 7 000 miaraka amin’ny kilemam-batana lehibe (fambaran’ny alikaola ao amin’ny zaza) noho ny fidorohana alikaola nataon’ny reny, firy re ny vehivavy misotro alikaola (toaka, divay, labiera…) atý Madagasikara ?

Ny sandany aty Madagasikara

Tena azo antoka fa anisan’ny antony iray amin’ny fahantrana atý Madagasikara, raha ny tena izy dia fanoitra iray mampitombo tsy hita avanavana sady vokany koa.

Ahoana koa no ilazana ny isan’ny zaza teraka sembana, ahenan’ny fisotroana alikaola ny reniny sy ny fianakaviana rehetra mijaly ?

Ny krizy politika sy sosialy ankehitriny vao mainka mampihombo ny zavatra miseho.

Loza isan-karazany sy fifamonoana

Adilahy 1 amin’ny 2

Famonoana olona 1 amin’ny 2

Loza mamono 1 amin’ny 2

Ny fiverimberin’ny aretina vokatry ny alikaola

Tsy nahita antotan’isa mikasika an’i Madagasikara mihitsy fa halefako aminareo amin’ny alalan’ny fampidirana indray mipimaso :

Pejy faha-38
  • Ao anatin’ny iray volana nisy olona 7 maty tao Isaka, Kaominina Ambanivohitra (Avrily 2011).
  • Nisy olona 200 voaisa fa mamo teo am-pamakivakiana an’Ambohimahasoa indray andro tsena.
  • Firy moa ny pretra sahirana ao amin’ny Ministerany ao anatin’ny diosezantsika, marary na maty, niteraka lozam-piarakodia noho ny alikaola ? Firy ny katekista ?
  • Ary iza aminareo no afaka miteny fa ao anatin’ny fianakaviany akaiky (havana, rahalahy sy anabavy, dadatoa sy anadahy akaiky) tsy tratrany ?

Tsy misy raharaha atao iantsoana olona ka tsy misy alikaola ?

I Mompera François Noiret, Jezoita, mpahay momba olombelona mpampiofana ao amin’ny semineran’i Vohitsoa, tena mahalala ny fomba betsileo no nametraka fanontaniana tamin’ny seminarista.

Dia namaly ny rehetra fa ao anatin’ny fomban-drazana izany ary tsy afaka hanaja ny razana tsy misy ity zavatra ity.

Ary tamin’izany no nanamarika i Mompera Noiret fa ny toaka dia nampidirin’ny Eoropeana tamin’ny taon-jato faha XVI ary tsy tena novokarina teto Madagasikara raha tsy vao haingana, tamin’ny taon-jato faha-XIX.

Tena nisy fanajana tsara sy fitsaohana razana tsy nisy alikaola…

Ny fidorohana alikaola dia tsy nentin-drazana ary mandrava hatrany isan’andro an’i Madagasikara…

Pejy faha-39

8. Hafatrafatra avy amin’ny O.M.S.

(Fikambanana Eran-tany momba ny Fahasalamana,Organisation Mondiale de la Santé)

  • Tsy mihoatra ny 4 vera mihitsy amin’ny fisotroana manokana.
  • Tsy mikasika alikaola rehefa tokony hitondra fiara.
  • Sorohina tanteraka amin’ny fotoana mampisy tebiteby na amin’ny fotoana maha lehibe ny fiverenana indray.
  • Tsy mihoatra ny 3 vera isan’andro ho an’ny lehilahy.
  • Tsy mihoatra ny 2 vera isan’andro ho an’ny vehivavy.
  • Manafatra koa ny O.M.S. ny hifadiana farafaha keliny iray andro isan-kerinandro amin’ny fisotroana alikaola.
Pejy faha-40
Pejy faha-41

9. Antsoina mpaminany hijoro vavolombelona

Nasehoko lavabe ny vokatra eo amin’ny taova mba hahatonga saina ny amin’ny fanimban’ny alikaola ny ao amin’ny tena.

Fa izay manohina kely voalohany dia ny faharavan’ny olombelona, ny olona, ny fianakaviany, ny Eglizy, ny fiaraha-monina ; ny herisetra miaraka aminy, ny fijaliana rehetra eo amin’ilay olona, ny manodidina azy, indrindra ny fijalian’ny ankizy manana raiamandreny mararin’ny alikaola, ny fijalian’ireo vehivavy manana vady mpisotro.

Inona ny tenin’ny Eglizy miaraka amin’asa ?

Afaka mijanona, ho moana, tsy mihetsika, tsy taitra, tsy ho tonga saina ve ny Eglizy ?

Ary ny Eglizy… manomboka amintsika tsirairay…

Ary rehefa mahakasika pretra, relijiozy lahy na vavy, seminarista, katekista, mpampianatra amin’ny sekoly katolika, rehefa maha tonga azireny ho tompon’adraikitra amin’ny asa mahadiso, amin’ny fahafatesan’ny olona iray…

ahoana ny endrik’i Kristy izay aseho amin’izany ?

Ahoana io fahasarotana io raha hiresaka momba ny alikaoa ?

Nahoana no ataon’ny olona fanebaka avy hatrany rehefa mandray ny lalan’ny fifadiana na rehefa mandroso io resaka io ?

Pejy faha-42

Nahoana no tena sarotra na dia eo amin’ny pretra sy samy seminarista ka tsy maintsy mialokaloka ao amin’ny fihomehezana, vazivazy, tsy fahazoana mizara izany lalindalina ?

Ny pretra ao amin’ny ekipan’i Fianarantsoa « tsy misy alikaola » dia miteny amim-pahasahiana fa ny fihetsiky ny rahalahy hafa dia mahatonga ny lalan’ny fanafahana amin’ny alikaola ho sarotra.

Tsy misy fieritreretana azo atao miaraka ve ?

Tsy maintsy miantso mpaminany mba hijoro ho vavolombelona

Tany Befeta, dia niantso aho raha misy mpaminany sahy mijoro ho vavolombelona ary dia efa nisy zava-bita vitsivitsy madinidinika vita :

  • Ohatra nisy tanora mpanao fiofanana avy ao amin’ny « Centre de Promotion Rurale » (Toerana fampiroboroboana ny any ambanivohitra) izay nahazo ampahibe-maso ny sakaramentan’ny marary ary niroso teo amin’ny lalan’ny fifadiana… Vitsivitsy tamin’izy ireo no efa tafavoaka efa-bolana izay… ary ny hafa mbola…
  • Misy katekista izay nanjary mpifady na miady ho amin’io lalana io…
  • Ny « Equipe des prêtres de Fianarantsoa zéro alcool » izany hoe « ny Ekipan’ny pretran’i Fianarantsoa tsy misotro alikaola » dia famantarana faminaniana

Resy lahatra aho fa ny dingana voalohany dia mifototra amin’ny fampahafantarana malalaka ny amin’ny aretina azo avy amin’ny alikaola.

Pejy faha-43

Io boky io dia avy amin’ny fampitohizana (montage) voaomana ho an’ny seminarista any Vohitsoa. Io asa io dia azo ampiasaina amin’ny fihaonan’ny pretra, ny relijiozy lahy sy vavy, ny seminarista, ny mpiofana ho relijiozy, ny katekista, ny mpampianatra, ny mpitsabo, mba tena hahatonga saina ny amin’io resaka io ary hampivoaka soso-kevitra.

Raha misy olona mampiasa ity fampitohizana (montage) na boky ity dia isaorana mialoha amin’ny filazana amiko ary hiteny izay tokony hohatsaraina sy hahitsy

Nanorina ny « Pastorale de la Sobriété » (« Pastoral da Sobriedade » na Pastoralin’ny Fahalalana oniny) ny Eglizy tany Brésil…

  • Nahoana no tsy ho raisina sy ampiharina atý Madagasikara io hevitra io ?
  • Inona no hevitra hafa mety ho teraka ?
Pejy faha-44
Pejy faha-45

10. Ny fanoharan’ny Samaritana tsara

Ao amin’ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy, amin’iza re no anoharantsika ny tenantsika manokana sy miaraka ?

Amin’ny marary valaky ny kapoky ny alikaola ka tsy afaka miarina irery ?

Amin’ireo jiolahy izay namiravira ilay olona ka mampianjera azy ao anatin’ny aretina vokatry ny alikaola nandentika azy rehefa nanandrana hanarin-tena izy ?

Pejy faha-46

Amin’ny pretra sy ny levita izay mahita nefa mandalo teny lavitra eny
ary tsy nahatsapa ho voakasik’izany
na rehefa nandre ity antso ity izy hoe :« Inona no nataonao ny rahalahinao ? »
Dia mamaly moramora hoe :
« Moa mpiambina ny rahalahiko aho ? »

Pejy faha-47

Amin’ny Samaritana sy amin’ ny tompon’ ny tranom-bahiny
izay niaraka nihosina mba hanarina ilay olona noratraina
ary mampiseho ny fitiavan’i Kristy ?

Pejy faha-48

Fampitohizana sy boky ho jifaina sy aparitaka  tsy itsitsiana…

Na izany, misaotra tamin’ny fihainoanareo sy famakianareo ny boky !

Ary vonona lalandava hizara amin’izay mila manokana na ao amin’ny fikambanana araka izay fahafahako.

Raha hiresaka amiko ireto ny mombamomba ahy :

Mompera Bruno Cadart

034 41 744 43

cadartbruno@gmail.com

www.bruno-cadart.com

 

Ce contenu a été publié dans Soins Palliatifs et fin de vie. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *