Ny ady sy ny fijalian’i Paoly

  1. Mandeha hatramin’ny adintsika ka hatramin’ny adin’i Kristy ao amintsika sy amin’ny ady miaraka amin’i Kristy :
  2. Ady sy fijaliana tao amin’ny fiainan’i Paoly
  1. Ahoana no ahazoan’i Paoly ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahoriana sy ny fijaliana izay tsy tanjona ao anatiny :
  1. Famantara ho an’ny tolona :

Ny famakiana ny Boky ny Asan’ny Apôstôly sy ireo taratasin’i Paoly dia mametraka antsika eo anoloan’ny zava-misy iray tsy azo ihodivirana ; ny lalan’ny Apôstôly dia mandalo amin’ny hazofijaliana, sy ny ady ary fahoriana. Eo am-pijerena an’i Paoly, nefa ary koa ny Apôstôly hafa, dia mahita ity antson’i Jesoa ity.

« 34Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. 35Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. 36Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny ? 37Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny ? 38Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy otronin’ny Anjely masina ? » (Mk 8, 34-38)

« Mandray ny hazofijaliany », « mijaly ho an’i Kristy »… fiteny izay voahodina tamin’ny heviny ireo matetika ka mitarika amin’ny aretin-tsaina « névrose », na hadalana ary farany amin’ny tsy fandraisana. Anisan’ireo izay nosoratan’i Nietzche dia tena mahery vaika indrindra moa ao anatin’ny bokiny : « La Genèse de la morale » (Ny Jenezin’ny fampianarana momba ny fitondran-tena)

« Mandray ny hazofijaliany », « mijaly ho an’i Kristy »… fiteny tsy dia tiantsika ho renesina satria ao amintsika, « ny nofo dia manohitra ny antson’i Kristy, ary tahaka ny maro dia mipetraka ho toy ny fahavalon’ny hazofijaliana isika (jereo Fil 3, 18).

Ny fototr’ity fianarana ity dia ny ahazoana tsaratsara koa ny refin’ny fiainan’ny mpianatry Kristy eo am-panarahana tsikelikely Masindahy Paoly. Ady, fijaliana, fahoriana, tsilo, fahalemena, hazofijaliana… ireo teny rehetra ireo dia mamerina amin’ny zava-misy tena isan-karazany tao amin’ny fiainan’i Paoly izay handramantsika ho avahana. Ho jerentsika indrindra ahoana no naneken’i Paoly handray sy ahazo ary ho volavolain’i Kristy mba hiditra ao anatin’ny fifaliana amin’ny fihaonana ao amin’ireny zava-misy ireny. Araka izay ho hitantsika ireny zava-misy ireny dia tsy tanjona fotsiny, fa teboka lalana tsy maintsy andalova na eo amin’ny lalan’izay manaiky ho raisin’i Kristy. Tsy nila nitady an’ireny i Paoly sy hifidy ireny na hanome ho azy ihany ireny. Tsy azo atao ny mandray ny lalan’ny fitiavana ka tsy hoe hijaly. Izay tadiavina dia tsy ny fijaliana, fa ny fifaliana tsy mana-tsahala eo amin’ny fanekena ny honenana ho raisin’i Kristy.

1. Mandeha hatramin’ny adintsika ka hatramin’ny adin’i Kristy ao amintsika sy amin’ny ady miaraka amin’i Kristy :

Tokony nandao ny adiny tamin’i Kristy mba hidirana ao anatin’ny adin’i Kristy i Paoly tao amin’ny lalan’ny Damasy.

3Raha mbola nizotra ny dia izy ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. 4Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe :

–     « Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao ? »

–     « Iza moa Ianao, Tompo ? »

–     « Izaho no Jesoa Izay enjehinao ; sasapoana ianao mitroatra mahohitra ny fanindronana. Mitsangàna, ka nidira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy hataonao. »

Arak’izany io ady io no tena zava-dehibe, ady tsy misy fandresena mihitsy, ady maneho ireo rehetra izay ho hitantsika tao anatin’ny fiainan’i Paoly, ady izay mampahatsiahy ireo adin’i Jakôba syizy sy Elia ary ny an’i Kristy tenany tany an’efitra, adin’i Kristy tao amin’i Paoly izay nampandalo azy tamin’ny fahazavany ho amin’ny an’i Kristy ilay tonga avy tany an-danitra, ilay te-hanarona ny fiainany rehetra ny tenany manontolo. Tsy maintsy manaiky hianjera mba ahafahana manarina, mba ahafahana mandalo amin’ny fahafatesana ho an’ny amin’ny fiainana ; tsy maintsy manaiky ho lehibe intsony fa tokony hanaiky ho tarihina, manaiky fa misy sombin-kazo latsaka avy amin’ny maso ary izany dia tsy atao hamparary, fa hampahita an’i Kristy, tsy maintsy handalo amin’ny tsy fahazoana mivelona sy amin’ny tsy fahampian-kery mba ahazoana mandray amin’ny farany ny Fanahiny ary hahazo ao aminy ny fiainany hatramin’ny ahazoana miteny hoe :

« 20ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. » (Gal 2, 20)

Ao amin’ity fahazavan’ny fihaonana ity, amin’ny safidin’i Kristy izay te-hanao an’i Paoly ho fitaovana iray mba hamaly amin’ny anarany eo anatrehan’ny firenena rehetra dia ho afaka hijery ny adiny, ny fijaliany sy izay tokony handalovany araka izay efa nambara taminy isika.

« 15Fa hoy ny Tompo taminy : « Mandehana, fa io lehilahy io dia tanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny anarako eo anatrehan’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary eo anatrehan’ny Israelita ; 16ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny anarako. » (As 9, 15-16)

Tao anatin’ny safidin’ Andriamanitra hampahalala ny tenany amin’ny olona rehetra, hampahalala ny tenany eo am-panehoana fitokisana ny olombelona mpanota, ao anatin’izany ireo izay nandà azy (tahaka an’i Piera), na ireo izay nanenjika azy (tahaka an’i Paoly), ary ireo izay tia ny olona hatramin’ny fanekena fa ho lavina izy, no ahazoantsika manandrana hahazo ny fijaliana tao anatin’ny fiainan’i Paoly.

Ao anatin’ny fahazavan’ny fampanantenana atao azy mba tsy hiseho afa-tsy indray mandeha fotsiny, hiaraka aminy foana no ahazoantsika mijery ny fijaliany.

« 16Mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongontrao. Fa Izaho no niseho taminao, dia ny mba hanendry anao ho mpanompoko sy vavolombelon’ny zavatra efa hitanao sy izay mbola hisehoako aminao koa. 17Nafahako tamin’ny vahoaka Jody ianao, sy tamin’ny hafa firenena izay hanirahako anao izao, 18mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hahatonga azy hiala avy amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefàn’i Satana ho amin’ Andriamanitra ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy. » (As 26, 16-18)

Raha hijery an’i Paoly na ny fiainantsika isika, asaina isika tsy hijery ny fahoriana loatra sy ny fetrantsika ary ny fahotantsika, fa hijery izay hanatanteraka i Kristy ao amintsika, amin’ny alalantsika, miaraka amintsika, nanao ahoana nonahatongavany hihaona amintsika ary haniraka sy miantso antsika Izy. Antsoina koa isika handinika ny adintsika sy ny fijaliana izay omena antsika, ary ny ady sy ny fijaliana izay an’i Kristy.

2. Ady sy fijaliana tao amin’ny fiainan’i Paoly

2.1 Ao amin’ny famakiana ny bokin’ny Asan’ ny Apôstôly

–     Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jodin’i Damasy ; fantatr’i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan’izy ireo andro aman’alina ny vavahady mba hamonoany azy ; kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobiky, dia nampidininy tamin’ny manda.

–     Rehefa tonga tany Jerosalema, tsy dia neken’ny kristianina izay matahotra azy izy. (As 9, 26)

–     Tsy maintsy niala tao Jerosalema handositra ireo Jody miteny grika ireo izay mitady hamono azy izy. (As 9, 28)

–     Nifanena tamin’ny fanoheran’i Elymas mpamoa angatra izy tao Sipra. (As 13, 8)

–     Nompaina, nohenjehina, noroahin’ny Jody izy tao Antiokia any Pisidia. (As 13, 45 ; 13, 51)

–     Torak’izany tao Ikôniôma izay notadiavina ho toraham-bato izy. (As 14, 5)

–     Noheverina ho Andriamanitra izy niaraka tamin’i Barnabà rehefa avy nanasitrana malemy iray ary rehefa avy eo ivelany, dia nitora-bato an’i Paoly ireo vahoaka ireo notarihiny tany ivelan’ny tanàna ary navelany ho faty tany. (As 14, 19)

–     Teny an-dalana miverina tamin’io dia voalohany io, dia manatanjaka ny kristianina sy mandodona azy ireo eo am-pampirisihana azy ireo hikiry ao anatin’ny finoana, mahafantatra tsara fa hahalala ny fijaliana izy ireo. Nilaza izy ireo hoe : « amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. » (As 14, 22)

–     Tany Antiokia, tamin’ny fiverenana tamin’ny dia voalohany, dia nifanditra mafy tamin’ireo rahalahy izay nitaky ny famorana izy ; (As 15, 2)

–     Tamin’ny fotoana handehanana indray hanao iraka, tao aorian’ny fivoriana tany Jerosalema, dia nifanditra tamin’i Barnabà izy ny amin’ny fomba hitondrana an’i Marka miaraka amin’izy ireo ka niafara tamin’ny fisarahana tamin’i Barnabà. (As 15, 37-40)

–     Tany Filipy, niaraka tamin’i Silasy, dia norahonana izy, norovitina ny fitafiany, nokapohina izy ary natsipy tany am-ponja, nofatorana ny tongotra aman-tanana, rehefa avy natolotra tamin’ny vehivavy nisy demony iray, rehefa avy nampanany vola ny tompony tamin’ny loharanom-bola ; (As 16, 22-24)

–     Nalaky voarahon’ny Jody izy tany Tesalônika ary tsy maintsy nandositra haingana ; (As 17, 5)

–     Noenjehin’ny Jodin’i Tesalônika tany Berea izy dia tsy maintsy nandositra nankany Atena ; (As 17, 13)

–     Nahita ny fanesoana tany Atena izy raha niteny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary tsy maintsy niala tao Atena (As 17, 12)

–     nompain’ny Jody tao Kôrinto izy ary mitodika tsy misy indrafo tamin’ny mpanompo-sampy (As 18, 6) dia nentin’ny Jody tany amin’ny tribonalin’ny Kôrinto ary niseho teo anatrehan’i Galiôna ; (As 18, 12)

–     Tsy maintsy niala tao Efezy izy noho ny fikomiana nataon’ireo mpivarotra sariolona madinika tany Diana (Artemis) izay nanatrika ny varotra ataony mikororosy fahana ; (As 19, 28-31)

–     Fantany indray ny fiokoana taminy teo amin’ny fotoana handehanany tany Syria ary voatery nanova ny lalany izy (As 20, 3)

–     Nanao kabary fanaovam-beloma ireo maintimolalin’ny Efezy izy tao Mileto ary nanapa-kevitra malalaka hiakatra tany Jerosalema izay nahafantarany fa rojo vy sy fahoriana no miandry azy (As 20, 17-18)

–     Tany Sezarea, dia noteneniny indray ny fahavononany ho faty ho an’i Kristy : « Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko ? Izaho izao dia vonona, tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza mba ho voninahitry na Anaran’i Jesoa Tompo. » (As 21, 13)

–     Namaky ady tamin’ny tanàna iray manontolo tany Jerosalema ary nangataka ny fahafatesany (As 21, 30-36) ; nosamborina izy ary niseho indray, hatreo dia azo sambo-belona izy.

–     Nentina teo amin’i Sezarea izy ary afa-doza tamin’ny fiokoana iray (As 23, 12) ; niseho indroa teo amin’i Sezarea izy (As 24 ka hatraminy 26).

–     Nandeha tany Rôma izy nandritra ny diany dia nifanehatra tamin’ny tafio-drivotra sy faharendrehana an-tsambo izy, napetrany tamin’ Andriamanitra ny fitakisany ary afaka tamin’izany izy. (As 27)

–     Mbola ho afaka tamin’ny fanirian’ireo miaramila hamono ireo gadra am-ponja izy ary ilay bibilava iray tao amin’ny Nosin’ny Malta (As 27 sy 28).

2.2 Fahoriana, ady, fijaliana… Lahatsoratra lehibe vitsivitsy :

2.2.1 Kabary ho an’ny maintimolalin’i Efezy ao Mileto (As 20, 18-38)

Na ny testamentan’i Paoly ka ao anatin’izany dia vakiany indray ny fitsapana nahazo azy ary manambara ny an’ny fikambanana izy :

« 18Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia nilazany hoe : « Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Azia izay toetran’ny fitondrantenako taminareo hatrany hatrany ; 19fa nanompo ny Tompo tamim-panetrentena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy. 20Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo am-pahibemaso sy isan-trano. 21Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny hafa firenena ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.

22Ary ankehitriny indro teren’ny Fanahy hankany Jerosalema aho ; nefa tsy fantatra izay hanjo ahy any. 23Izaho ihany no ambaran’ny Fanahy Masina amiko ; isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy. 24Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany ; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rahefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny nitory ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’ Andriamanitra.

25Eny iky, ry olona nalehako nitoriako ny Fanjakan’ Andriamanitra, fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo rehetra. 26Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny aminareo aho ; andraikitrareo raha very ianareo,

27satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’ Andriamanitra rehetra. 28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Fiangonan’ ny Tompo izay novidiny tamin’ny rany.

29Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry. 30Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso ! 32Ary, ankiniko amin’ Andriamanitra sy amin’ ny tenim-pahasoavany ianareo, dia Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin’izay efa masina rehetra.

33Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian’ olona aho. 34Fantatrareo fa ireto tanako ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain’ izay rehetra niaraka tamiko. 35Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe : Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. »

36Nony avy nilaza izany i Paoly, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra. 37Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy, 38fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin’ny nilazany hoe : ‘Tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo.’ Dia nanatitra azy hatreny an-tsambo izy ireo.

Ho an’ny olon’i Sezarea taiza rafitra mitovy no miseho dia i Paoly no nanao hoe :

« Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko ? Izaho izao dia vonona, tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza mba ho voninahitry na Anaran’i Jesoa Tompo. » (As 21, 13)

2.2.2 Napetrak’i Paoly tao anaty fahalemena sy tao anatin’ny antson’ Andriamanitra izy nisintonany ny heriny, ny fireharehany ary izay manampy azy ao anatin’ izany fahalemena izany (2 Kôl 11, 16 – 12, 10)

16Averiko indray : aza misy manao ahy ho adala ! Tsy maninona anefa, raiso toy ny adala ihany aho, raha sitrakareo, mba hahazoako mirehareha kelikely koa. (…) 22Hebrio ve izy ireo ? Izaho koa ; Israelita ve izy ? Izaho koa ; taranak’ i Abrahama ve izy ? Izaho koa ; 23mpandraharahan’ i Kristy ve izy ? Hiteny toy ny olona very saina aho, eny, mihoatra noho izy aho amin’ izany, fa nisasatra mafy kokoa, natao an-tranomaizina matetika, voakapoka manan-tombo lavitra. Imbetsaka aho tambavahaona ; 24indimy aho nokapohin’ny Jody inefapolo latsaka iray avy ; 25intelo nokaravasin’ny Rômanina ; indray maka notorahambato ; intelo vaky sambo ; indray andro sy indray alina, tavela teo anivon-dranomasimbe. 26Tany am-pivahiniana imbetsaka aho ka matetika no nidiran-doza, dia loza tamin’ny ony, loza tamin’ny jiolahy, loza tamin’ny iray firenena amiko, loza tamin’ ny hafa firenena, loza tao an-tanàna, loza tany an’efitra, loza tany amin’ny ranomasina, loza tamin’ny mpisandoka ho mpiray tampo ara-pinoana. 27Niasa mafy sy nikely aina aho niari-tory matetika, nijalin’ny hanoanana aman-ketaheta, nanao fifadian-kanina matetika, niaritra hatsiaka sady tsy nanan-kitafy. 28Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany, eo koa ny fiahiako isan’andro, dia ny fikarakarana ny Fiangonana rehetra. 29Iza no malemy ka tsy malemy koa aho ? Zovy no lavo amin’ny fahotana ka tsy malahelo fatratra koa aho ? 30Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha. »

Rehefa izany dia notantarain’i Paoly hoe avy aiza ny heriny ; avy amin’ny safidin’ Andriamanitra, avy amin’ny fanambarana teny amin’ny lalan’ny Damasy. Niteny momba ny tsilo tao anatin’ny nofony izy na dia hoe voaantso aza izy ary fotoana ho azy hahitana ny hery avy amin’ Andriamanitra sy ny fahasoavany.

2.2.3 Iza no afaka hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? (Rôm 8)

Ao anatin’ity lahatsoratra ity, dia mandinika indrindra izay hahazoany mihoatra ny fahoriany izy, sy aiza no ahitany ny toky ho azy.

« 1Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo ; 2fa ny fanapahan’ilay Fanahy mpanome aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery fa nolemen’ny nofo, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin’ny nofony, 4mba ho tanteraka ny fahamarinan’ ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo fa ara-panahy. 5Fa izay ara-nofo dia mankafý ny zavatry ny nofo ; ary izay ara-panahy dia mankafý ny zava-panahy. 6Ny ironan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny ironan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. 7Satria ny ironan’ny nofo dia mifandray amin’ Andriamanitra fa tsy manaiky ny lalànan’ Andriamanitra izy sady tsy afa-manaiky an’izany akory. 8Koa izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’ Andriamanitra.

9Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’ Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia an’i Kristy; 10fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.

11Ary raha ny Fanahin’ Ilay nanangana an’i Jesoa ho velona avy any amin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izy nanangana an’i Kristy Jesoa ho velona avy any amin’ny maty koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ilay Fanahiny mitoetra ao anatinareo.

12Koa amin’izany, ry mpiray tampo ara-pinoana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. 13Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty ; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

14Eny, izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’ Andriamanitra. 15Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe : Aba ! Ray ! 16Ary ny tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy ; satria miara-mijaly amin’i Kristy isika, mba hiara- Komem-boninahitra aminy koa.

18Heveriko manko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. 19Fa indrakindrafana be ihany ny zavaboaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra : 20satria izao zavaboaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny, fa noho ilay mpanompo azy, 21nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalana amin’ny fahandevozam-pahalovana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra.

22Satria fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zavaboaary rehetra izao. 23Ary tsy izy ihany fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatinsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. 24Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany ? 25Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.

26Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay vavaka tokony hataontsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mivavaka amin’ny fitarainana tsy azo lazaina ; 27Ary ilay Andriamanitra maninteraka ny fo no mahalala izay ironan’ny Fanahy, satria araka ny irin’ Andriamanitra no ivavahany ho an’ny olomasina.

28Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’ Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany. 29Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa manan-jandry maro Izy. 30Ary izay notendreny no nantsoiny koa ; izay nantsoiny no nohamarininy koa ; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

31Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany ? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? 32Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy ? 33Iza no hiampanga an’izay voafidin’ Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy 34ka zovy no hanameloka ? Moa i Kristy ve, Ilay efa maty, fa nitsangana ho velona, sy mipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra ary mivavaka ho antsika ?

35Koa iza ary no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? Fahoriana ve, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa fahantrana, sa loza, sa sabatra ? 36Araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe : ‘Ianao no amonoana anay isan’andro ; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. 37Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. 38Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, na ireo fahefana, 39na ny any ambony, na ny any ambany, na zavaboaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

2.3 Fahoriana, ady, fijaliana, nokilasiana araka ny sokajiny :

Ireny loza ireny dia avy amin-javatra samihafa, izay miovaova ny maha-zava-dehibe azy. Ny maro dia mihatra aman’aina ary ambonin’ny tena heriny dia tonga hatramin’ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana satria noraisiny tao amin’ny tenany ihany ny fanolorana tena ho faty (2 Kôl 1, 8-9).

Tsy avy amin’ny fahotana ny zavatra rehetra, fa mahatonga ny apôstôly hiady tsy amin’ny olona na amin’ny singa eny amin’ny natiora izany rehetra izany fa kosa hiady amin’ny famelezan’ny demony izay nampiasa ireny fizahan-toetra ireny handefasana zana-tsipikan’ilay ratsy (jereo Ef 6, 10-20).

2.3.1 Mifandray amin’ny faharetana amin’ny fiantsoana, amin’ny fahotana

–     Azo apetraka amin’ity sokajy ity ny traikefa azo teny amin’ny lalan’ ny Damasy mba hiverenana etý an-tany, tsy afaka ahita ny mazava etý, voataona amin’ny fiovana tanteraka (As 9)

–     « 14Fantatsika tokoa fa ny Lalàna dia ara-panahy ; izaho kosa dia miaina ara-nofo, namidy ho andevozin’ny fahotana. 15Satria tsy hitako be ihany izay ataoko ; tsy ny tiako no ataoko, fa ny halako no ataoko. (…)18Fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko ; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara. » (Ro 7, 14-25)

–     Ny tsilo ao anatin’ny nofo : « 7Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko, dia irak’i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. 8Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo mba hanalany an’io amiko, 9fa izao no navaliny ahy : « Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. » (2 Kor 12, 7-9)

–     ny tsy fifankazahoan’i Barnabasy momba ny hitondrana na tsia an’i Joany Marka miaraka amin’izy ireo ho an’ny dia faha-roa dia tsy tokony hanana fifandraisana amin’ny ota ao anatin’ny fon’i Paôly koa…

–     « 36Nony afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin’i Barnabà : « Andeha indray isika hamangy ny mpiray tampo ara-pinoana any amin’ny tanàna rehetra efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo, hahitantsika izay toetrany. » 37Ary i Barnabà moa nikasa hitondra an’i Joany, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. 38Fa i Paoly kosa nangataka ny tsy hitondra an’io, satria efa nandao azy ireo tany Pamfilia io fa tsy niara-niasa taminy. 39Dia nifanditra mafy izy roalahy, hany ka tafasaraka terý : i Barnabà moa nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo hankany Sipra izy roalahy ; 40fa i Paoly kosa nifidy an’i Silà, dia lasa rahefa natolotry ny mpiray tampo ara-pinoana hoentin’ny fahasoavan’ny Tompo. 41Namaky an’i Siria sy i Silisia i Paoly ka nankahery fo ny Fiangonana rehetra. (As 15, 36-41)

2.3.2 Mifandray amin’ny fetran’ny herin’ny tena amin’ny aretina, amin’ny fahanterana, amin’ny faha elana voafetra, amin’ny fanaovana ny iraka ivelan’ny resaka fanenjehana sy ny fifandirana :

–     Hatrany hatrany dia mampahatsiahy ny tsy fahaizany miteny i Paoly. Hita izany ao amin’ny Asan’ny Apôstôly raha sendra natory ilay zatovolahy ka nianjera tamin’ny varavarankely nandritra ny fotoana nitenenan’i Paoly. Hita rahateo izany ao anatin’ny taratasy : « Tsy misy na iza na iza manana fahaiza-miteny. » (2 Kôl 11, 6)

–     Any an-kafa any, dia mampahatsiahy ny fahanterana izy : « na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. » (2 Kôr 4, 16) ; na koa : « Izaho Paoly moa dia efa antitra sady voagadra noho ny amin’i Kristy Jesoa koa ankehitriny… » (Flm 9)

–     Mampahatsiahy aretina lehibe koa izy : « 13Fony aho vao nitory voalohany ny Vaovao Mahafaly tany aminareo, dia hitanareo ny aretina nihatra tamin’ny tenako, ary tonga fakampanahy ho anareo izany, 14nefa tsy mba naneso na nihataka ianareo tamin’izany… » (Gal 4, 13-14)

–     Imbetsaka i Paoly no mampahatsiahy ireo alina fohy ho an’ny iraka atao na satria koa nanao safidy hiasa mba tsy hiankinana amin’ireo izay anambarany ny teny (1 Tes 2, 9)

–     Mampahatsiahy ny hanoanana izy, ny hetaheta, ny hatsiaka, ny tebiteby ho an’ny fiainany na ho an’ny fikambanana, ny tsy filaminana eny amin’ny dia izay atao (jerena manokana ao amin’ny andininy 2.2.2, ny teny voalaza ao amin’ny 1 Kôrintianina

2.3.3 Mifandray amin’ny fifanandrianina amin’ny mpianatra hafa, amin’ny fizarazaran’ny fikambanana, amin’ny olan’ny hino amin’ny fanenjehan’ny Jody na ny mpanompo sampy

Hita foana izy ireo amin’ny Asan’ny Apôstôly (jereo ny andininy 2.1) sy ao anatin’ny taratasy. Miseho amin’ny endrika samihafa izy ireo. Niharan’ny fanenjehana samihafa i Paoly, fanenjehana niverimberina sy niovaova hatramin’ny fikasana famonoana ho faty. Tsy mitovy daholo ny fiavian’ireny fanenjehana iray :

–     ny sasany mifandray tamin’ny fifandirana tamin’ny Jody izay tsy afaka hahalala an’i Kristy ;

–     ny hafa dia nifandray amin’ny fifandirana amin’ny mpanompo sampy indrindra momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ;

–     ny hafa dia nifandray amin’ny fahefan’ny vola rehefa manary ny fidiram-bolany amin’ny tompon’ilay vehivavy itoeran’ny fanahy izy (As 16, 22-24) na amin’ireo mpivarotra sariolon’i Artemis (As 19, 28-31)

Nahita fifandirana mafonjafonja tao anivon’ny Fiangonana aza i Paoly :

–     niaraka tamin’ireo kristianina izay natahotra azy teo am-piaingana (As 9, 26) ;

–     niaraka tamin’ireo rahalahy izay nitaky ny famorana (As 15, 2) ;

–     teo anivon’ny fiangonana Korintianina izay voazara eo amin’ny samy Apôlao sy Piera ary izy (1 Kôr 1 ka hatraminy 4) ;

–     niaraka tamin’ny rahalahy korintianina iray izay nanafintohina azy mafy ary navelany heloka (2 Kôr 2, 5-11) ;

–     niaraka tamin’ny apôstôly sandoka (2 Kôr 11, 13-14) ;

–     niaraka tamin’ny Galatianina izay niverina tamin’ny famorana (Gal) ;

–     niaraka tamin’i Piera aza tamin’ny anaran’ny Evanjely sy ny asa fanompoana ao amin’ny fikambanana (Gal 2, 11-14) ;

–     niaraka tamin’i Barnabà namany izay nisarahany noho ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny resaka ny itondrana na tsia an’i Joany (Marka) miaraka amin’izy ireo ho an’ny dia faha-roa (As 15, 37-40) ;

–     tohina tamin’ny fifandirana teo amin’ny samy mpianatr’i Kristy izy, ohatra tany Filipy, niady i Eôdia sy Sintîka (Fil 4, 2-3) ;

–     niaraka tamin’i Aleksandra, fifandirana izay nandaozan’ny rehetra azy, afa-tsy ny Tompo sy namela ny helony tamin’izany koa aza (2 Tim 4, 14-18) ;

–     niaraka tamin’ireo fiangonana tsy miaina ny Evanjely misy fifamoterana, fifanoherana samy mpirahalahy (1 Kôr 5 sy 6)

–     tokony hiady amin’ny fandriky ny filozofia (Kol 2, 8)

3. Ahoana no ahazoan’i Paoly ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahoriana sy ny fijaliana izay tsy tanjona ao anatiny :

3.1 Ny zava-kendrena dia tsy ny fijaliana fa ny fifaliana amin’ny fahalalana an’i Kristy, voababony, tafakambana aminy ao amin’ny voninahitra ary amin’izany dia tafakambana amin’ny hazofijaliany :

Ao anati’ny andininy samihafa ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apôstôly, na ny tantaran’ny fibebahany izay, na ny fara hafany tany Mileto, dia ahitana fitoviana betsaka an’i Paoly amin’i Kristy, indrindra amin’i Kristy eo amin’ny hazofijaliana (As 20).

Ho azy dia lalana tsy maintsy andalovana izany hidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra (As 14, 22), mahalala an’i Kristy, mety ho voababony (Fil 3, 8-21)

« 8Eny, mbola ataoko ho faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko ; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko ho fakofako foana ny zavatra rehetra. 9Ka ho hita ao aminy aho tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, dia ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ny fahamarinana vokatry ny finoana niainan’i Kristy, dia ilay fahamarinana avy amin’ Andriamanitra noho ny finoana.

10Irîko ny hahalala an’i Kristy, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany ho velona, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ; ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesana aho, 11mba hahatratra ny zava-kendrena, dia ny fitsanganana ho velona avy any amin’ny maty rahefa ho azo atao izany.

12Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary ; fa miezaka hatrany aho mba hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesoa ahy. 13Eny, ry mpiray tampo ara-pinoana, tsy manao ahy ho efa nahahazona tanteraka aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay efa nodiaviko, sy miezaka mafy ho amin’izay kendreko ; 14mihazakazaka hahatratra ny tanjona aho, mba hahazoako ny amboara izay iantsoan’ Andriamanitra ahy any ambony any, ao amin’i Kristy Jesoa. 15Aoka ary hiray amin’ izany ny hevitsika rehetra efa lavorary ; ary raha mbola misy zavatra sasany iheveranareo hafa noho izany, dia Andriamanitra no hanazava anareo ny amin’ izany. 16Ny efa azontsika anefa dia aoka hizorantsika, toraka ny efa nataontsika hatramin’izao.

17Ry mpiray tampo ara-pinoana, makà tahaka ahy ianareo ; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay.

18Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.

19Fahaverezana no hiafaran’ ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.

20Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Ilay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny vatany be voninahitra araka ny herin’ny fahefana nampanekeny Azy ny zavatra rehetra. » (Fil 3, 8-21)

Mbola ahitana filazana hafa an’ity fahasoavana amin’ny fiombonana amin’ny hazofijalian’i Kristy.

« Mitondra ny diam-perin’i Jesoa amin’ny vatako aho » (Gal 6, 17)

« 29Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa, 30dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. » (Fil 1, 29-30)

Toy izany, loharanon’ny fitiavana amin’ny hafa ny hanao sorona ny fiainany ho an’i Kristy (Fil 1, 25-30), loharanon’ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny hafa (1 Tes 2, 13-15).

Misy fitenenana iray izay raha sarahina amin’ny taratasy sisa nosoratan’i Paoly, na raha tsy raharahaina afa-tsy eo amin’ny fiandohana, dia mety ho diso eo am-pitadiavana ny fijaliana ho azy fotsiny (Kôl 1, 24-29) :

24Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fiaretako fijaliana ho anareo, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny Fiangonana ; 25koa voatendry ho mpandraharaha azy aho noho ny namomezan’ Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo mba hitoriako ny tenin’ Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, 26dia ilay tsiambaratelo nafenin’ Andriamanitra hatramin’ny taranaka maro nifandimby taloha, fa nasehony kosa ankehitriny tamin’ny olomasina. 27Ireo olomasina ireo no tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny mahasarobidy sy mahabe voninahitra izany tsiambaratelo anasoavana ny hafa firenena izany dia inty : ao anatinareo i Kristy, antoky ny voninahitra ho anareo. 28Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay araka ny fahendrena mba hahatongavan’ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy ; 29ary izany indrindra no ikelezako aina sy iaidiako mafy, araka ny hery tsy hay tohaina omen’i Kristy sady miasa fatratra ato amiko. (Kol 1, 24-29)

3.2 Izay mitombo ao amintsika amin’ny alalan’ny fahoriana

Tsy mamorona resaka momba ny hazofijaliana i Paoly. Manana traikefa izy fa ny fanarahana an’i Kristy, ny fitiavan’ny Ray sy ny olombelona dia mahatonga fahalalana ny hazofijaliana, ny fandalovana amin’ny hazofijaliana dia fandalovana tsy maintsy atao mba hidirana amin’ny fahalalana an’i Kristy, ary izany fihaonana amin’i Kristy izany dia laharana farany izay mitombo eo amintsika ankoatra ny fijaliana iaretana. Hanolotra endrika maron’ny amin’izay nampitomboan’ny fijaliana nolalovana ao amintsika i Paoly.

3.2.1 Ny fahoriana dia lalana tsy maintsy andalovana mba idirana ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra

–     « amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. » (As 14, 22)

–     « Fantatro fa hody ho famonjena ahy io fahoriana io. » (Fil 1, 19)

–     « 18Heveriko manko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.

3.2.2 Mampitombo ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana ny fizahana toetra notadiavina

–     « 3Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny faoriana mahatonga faharetana, 4ny faharetana hahatonga hatsarampanahy voazaha toetra, ny hatsarampanahy voazaha toetra mahatonga fanantenana ; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’ Andriamanitra. » (Ro 5, 3-5)

–     « 3Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry mpiray tampo ara-pinoana ; ary rariny izany, satria ny finoanareo mandroso fatratra, ny fifankatiavanareo mitombo hatrany hatrany. 4Tonga reharehanay any amin’ireo Fiangonan’ Andriamanitra ianareo noho ny faharetanareo sy ny tsy fivadihanareo, na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjo anareo aza. 5Porofo izany fa ara-drariny ny fitsaran’ Andriamanitra, ka dia ho hita mendrika ny Fanjakan’ Andriamanitra izay antony iaretanareo fijaliana ianareo. » (2 Tes 1, 3-5)

–     Hita koa izany ao amin’ny Rômanina 8, 22-25… (jereo ny andininy 2.3.3)

3.2.3 Ny fampiononana tamin’ny fijaliana dia mahatonga antsika ho afaka hampionana amin’ny anjarantsika

–     « 3Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindrampo, ary Andriamanitra loharanon’ny fanalana alahelo rehetra ! 4Manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra manko Izy, mba hahazoanay manafaka alahelo ny trapahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy. 5Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa. » (2 kôl 1, 3-5)

3.2.4 Ny fahalalana fahoriana dia manery antsika hametraka ny fitokisantsika tsy amin’ny tenantsika fa amin’ Andriamanitra

–     « 8Tianay ho fantatrareo, ry mpiray tampo ara-pinoana, ny amin’ny fahoriana nanjo anay tany Azia, fa novesarana tsy eran’aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampo izay ho velona intsony ; 9fa toa efa renay ao amin’ny tenanay ny didim-pahafatesana mba tsy hitokianay amin’ny tenanay intsony, fa amin’ Andriamanitra izay manangana ny maty. 10Izy no nanafaka anay tamin’izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa. » (2 Kôl 1, 8-10)

3.2.5 Ny tsilo ao anatin’ny nofo dia misoroka antsika amin’izay rehetra avonavona ary mitarika antsika hiankina amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra

–     « 7Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko, dia irak’i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. 8Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo mba hanalany an’io amiko, 9fa izao no navaliny ahy : « Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. » (2 Kôr 12, 7-9) (Jereo andin-tsoratra faha-2.3.1)

Raisin’i Paoly ho tahaka ny toerana izay mamela amin’ny fihaonana amin’ Andriamanitra ny fahotana, mamela ny fahasoavany hiasa, manaiky fa nifidy antsika araka izay maha isika antsika, miaraka amin’ny fetrantsika, manaiky olombelona voafetra izy mba hanambara ny fitiavany tsy misy farany.

3.2.6 Ny fahoriana hitan’ny Apôstôly dia nampisy ny tsimoka pastoraly

–     « 12Tiako ho fantatrareo, ry mpiray tampo ara-pinoana, fa efa tonga fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly ny zavatra nanjo ahy, 13satria efa vaky ato an-trano fiambenana sy any ivelany izao, fa noho i Kristy no igadrako ; 14ka nahazo toky noho ny figadràko ny ankabeazan’ny mpiray tampo ao amin’ny Tompo, ary vao mainka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy aman-tahotra. » (Fil 1, 12-14)

–     Fahoriana ho ohatra ho an’ny Fiangonana : « 29Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa, 30dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. » (Fil 1, 29-30)

3.2.7 Ny fahoriana dia mamela ny tsy hanambarana ny tena ihany ary ny tsy hamitaha-tena ny amin’izay nambara fa harena iray entina ao anaty vazy tanimanga

« 1Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindrampo natao taminay ; (…) 5Fa tsy tenanay no torinay, fa i Kristy Jesoa Tompo ; izahay kosa dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa. 6Satria Andriamanitra Izay nandidy hoe : « Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava », no nanazava ny fonay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.

7Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’ Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Vaovao Mahafaly, fa tsy avy aminay.

8Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery ; ampahorina, nefa tsy mamoy fo ; 9enjehina, nefa tsy afoy ; azera, nefa tsy toro ; 10entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa.

11Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty.

12Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13Hoy ny Soratra Masina hoe : Nino aho, ka niteny. Noho izahay manana io Fanahin’ny finoana io dia mino koa izahay, ka miteny. 14Satria fantatray fa Ilay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona dia hanangana anay ho velona miaraka amin’i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. 15Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’ Andriamanitra. » (2 Kôr 4, 1-15)

3.2.8 Ny zavatra rehetra dia mety ho fomba fanambarana ny Evanjely sy fanorenana Fiangonana :

« 13Fony aho vao nitory voalohany ny Vaovao Mahafaly tany aminareo, dia hitanareo ny aretina nihatra tamin’ny tenako, ary tonga fakampanahy ho anareo izany. » (Gal 4, 13)

3.2.9 Ny fahitana fahoriana dia sekolin’ny fahafahana

« Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, ka hianina na aiza na aiza ary na amin’inona na amin’inona. 13Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy. » (Fil 4, 12-13)

3.2.10 Manana zavatra azo antoka iray i Paoly : ny zavatra rehetra dia miara-miasa amin’izay rehetra tia an’Andriamanitra na dia ny faoriana aza

Jereo Rômanina 8, 28 (Jereo ny andininy 2.3.3)

4. Famantara ho an’ny tolona :

4.1 Avela i Kristy hiady ao amintsika amin’ny alalan’ny Fanahiny

« 14Fa terin’ny fitiavan’i Kristy izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia nandalo fahafatesana koa izy rehetra ; 15ary maty ho an’ny olona rehetra i Kristy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Ilay efa maty sy nitsangan-ko velona ho azy ireo. 16Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izao izahay ; ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay, dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny.

17Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zavaboaary vaovao izy ; ka lasa ny zavatra taloha, fa zavatra vaovao indray no eo.

18Ary tsy iza no niavian’izany rehetra izany, fa Andriamanitra izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana ; 19eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona, fa nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.

20Koa iraka solotenan’i Kristy ary izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin’ny alalanay ; solotenan’i Kristy izahay no mihanta aminareo hoe :

Mihavàna re amin’ Andriamanitra ianareo !

21Fa he ity izy : Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga famamarinan’ Andriamanitra ao aminy isika !

61Ka noho izahay mpiara-miasa aminy ary, dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo. » (2 Kôr 5, 14 – 6, 1)

Maro ny lohahevitra ahitana io ady io mbola tsy antsika aloha, fa mbola an’i Kristy. Zavatra lehibe indrindra izany, raha tsy te ho diso hevitra amin’ny ady. Tsy hoe hitebiteby ny amin’ny tenantsika ihany no andehanana amin’izay ataon’i Kristy antsika, ny amin’ny azony atao sy tiany atao, Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika. » (Ef 3, 20)

4.2 Miverina amin’ny antso voaray

Ho azy ihany, tahaka izay ho an’ireo izay itenenany, eo anoloan’ny zava-tsarotra rehetra, dia miainga hatrany amin’ny antso azony i Paoly sy amin’ny fikasan’ Andriamanitra mba ho fantatry ny olona, ny hamonjy ary ireo. Marobe ny filan-kevitra amin’izany.

4.3 Nampandrenesina fa tsy misy lalana hafa tsy ny mandalo amin’ny fahoriana, amin’ny ady :

Tena vizana i Paoly no mampahatsiahy ny kristianina ao anatin’ny lalana aleha ny fahoriana (2 Tim 1, 6-1 ; 2 Tim 2, 3) ka tsy tokony ho taitra fa miomana amin’izany (1 Tes 3, 3-4 ; 1 Tes 4, 13 – 5, 11) ka tsy tokony handositra azy ireny tahaka izay mihevi-tena ho toy ny fahavalon’ny hazofijaliana (Fil 3, 18) ary tsy maintsy manambara ny Tenin’ Andriamanitra na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, miaritra ny fijaliana, manao asan’ny Evanjelisitra (2 Tim 4, 1-5)

4.4 Mahatsiaro ny fijalian’i Kristy

« 1Koa ny aminao ary, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao ! 2Ary ny fampianarana, izay renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, dia aoka hafindranao amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray. 3Miareta ny anjara fijalianao amin’ny mahamiaramila tsaran’i Kristy Jesoa anao. 4Ny miaramila, raha te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao ; 5ny mpanao fanatanjahan-tena koa tsy mahazo satro-boninahitra raha tsy niady ara-dalàna ; 6ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka rahefa izany vao mandray ny vokatra. 7Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.

8Tsarovy fa i Jesoa Kristy, ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangana velona avy any amin’ny maty araka ny Vaovao Mahafaly toriko, 9izay iaretako fijaliana hatramin’ny figadrana toy ny olon-dratsy aza ; ny tenin’ Andriamanitra anefa tsy mba voagadra. 10Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-boafidin’ Andriamanitra, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao : raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa ; 12raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy ; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika ; 13raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny tenany. »

4.5 Miankina amin’ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty:

« 13Ry mpiray tampo ara-pinoana, tianay ny hahafantaranareo amin’ izay efa nodimandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo. 14Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangana ho velona no hitondran’ Andriamanitra an’izay nodimandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa. » (…) « 18Koa izany teny izany ary no aoka hifanalanareo alahelo. » (1 Tes 4, 13-14.18)

« 8Koa aoka isika an’ny andro kosa hifady hanina, hitafy ny finoana amam-pitiavana ho toy ny akanjo vy hiarovan-tena, ary hanana ny fahazoana antoka fa voavonjy ho toy ny satro-by fiarovan-doha. 9Satria tsy hoe hiharan’ny fahatezerany no nanendren’ Andriamanitra antsika, fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, 10izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika. 11Noho izany ary, mifanalà alahelo ianareo, ary mifampirisiha handroso, araka efa ataonareo rahateo. » (1 Tes 5, 8-11)

4.6 Mivavaka

Amin’izany koa dia maro ny filan-kevitra ary tokony hianatra ny vavak’i Paoly.

Raha tena te ho ao amin’ny adin’ Andriamanitra isika fa tsy ho amin’ny antsika, tsy misy lalana hafa afa-tsy ny manomboka amin’ny vavaka ary miaina ny zavatra rehetra ao anatin’ny vavaka.

Ao amin’ny 2 Kôr 1, 8-11 i Paoly dia manambara zava-dozan’ny fahafatesana ambonin’ny heriny iray ary milaza izy fa ny faharesen-dahatra ao aminy dia ny fahasoavan’ Andriamanitra no nanala azy tamin’izany fahafatesana izany. Miteny koa ny faharesen-dahatra ao aminy fa izany fahasoavana izany dia azo tamin’ny alalan’ny ranombavakan’ny olona maro an’isa. Ao amin’ny taratasy ho an’ny Kôlôsianina (Kôl 4, 12) dia niteny fa i Epafrà no tsy mijanona mitondra ny adin’ny vavaka mba hiorenany tsara, tonga lafatra, manome feno eo am-panekena amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ao amin’ny taratasy ho an’ny Filipianina (4, 4-7) dia miantso izany amin’ny vavaka izy :

« 4Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo ; eny, averiko indray, mifalia e ! 5Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo : efa akaiky anie ny Tompo e ! 6Aza manahy na inona na inona ianao ; fa ambarao an’ Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. 7Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’ Andriamanitra, dia ilay fiadanana mihoatra ny fahalalana rehetra.

Hita indray ao amin’ny Efezianina 6, 10-20 ity antso mba hivavaka ity (jereo andininy manaraka).

4.7 Mandray ny fiadian’i Kristy

Ho an’i Paoly, ady ny fiainan’ny Apôstôly. Ity ady ity dia miaraka amin’ny fiadiana voatokana :

« 10Farany, ry mpiray tampo ara-pinoana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny tsy hay tohaina. 11Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny demony akory ianareo. 12Fa tsy olombelona nofo aman-dra no iadiantsika, fa ny fanapahana sy fahefana ary hery mifehy izao tontolo maizina izao, dia ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka.

13Koa raiso avokoa ary ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy dia hijoro tsara ianareo rahefa niala nenina.

14Aza miraika, fa ataovy toy ny etra fehikibonareo ny fahamarinana, tafia ny rariny ho akanjo vy hiarovan-tena, 15kiraroy fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly fihavanana ny tongotrareo ; 16fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipik’afo rehetra alefan’ilay Ratsy. 17Raiso koa ho satro-by fiarovan-doha ny fahazoana antoka fa voavonjy, ary ho sabatry ny Fanahy, izany hoe ny tenin’ Andriamanitra.

18Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra amin’izany, dia miambena amin’ny faharetana rehetra sy amin’ny fivavahana ho an’ny olomasina rehetra. » (Ef 6, 10-18)

Hita amy ny fitoerana hafa io fiantsoan’ny fiadiana, indrindra amin’ny taratasy faharoa ho an’ny Kôrintianina (2 Kôr 6, 1-10). Miresaka momba ny rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena. Mbola hita izany amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Tesalônisianina.

4.8 Mba ahazoan’i Kristy miady ao amintsika, tsy maintsy vonona hamela ny Fanahy hiasa ao amintsika isika, mianatra manavaka izay avy amin’ny Fanahy ary izay tsy avy aminy, izay araka an’ Andriamanitra ary izay araka izay avy amin’izao tontolo izao.

Ho jerentsika rahateo ny fomba netezan’i Paoly ho tarihin’ny Fanahy Masin. Amin’izay dia hianina amin’ny filazana afa-tsy ny hoe fiainana ny fahoriana sy ny ady isika. Nety ho tarihin’ny Fanahy i Paoly. Tsy hoe nety ho tarihina fotsiny, izy, fa teo koa ny hery izay niankinany.

Nifikitra tamin’ny fanavahana ny amin’ny « fandehanana eo ambanin’ny lalàn’ny nofo » sy amin’ny « fandehanana eo ambanin’ny lalàn’ny Fanahy » izy, satria tsy ampy ny maha ao anaty faoriana na ao anaty ady mba hitenenana fa an’i Kristy ireny… Nataony taorian ny vokatra ity fanavahana ity :

« 13Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry mpiray tampo ara-pinoana, kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy. 14Fa ny Lalàna manontolo dia ao anatin’ny teny tokana hoe : Tiava ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. 15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.

16Izao ary no lazaiko : mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manam-pilàna mifanohitra amin’ny an’ny Fanahy, ary ny Fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo : koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo. 18Raha tarihin’ny Fanahy anefa ianareo, dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.

19Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, 21fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny Fanjakan’ Andriamanitra.

22Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao : fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hazavampo, tsy fivadihana, 23fahalemem-panahy, fahalalana onona : tsy misy izay lalàna manohitra ny toy izany. 24Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namantsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin’ny hazofijaliana. 25Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy 26fa aza te hoderaina foana amin’izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana. » (Gal 5, 13-25)

Ny T.O.B. dia manazava (naoty « o » andininy 22) : « Manohitra ny vokatry ny Fanahy izay tokana, ao amin’ny asan’ny nofo i Paoly : fitiavana izany. Izay tanisainy manaraka, dia ny famantarana ny fanjakan’ny fitiavana : ny fifaliana sy ny fiadanana ; ny fisehoan’ity fitiavana ity : faharetana, hatsaram-panahy, fitandremana ; farany ny fepetran’ny fahaterahany sy ny fivelaran’ny fiainany : finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Rahateo moa ny finoana no fototry ny fitiavana ; raha ny amin’ny ny halemem-panahy indray, ny toetran’ny mpanetry tena dia ny fetezany ho tarihin’ny Ray any an-danitra, mampiseho an’i Kristy izy (Mt 11, 29)

Koa satria tsy mbola mandeha amin’ny fahafenoana eo ambanin’ny lalàn’ny Fanahy isika, dia fantatsika ny fahoriana izay amin’ny tena fahotantsika sy ny alahelo vokatr’izany. Eo koa, mbola miangavy antsika i Paoly handini-tena sy hiaina ity alahelo ity « araka an’Andriamanitra » fa tsy « araka izao tontolo izao » :

10fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia miasa hahatonga fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana ; fa ny alahelon’ izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana. 11Ary akory izato vokatr’izany alahelonareo araka an’ Andriamanitra izany ! Fa he izato fahazotoana tongany aminareo ! Endrey izany fialan-tsininareo tamiko ! Eny, fahatezerana re izany ! Tahotra re izany ! Faniriana re izany ! Zotompo re izany ! Famaizana re izany ! Fatratra mihitsy ny nampisehoanareo fa nadio ianareo ny amin’izany raharaha izany !

4.9 Ady iray amin’ny iainana ao amin’ny Fiangonana

Tsy ny iainana irery ity ady ity, fa ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny samy mpirahalahy. Asaina tsy hiankina amin’ny herin’ny tenantsika isika, fa hifampiambina sy hiankina indrindra amin’ireo izay nandray andraikitra sy ho ambonintsika :

« 11Noho izany ary, mifanalà alahelo ianareo, ary mifampirisiha handroso, araka efa ataonareo rahateo. 12Mangataka anareo koa izahay, ry mpiray tampo ara-pinoana, mba hanaja izay miasa ao aminareo sy mifehy anareo ao amin’ny Tompo, ary izay mananatra anareo. 13Noho ny asan’izy ireo, manàna fitiavana azy lehibe koa, ary mihavàna tsara aminy ianareo. 14Mangataka aminareo koa izahay, ry mpiray tampo ara-pinoana : anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin’ny olon-drehetra. 15Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva. 16Mifalia mandrakariva ; 17mivavaha lalandava ; 18ary misaora an’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapony, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra. 19Aza mamono ny Fanahy Masina. » (1 Tes 5, 11-19)

Mahazo hery indray amin’ny fifandraisan’amin’ny mpiray tampo amiko ara-pinoana i Paoly raha vita ny diany feno fahasarotana ho an’i Rôma sy tonga ao amin’ny Antranotelombahiny :

« Vao nandre anay tongan y tao an-tanàna, dia tamy nitsena anay hatrany an-tsenan’i Apios y Antranotelombahiny. Nony nahita azy ireo i Paoly, dia nisaotra an’ Andriamanitra sady nahazo toky erý. » (As 28, 15)

 

Ce contenu a été publié dans malagasy. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Laisser un commentaire